Ô tsarovy, tsarovy
Mitalaho matetika ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “Ô tsarovy, tsarovy.”1 Ny tanjoko dia ny hanentana anareo hitady fomba hamantarana sy hahatsiarovana ny hatsaram-pon’ Andriamanitra.
Feno fankasitrahana ny amboaram-peo aho tamin’ny fampitana nataon’izy ireo androany maraina izay momba ny Mpamonjy, ary feno fankasitrahana aho mahita fa nosoratan’ny Filoha James E. Faust ny tonon’ny iray tamin’ireo hira nohirain’izy ireo, dia ny “This is the Christ” (Ity ilay Kristy) izany. Rehefa nipetraka teo akaikin-dRahalahy Newell aho, dia nitongilana kely teo aminy ka nanontany hoe: “Manao ahoana ireo zanakao?” Hoy izy hoe: “Izany foana no nanontanian’ny Filoha Faust rehefa nipetraka teo amin’io seza io izy.” Tsy nahagaga ahy izany satria ny Filoha Faust dia ohatra tonga lafatra maneho mpianatra iray izay voafariparitra tao amin’ny Hira sy teny voalahatra androany. Nahatsapa foana aho fa rehefa lehibe aho dia te hitovy amin’ny Filoha Faust. Mety mbola misy fotoana hahatsapako izany ihany.
Fony mbola kely tokoa ireo zanakay, dia nanomboka nanoratra zavatra vitsivitsy momba ny zavatra nitranga isan’andro aho. Mamelà ahy ianareo hitantara aminareo ny fomba niantombohan’izany. Tara fodiana aho rehefa avy namita andraikitra tany am-piangonana. Efa maizina be tamin’izay. Nanaitra ahy ny rafozan-dahiko, izay mipetraka eo akaikinay, raha izaho nandeha namonjy ny varavaran’ny tranoko iny. Nitondra fantsona maromaro teo amin’ny sorony izy, nandeha haingana ary fitafy fitondra miasa no nanaovany. Fantatro fa nanamboatra fitaovana izy hisintonana rano avy amin’ilay renirano eo ambanin’ny tranonay ho ao amin’ny toerana nonenanay.
Nitsiky izy, niteny malefaka, ary avy eo nandeha haingana teo alohako tao amin’ny haizina hanohy ny asany. Namindra nankany amin’ilay trano aho, sady nieritreritra momba ilay zavatra ataony ho anay, ary vao tonga teo amin’ny varavarana aho, dia nahare tao an-tsaiko—tsy tamin’ny feoko—ireto teny ireto; “Tsy nataoko ho anao irery ireo zavatra iainanao ireo. Soraty izany.”
Niditra tao an-trano aho. Tsy nandeha natory. Na dia reraka aza aho, dia naka taratasy ary nanomboka nanoratra. Ary rehefa nanao izany aho, dia nahatakatra ilay hafatra reko tao an-tsaiko. Tokony hanoratra aho mba hovakian’ireo zanako, indray andro any aoriana any, mikasika ny nahitako ny tanan’Andriamanitra nitahy ny fianakaviako. Tsy voatery hanao izay zavatra nataony ho anay i Dadabe. Azony nampanaovina olon-kafa izany, na azony tsy natao mihitsy. Saingy nanompo anay fianakaviany izy, tamin’ny fomba fanaon’ireo mpianatr’i Jesoa nanao fanekempihavanana. Fantatro fa marina izany. Noho izany dia nosoratako mba hananan’ireo zanako fahatsiarovana indray andro rehefa mila izany izy ireo.
Nanoratra andalana vitsy aho isan’andro nandritra ny taona maro. Tsy mbola nisy andro tsy nanoratako mihitsy na manao ahoana na manao ahoana faharerahako na tokony hiditra aloha aza aho ny ampitso. Alohan’ny hanoratako, dia misaintsaina izao fanontaniana izao aho: “Nahita ny tanan’ Andriamanitra nanampy anay na ny zanakay na ny fianakavianay ve aho androany?” Rehefa nanao izany foana aho, dia nanomboka nisy zavatra nitranga. Rehefa nieritreritra ny zava-nitranga nandritra ny tontolo andro aho, dia hitako niharihary ny zavatra nataon’ Andriamanitra tamin’ny iray taminay izay tsy tsikaritro tao anatin’ny fotoana nahasahirana ahy nandritra iny andro iny. Rehefa nitranga izany, ary nitranga matetika, dia hitako fa ny fiezahana hahatsiaro dia nahafahan’ Andriamanitra nampiseho tamiko ny zavatra izay nataony.
Nihoatra noho ny fankasitrahana ny zavatra nitombo tao am-poko. Nitombo ny fijoroana ho vavolombelona. Nanomboka nahazo antoka mihoatra noho ny hatrizay aho fa ny Raintsika any An-danitra dia mihaino sy mamaly vavaka. Nahatsapa fankasitrahana bebe kokoa aho noho ny fanalefahana sy ny fanadiovana ny fon’ny olona avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ary lasa nahazo toky kokoa aho fa ny Fanahy Masina dia afaka mampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra—na dia ireo zavatra izay tsy tsikaritsika na tsy noraharahiantsika aza tamin’ny fotoana nisehoany.
Nandeha teny ny taona. Lasa lehilahy lehibe ireo zanako lahy. Ary indraindray ny iray amin’izy ireo dia hanampoka ahy amin’ny filazana hoe: “Dada a, namaky zavatra tao amin’ny diariko aho mikasika ilay fotoana …” ary avy eo izy dia hilaza amiko mikasika ny fomba nanampian’ny famakiana ny zava-nitranga taloha elabe tany azy hahatsikaritra zavatra nataon’ Andriamanitra nandritra ny androny.
Ny tanjoko dia ny hanentana anareo hitady fomba hamantarana sy hahatsiarovana ny hatsaram-pon’ Andriamanitra. Hampiorina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika izany. Tsy manoratra diary angamba ianareo. Mety hoe tsy mizara izay mety ho rakitsoratra hazoninareo amin’ireo olon-tianareo sy tompoinareo ianareo. Saingy hotahiana ianareo sy izy ireo rehefa mahatsiaro ny zavatra nataon’ny Tompo ianareo. Tsaroanareo ilay hira izay hiraintsika indraindray hoe: “Isao, isao ireo fitahiana, [dia ho gaga ianao amin’izay nataon’ny Tompo ho anao].”2
Tsy ho mora ny mitadidy zavatra. Rehefa miaina izao fiainantsika izao miaraka amin’ny voaly manakona ny masontsika isika, dia tsy afaka mahatadidy hoe toy ny ahoana izany niaraka tamin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanaka Malalany izany tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana; ary tsy afaka mahita ny fiasan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika amin’ny masontsika ara-batana isika na amin’ny fieritreretana fotsiny ihany koa. Mila manana ny Fanahy Masina ny fahitana ny zavatra toy ireo. Ary tsy mora ny ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana.
Izany no antony mahatonga ny fanadinoana an’ Andriamanitra ho olana tsy mety miala eo anivon’ny zanany hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao. Eritrereto ny andron’i Mosesy, rehefa nanome mana tamin’ny fomba mahagaga Andriamanitra ary nitarika sy niaro ny zanany tamin’ny fomba taza-maso. Mbola mampitandrina ireo olona izay efa nahazo fitahiambe ihany anefa ny mpaminany, tahaka izay efa nampitandreman’ireo mpaminany sy hampitandremany foana hoe: “Mitandrema hianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ny masonao, ary andrao miala amin’ny fonao izany, amin’ny andro rehetra hiainanao.”3
Ary ilay fanamby mba hahatsiaro no sarotra indrindra foana ho an’ireo izay nahazo fitahiambe. Ireo izay mahatoky amin’ Andriamanitra dia voaro sy ampiroboroboana. Mitranga izany vokatry ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. Saingy tonga miaraka amin’ireo fitahiana ireo ny fakam-panahy hanadino ny loharano nipoiran’izany. Mora ny manomboka mahatsapa fa ireo fitahiana dia tsy nomen’ny Andriamanitra be fitiavana iray izay hianteherantsika, fa hoe avy amin’ny herintsika ihany. Naverimberin’ireo mpaminany foana ity filazana alahelo ity:
“Ary dia toy izany no ahafahantsika mahita ny mahadiso, ary koa ny tsy fitombenan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona; eny, ahafahantsika mahita fa ny Tompo, ao amin’ ny hatsarany lehibe tsisy fetra, dia mitahy sy mampiroborobo ireo izay mametraka ny fitokiany Aminy.
“Eny, sy ahazoantsika mahita fa amin’ ny fotoana indrindra izay ampiroboroboany ny olony, eny, amin’ ny fampitomboana ny sahany, ny biby fiompiny, ary amin’ ny volamena sy amin’ ny volafotsy ary amin’ izay rehetra mety ho zava-tsarobidy isan-karazany sy zava-kanto; ny fitsimbinana ny ainy sy ny fanafahana azy hiala eo an-tanan’ ny fahavalony; ny fanalefahana ny fon’ ny fahavalony mba tsy hamakiany ady aminy; eny, ary raha fintinina, ny fanaovana ny zava-drehetra ho fiadanana sy ho fahasambaran’ ny olony; eny, dia amin’ izay fotoana izay no anamafisany ny fony sy anadinoany ny Tompo Andriamaniny ary anosihoseny amin’ ny tongony ny Iray Masina—eny, ary izany dia noho ny fiadanany sy ny firoboroboany lehibe izaitsizy tokoa.”
Dia mbola nanohy nilaza ilay mpaminany hoe: “Eny, mailaka erỳ ny ho tafasondrotra ao amin’ ny fiavonavonana; eny mailaka erỳ ny hirehaka sy hanao ny fomba rehetra izay meloka; ary mitaredretra erỳ ny hahatsiaro ny Tompo Andriamaniny sy ny hampandry sofina amin’ ny toroheviny, eny, mitaredretra erỳ ny handeha amin’ ny lalan’ ny fahendrena!”4
Indrisy fa tsy ny firoboroboana irery ihany no antony hanadinoan’ny olona an’ Andriamanitra. Mety ho sarotra koa ny hahatsiaro Azy rehefa lasa misy olana eo amin’ny fiainantsika. Rehefa sahirana isika, tahaka izay mahazo ny maro, ao anatin’ny fahantrana mahatrotraka, na rehefa mandresy antsika ny fahavalontsika, na rehefa tsy sitrana ny aretina, dia afaka mandefa ny hafatra ratsiny ny fahavalon’ny fanahintsika fa tsy misy Andriamanitra, na raha misy Izy dia tsy miraharaha antsika. Dia mety ho sarotra ho an’ny Fanahy Masina ny mampahatsiaro antsika ireo fitahiana nandritra ny fiainana izay nomen’ny Tompo antsika hatramin’ny fahazazantsika sy mandritra ireo fotoan-tsarotra diavintsika.
Misy fanasitranana tsotra ho an’ilay areti-mandoza amin’ny fanadinoana an’ Andriamanitra, sy ireo fitahiany ary ny hafany ho antsika. Nampanantena izany tamin’ny mpianany i Jesoa Kristy rehefa akaiky ny fotoana hanomboana Azy sy hitsanganany tamin’ny maty ary nanesorana Azy tsy ho eo akaikin’izy ireo mba hiakatra tamim-boninahitra tany amin’ny Rainy. Liana izy ireo ny hahafantatra ny fomba hahafahany haharitra rehefa tsy hiaraka amin’izy ireo intsony Izy.
Inty ilay fampanantenana. Tanteraka ho azy ireo izany tamin’izany. Azo tanterahina ho antsika rehetra izany amin’izao fotoana izao:
“Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.
“Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.”5
Ny fanalahidy hananana ilay karazana fahatsiarovana izay mitondra sy mihazona fijoroana ho vavolombelona dia ny fandraisana ny Fanahy Masina ho namana. Ny Fanahy Masina no manampy antsika hahita izay nataon’ Andriamanitra ho antsika. Ny Fanahy Masina no afaka manampy ireo izay tompointsika hahita ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho azy ireo.
Nanome lamina tsotra ho antsika ny Ray any An-danitra mba handraisantsika ny Fanahy Masina, tsy indray mandeha fotsiny fa tsy an-kijanona ao anatin’ny hotakotaky ny fiainantsika andavanandro. Averimberina ao anatin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ilay lamina: Mampanantena isika fa hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy. Mampanantena isika fa hitondra ny anarany eo amintsika. Mampanantena isika fa hitandrina ny didiny. Ary ampanantenaina isika fa raha ataontsika izany dia hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika isika.6 Miara-miasa amin’ny fomba mahatalanjona ireo fampanantenana ireo mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ary amin’ny farany izany dia hanova amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ny toetrantsika rehefa manaja ny anjarantsika amin’ilay fampanantenana isika.
Ny Fanahy Masina no mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Zanaka Malalan’ny Ray any An-danitra izay tia antsika sy maniry ny hahazoantsika ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy ao anatin’ny fianakaviana. Na dia vao manomboka manana izany fijoroana ho vavolombelona izany fotsiny aza isika, dia mahatsapa faniriana ny hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. Rehefa mikiry ny hanao izany isika, dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina mba hanome antsika hery ao anatin’ny asa fanompoana ataontsika. Lasa mahita ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra mazava kokoa isika, tena mazava tokoa ka amin’ny farany dia tsy vitan’ny hoe hahatsiaro Azy fotsiny isika, fa hianatra hitia Azy sy ho lasa tahaka Azy bebe kokoa amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana.
Mety hanontany ianareo hoe: “Fa ahoana ary no hanombohan’izany dingana izany ao anatin’ny olona iray izay tsy mahalala na inona na inona momba an’ Andriamanitra sy milaza fa tsy mahatadidy zavatra niainana ara-panahy mihitsy?” Efa nanana zavatra niainana ara-panahy daholo ny rehetra fa mety tsy fantany. Omena ny Fanahin’i Kristy ny olona tsirairay rehefa handeha hiaina eto an-tany. Nohazavaina ao amin’ny bokin’i Môrônia ny fomba fiasan’izany fanahy izany:
“Fa indro, omena ny olona tsirairay ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’i Kristy dia alefan’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ Andriamanitra izany.
“Nefa na inona na inona zavatra izay mandresy lahatra ny olona hanao ny ratsy sy tsy hino an’ i Kristy, ary handà Azy sy tsy hanompo an’ Andriamanitra, dia azonareo fantarina amin’ izany, amin’ ny fahalalana tanteraka, fa avy amin’ ny devoly izany; fa araka izany fomba izany no iasan’ ny devoly, fa tsy mandresy lahatra ny olona hanao ny tsara izy, tsia, na dia iray aza; toy izany koa no ataon’ ny anjeliny; toy izany koa no ataon’ ireo izay mampanaiky ny tenany aminy. …
“Koa, miangavy anareo aho, ry rahalahy, mba hitadiavanareo amim-pahazotoana tokoa ao amin’ ny hazavan’ i Kristy mba hahazoanareo manavaka ny tsara amin’ ny ratsy; ary raha hazoninareo avokoa ny zavatra tsara ary tsy melohinareo izany, dia ho tonga zanak’ i Kristy tokoa ianareo.”7
Noho izany dia alohan’ny handraisan’ny olona ny zo hahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina mihitsy, rehefa raisina ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo, ary alohan’ny hanamafisan’ny Fanahy Masina ny fahamarinana amin’izy ireo alohan’ny batisa mihitsy aza, dia efa miaina zavatra ara-panahy izy ireo. Efa nanasa azy ireo hanao ny tsara sy nampitandrina azy ireo tamin’ny ratsy ny Fanahin’i Kristy nanomboka tany amin’ny fahazazany. Mahatsiaro ireo zavatra niainana ireo izy ireo na dia tsy fantany aza ny loharano nipoirany. Hiverina ao an-tsain’izy ireo izany fahatsiarovana izany rehefa mampianatra azy ireo ny tenin’ Andriamanitra ny misiônera na isika, ary mandre izany izy ireo. Hotsaroan’izy ireo ny fahatsapana fifaliana na alahelo rehefa ampianarina azy ireo ny fahamarinan’ny filazantsara. Ary izany fahatsiarovana ny Fanahin’i Kristy izany dia hanalefaka ny fon’izy ireo mba hamela ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo. Hitarika azy ireo izany mba hitandrina ny didy sy haniry ny hitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo aminy. Ary rehefa manao izany izy ireo, ao amin’ny ranon’ny batisa, sy rehefa ren’izy ireo ireo teny ao anatin’ny fandraisana ho mpikambana hoe “Raiso ny Fanahy Masina” izay lazain’ny mpanompon’ Andriamanitra iray manana fahefana, dia hitombo ilay hery mba hahatsiarovana mandrakariva an’ Andriamanitra.
Mijoro ho vavolombelona aho fa avy amin’ny Fanahy Masina ireo fahatsapana hafanana tao anatinareo rehefa nihaino ny fahamarinana izay noresahina tato amin’ity fihaonambe ity ianareo. Ny Mpamonjy, izay nampanantena fa ho avy ny Fanahy Masina, no Ilay Zanaka malala sy feno voninahitry ny Ray any An-danitra.
Anio hariva sy rahampitso hariva dia mety hivavaka sy hisaintsaina ianareo, ary hametraka ilay fanontaniana hoe: “Nandefa hafatra natao ho ahy manokana ve Andriamanitra? Nahita ny fiasan’ny tanany teo amin’ny fiainako na ny fiainan’ireo zanako ve aho? Hanao izany aho. Ary aorian’izay dia hahita fomba iray aho hitehirizana izany fahatsiarovana izany ho an’ilay andro izay hilàn’ny tenako sy ireo olon-tiako mahatsiaro ny halehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra anay sy ny halehiben’ny filànay Azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa tia antsika sy mitahy antsika Izy, mihoatra izay efa tsikaritry ny ankamaroatsika. Fantatro fa marina izany ary mitondra fifaliana ho ahy ny mahatsiaro Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.