“Mangataha amin’ny finoana,” toko 1 ao amin’ny Olomasina: ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018)
Toko 1: “Mangataha amin’ny finoana”
Toko 1
Mangataha amin’ny finoana
Tamin’ny 1815, dia maitso mavana noho ny orana vao nilatsaka farany ny nosy Indôneziana Sumbawa. Niomana tamin’ny vanim-potoana main-tany ho avy ireo fianakaviana, tahaka izay efa nataon’ireo taranaka maro nifandimby isan-taona, ka namboly vary teo amin’ny fototry ny vôlkano iray antsoina hoe Tambora.
Tamin’ny 5 aprily, rehefa avy natory am-polo taonany maro, dia nitroatra tampoka teo ilay tendrombohitra, ka namoaka lavenona sy afo. Tany amin’ny an-jatony kilaometatra niala teo dia nisy vavolombelona nandre zavatra nipoaka toy ny tafondro. Nitohy nandritra ny andro maromaro ny fitroarana madinidinika teo amin’ilay vôlkano. Fa ny alin’ny 10 aprily dia nipoaka ilay tendrombohitra iray manontolo. Nisy andry afo telo nifantsitsitra nanakatra ny lanitra izay nitambatra ka lasa fipoahana lehibe iray. Nikoriana nanaraka ny lafin’ilay tendrombohitra ny ranon’afo, ka nandrakotra manodidina ilay tanàna teo amin’ny fotony. Nisy tadio mahery vaika manerana ilay faritra izay nanendaka ireo hazo sy nifaoka ireo trano.1
Nitohy nandritra io alina io mandra-pahatongan’ny ampitso alin’izay ny faharavana tanteraka. Nandrakotra tany sy ranomasina nirefy kilaometatra maromaro ny lavenona ka nisavovona antsasa-metatra mahery ny haavony teny amin’ny toerana maromaro. Toy ny hoe sasak’alina ny mitataovovonana. Niakatra be ny ranomasina masiaka ka nanimba ireo voly sy nandrakotra ireo tanàna. Nandatsaka lavenona sy vato ary afo nandritra ny herinandro maro i Tambora.2
Tao anatin’ireo volana vitsivitsy taorian’izay dia niparitaka maneran-tany ny vokatr’ilay fipoahana. Nampitolagaga ny olona manerana izao tontolo izao ireo fiposahan’ny masoandro izay nahatalanjona tokoa. Saingy ireo tara-masoandro namiratra ireo dia nanakona ny voka-dratsy mampidi-doza nateraky ny lavenona avy tamin’ilay vôlkano rehefa niparitaka manodidina ny tany izany. Ny taona manaraka izay dia lasa tsy hay nofantarina mialoha sy tena nanimba zavatra ny toetrandro.3
Nampidina ny hafanana tao Inde ny fitroaran’ilay vôlkano, ary namono olona an’arivony ny kôlera, izay nandringana fianakaviana. Tany amin’ireo lohasaha mahavokatra ao Chine dia nosoloin’ny tafiotran-dranomandrin’ny fahavaratra ny toetrandro tony tsara araka ny mahazatra, ary nanimba ireo voly ny orana izay niteraka tondra-drano. Nihena ny tahirin-tsakafo tao Eorôpa ka nitarika ho amin’ny mosary sy ny horohoro.4
Nitady fanazavana noho ny fijaliana sy ny fahafatesana naterak’ilay toetrandro hafahafa ny olona maneran-tany. Re nanakoako tao amin’ireo tempoly Hindoa tao Inde ny vavaka sy ny hira nataon’ireo lehilahy masina. Sahirana mafy nitady ny valin’ny fanontanian’izy ireo momba ny fanaintainana sy ny famoizan-kavana ireo pôeta Sinoa. Tao Frantsa sy Grande-Bretagne dia nitanondrika ireo olom-pirenena noho ny fahatahorany fa nianjera teo amin’izy ireo ireo loza voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Tao Amerika Avaratra dia nitory ireo mpitandrina fa nanafay ny Kristianina tsy mpankatò Andriamanitra, ary namerimberina ny fampitandremany izy ireo mba hanaitairana ireo fahatsapana ara-pinoana.
Nirohotra nankany am-piangonana sy namonjy ireo fivoriana famohazam-panahy ny olona manerana ilay tany, izay sahiran-tsaina mafy mba hahalala ny fomba ahafahana mamonjy azy ireo amin’ilay faharinganana ho avy.5
Nisy fiantraikany teo amin’ny toetrandro tao Amerika Avaratra ny fitroaran’i Tambora nandritra ny taona manarak’izay. Nifarana tamin’ny filatsahan’ny ranomandry sy ny fanalan-dranomandry nanimba voly ny lohataona, ary nanjary voarakitry ny tantara ho ilay taona tsy nisy fahavaratra ny taona 1816.6 Tao Vermont, ao amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Etazonia, dia nahakivy ny tantsaha iray antsoina hoe Joseph Smith Rainy nandritra ny taona maro ireo tendrombohitra vatovatoina. Fa tamin’io vanim-potoana io, rehefa nijery ny voliny maty noho ny fanalan-dranomandry niverimberina izy sy i Lucy Mack Smith vadiny, dia fantatr’izy ireo fa hiaina fatiantoka ara-bola sy hoavy tsy azo antoka izy ireo raha mijanona eo amin’ny toerana misy azy ireo.
Noho i Joseph Rainy efa dimy amby efapolo taona, tsy tovolahy intsony raha ny taonany, dia nampitahotra azy ilay fieritreretana ny hanomboka fiainana eo amin’ny tany vaovao indray. Fantany fa ireo zanany lahy zokiny indrindra, i Alvin izay valo ambin’ny folo taona sy i Hyrum enina ambin’ny folo taona, dia afaka manampy azy hanala ireo kirihitra eo amin’ilay tany, hanamboatra trano, ary hamboly sy hioty ny vokatra. I Sophronia izay zanany vavy telo ambin’ny folo taona dia efa lehibe tsara ka afaka manampy an’i Lucy amin’ny asany ao an-trano sy manerana ilay toeram-pambolena sy fiompiana. Ireo zanany lahy zandriny, i Samuel valo taona sy i William dimy taona, dia efa niha-afaka nanampy bebe kokoa, ary i Katharine telo taona sy i Don Carlos vao teraka dia ho lehibe any aoriana any ka afaka hitondra ny anjara birikiny.
Saingy ilay zanany antenantenany, i Joseph Zanany, dia niavaka tamin’ny rehetra. Efa-taona talohan’izay dia nandalo fandidiana i Joseph Zanany mba hanalana otrikaretina nifindra tao amin’ny tongony. Nanomboka tamin’izay izy dia nampiasa tehina solotongotra rehefa nandeha. Na dia tsapan’i Joseph Zanany ho nanomboka natanjaka indray aza ny tongony dia nandringa tamim-panaintainana tokoa izy, ary tsy nahafantatra i Joseph Rainy raha toa izy ka ho lehibe ka hatanjaka tahaka an’i Alvin sy i Hyrum.7
Rehefa azon’izy ireo antoka fa afaka nifampiantehitra izy ireo dia nanapakevitra ny fianakaviana Smith ny handao ny tranony tao Vermont mba hanorim-ponenana tany amin’ny tany tsara kokoa.8 Tahaka ireo olon-kafa maro tao amin’io faritra io dia nanapa-kevitra i Joseph Rainy ny handeha tany amin’ny fanjakan’i New York, izay nanantenany mba hahitana toeram-pambolena sy fiompiana tsara azon’izy ireo novidiana tamin’ny alalan’ny fanaovana trosa. Dia hanafatra an’i Lucy sy ny zanany izy avy eo, ka dia ho afaka hanomboka fiainana vaovao ny fianakaviana.
Rehefa nanainga mba handeha ho any New York i Joseph Rainy dia nanatitra azy teny amin’ny arabe i Alvin sy i Hyrum mialoha ny hifanaovana veloma. Tena tia ny vadiny sy ny zanany tokoa i Joseph Rainy, saingy tsy dia afaka nitondra tsy fiovana loatra teo amin’ny fiainan’izy ireo izy. Nampahantra sy nahatonga ilay fianakaviana ho tsy nanan-kialofana ny faharatsiam-bintana sy ny fanaovana antoka tsy nahomby. Mety tsy hitovy amin’izany angamba ny any New York.9
Ny ririnina taorian’izay dia nandeha tamin-kasarotana tao anatin’ny ranomandry niaraka tamin’ny reniny sy ireo rahalahiny ary ny anabaviny i Joseph Zanany. Nandeha niankandrefana nankany amin’ny tanàna iray tao amin’ny fanjakan’i New York antsoina hoe Palmyra izy ireo, teo akaikin’ny toerana izay nahitan’i Joseph Rainy tany tsara sy niandrasany ny fianakaviany.
Koa satria tsy afaka nanampy tamin’ny fifindrana ny vadin’i Lucy dia nanakarama lehilahy iray antsoina hoe Atoa Howard izy mba hitondra ny saretin’izy ireo. Teny an-dalana dia notsinontsinoavin’ Atoa Howard ny fananan’izy ireo ary nilokany sy nisotroany toaka ny karama nomen’izy ireo azy. Ary rehefa tafahaona tamin’ny fianakaviana iray nandeha niankandrefana izy ireo dia noroahan’ Atoa Howard hiala tao anaty sarety i Joseph mba hahafahan’ireo zanakavavin’ilay fianakaviana iray hafa niara-nipetraka taminy rehefa nitondra ireo soavaly.
Fantatr’i Alvin sy i Hyrum fa narary mafy an’i Joseph ny nandeha an-tongotra dia niezaka nanohitra an’ Atoa Howard tao anatin’ny fotoana vitsy izy ireo. Kanefa isak’izay nanohitra izy ireo dia nopohany tamin’ny tahon’ny karavasiny.10
Raha lehibe kokoa mantsy i Joseph dia mety ho afaka niezaka nanohitra mivantana an’ Atoa Howard. Nanakana azy hiasa sy hilalao ny tongony narary, kanefa ny fahavononana mahery vaika nananany dia natanjaka kokoa noho ny vatany izay nalemy. Nialoha ny nandidin’ireo mpitsabo ny tongony ary nanalana ireo sombin-taolana nifindran’ny otrikaretina dia naniry ny hamatotra azy izy ireo ary hanome azy toaka mba tsy hahatsapany fanaintainana. Saingy nangataka ny mba hihazonan’ny rainy azy fotsiny i Joseph.
Nijanona nahatsiaro tena tsara izy nandritra izany fotoana rehetra izany. Atsatra sy kotsan’ny hatsembohana ny tarehiny. Ny reniny izay natanjaka tokoa raha ny mahazatra dia efa nila ho resy rehefa nahare ny hiakiakany. Taorian’izay dia mety ho nahatsapa izy angamba fa afaka nizaka ny zavatra rehetra.11
Raha iny nandringa nanaraka teo anilan’ilay sarety iny i Joseph dia hitany fa tena nieritreritra izay hatao ny tamin’ Atoa Howard ny reniny. Efa nandeha 300 kilaometatra mahery izy ireo ary hatreto dia efa lehibe tokoa ny faharetana nananany tamin’ny fitondrantena ratsy nasehon’ilay mpamily sarety.
Raha mbola tany amin’ny 160 kilaometatra niala an’i Palmyra izy ireo dia niomana ny hanao dia tao anatin’ny andro iray vaovao indray i Lucy, ka tamin’izay izy no nahita an’i Alvin nihazakazaka nanatona azy. Natsipin’ Atoa Howard teo amin’ny arabe ny fananana sy ny entan’izy ireo ary efa vonona ny hanainga niaraka tamin’ny soavaly sy ny saretin’izy ireo izy.
Hitan’i Lucy tao amin’ny toerana fisotroana toaka izy. “Tahaka ny fahazoako antoka fa misy Andriamanitra any an-danitra,” hoy izy nanambara, “no maha-ahy ireo soavaly sy ireo entana miaraka aminy ireo.”
Nijery ny manodidina tao amin’ilay fisotroana toaka izy. Feno lehilahy sy vehivavy tao, ary ny ankamaroan’izy ireo dia olona nanao dia lavitra tahaka azy. “Io lehilahy io,” hoy izy sady nibanjina tsara ny mason’izy ireo, “dia tapakevitra ny hanaisotra amiko ny fitaovana rehetra ahafahako manohy ny diako, ka hamela ahy miaraka amin’ny zanaka kely valo izay mahantra tanteraka.”
Nilaza Atoa Howard fa efa laniny avokoa ny karama nomen’i Lucy azy mba hamily ilay sarety ka dia tsy afaka handeha lavitra kokoa noho izay intsony izy.
“Tsy mila anao aho,” hoy i Lucy. “Izaho no hiandraikitra ireo soavaly.”
Navelany tao amin’ilay toerana fisotroana toaka Atoa Howard dia nivoady ny hampiray an’ireo zanany amin’ny rain’izy ireo indray izy, na inona na inona mitranga.12
Feno fotaka sy nangatsiaka ny lalana hodiavin’izy ireo, kanefa nahatarika soa amantsara ny fianakaviany tany Palmyra i Lucy. Rehefa nijery ireo zanany namihina ny rainy sy nanoroka ny tarehiny izy dia nahatsapa ho novaliana soa noho ny zavatra rehetra niaretan’izy ireo mba hankanesana tany.
Vetivety ilay fianakaviana dia nanofa trano kely iray tao an-tanàna ary nifanakalo hevitra mikasika ny fomba hahazoan’izy ireo ny toeram-pambolena sy fiompiana izay ho azy ireo manokana.13 Ny drafitra tsara indrindra izay notapahan’izy ireo dia ny hiasa mandra-pananan’izy ireo vola ampy handoavana ampaham-bola voalohany hividianana tany teo amin’ireo alakely teo akaiky teo. I Joseph Rainy sy ireo zanany lahy lehibe dia nihady lava-drano, nikapa hazo hanaovana fefy, ary nijinja mololo mba hatakalo vola, raha toa kosa i Lucy sy ireo zanany vavy kosa nanamboatra sy nivarotra tarte, labiera tsy misy alikaola vita tamin’ny fakan-javatra, ary lamba fanaingoana trano mba hividianana sakafo ho an’ny fianakaviana.14
Rehefa nihalehibe i Joseph Zanany dia nihanatanjaka ny tongony ka mora taminy ny nandehandeha naneranan’i Palmyra. Nihaona tamin’ny olona avy eo amin’ilay faritra manontolo izy tao an-tanàna ary maro tamin’izy ireo no nitodika tany amin’ny fivavahana mba hanatanteraka ny faniriana mivaivay ara-panahy nananan’izy ireo sy hanazava ny fahasarotan’ny fiainana. Tsy mpikambana tao anatin’ny fiangonana i Joseph sy ny fianakaviany, kanefa maro tamin’ireo mpiray monina tamin’izy ireo no nivavaka tao amin’ny iray tamin’ireo trano fiangonana Presibiteriana avo be, ny fiangonana Batista, ny trano fiangonan’ny Quaker, na toby filasiana izay nanaovan’ireo mpitory teny Metodista mandehandeha fivoriana famohazam-panahy indraindray.15
Rehefa feno roa ambin’ny folo taona i Joseph dia nitranga manerana an’i Palmyra ny ady hevitra momba ny fivavahana. Na dia vitsivitsy ihany aza ny zavatra efa novakiany dia tia nieritreritra lalina momba ana hevitra izy. Nihaino ireo mpitory izy, nanantena ny hianatra bebe kokoa momba ny fanahiny tsy mety maty, saingy matetika ny toritenin’izy ireo no nampikorontan-tsaina azy. Nilaza taminy izy ireo fa izy dia mpanota ao anatin’ny tontolo iray feno fahotana, ka tsy azo vonjena raha tsy misy ny fahasoavana mamonjin’i Jesoa Kristy. Ka na dia nino ilay hafatra aza i Joseph ary sadaikatra noho ny fahotany dia tsy azony antoka ny fomba hahazoany famelan-keloka.16
Noheveriny fa afaka hanampy azy ny fankanesana any am-piangonana, kanefa tsy afaka nanapa-kevitra matotra ny amin’ny toerana iray hivavahana izy. Niady hevitra tsy misy fiafarany mikasika ny fomba hahafahan’ny olona ho afaka amin’ny fahotana ireo fiangonana samihafa. Rehefa avy nihaino ireo adihevitra ireo nandritra ny fotoana vitsivitsy i Joseph dia sahiran-tsaina izy nahita ny olona namaky Baiboly iray ihany kanefa samy hafa ny fahatakaran’izy ireo ny hevitr’izany. Nino izy fa hita ao anatin’izany, any ho any, ny fahamarinan’ Andriamanitra, saingy tsy fantany ny fomba hahitana izany.17
Tsy nahafantatra izany koa ireo ray aman-dreniny. Samy avy amin’ny fianakaviana Kristianina i Lucy sy i Joseph Rainy, ary samy nino ny Baiboly sy i Jesoa Kristy izy ireo. Nandeha tany am-piangonana matetika i Lucy, ary matetika izy no nitondra ireo zanany namonjy ireo fivoriana niaraka taminy. Nikaroka hatrany ny fiangonana marin’i Jesoa Kristy nanomboka tamin’ny nahafatesan’ny rahavaviny taona maro lasa taloha tany izy.
Indray andro, taorian’ny aretina goavana be nahazo azy talohan’ny nahaterahan’i Joseph, dia natahotra ny ho faty mialoha ny hahitana ny fahamarinana izy. Nahatsapa ny fisian’ny hantsana ahatsapana ho irery sy feno haizina teo anelanelany sy ny Mpamonjy izy, ary fantany fa tsy vonona ny amin’ny fiainana any an-koatra izy.
Raha nandry teo nandritra ny alina manontolo izy nefa tsy nahita tory dia nivavaka tamin’ Andriamanitra, nampanantena azy fa raha toa avelany ho velona izy dia hitady ny fiangonan’i Jesoa Kristy. Teo am-pivavahana dia nahare ny feon’ny Tompo niresaka taminy izy, nanamafy taminy fa raha mikaroka izy dia hahita. Taorian’izay dia namangy fiangonana betsaka kokoa izy, saingy mbola tsy nahita ilay tokony ho izy. Na dia tamin’ny fotoana nahatsapana fa toa tsy teo an-tany intsony aza ny fiangonan’ny Mpamonjy dia nanohy nitady izy, ary natoky tena fa tsara kokoa ny mandeha mivavaka toy izay tsy mandeha.18
Tahaka ny vadiny ihany koa dia nangetaheta fahamarinana i Joseph Rainy. Saingy nahatsapa kosa anefa izy fa tsara kokoa ny tsy manana fiangonana toy izay ho lasa mpikambana ao amin’ny fiangonana diso iray. Noho ny fanarahany ny torohevitry ny rainy dia nikaroka ny soratra masina i Joseph Rainy, nivavaka tamim-kitsimpo izy, ary nino fa tonga hamonjy izao tontolo izao i Jesoa Kristy.19 Saingy tsy hitany taratra teo amin’ny korontana sy fifandirana hitany teo amin’ireo fiangonana nanodidina azy anefa ny zavatra tsapany fa marina. Indray alina izy dia nanofy fa toy ny omby ireo mpitory niady hevitra, sady mitrena no mangady tany amin’ny tandrony, izay zavatra iray nampitombo ny ahiahiny fa kely ihany no fantatr’izy ireo momba ny fanjakan’ Andriamanitra.20
Ny nahitany ireo ray aman-dreniny tsy afapo amin’ireo fiangonana teo an-toerana dia nahatonga an’i Joseph Zanany ho sahiran-tsaina kokoa.21 Ny fanahiny no tandindomin-doza, saingy tsy nisy afaka nanome azy valin-teny mahafapo.
Rehefa avy nitahiry ny volany nandritra ny iray taona mahery ry Smith mianakavy dia nanana vola ampy hividianana ala 40 hektara tao Manchester, tao atsimon’i Palmyra ihany. Teo amin’izany izy ireo, rehefa tsy nisy nanakarama azy ireo hiasa, no nandavaka ireo hazo érable mba hakana ny rano mamy avy amin’izany, namboly hazo fihinam-boa, ary nanapaka hazo hahazoana saha hambolena.22
Rehefa niasa tany i Joseph zazalahy dia mbola nanahy ny amin’ireo fahotany sy ny amin’ny fanahiny ihany izy. Ilay fifohazana ara-pivavahana tao Palmyra dia nilefilefy, saingy mbola nanohy ny fifaninanana hahazoana mpiova fo tao sy nanerana ny faritra ihany ireo mpitory.23 Andro sy alina i Joseph dia nijery ny masoandro, ny volana ary ny kintana nandalo teo amin’ny lanitra tamim-pilaminana sy voninahitra ary nankafy ny hatsaran’ny tany feno aina. Nijery ny olona manodidina azy izy dia nitolagaga tamin’ny hery sy ny fahaizan’izy ireo. Toa nijoro ho vavolombelona avokoa ny zavatra rehetra fa nisy Andriamanitra ary nahary ny olombelona tahaka ny endriny Izy. Saingy ahoana no hifandraisan’i Joseph Aminy?24
Tamin’ny fahavaratry ny taona 1819, rehefa feno telo ambin’ny folo taona i Joseph, dia nivory nanao fihaonambe tany amin’ny kilaometatra vitsivitsy niala avy teo amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’ny fianakaviana Smith ireo mpitory teny Metôdista ary niparitaka manerana ny faritra ambanivohitra mba hanentana ireo fianakaviana tahaka ny an’i Joseph mba hiova fo. Nampanahy ny mpitandrina sasany teo amin’ilay faritra ny fahombiazan’ireo mpitory ireo, ka vetivety dia nahazo vahana be ny fifaninanana hahazo mpikambana vaovao.
Nanatrika ireo fivoriana i Joseph, nihaino ireo fitorian-teny nanaitaitra fanahy, ary nahita ireo niova fo nihiakam-pifaliana. Naniry ny hihiakam-pifaliana niaraka tamin’izy ireo izy, saingy matetika izy no nahatsapa ho teo anivon’ny ady teo amin’ny teny nampiasaina sy ny hevitra. Nanontany tena izy hoe: “Iza amin’ ireo andiany rehetra ireo no marina? Sa miara-diso avokoa izy ireo?” “Raha marina ny anankiray aminy, dia iza izany? Ary ahoana no hahafantarako azy?” Fantany fa nila ny fahasoavana sy ny famindrampon’i Kristy izy, saingy noho ny fisian’ny olona sy ny fiangonana maro be nifanditra momba ny fivavahana dia tsy fantany hoe aiza no hahitana izany.25
Toa niala tao aminy ny fanantenana fa afaka hahazo valinteny sy fiadanana ho an’ny fanahiny izy. Nanontany tena izy hoe ahoana no hahafahan’iza na iza mahita ny fahamarinana eo anivon’ny fisafotofotoana be toy izany.26
Teo am-pihainoany toriteny iray dia nahare mpitandrina iray nitanisa andininy avy tao amin’ny Jakoba toko voalohany tao amin’ny Testamenta Vaovao i Joseph. “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena,” hoy izy, “aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa.”27
Nandeha nody i Joseph dia namaky ilay andininy tao amin’ny Baiboly. “Na oviana na oviana dia tsy nisy andalan-tsoratra masina nanohina fon’ olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’ izany ny foko tamin’ izay fotoana izay,” hoy izy taty aoriana. “Toy ny niditra tamin-kery tany amin’ ny tsiratsiraky ny foko rehetra izany. Nieritreritra izany ombieny ombieny aho, satria fantatro fa raha misy olona mila fahendrena avy amin’ Andriamanitra, dia izaho izay.” Efa nanadihady ny Baiboly izy teo aloha, satria nihevitra fa mirakitra ny valim-panontaniana rehetra izany. Fa ankehitriny dia milaza aminy ny Baiboly fa afaka mandeha mivantana any amin’ Andriamanitra izy mba hangataka valiny ho azy manokana ho an’ireo fanontaniana nananany.
Nanapakevitra ny hivavaka i Joseph. Tsy mbola nivavaka tamin’ny feo mafy izy teo aloha, saingy natoky ny fampanantenana nomen’ny Baiboly izy. Nampianatra izany hoe “[mangataha] amin’ny finoana …, ka tsy hiahanahana akory.”28 Handre ny fanontaniany Andriamanitra, na dia tsy tonga lavorary aza ny fomba hametrahany izany.