2022
I Mosesy sy ny mana
Aprily 2022


“I Mosesy sy ny mana,” Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana , Aprily 2022

“I Mosesy sy ny mana”

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana Aprily 2022

I Mosesy sy ny mana

Sary
I Mosesy sy ny zanak’ Isiraely

Sary nataon’i Apryl Stott

Mpaminany i Mosesy. Nitarika ny vahoakan’ Andriamanitra hankany amin’ny tany nampanantenaina izy. Nandeha an-tongotra nandritra ny andro maro izy ireo.

Sary
ankizy sy ny mana

Noana ny vahoaka. Tsy nanana sakafo hohanina izy ireo. Noho izany dia nandefa sakafo avy any an-danitra Andriamanitra. Mana no niantsoana izany.

Sary
zanakalahy sy ny reniny mikarakara mana

Isa-maraina dia nanangona mana atao sakafo ny vahoaka. Saingy lo izany rehefa tonga ny alina. Dia nila nanangona misimisy kokoa izy ireo ny ampitson’izany.

Sary
I Jesoa Kristy miaraka amin’ny ankizy

Mampahatsiaro antsika an’i Jesoa Kristy ny mana. Nandefa mana mba hamonjena ny vahoaka Andriamanitra. Nandefa an’i Jesoa teto an-tany ihany koa Izy mba hamonjy antsika. Mila an’i Jesoa isan’andro isika tahaka ny filantsika sakafo isan’andro.

Sary
ankizy mijery sarin’i Jesoa Kristy

Hanara-dia an’i Jesoa aho. Hanome hery ahy Izy ary hanampy ahy hahatsapa ny fitiavany isan’andro.

Pejy lokoina

Mila an’i Jesoa Kristy isika isan’andro

Sary
I Jesoa Kristy miaraka amin’ny ankizy

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott

Ahoana no fomba anampian’i Jesoa anao?

Hamoaka printy