“Manasitrana vehivavy iray i Jesoa,” Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, febroary 2023
“Manasitrana vehivavy iray i Jesoa”
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, febroary 2023
Manasitrana vehivavy iray i Jesoa
Indray andro Jesoa dia nandeha tamin’ny lalana iray feno olona. Nisy vehivavy iray efa narary nandritra ny 12 taona teo anivon’ilay vahoaka.
Nanam-pinoana ilay vehivavy fa afaka hanasitrana azy i Jesoa. Nahinjiny ny tanany dia nokasihany ny akanjony. Sitrana avy hatrany izy!
“Iza moa no nanendry ny lambako?” Hoy Jesoa nanontany. Natahotra ilay vehivavy. Nandohalika teo anoloan’i Jesoa izy ary nilaza taminy ny zava-nitranga.
Naneho fitiavana i Jesoa. Hoy Izy, “Matokia.” Nolazainy taminy fa ny finoany no efa nahasitrana azy.
Afaka hanam-pinoana an’i Jesoa Kristy aho. Afaka hanampy ahy sy hitondra fiadanam-po ho ahy ny fitiavany.
Pejy holokoina
Manam-pinoana an’i Jesoa Kristy aho
Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.
Sary nataon’i Apryl Stott
Ahoana no anehoanao ny finoanao?
© 2023 anʼny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, February 2023. Language. 18910 654