Ho zatovo mahery!
Fifandraisana mahery vaika
Aogositra 2024


Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, Aogositra 2024

Fifandraisana mahery vaika

Ny fanekempihavanana dia mihoatra noho ny fifanarahana; fifandraisana ilay izy.

Sary
seza maitso

Mbola ananako ny sarin’ireo seza maitso izay nipetrahan’i Elder Pistone sy Elder Morasco raha nampianatra ny fianakaviako tao an-tranonay tany Argentine izy ireo. Nampianatra tamin-kery ara-panahy lehibe tokoa izy ireo hany ka izaho (9 taona) sy ny zokivaviko 10 taona dia nihazakazaka mba hikasika ireo seza rehefa nandeha izy ireo, nanantena fa hifindra aminay izany hery izany.

Tsy ela aho dia nianatra fa tsy tonga avy tamin’ireo seza ilay hery fa avy amin’ny fananana fifandraisana ao anatin’ny fanekempihavanana amin’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Ny traikefa azoko tamin’ny batisa

Nanao ny fanekempihavanako voalohany aho tamin’ny 13 nôvambra 1977. Tsy tadidiko loatra ny momba ny batisako, saingy tsaroako i Elder Pistone nanampy ahy tao anaty rano ary i Elder Morasco nanatontosa ny fandraisana ahy ho mpikambana raha mbola mando ny voloko. Tsaroako ihany koa ny fifaliana tsapako rehefa namihina sy nanoroka tamin’ny fomba fanaon’ny olona avy ao Argentine ireo namana vaovao tao amin’ny paroasy ary ny faniriana mahery vaika tsapako ny ho zanakavavy mahatoky an’ny Ray any An-danitra.

Sary
fianakaviana nanatrika tamin’ny batisa

Rahavavy Spannaus tamin’ny fahatanorany (eo afovoany) miaraka amin’ny ray aman-dreniny (ankavia), i Silvina rahavaviny (farany ankavanana), ary i Elder Morasco.

Taty aoriana dia fantatro fa ny fifaliana tsapako dia avy tamin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Nianatra aho fa rehefa mitandrina amim-pahatokiana ny fanekempihavanana nataoko tamin’Andriamanitra aho dia hiaraka amiko ny Fanahy. Ny Fanahy Masina dia iray monja amin’ireo fitahiana mahery vaika izay tonga avy amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fanekempihavanana amin’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Ankehitriny, na dia tsy mahomby aza ny risi-poko sy ny eritreritro ary ny zavatra ataoko dia manana fanantenana ny hanohy hiezaka aho. Nahoana? Satria ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia mahatonga ahy ho afaka hanavao ny fanekempihavanako sy hanao fanekempihavanana vaovao isan-kerinandro. Tena feno fankasitrahana aho noho izany fitahiana izany.

Fifandraisana ao anatin’ny fanekempihavanana feno hafanana

Matetika isika no maheno fa ny fanekempihavanana dia fampanantenana anankiroa mifamaly eo amintsika sy Andriamanitra. Na dia marina aza izany dia tsy izay ihany no izy. Raha ny marina, “ny fitandremana fanekempihavanana dia tsy raharaham-barotra mangatsiaka fa fifandraisana mafana.”

Koa ahoana ary no fomba hanangananao fifandraisana ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy? Efa tia anao tanteraka Izy Ireo ary te hitahy anao (jereo ny 3 Nefia 14:11). Saingy mitaky fotoana sy fitiavana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany anefa ny fifandraisana anankiroa rehetra mifamaly.

Te handany fotoana bebe kokoa hiarahana amin’Izy Ireo ve ianao? Rehefa manao zavatra izay ho nataon’Izy Ireo ianao dia miara-mandeha amin’Izy Ireo! Mety ho tsotra toy ny hoe mihaino namana iray mandritra ny fotoan-tsarotra izany, na ny fandaniana fotoana hiarahana milalao amin’ny mpiray tampo iray, na fandraisana ny olona iray izay mahatsapa ho voahilika. Vao haingana aho no nandany fotoana niaraka tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny firaketana hafatra am-peo sy ny fandefasana hafatra an-tsoratra tany amina namana iray tany Argentine izay nahatsapa ho manirery. Nanapa-kevitra ihany koa aho ny hihazona mandrakariva ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho manan-kery mba hahafahako mandany fotoana miaraka amin’ny Tompo ao amin’ny tranony masina. Afaka mivavaka ianao mba hahazo hevitra izay hanampy anao handany fotoana miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy anao.

Tianao haseho Azy Ireo ve fa miraharaha Azy Ireo ianao? Raiso ho toy ny fomba iray hanehoana ny fitiavanao ireo didy izay nanaovanao fanekempihavanana fa tsy ho lisitrana fitsipika. Ohatra, nianatra ny fomba fandrahoana sakafo ara-pahasalamana aho mba hiainako ny Tenin’ny Fahendrena. Ankehitriny aho dia mampianatra ireo zanako vavy mba hanao toy izany koa. Rehefa mitandrina an-tsitrapo ireo didin’ Andriamanitra ianao dia hitombo ny fitiavanao Azy sy ny Mpamonjy.

Ny fifandraisantsika ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hahafantatra Azy Ireo bebe kokoa sy hanana fahafahana bebe kokoa hahazo ny herin’Izy Ireo eo amin’ny fiainantsika—mihoatra lavitra noho izay mety hatolotry ny karazana seza maitso. Ary manova antsika mandrakizay izany hery izany!

Fanamarihana

  1. Ann M. Madsen, ao amin’ny Truman G. Madsen, The Temple: Where Heaven Meets Earth (2008), 69.

Hamoaka printy