2023
Raiso ho mpitari-dalana anao ny Fanahy Masina
Ôktôbra 2023


“Raiso ho mpitari-dalana anao ny Fanahy Masina,” Ho zatovo mahery!, Ôkt. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! , ôktôbra 2023

Raiso ho mpitari-dalana anao ny Fanahy Masina

Fantatry ny Raintsika any An-danitra fa hiatrika olana sy fahoriana ary disadisa isika eto ambonin’ny tany; fantany fa hitolona amin’ny fanontaniana, fahadisoam-panantenana, fakam-panahy ary fahalemena isika. Mba hanomezana tanjaka antsika eto ambonin’ny tany sy fitarihana avy any an-danitra dia nomeny ny Fanahy Masina isika.

Amin’ny alalan’ny asa masina nanendrena Azy, ny Fanahy Masina dia mitaona fanahy, mijoro ho vavolombelona, mampianatra ary mibitsika amintsika mba handeha amin’ny fahazavan’ny Tompo. Andraikitra masina ananantsika ny hianatra hamantatra ny fitaomany eo amin’ny fiainantsika ary hamaly izany.

Ahoana no hanaovantsika izany?

Voalohany, miezaka manana fiainana mendrika ny Fanahy isika.

Faharoa, tsy maintsy maniry ny handray ny Fanahy isika.

Fahatelo, tsy maintsy mamantatra ny Fanahy isika rehefa tonga izany.

Fahefatra, tsy maintsy manao asa avy hatrany isika rehefa mandre ny bitsika voalohany.

Enga anie isika handray amim-pahamatorana ilay antson’ny Tompo hoe “matokia fa hitari-dalana anareo Aho” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18). Mitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy. Enga anie isika hiaina eo akaikin’ny Fanahy, hanao asa haingana araka ireo bitsika voalohany azontsika, noho ny fahafantarantsika fa avy amin’ Andriamanitra izy ireny. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny herin’ny Fanahy Masina izay hitarika antsika sy hiaro antsika ary hiaraka amintsika mandrakariva.

Hamoaka printy