“Ahoana no ahafahantsika miray hina raha toa ka samy hafa avokoa isika rehetra ?”, Ho zatovo mahery!, ôkt. 2024.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, ôktôbra 2024
Ahoana no ahafahantsika miray hina raha toa ka samy hafa avokoa isika rehetra?
Samy hafa avokoa isika rehetra. Saingy tian’ny Tompo isika mba “ho iray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27). Ireto misy fitsipiky ny firaisan-kina vitsivitsy izay nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly antsika:
Miray hina ao amin’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany ary ny Fiangonany isika. “Amin’ny alalan’ny fahatokiantsika manokana an’i Jesoa Kristy sy ao anatin’izany ihany no ahafahantsika manana fanantenana ny ho iray.”
Mitaky fitiavana ny firaisan-kina. “Tsy maintsy manana fo mifandray anatin’ny firaisan-kina sy fitiavana isika na dia misy aza ny fahasamihafan’ny fiteny sy ireo fombafomba mahafinaritra sy mankahery ara-kolontsaina.”
Tsy midika hoe fitoviana ny firaisan-kina. “Tsy mifanipaka ny firaisan-kina sy ny fahasamihafana. Afaka mampisy firaisan-kina bebe kokoa isika rehefa mikolokolo tontolo ahatsapana tena ho amin’ny toerana tokony hisy ny tena sy manaja ny fahasamihafana.” “Tsy mitaky fitoviana ny firaisan-kina, fa tena mitaky firindrana.”
Ny firaisan-kina dia mitaky fanafoanana ny fifandirana sy ny fitsaratsarana. “Misy toerana ho an’ny rehetra ao. Na izany aza dia tsy misy toerana ho an’izay mety ho karazana fitsarana an-tendrony, na fanamelohana, na fifandirana ao.”
© 2024 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly For the Strength of Youth Message, October 2024. Malagasy. 19344 654