2022
Ireo anarana maro fiantsoana an’i Jesoa
Desambra 2022


“Ireo anarana maro fiantsoana an’i Jesoa,” Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, desambra 2022

“Ireo anarana maro fiantsoana an’i Jesoa”

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, desambra 2022

Ireo anarana maro fiantsoana an’i Jesoa

Sary
I Ezekiela eo am-panoratana

Sary nataon’i Apryl Stott

Mpaminany maro no nampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Nilaza izy ireo fa ho teraka Izy mba hampiseho amintsika ny fomba fiainana. Nampiasa anarana maro izy ireo mba hampianarana momba Azy.

Sary
Baiboly sy Bokin’i Môrmôna

Indraindray ao amin’ny soratra masina i Jesoa dia antsoina hoe Imanoela. Izany anarana izany dia midika hoe “Amintsika Andriamanitra.”

Sary
Baiboly navoaka printy tamin’ny fanontam-printy voalohany

I Jesoa dia antsoina ihany koa hoe Mesia. Ny hoe Mesia dia midika hoe “ilay voahosotra.” Maty ho antsika i Jesoa mba hahafahantsika miaina miaraka amin’ Andriamanitra indray.

Sary
I Joseph Smith mandika ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’i Emma izay mpitantsorany

I Jesoa no Mpamonjy antsika. Mamonjy antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana Izy.

Sary
Jesoa Kristy
Sary
Fianakaviana mamaky soratra masina

Anarana iray hafa iantsoana an’i Jesoa ny hoe Andrian’ny fiadanana. Rehefa matahotra na sosotra isika dia afaka manampy antsika Izy hahatsapa fiadanana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Sary
Ankizy sy lehilahy eo amin’ny seza misy kodiarana mamaky soratra masina

Tiako i Jesoa Kristy. Afaka mianatra momba ny fiainany sy fitiavany ao amin’ny soratra masina aho.

Pejy lokoina

Tiako i Jesoa Kristy

Sary
Ankizy sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott

Ahoana no anehoanao fa tia an’i Jesoa ianao?

Hamoaka printy