Fampaherezam-panahy tamin’ny 2019
“Aza miroanahana, fa minoa kosa”


“Aza miroanahana, fa minoa kosa”

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony • 13 janoary 2019 • Oniversite Brigham Young–Hawaii

Loholona Dale G. Renlund:Misaotra anareo miaraka aminay eto androany. Fantatray fa nanana zavatra hafa tokony natao ianareo. Mivavaka izahay mba hitahian’ Andriamanitra anareo noho ny fahafoizan-tenanareo. Misaotra anareo amin’ny anaran’ny Tompo sy ny Fiangonany aho noho ny finoana sy fahatokianareo.

Rahavavy Ruth L. Renlund:Mahafinaritra ny tonga eto. Nahafinaritra ny amboaram-peo ary nahafahana nahatsapa ny Fanahy ato amin’ny fivoriana. Feno fankasitrahana izahay ho an’ireo izay mipetraka eny amin’ny lampihazo ary mankasitraka ny anjara asa tanan’izy ireo eo amin’ny fiainanareo sy ny anay. Mankatelina ny ohatra amin’ny maha-mpianatra izay asehony izahay.

Mahatsapa ho taomim-panahy izahay hiresaka lohahevitra iray nosaintsaininay nandritra ny volana maro: ny finoana sy ny fisalasalana. Tamin’ny taon-dasa, tamin’ny volana jona, dia nizara fanoharana iray izahay nandritra ny fampitana ny fanofanana fanao isan-taona ho an’ny mpampianatra ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara. Eto am-panombohanay androany, dia te hizara izany fanoharana izany aminareo izahay.

Loholona Dale G. Renlund:Alaivo sary an-tsaina hoe nivarina avy tao anaty sambo iray ianao raha teo afovoan’ny ranomasimbe. Manao akanjo fiarovana aina ianao ary efa nilomano nandritra ny ora maro nankany amin’izay noheverinao fa morontsiraka akaiky indrindra, kanefa tsy azonao antoka izany. Manjary tsy ampy rano ianao ka isaky ny manomboka milomano dia lasa fanina sy reraka. Araka ny tombantombana tsara indrindra ataonao dia any amin’ny 30 kilaometatra miala avy eo ny morontsiraka.  Matahotra ny amin’ny ainao ianao satria tsy afaka milomano lavitra be toy izany. Maheno feona maotera kely avy lavitra ianao. Toa manatona anao ilay feo; niboiboika ny fanantenanao fa ho avotra ihany. Rehefa mijery ianao dia mahita sambokelin’ny mpanjono iray manakaiky.

Rahavavy Ruth L. Renlund:Misaotra ry lanitra ô,” hoy ianao anakam-po, “hitan’ilay kapiteny aho!” Mijanona ilay sambo, dia manampy anao hiakatra an-tsambo ny mpanjono iray tsara fanahy sy efa zatra toetr’andro ratsy. Feno fankasitrahana ianao, mandady mankeo amin’ny seza iray ao anatin’ilay sambo, misento maneho fifaliana. Omen’ilay mpanjono kaopy misy rano sy biscuits vitsivitsy ianao. Haninao haingana ery izany. Ny rano sy biscuits dia manome anao ny tanjaka ilaina mba hihatsara indray. Maivamaivana ary tena faly ianao. Andalana hody ianao izao.

Rehefa manomboka velombelona sy mahatsiaro ho tsaratsara kokoa ianao, dia manomboka mandinika ireo zavatra sasany izay tsy tena tsikaritrao teo aloha. Somary naloto ary tsy araka ny nanirianao azy loatra toy ny Eau Vive na Sainto ny rano avy tao amin’ilay kaopy. Tsara ireo biscuits saingy ny tena nirinao dia hena matsiro arahina mofo misy sôkôlà. Tsikaritrao ihany koa fa ilay mpanjono dia manao baoty tonta sy pataloha jeans manga. Misy tasy ny lamba eny amin’ny satrony, ary toa tsy dia maheno tsara izy.

Loholona Dale G. Renlund:Tsikaritrao fa efa ela niasana ilay sambo ary misy loaka eny aloha. Ny loko sasany dia simba ary miendaka. Tsikaritrao fa rehefa mampijanona ny tanany eo amin’ny familiana ilay mpanjono dia mikisaka mankany amin’ny ankavanana ilay sambo. Manomboka matahotra ianao fa ity sambo ity sy ny kapiteniny dia tsy afaka hitondra ny fanavotana ilainao. Anontanianao momba ireo loaka sy ilay familiana ilay mpanjono. Milaza izy fa tsy miahiahy loatra momba ireo zavatra ireo satria efa namily ilay sambo namakivaky toeram-panjonoana maro, teo amin’iny lalana iny, andro aman’alina nandritra ny am-polo taonany maro. Nitondra azy soa aman-tsara tany amin’izay tiany naleha hatrany ilay sambo.

Gaga ianao! Ahoana no ahafahany tsy hanana ahiahy momba ireo loaka sy ilay familiana? Ary nahoana ireo sakafo no tsy araka izay tianao kokoa? Arakaraka ny hifantohanao amin’ilay sambo sy ilay mpanjono no mahatonga anao hisalasala bebe kokoa. Misalasala ny amin’ny fanapahan-kevitra noraisinao ny hiditra tao amin’ilay sambo tamin’ny voalohany ianao. Lasa nihasahiran-tsaina kokoa ianao. Farany dia mangataka ilay mpanjono ianao hampijanona ilay sambo ka hamerina anao ao anaty rano. Na dia mbola any amin’ny 20 kilaometatra mahery tsy hahatongavana any amin’ny moron-tsiraka aza ianao dia tsy te hijanona ao anatin’ilay sambo intsony.  Manajanona ilay sambo amin’alahelo ilay mpanjono dia mamerina anao ao anaty rano. Miady irery indray ianao.

Rahavavy Ruth L. Renlund:Raiso ho toy ny hoe fanoharana io tantara io, ka ilay sambo ao anatin’izany dia maneho ny Fiangonana ary ilay mpanjono dia maneho an’ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana.1Ny hany tanjon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hanampy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny asany mba hanatanteraka ny fiainana mandrakizain’ny zanak’ Andriamanitra.2Manolotra ny lalan’ny fanekempihavanana izany, izay lalana hiverenana any amin’ny Raintsika any An-danitra. Ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana, na dia tsy tonga lafatra aza, dia tena ilaina mba hanampy sy hampahery antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Inona no ampianarin’ilay sambo sy ilay mpanjono antsika momba ny Fiangonana ? Moa ve manova ny fahafahan’ny Fiangonana manolotra ny ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana nahazoan-dalana mba hanampiana antsika ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra ny fisian’ny loaka sy ny loko miendaka eo amin’ny Fiangonana? Raha toa ka tsy maintsy mihazona ilay familiana amin’ny tanany roa ilay mpanjono mba hihazonany izany ho amin’ny lalany, moa ve manova ny fahafahany sy ny fahafahan’ilay sambo hitondra antsika soa aman-tsara mankany amin’izay tiantsika haleha izany? Tsy voatery ho mpahita voatokana tahaka ny vadiko ianareo vao hahafantatra fa mampidi-doza kokoa ny miverina ao anaty rano noho ny mijanona ao anatin’ny sambo. Kanefa rehefa tsy jerentsika amin’ny fomba fijery lehibe kokoa ny zavatra dia mety ho toy ny olana lehibe kokoa noho ny tena izy ireo loaka kely sy loko miendaka.

Mila ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananany momba ny fahamarinan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ny mpikambana rehetra. Raha tsy misy fiovam-po marina, tafiditra ao anatin’izany ny fiovan’ny fo mahery vaika, dia mety hanomboka hifantoka amin’ireo sarintsarina biscuits sy loko miendaka ianao.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 2018 hoe: “Tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo [jereo nyMôrônia 10:5 Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no azonareo itokiana. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, no ahafahanareo mahazo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa mpaminany i Joseph Smith, ary ity no Fiangonan’ny Tompo. Na inona na inona mety holazain’ny hafa na hataony, dia tsy misy olona afaka hanaisotra ny fijoroana ho vavolombelona napetraka tao am-ponareo sy ao an-tsainareo momba izay marina.”3Manan-danja bebe kokoa noho ny hatramin’izay io fijoroana ho vavolombelona io amin’izao fotoana izao.

Loholona Dale G. Renlund:Ny fiantombohan’ny fijoroako ho vavolombelona dia nitranga raha nipetraka tany Göteborg Suède aho. 11 taona aho tamin’izany. Namoaka fanasana ho an’ny tanora rehetra mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna ny filohan’ny misiôna. Nanaiky ilay fanamby aho ka dia nanomboka namaky izany. Rehefa namaky teny aho, dia nilaza taminay ny iray tamin’ireo mpanolotsain’ny filohan’ny misiôna fa tokony hivavaka momba izay novakinay izahay. Tsaroako tsara ilay takariva nampiharako izany fanasana izany. Nandohalika teo akaikin’ny fandriako aho ary nanomboka nanao vavaka tena tsotra mba hahafantarana raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna.

Tsy nisy feo reko, saingy toy ny hoe nilaza tamiko Andriamanitra hoe: “Efa nolazaiko anao hatrany fa marina izany.” Nanova ahy izany zavatra niainana izany. Nanova ny fiainako izany. Nanomboka nanana finoana aho, nanomboka lasa teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana aho, ary niezaka nanao zavatra misimisy kokoa sy niezaka nanao zavatra tsaratsara kokoa. Tany Göteborg no nianarako ny fomba hibebahana. Tany Göteborg no nahafantarako ny Mpanavotra ahy. Tany Göteborg no nanombohako nijery ireo olona izay nilofo tamin’ny antsony ary niasa mafy mba hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra. I Göteborg no nanjary ho “reniranon’i Môrmôna” ho ahy.4

Rahavavy Ruth L. Renlund:Taiza no nahafantaranao ny Mpanavotra anao? Inona no tsapanao? Raha toa ka nanadino ianao, dia mamporisika anao izahay hanao zavatra mba hanana indray izany fahatsapana izany. Io fahalalana sy ireo fahatsapana ireo no fiantombohan’ny finoana.

Ny finoana dia safidy iray tsy maintsy ataon’ny olona tsirairay. Ny finoana dia tsy faniriana poaka aty ny hahamarina ny zavatra iray fotsiny na ny fandresena lahatra ny tenanao fotsiny fa marina ilay izy. Ny finoana dia fahazoana antoka ny fisian’ny zavatra izay tsy hitantsika ara-nofo. Fitsipika mitaky asa ihany koa ny finoana.

“Tsy maintsy miompana amin’i Jesoa Kristy ny finoana [mba] hitarihan’izany ny olona ho amin’ny famonjena. … Ny finoana dia arehitry ny fihainoana ny filazantsara ampianarin’ireo [mpampianatra] nomem-pahefana sady nirahin’ Andriamanitra [jereo nyRômana 10:14–17]. Ny fahagagana dia tsy miteraka finoana fa ny finoana mahery dia azo avy amin’ny fankatoavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Amin’ny teny hafa, ny finoana dia tonga amin’ny alalan’ny fahamarinana [jereo nyAlmà 32:40–43].”5Ny finoana dia tsy tonga avy amin’ny fangatahana famantarana avy amin’ Andriamanitra fa amin’ny alalan’ny fankatoavana sy fanarahana ny didiny.

Loholona Dale G. Renlund:Tian’ Andriamanitra hanam-pinoana isika mba hahafahany mitahy antsika.6Ny finoana no fanalahidy mamaha ny famindram-pon’ Andriamanitra. Ny olona iray dia mila manapa-kevitra ny haniry hanana finoana ary hanao asa amim-pinoana avy eo mialoha ny hahafahan’ny finoana mitombo. Nampianatra i Almà hoe: “Nefa indro, raha te hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ny sainareo ianareo, na dia ho fanandramana ny teniko aza, ary hampihatra sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ny ampahany amin’ny teniko.”7Satria mba hitomboan’ny finoana, dia tsy maintsy misafidy ny hanam-pinoana ny olona iray ary avy eo dia manao asa.

Rahavavy Ruth L. Renlund:Ny fanirian’ny tena hanana finoana dia tsy maintsy miafara amin’ny asa. Maro ireo fomba hanehoantsika ny finoantsika amin’ny fanetsehana ny tongotsika.

Io fitsipika io dia voalaza ao amin’ny fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna izay narahin’ny vadiko fony izy 11 taona. “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”8

Rehefa atombokao amin’ny fanontaniana hoe: “Tsy ho marina ve ireo zavatra ireo?”, dia mitarika amin’ny fiandohan’ny finoana izany, izay mitombo raha kolokoloina. Ny hoe “Tsy ho marina ve ireo zavatra ireo?” dia fanontaniana izay midika an-kolaka fa marina ilay izy. Raha miteny aho ohatra hoe: “Tsy hoe hitondra fiara avy any Honolulu mankany amin’ny moron-tsiraka avaratra moa isika?” dia midika an-kolaka izany fa hitondra fiara isika. Ilay fanontaniana napetrak’i Môrônia izay apetratsika mahakasika ny Bokin’i Môrmôna dia fanontaniana atosiky ny finoana ary noho izany dia mitondra ho amin’ny finoana bebe kokoa.

Raha toa kosa isika ka manomboka amin’ny fanontaniana hoe: “Tsy ho diso ve izany?” dia mitarika ho amin’ny fisalasalana izany. Ary ny fisalasalana dia tsy hitondra na oviana na oviana ho amin’ny finoana.

Loholona Dale G. Renlund:Indray mandeha raha nanatrika fihaonamben’ny tsatòka iray aho, dia nangataka ahy mba hiresaka tamin’ny lehilahy iray izay ho antsoiko hoe Stephen ny filohan’ny tsatòka. Mpikamban’ny Fiangonana mahatoky i Stephen. Nanao asa fitoriana izy ary nanambady tany amin’ny tempoly. Nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro izy saingy nanomboka nisalasala momba ny Fiangonana. Raha nitafa tamin’i Stephen aho, dia nilaza izy fa nanahiran-tsaina azy ilay hoe misy karazany efatra ny fitantarana nataon’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany. Nihevitra izy fa mety ho midika izany fa noforonin’i Joseph Smith ny zavatra niainany.

Nasaiko nifandray tamin’ny lehilahy iray izay nanao fikarohana am-polo taonany maro teo aloha momba ireo fitantarana karazany efatra ireo i Stephen. Nihaona tamin’ilay mpikaroka i Stephen. Ny fotoana manaraka niresahako tamin’i Stephen dia hoy aho hoe: “Dia manao ahoana izao ny fahatsapanao momba ny Fahitana Voalohany?”

Nilaza izy hoe: “Tsy mampaninona ahy intsony ilay izy satria voavaly ireo fanontaniako. Tsy sahiran-tsaina amin’ilay izy intsony aho. Fa izao indray dia tena sahiran-tsaina momba ny fampakarana vady maro izay natao tao Nauvoo sy taorian’ny Manifesto tamin’ny 1890 aho. Tena mampanahiran-tsaina mafy ahy mihitsy izany.”

Nasaiko niresaka tamin’ny olona iray hafa izay nanao fikarohana momba ireo lohahevitra ireo avy tamin’ny loharano fototra azo antoka i Stephen. Taorian’ny resadresaka nifanaovany tany dia nifandray tamin’i Stephen aho ary nanontany azy hoe nanao ahoana izy.

Hoy izy hoe: “Tsy sahiran-tsaina ny amin’izay intsony aho. Takatro ny zava-nitranga, ary voavaha ireo ahiahiko. Saingy izao aho dia tena sahiran-tsaina momba ny tsy nanomezana nandritra ny fotoana maharitra ny fisoronana an’ireo izay taranaka Afrikana.”

Rahavavy Ruth L. Renlund:Nampalahelo fa nisafidy ny ho mpisalasala lava i Stephen. Ho azy dia nahafinaritra azy kokoa ny nisalasala toy izay ny hahafantatra9ary nongotany tamin’ny fisalasalana ny zavatra novoleny tamin’ny finoana.10Rehefa nandeha ny fotoana, rehefa nisy olana iray voavaha, dia nahita iray hafa indray izy. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny ezaka nataon’ny olona mba hamahana sy hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia nahita lohahevitra hafa izay nampisalasala azy foana izy. Nifantoka tamin’ireo loaka tao amin’ilay sambo izy fa tsy tamin’ny fahafahan’ilay sambo nitondra azy ho amin’ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tahaka ny hoe milalao karazana “tape-taupe momba ny tantaran’ny Fiangonana” i Stephen. Hitanao, ilay kilalao fanaon’ny ankizy izay misy biby kilalao mivoaka avy amin’ny lavaka iray ka raha vantany voakapokao ilay izy dia misy biby kilalao iray hafa mivoaka avy amin’ny lavaka hafa.

Raha toa ny fampahalalana ara-tsaina misimisy kokoa ka mety hamaha vetivety ny olana ara-tsaina iray dia tsy vahaolana feno ny fampahalalana misimisy kokoa satria, hoy i Paoly tamin’ny Korintiana hoe: “Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.”11Ilaina ihany koa ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona nateraky ny Fanahy.

Maro ireo olona izay nanana fanontaniana, izay nanana fisalasalana tafiditra tao an-tsainy, ary nanana fahasarotana tamin’ny fiezahana hijoro tsara ara-panahy no mbola nijanona ho mahatoky ihany na izany aza ary nijanona teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Matetika izy ireo rehefa nivavaka no nandray ny valim-bavaka noraisin’ny Loholona Neil L. Andersen am-polo taonany lasa izay rehefa nanontany tena izy raha ampy fahavononana tsara hiditra ny sahan’ny misiôna. Rehefa nivavaka izy dia tonga ilay fahatsapana hoe: “Tsy fantatrao ny zavatra rehetra, fa ampy ny zavatra fantatrao!“12Misy fotoana, izay matetika raha ny marina, no ho toy izao ny valintenin’ny Tompo hoe: “Ampy ny zavatra fantatrao mba hijanonana amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy hitandremana ny didiko.”

Rehefa nanontaniana an’i Nefia raha fantany ny momba ny fiambanian’ Andriamanitra, dia hoy izy hoe: “Fantatro fa tia ireo zanany [Andriamanitra], na dia eo aza izany dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra.”13Ampy ny zavatra fantany. Eto amin’ity fiainana ity, dia tsy fantatsika na oviana na oviana ny hevitry ny zava-drehetra, fa ampy ny zavatra fantatsika. Izay hiafarantsika dia miankina amin’ny fampiharana ny finoana kely izay hitombo rehefa manao asa amim-pinoana isika.

Loholona Dale G. Renlund:Ny fisalasalana dia tsy niteraka ary tsy hiteraka finoana na oviana mihoatra ny hoe ny fisian’ny hazavana dia tsy hiankina mihitsy amin’ny haizina. Tsy notenenina i Petera, rehefa nanomboka nilentika tao anaty rano taorian’ny nanandramany nandeha teo ambonin’izany hoe: “O ry Petera a! Raha mba nisalasala bebe kokoa mantsy ianao.” Tsia, fa izao no nolazaina azy hoe: “Ry kely finoana, nahoana no niahanahana hianao?”14

Ao amin’nyLectures on Faith,ny fahasamihafana eo amin’ny finoana sy ny fisalasalana dia nohazavaina toy izao: “Ary izay hisian’ny fisalasalana sy ny tsy fitokiana dia tsy ahitana finoana, ary tsy afaka hisian’ny finoana izany. Satria ny fisalasalana sy ny finoana dia tsy miara-misy ao amin’ny olona iray amin’ny fotoana iray; … ireo olona izay feno fisalasalana sy tahotra ny sainy dia tsy afaka hanana fitokiana tsy azo hozongozonina; ary izay tsy manana fitokiana tsy azo hozongozonina dia marefo finoana; ary rehefa marefo ny finoana dia tsy afaka mifanandrina amin’ny fanoherana sy ny fitsapana ary ny fahoriana, izay tsy maintsy atrehana mba hahafahana ho lasa mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’i Kristy Jesoa; ary hihamarefo izy ireo ao an-tsainy, ary hanana hery eo amin’izy ireo sy handrava azy ireo ilay fahavalo.”15

Izany no nitranga tamin’i Stephen. Navelany nibahana ny sainy ny fisalasalana sy ny tsy fitokiana. Rehefa nandeha ny fotoana dia tsy nanana tanjaka hiatrehana ireo fanamby izay atrehan’ny olona mpikamban’ny Fiangonana izy. Nanjary nihamarefo ny sainy, ary nanjavona ny finoany.

Rahavavy Ruth L. Renlund:Tsy olana mihitsy ny fananana fanontaniana momba ny Fiangonana sy ny fotopampianarana ao aminy ary izany no fiandohan’ny fianarana ny filazantsara. Nahatakatra izany i Joseph Smith raha namaky izy hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.”16

Saingy mitohy toy izao ilay andalan-tsoratra masina hoe: “Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hihanahana akory.”17

Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe anontanio Andriamanitra, ary aza misalasala fa afaka manome valiny ho anao Izy. Mitohy ilay andalan-tsoratra masina hoe: “Fa izay miahanahana [na misalasala] dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany. Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.”18

Mba hahazoana ilay karazana valim-panontaniana nokatsahin’i Joseph Smith, mba hahazoana ny karazana valim-panontaniana irintsika, dia mila manatona an’ Andriamanitra amin’ny fo mino sy ny saina maniry ny hahatonga ireo zavatr’ Andriamanitra ho lasa fantatsika isika.

Loholona Dale G. Renlund:Tianay ny teny nolazain’ny Loholona John A. Widtsoe, Apôstôly iray avy tany amin’ny voalohandohan’ity fotoampitantanana ity. Holazaiko amin’ny teniko ny zavatra nolazainy. Ny fisalasalana, raha tsy avadika ho fitadiavana valim-panontaniana avy amin’ny loharano azo antoka sy azo itokisana, dia tsy misy lanjany. Ny hoe mpisalasala lava, afa-po amin’izay ananany, tsy vonona hanao ny ezaka araka ny tokony ho izy mba hanefa ny saran’ny fahalalana avy amin’ Andriamanitra, dia tsy maintsy mitondra any amin’ny tsy finoana ary ny haizim-be foana. Ny fisalasalany dia mitombo tahaka ny olatra misy poizina ao amin’ny sainy sy ny fanahiny mihamaloka. Ary farany, tahaka ny tôpy anatin’ny trano taniny, dia matetika izy no manakalo ny zavatra tsy misy antony amin’ny fahendrena, ny hakamoana amin’ny asa, ary lasa kamo lava. Tsy ratsy ny fisalasalana, raha tsy hoe lasa zavatra tiana hatao sy hiafarana ilay izy. Izany fisalasalana izay mamoky sy mampitombo tena izany, ary miteraka fisalasalana misimisy kokoa,dia avy amin’ny devoly izany.19

Mbola marina hatrany ireo tenin’ny Loholona Widstoe ireo. Ny fisalasalana lava dia tsy mitondra amin’ny fahafantarana fa tena misy i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Sorompanavotany; tsy mitarika amin’ny tena fahafantarana izany fa isika dia manana Ray any An-danitra tsara fanahy sy be fitiavana izay nametraka ny drafitra lehiben’ny famonjena. Afaka mahafantatra ny fahamarinan’ity asa amin’ny andro farany ity isika, saingy mitaky ny hisafidianantsika ny finoana izany, fa tsy ny fisalasalana, sy ny handehanantsika any amin’ireo loharanom-balinteny azo antoka sy azo itokisana.

Rahavavy Ruth L. Renlund:Niresaka momba io fitsipika io ihany koa i Almà. Ho izy hoe: “Ary noho izany, izay manamafy ny fony dia izy no mandray ny ampahany kely indrindra amin’ny teny; ary izay tsy manamafy ny fony dia izy no omena ny ampahany betsaka indrindra amin’ny teny, mandra-panomezana azy ny fahafantarana ny misterin’ Andriamanitra mandra-pahafantarany izany tanteraka. Ary ireo izay manamafy ny fony dia ireo no omena ny ampahany kely indrindra amin’ny teny mandra-pahatonga azy ireo tsy hahafantatra na inona na inona ny amin’ny misteriny; ary amin’izany izy ireo dia entin’ny devoly ho babo ary tarihin’ny sitrapony hidina any amin’ny famongorana.”20

Hitady torohevitra momba ny fitantanam-bola avy amin’ny olona izay tsy manam-bola sy mibaby trosa ve ianao?

Loholona Dale G. Renlund:Hangataka torohevitra ara-pahasalamana avy amin’ny mpivaro-panafody mpamitaka olona ve ianao?

Rahavavy Ruth L. Renlund:Iza no hakanao torohevitra mikasika ny fomba hanatsaranao ny “coup droit” anao amin’ny tennis, olona iray mpilalao mpiala voly mandritra ny faran’ny herinandro sa i Roger Federer?

Loholona Dale G. Renlund:Ka nahoana ary ianao no hametraka izay mahasoa anao mandrakizay amin’ireo izay bankirompitra ara-panahy satria nongotan’izy ireo tamin’ny fisalasalana ny zavatra izay novolen’izy ireo tamin’ny finoana teo aloha21na izay, araka ny voalazan’i Jeremia hoe: “efa nahafoy [an’i Kristy], loharanon’aina, ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano?”22Ireo olona ireo dia niala tamin’izany loharanon’aina izany ary tiany hitoky amin’ny zavatra tsy afaka mitana rano ianao.

Rahavavy Ruth L. Renlund:Ranadahy sy rahavavy, afaka mahafantatra ianareo fa misy Kristy Velona.23Tsy mahasolo ny fandalinana soratra masina sy ny famakiana ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly velona ny fifampiresahana ao amin’ny blaogy. Ampitomboy ny finoanareo amin’ny alalan’ny fankanesana amin’ireo loharano azo itokisana mba hahita ny valin’ny fanontanianareo.

Loholona Dale G. Renlund:Rehefa miezaka mamantatra isika raha marina na tsia ny zavatra iray, dia manome lamina arahantsika ny mpaminany Môrmôna:

“Koa, ny zavatra rehetra izay tsara dia avy amin’ Andriamanitra; ary izay ratsy dia avy amin’ny devoly; …

“Nefa indro, izay avy amin’ Andriamanitra dia manainga sy mitaona hanao ny tsara lalandava; koa, ny zavatra tsirairay izay manainga sy mitaona hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra ary hanompo Azy, dia avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra.

“…  omena anareo ny hitsara mba hahazoanareo manavaka ny tsara amin’ny ratsy; ary ny fomba hitsarana mba hahalalanareo amin’ny fahalalana tanteraka, dia miavaka toy ny hazavan’ny andro amin’ny haizin’ny alina.

“Fa indro, omena ny olona tsirairay ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’i Kristy dia alefan’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ Andriamanitra izany.

“Nefa na inona na inona zavatra izay mandresy lahatra ny olona hanao ny ratsy sy tsy hino an’i Kristy, ary handà Azy sy tsy hanompo an’ Andriamanitra, dia azonareo fantarina amin’izany, amin’ny fahalalana tanteraka, fa avy amin’ny devoly izany.”24

Noho izany dia tsotra ilay izy. Raha toa ka mitarika anao hanao ny tsara sy hino an’i Kristy ny safidy iray dia avy amin’ Andriamanitra izany. Raha toa ka mamporisika anao hanao ny ratsy sy handà an’i Kristy ny safidy iray dia avy amin’ny devoly izany. Rehefa mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao dia afaka mahafantatra fa ireo zavatra izay mampivily anao avy eo amin’izany lalana izany, izay mandresy lahatra anao tsy hino an’i Kristy, dia diso. Ireo zavatra izay mandresy lahatra anao hino an’ Andriamanitra, hitia Azy, ary hitandrina ny didiny dia avy amin’ Andriamanitra. Ho maro ireo trangan-javatra ara-panahy manan-danja tsy ho hitanao raha misafidy ny fisalasalana lava ianao, izay ampitomboin’ny valinteny avy amin’ireo loharano tsy misy finoana sy tsy azo itokisana.25

Rahavavy Ruth L. Renlund:Raha hiverenana ilay fanoharantsika, ireo izay misafidy ny hijanona ao amin’ilay sambo izay mety efa ela niasana sy nahitana loaka ary loko miendaka dia ireo izay miaiky fa namonjy azy tsy hilentika ilay sambo ary afaka mitondra azy ireo soa aman-tsara eny amin’ny moron-tsiraka. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mankeo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo ary mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Avy eo, rehefa maharitra hatramin’ny farany izy ireo, dia atolotra azy ireo ny fampanantenan’ny fiainana mandrakizay. Izany no fanomezana lehibe indrindra azon’ Andriamanitra omena antsika. Amin’ny alalan’io dingana io no hahafantarantsika an’i Jesoa Kristy, hahafantarana fa tena misy sy velona Izy, hahafantarana ny fitiavany sy ny fangorahany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia milaza fa: “Ireo sasany dia omen’ny Fanahy Masina ny hahafantatra fa i Jesoa Kristy no zanak’ Andriamanitra, fa nohomboana Izy noho ny fahotan’izao tontolo izao. Ny hafa dia omena hino ny tenin’izy ireo, mba hahazoany koa manana ny fiainana mandrakizay raha mitoetra ho mahatoky izy.”26Jereo fa mitovy ny valisoa na mahafantatra ianareo na mino, dia ny fiainana mandrakizay ho an’ireo izay mahatoky.

Loholona Dale G. Loholona Renlund:Ny volana aprily 2009 aho dia notohanana ho Manampahefana Ambony ato amin’ny Fiangonana. Ny volana ôktôbra 2009 aho dia nangatahana hanao lahateny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana. Tsindrin-daona aho ny mba handrenesan’ny raiko ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Niasa mafy nandritra ny androm-piainany manontolo izy tamin’ny naha-mpandrafitra sy mpanamboatra zavatra azy, ary rehefa feno 92 taona izy dia lasa nanana olana goavana tamin’ny lamosina. Tsy afaka nandeha tany amin’ny Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana izy. Noho izany dia nataon’ny anabaviko iray izay hahafahany manaraka ilay fivoriana amin’ny alalan’ny fahitalavitra tao an-tranony tao Salt Lake City.

Nandeha tany an-tranony aho rehefa vita ny fihaonambe mba hahitako izay eritreriny momba ny lahateniko. Lehilahy tsy dia mpiteny firy sy tsy dia mpanome fandokandokafana loatra izy.

Hoy aho: “Dada a! Nahita ny fihaonambe ve ianao?”

Hoy izy namaly hoe: “Ie.

Niteny aho hoe: “Dada a! Henonao ve ny lahateniko?”

Hoy izy namaly hoe: “Ie.

Hoy aho: “Dia inona no eritreritrao momba ilay izy ry Dada?”

Hoy izy hoe: “O, tsara ka. Saika faly mihitsy aho.”

Saingy nahafantatra aho avy eo fa somary varimbariana izy tamin’io tolakandro io satria naniry mafy ny hizara tamiko ny nofy iray izay nitranga taminy ny alina talohan’izay izy. Tsy mpanonofy izy. Tsy mbola nanana nofy mahavariana be izany izy taloha. Tsy mbola naheno azy nandainga aho. Tena mahitsy sy mivantana be ny fahamarinan-toetrany. Hoy izy hoe: “Nanofy aho fa nodimandry ary nahita ny Mpamonjy, Jesoa Kristy. Noraisiny teo an-tsandriny aho ary nilaza Izy fa navela ireo fahotako. Tena fahatsapana tsara izany ry Dale.” Izay ihany no voalazany, ary tsy navela nanontany misimisy kokoa aho. Maty izy roa volana taty aoriana raha tany Madagasikara izaho sy i Ruth.

Ny raiko, rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Larsmo, Finlande, fony izy 24 taona, dia niaina ny fiainany araka ny fahazavana sy ny fahalalana noraisiny. Nataony avokoa izay rehetra nangatahina taminy. Lasa mendrika ilay fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny hahafantatra fa i Jesoa no Kristy sy nohomboana tamin’ny hazofijaliana ho an’ny fahotan’izao tontolo izao sy ho an’ny fahotany izy. Ny hoe mendrika izany fanomezam-pahasoavana izany dia tsy miankina amin’ny hoe lahy na vavy, ary tsy miankina amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Izany no valisoa ampanantenaina noho ny fisafidianana ny finoana sy ny fisafidianana ny lalan’ny fanekempihavanana.27

Rahavavy Ruth L. Renlund:Koa, amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika manana finoana sy mihazona izany ho matanjaka? Misy asa takin’izany. Efa nanatrika kilasy fianarana matematika, andeha atao hoe kajy, ve ianao ary nijery ilay mpampianatra namaha lazaolana iray? Nifindra ho azy tany aminao ve ny fahaizany satria nijery an’ilay mpampianatra nitady ny valiny ianao? Indrisy fa tsia. Mba hahazoana ilay fahalalana, ilay fahalalana ananan’ilay mpampianatra, dia mila manao ilay lazaolana samirery ianao. Mila mianatra sy manao ireo fampiasana momba ny lazaolana ianao mandra-pahazoanao aina amin’ny dingana arahina, ny fampimiràna, ary ireo famantarana ifanarahana.

Mitovy amin’izany ihany, dia mitaky asa ny fahazoana ny finoana sy ny fampatanjahana izany. Mety hanentana ny fanahintsika ny olona iray manana finoana lehibe, saingy tsy mifindra amintsika ny finoan’ny olona iray hafa ao anatin’izany dingana izany. Mila manao ny fandalinantsika manokana avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona isika. Tsy maintsy mivavaka isika, tena miezaka mafy ny hifandray amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Ny tena zava-dehibe dia ny mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isan-kerinandro sy ny mahatsiaro ny halehiben’ny famindram-pon’ Andriamanitra tamintsika noho ny nanomezany ny Zanany hanao sorona fanavotana noho ny fahotantsika. Ireo asa feno fanolorantena ataon’ny tena manokana ireo no mampiorina sy mihazona ny finoana.

Loholona Dale G. Renlund:Ny andraikitra voalohany nomena ahy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ahy dia ny mandeha ary milaza amin’ny ao amin’ny Departemantan’ny Tantaran’ny Fiangonana fa hanolo ny Loholona Jeffrey R. Holland amin’ny maha-mpanoro hevitra ao amin’ilay departemanta aho. Azonareo an-tsaina angamba fa nisy ny “fitomaniana, sy fidradradradrana, ary fikotroha-nify”28rehefa nahare izy ireo fa hosoloina ny mpanoro hevitra malalan’izy ireo. Lany tamin’izay ny boatina mosoara iray.

Anisan’ny andraikitro amin’ny maha-mpanoro hevitra ny Departemantan’ny Tantaran’ny Fiangonana ahy, dia efa voavakiko ireo boky rehetra ao amin’nyThe Joseph Smith Papers (Antontan-taratasy momba an’i Joseph Smith).Efa nahavita vaky ny boky voalohany sy ny ampahany voalohany amin’ny boky faharoa amin’ilay boky tantara vaovao momba ny tantaran’ny Fiangonana izay mitondra ny lohateny hoeOlomasina. 29ihany koa aho. Ny famakiana ny zavatra rehetra nosoratan’i Joseph Smith na voarakitra fa nolazainy dia nampatanjaka tsotra izao ny fijoroana ho vavolombelona ananako ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-mpaminany voafidin’ Andriamanitra azy mba hamerina amin’ny laoniny ny asany eto an-tany.

Nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany foana i Joseph Smith. Tsy niovaova izy. Nitondra tena tamin’ny naha-ilay olona iray izay tena nahita marina ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy; i Môrônia; i Jaona Mpanao Batisa; i Petera sy i Jakoba ary i Jaona; i Mosesy; i Elià; ary i Elia foana izy. Nitondra tena tamin’ny naha-ilay olona nanana ireo takela-bolamena sy nandika ireo lahatsoratra fahiny tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy. Nitondra tena tamin’ny naha-ilay olona nandray fanambarana avy tamin’i Jesoa Kristy mihitsy izy. Nitondra tena tamin’ny naha-ilay olona nandray ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fanalahidin’ny Apôstôly masina izy.

Fantatro amin’ny fomba mahery vaika sy azo antoka kokoa mihoatra noho izay hita sy ambaran’ireo retsipamantarako dimy, fa i Joseph Smith dia nahita izay nolazainy fa hitany, nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy, ary nandray ny fisoronana miaraka amin’ny fanalahidy mifandraika amin’izany ho fanavotana ny olombelona rehetra. Fantatro fa marina izany. Fantatro fa eto ambonin’ny tany ireo fanalahidy ireo ankehitriny ary ny Filoha Nelson no mpandimby ara-dalàna an’i Joseph Smith eto ambonin’ny tany.

Ilay noheverintsika ho goaka sy loko miendaka ao amin’ny sambo efa ela niasana dia manjary lasa avy amin’ Andriamanitra ary notendreny noho ny fomba fijeriny mandrakizay. Ny Tompo dia na mamela ny fisian’ireo goaka sy ireo loko miendaka na mampiasa izany ho amin’ny tanjony manokana. Fantatro manokana fa ny Tompo Jesoa Kristy dia mitarika ny asany eto an-tany ankehitriny. Mahafantatra tsara Azy ireo mpanompony amin’izao fotoana izao.

Rahavavy Ruth L. Renlund:Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako milaza ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Rehefa mampihatra finoana isika, fa tsy misalasala, ny amin’ny sorona fanavotana nataony ary ny amin’ny vokatra avy amin’ny Sorompanavotany, dia voatahy mandrakizay ny fiainantsika. Feno fankasitrahana aho fa naveriny tamin’ny laoniny ny Fiangonany ankehitriny miaraka amin’ireo fitahiana rehetra izay misy hatrany ho an’ireo zanak’ Andriamanitra eto an-tany.

Loholona Dale G. Renlund:Velona i Jesoa Kristy ary Izy no Mpamonjy an’izao tontolo izao. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fangorahany sy ny fitiavany ary ny fitsimbinany tena miavaka ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny sorompanavotany tsy manam-paharoa ho anao sy ho ahy. Rehefa nanjary nahafantatra ny Mpamonjy aho dia nianatra ny faniriany lehibe ny hanasitrana ny ratra sy ny hanarina ny fo malahelo.

Mivavaka aho mba hahazoanareo ireo fitahiana tsara indrindra avy amin’ Andriamanitra. Mivavaka aho mba hanananareo finoana an’i Jesoa Kristy, mba “[tsy h]iroanahana [ianareo, fa hino] kosa.”30Manasa anareo aho hampitombo ny finoanareo an’i Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona, ny fivavahana sy ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra, ary ny fiomanana amim-pahazotoana amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy ny fandraisana izany amim-pahamendrehana. Hitahy anareo Andriamanitra raha mirotsaka amin’ny fanaovana ireo asa feno fanolorantena ataon’ny tena manokana ao amin’ny mangingina ireo ianareo ary manompo ny hafa. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny M. Russell Ballard, “Mijanòna ao anaty sambo dia mamikira!Liahona,nôvambra 2014, 89–92; sy Gérald Caussé, “Natao hikarakarana olona izany,Liahona,mey 2018, 111–13. Hoy izy hoe: “Indray mandeha ny Filoha Russell M. Nelson dia nampitaha ny Fiangonana tamin’ny fiara iray tsara tarehy. Samy tia avokoa isika rehefa madio sy mamiratra ny fiarantsika. Kanefa ny tanjona nanaovana ilay fiara dia tsy ny hiseho ho toy ny milina misarika ny maso. Ny hampikisaka ny olona ao anatin’ilay fiara no tanjon’izany.”

  2. Jereo nyMosesy 1:39.

  3. Russell M. Nelson. “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona,mey 2018, 95.

  4. Môsià 18:30.

  5. Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Finoana,” scriptures.lds.org.

  6. Jereo nyAlmà 32:22.

  7. Almà 32:27.

  8. Môrônia 10:4.

  9. Filazana amin’ny tenin’ny tena manokana ny tenin’i Michel de Montaigne, “De l’éducation des enfants,” mitanisa ny L’enferde Dante: “Satria mahafinaritra ahy kokoa ny misalasala toy izay ny mahafantatra.”

  10. Teny nindramina izay voalaza fa avy amin’i Elisabeth Elliot (1926–2015), mpanoratra sy mpandaha-teny Amerikana teraka tany Belgique

  11. 1 Korintiana 2:14.

  12. Neil L. Andersen. “Ampy ny fahafantaranao,Liahona,nôv. 2008, 13.

  13. 1 Nefia 11:17.

  14. Matio 14:31.

  15. Lectures on Faith[1985], 71.

  16. Jakoba 1:5.

  17. Jakoba 1:6.

  18. Jakoba 1:6–8.

  19. Jereo ny John A. Widtsoe,Evidences and Reconciliations[1960], 31–33.

  20. Almà 12:10–11.

  21. Teny nindramina izay voalaza fa avy amin’i Elisabeth Elliott.

  22. Jeremia 2:13.

  23. Jereo nyAlmà 30:13–16.

  24. Môrônia 7:12–13, 15–17.

  25. Jereo ny Loholona Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy, Liahona,nôv. 2015, 65–68.

  26. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–14.

  27. Jereo nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67–68.

  28. Almà 40:13.

  29. Jereo ny Steven E. Snow, “Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days,Ensign,feb. 2018, 58–59.

  30. Môrmôna 9:27.

Hamoaka printy