Namana
Ireo zatovo miaramila
Aogositra 2024


“Ireo zatovo miaramila,” Namana, aogositra 2024, 26–27.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, aogositra 2024

Ireo Zatovo miaramila

Sary
Olona mandevina ny fiadian’izy ireo ao anaty lavaka

Sary nataon’i Andrew Bosley

Naniry ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ny vahoaka izay nampianarin’i Amôna sy ireo rahalahiny. Nalevin’izy ireo ny fitaovam-piadiany ary nampanantena an’Andriamanitra izy ireo fa tsy hiady intsony.

Sary
Andian-jatovolahy manatona trano iray izay ahitana olon-dehibe miresaka

Saingy tsy ela taty aoriana dia nila niaro ny fianakaviany izy ireo. Tsy te handrava ny fampanantenana nataony tamin’ Andriamanitra ireo ray izay nandevina ny fiadiany. Noho izany dia niomana ny hiady teo amin’ny toerany ireo zanany lahy. Nantsoina hoe ireo zatovolahy miaramila roa arivo izy ireo .

Sary
Zatovolahy iray mivavaka miaraka amin-dreniny ary zatovolahy hafa mivory miaraka amin’ny fitaovam-piadiana

Tsy mbola niady mihitsy ireo zatovolahy miaramila ireo tany aloha. Saingy nanampy tamin’ny fanomanana azy ireo sy nampianatra azy ireo hatoky an’ Andriamanitra ny reniny.

Sary
I Helamàna mitarika ny zatovolahy miaramila amina diabe; zatovolahy iray manampy zatovolahy iray hafa izay naratra handeha

Nosafidian’izy ireo ho mpitarika azy ireo i Helamàna. Be herim-po izy ireo ary nanampy azy ireo Andriamanitra. Naratra avokoa izy rehetra, saingy nifanampy izy ireo. Namaly ny finoan’izy ireo Andriamanitra, ary dia velona avokoa izy rehetra!

Pejy holokoina

Afaka manampy ahy isan’andro ny soratra masina.

Sary
Pejy holokoina ahitana ireo olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mivoaka avy ao amin’ny boky iray misokatra

Sary nataon’ i Adam Koford

Inona no tantara ao amin’ny soratra masina tianao?

Hamoaka printy