“Ilay Mpamonjy izay mijaly,” Ho zatovo mahery!, Apr. 2022.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! Aprily 2022
Ilay Mpamonjy izay mijaly
An-jato taonany mialoha ny nahatongavan’i Jesoa Kristy dia efa hitan’i Isaia mialoha ireo fijaliany noho ny fahotantsika.
natao tsinontsinona sy nolavina
Rehefa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy dia nisy olona sasantsasany nino Azy saingy betsaka ireo tsy nino. Notsinontsinoavin’izy ireo aza Izy ary maro ireo nankahala Azy. Tamin’ny farany dia nifidy ny hampijaliana sy ny hamonoana Azy ny olona. (Jereo ny 1 Nefia 19:9.)
nitondra ny aretintsika tokoa Izy
Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny aretintsika ary ny fahalementsika. Nataony izany mba hahazoany mamindra fo amintsika sy mahafantatra ny fomba hanampiana antsika. (Jereo ny Almà 7:11–13.)
Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika
Nijaly noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy. Nataony izany mba hahazoantsika famelan-keloka raha mibebaka isika. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11; 19:15–19.)
ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika
“Ny dian-kapoka taminy” dia ireo ratrany. Ireo dia maneho ny fijaliana rehetra izay niaretany ho antsika, ka tafiditra ao anatin’izany ny rany latsaka sy ny fahafatesany. Koa satria nijaly ho antsika i Jesoa Kristy dia afaka ny ho sitrana indray isika. Mahatonga ny fahotantsika ho voavela ny sorona fahafoizan-tenany. Manasitrana antsika sy manova antsika Izy rehefa mibebaka sy miezaka mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika. (Jereo ny Môzià 3:7–11; Fanekem-pinoana 1:3.)
© 2022 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly For the Strength of Youth Message, Aprily 2022. Malagasy.18314 654