“Ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny,” fizarana 6 ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018)
Toko 6: Ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny
TOKO 6
Ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny
Rehefa niverina tany Harmony i Joseph tamin’ny fahavaratry ny taona 1828, dia niseho taminy indray i Môrônia ary naka ireo takelaka. “Raha ampy fanetrentena ianao sy mibebaka,” hoy ilay anjely, “dia handray azy ireo indray ny faha-roa amby roapolon’ny volana septambra.”1
Haizina no nandrahona ny sain’i Joseph.2 Fantany fa diso izy tamin’ny tsy firaharahiana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fatokiana an’i Martin tamin’ireo dikanteny natao sora-tanana. Izao Andriamanitra dia tsy natoky azy intsony tamin’ireo takelaka na ireo fitaovana fandikan-teny. Nahatsapa izy fa mendrika izay mety ho sazy ho ampiharin’ny lanitra aminy.3
Niaraka tamin’ny vesatry ny fanamelohana sy ny nenina dia nandohalika izy, nibaboka ny fahotany, ary nitalaho mba hahazo famelana. Nisaintsaina izy ny amin’ny hoe taiza izy no diso ary inona ny zavatra azony hatsaraina raha toa ho avelan’ny Tompo handika teny indray izy.4
Indray andro, tamin’ny volana jolay, raha nandeha tongotra tsy dia lavitra ny tranony i Joseph, dia niseho taminy i Môrônia. Natolotr’ilay anjely taminy ireo fitaovana fandikan-teny, dia nahita hafatra avy any an-danitra iray tao amin’izany izy: “Ny asa sy ny fikasana ary ny zava-kendren’ Andriamanitra dia tsy azo sakanana ary tsy azo foanana.”5
Nitondra fampiononana ireo teny ireo, saingy vetivety teo dia nisy ihany koa ny fananarana. “Akory ny hahentitry ny didy nomena anao,” hoy ny Tompo. “Tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao.” Nibaiko an’i Joseph Izy hitandrina bebe kokoa amin’ny zavatra masina. Ny rakitsoratra ao amin’ireo takela-bolamena dia manan-danja kokoa noho ny lazan’i Martin na ny fanirian’i Joseph hampifaly olona. Nomanin’ Andriamanitra izany mba hanavaozana ny fanekempihavanany fahiny sy hampianarana ny olon-drehetra hiantehitra amin’i Jesoa Kristy ho an’ny famonjena.
Namporisika mafy an’i Joseph ny Tompo ny mba hahatsiarovany ny famindrampony. “Mibebaha amin’izay efa nataonao,” hoy Izy nandidy, “dia mbola voafidy ihany ianao.” Tamin’izay fotoana izay dia niantso indray an’i Joseph mba ho mpaminaniny sy mpahitany Izy. Saingy nampitandrina azy ny mba hihainoany ny teniny Izy.
“Raha tsy ataonao izany,” hoy Izy, “dia hafoy tanteraka ianao ka ho tonga tahaka ireo olona hafa ary tsy hanana fanomezam-pahasoavana intsony.”6
Tamin’io fararano io dia nandeha tany atsimon’i Harmony ny ray aman-drenin’i Joseph. Saika ho feno roa volana no nialan’i Joseph ny tranon’izy ireo tao Manchester tamin’izay, ary tsy nahare n’inona n’inona avy taminy izy ireo. Niahiahy izy ireo fa nandrava azy ny zavatra nampalahelo nitranga tamin’ny fotoam-pahavaratra. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja dia namoy ny zanany voalohany izy, saika namoy ny vadiny, ary nanary ireo pejy natao sora-tanana. Te haka toky izy ireo fa tsy naninona izy sy i Emma.
Teo amin’ny roa kilaometatra latsaka niala ny toerana tokony nalehan’izy ireo dia diboka hafaliana i Joseph Rainy sy i Lucy nahita an’i Joseph nijoro teo amin’ny lalana teo anoloan’izy ireo, tony sy faly. Nolazainy tamin’izy ireo ny nahaverezan’ny fatokisan’ Andriamanitra azy, ny fibebahany tamin’ny fahotany, ary ny nandraisany fanambarana. Nanindrona azy ny fananaran’ny Tompo, saingy tahaka ireo mpaminany fahiny anefa dia nandray an-tsoratra ilay fanambarana izy mba hahafahan’ny hafa mamaky izany. Izany no fotoana voalohany nandraisany an-tsoratra ny tenin’ny Tompo ho azy.
Nolazain’i Joseph tamin-dray aman-dreniny ihany koa fa efa naverin’i Môrônia taminy indray ny takelaka sy ireo fitaovana fandikan-teny. Nilaza i Joseph fa toa faly taminy ny anjely. “Nolazainy aho fa tia ahy ny Tompo noho ny fahatokiako sy ny fanetrentenako.”
Amin’izao ilay rakitsoratra dia mimpirina soa aman-tsara ao an-trano, miafina tsara ao amina fitoeran-javatra. “I Emma no mpitantsoratro amin’izao,” hoy i Joseph tamin’izy ireo, “saingy nilaza ny anjely fa handefa olona iray hanoratra ho ahy ny Tompo, ary matoky aho fa ho tanteraka izany.”7
Ny lohataona taorian’izay dia nandeha tany Harmony niaraka tamin’ny vaovao ratsy i Martin Harris. Nandefa fitoriana tany amin’ny fitsarana ny vadiny, izay hanambarany fa mpisoloky milaza ho mandika teny avy amina takela-bolamena i Joseph. Dia niandry ny fiantsoana hijoro ho vavolombelona any amin’ny fitsarana i Martin. Tsy maintsy hanambara izy fa namitaka azy i Joseph raha tsy izany dia hiampanga azy ho mpisoloky ihany koa i Lucy.8
Nanery an’i Joseph mba hanome porofo misimisy kokoa ny amin’ny tena fisian’ny takelaka i Martin. Naniry hilaza eo anoloan’ny fitsarana ny zavatra rehetra momba ny fandikan-teny izy, saingy natahotra izy fa tsy hino azy ny olona. Sady efa nikaroka ny tao an-tranon-dry Smith i Lucy nefa tsy nahita ilay rakitsoatra mihitsy. Ary na dia mpitantsoratr’i Joseph nandritra ny roa volana aza i Martin dia mbola tsy nahita ny takelaka mihitsy izy ka tsy afaka ny hijoro ho vavolombelona fa nahita izany.9
Nitondra izany fanontaniana izany teo anatrehan’ny Tompo i Joseph ary nahazo valinteny ho an’ilay namany. Tsy hilaza amin’i Martin ny zavatra tokony ho teneniny eo anatrehan’ny fitsarana ny Tompo, ary tsy hanome azy porofo misimisy kokoa Izy raha tsy misafidy ny hanetry tena sy hampihatra finoana i Martin. “Raha tsy te hino ny teniko izy, dia tsy hino anao izy ry Joseph mpanompoko,” hoy Izy, “raha toa aza ka ho azo natao ny hanehoanao aminy ireto zavatra rehetra izay efa nankiniko taminao ireto.”
Nampanantena ny haneho famindrampo amin’i Martin ny Tompo, raha toa manao tahaka ny nataon’i Joseph tamin’iny fahavaratra iny izy ka manetry tena sy matoky an’ Andriamanitra, ary mianatra avy amin’ireo fahadisoany. Vavolombelona mahatoky telo no hahita maso ny takelaka amin’ny fotoana mahamety azy, hoy ny Tompo, ary afaka ny ho iray amin’izy ireo i Martin raha toa ka mitsahatra amin’ny fikatsahana ny faneken’ny hafa azy izy.10
Mialoha ny namaranany ny teniny dia nilaza izao fanambarana izao ny Tompo. “Raha tsy manamafy ny fony ity taranaka ity,” hoy Izy, “dia haoriko eo anivony ny fiangonako.”11
Nisaintsaina ireo teny ireo i Joseph teo am-pandikan’i Martin an’ilay fanambarana. Dia nihaino izy sy i Emma avy eo raha namaky izany indray i Martin mba hanitsiana izay tokony hahitsy. Teo am-pamakian’izy ireo dia niditra tao amin’ilay efitra ny rain’i Emma dia nihaino izy. Rehefa tapitra dia nanontany izy hoe tenin’iza izany.
“Tenin’i Jesoa Kristy,” hoy i Joseph sy i Emma nanazava.
“Izany rehetra izany dia finoanoam-poana amiko,” hoy i Isaac. “Avelao any izany.”12
Tsy niraharaha ny zavatra nolazain’ny rain’i Emma i Martin, dia naka ny tahadikan’ilay fanambarana izy ary nitaingina ny kalesiny handeha hody. Nankany Harmony mba hahita porofo momba ny takelaka izy, ary niverina izy niaraka tamin’ny fanambarana iray izay nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’izany. Tsy azony nampiasaina teo anatrehan’ny fitsarana izany, saingy niverina tany Palmyra izy tamin’ny fahafantarana fa nahafantatra ny aminy ny Tompo.
Taty aoriana dia nijoro teo anoloan’ny mpitsara i Martin, nanolotra fijoroana ho vavolombelona tsotra nefa mahery vaika izy. Niaraka tamin’ny tanana natsangana tany amin’ny lanitra dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny takela-bolamena izy ary nanambara fa nanome an’i Joseph tamin-kahalalahana dimampolo dolara mba hanatontosana ny asan’ny Tompo. Koa satria tsy afaka noporofoina ny fiampangan’i Lucy dia tsy notohizan’ny fitsarana ilay raharaha.13
Nandritra izany fotoana izany dia nanohy ny fandikan-teny i Joseph, nivavaka izy ny mba handefasan’ny Tompo haingana mpitantsoratra hafa ho azy.14
Tany Manchester, dia nitoetra niaraka tamin’ny ray aman-drenin’i Joseph ny lehilahy tanora iray antsoina hoe Oliver Cowdery. Zandrin’i Joseph herintaona i Oliver, ary tamin’ny fararanon’ny taona 1828 dia nanomboka nampianatra tao amin’ny sekoly iray tokony ho roa kilaometatra atsimon’ny toeram-pambolena sy fiompian-dry Smith izy.
Matetika ireo mpampianatra no nitoetra niaraka tamin’ny fianakavian’ny mpianatr’izy ireo, ary rehefa nahare siosion-dresaka momba an’i Joseph sy ny takela-bolamena i Oliver dia nangataka izy raha toa afaka mipetraka miaraka amin-dry Smith. Tamin’ny voalohany dia nitsimpona antsipirian-javatra avy tamin’ilay fianakaviana izy. Ny nahaverezan’ny rakitsoratra natao sora-tanana ary ny siosion-dresaka tao an-toerana dia nahatonga azy ireo hitandrina hany ka tsy nilaza zavatra mihitsy.15
Saingy nandritra ny ririnin’ny taona 1828–29, tamin’ny nampianaran’i Oliver ny zanaky ny fianakaviana Smith, dia lasa mendrika ny fitokisan’ireo nampiantrano azy izy. Nanodidina io fotoana io dia niverina avy tamin’ny dia iray nankany Harmony i Joseph Rainy, niaraka tamin’ny fanambarana nilaza fa mby hanatanteraka asa mahatalanjona ny Tompo.16 Tamin’io fotoana io dia efa nampiseho i Oliver fa mpikatsaka fahamarinana tokoa izy, ary nilazalaza zavatra misimisy kokoa taminy momba ny antso masina nomena ny zananilahy ny ray aman-drenin’i Joseph.17
Nahaliana an’i Oliver ny zavatra nolazain’izy ireo, dia naniry ny hanampy tamin’ny fandikan-teny izy. Tahaka an’i Joseph dia tsy nahafa-po an’i Oliver ireo fiangonana maoderina ary nino Andriamanitra fahagagana izay mbola manambara ny sitrapony amin’ny olona izy izy.18 Saingy tena lavitra no nisy an’i Joseph sy ireo takela-bolamena, ary tsy nahafantatra i Oliver hoe ahoana no hanampiana amin’ny asa raha toa hijanona any Manchester izy.
Indray andro lohataona iray, raha nikija mafy tamin’ny tafon-dry Smith ny orana, dia nilaza tamin’ilay fianakaviana i Oliver fa te handeha any Harmony izy mba hanampy an’i Joseph rehefa tapitra ny taom-pianarana. Nandrisika azy hanontany ny Tompo i Lucy sy i Joseph Rainy raha toa mety ny faniriany.19
Raha nandeha teo am-pandriany i Oliver dia nivavaka mangina izy hahafantarana raha toa marina ny zavatra henony momba ireo takela-bolamena. Nampiseho fahitana taminy momba ny takela-bolamena sy ny ezaka ataon’i Joseph handika izany ny Tompo. Nitoetra taminy ny fahatsapana feno fiadanana, dia nahafantatra izy fa tokony hilatsaka an-tsitrapo mba ho mpitantsoratr’i Joseph izy.20
Tsy nilaza na tamin’iza na tamin’iza momba ny vavaka nataony i Oliver. Vantany vao tapitra anefa ny taom-pianarana dia nandeha an-tongotra nankany Harmony, izay mihoatra ny enimpolo amby zato kilaometatra izy sy i Samuel, zandrin’i Joseph. Nangatsiaka sy feno fotaka ny lalana noho ny oran-dohataona, ary nivaingana ny ratsan-tongony rehefa tonga teo am-baravaran’i Joseph sy i Emma izy sy i Samuel. Na dia teo aza izany dia tsindrindaona izy hihaona amin’izy mivady sy hahita mivantana ny fomba hiasan’ny Tompo amin’ny alalan’ilay mpaminany tanora.21
Rehefa tonga tany Harmony i Oliver dia toy ny hoe efa tany foana izy hatrizay. Niresaka taminy hatramin’ny alimbe i Joseph, nihaino ny tantarany, ary namaly ireo fanontaniany. Hita tokoa fa nahita fianarana tsara i Oliver, dia nanaiky haingana ny tolotra nomeny mba ho mpitantsoratra i Joseph.
Taorian’ny nahatongavan’i Oliver dia ny hahazoana antoka ny fisian’ny toerana iray hiasana no asan’i Joseph voalohany. Nangataka an’i Oliver izy hamolavola fifanarahana an-tsoratra izay hampanantenan’i Joseph ny handoavany vola amin’ny rafozany ho solon’ny trano kely iray izay nipetrahany niaraka tamin’i Emma, ary koa ny trano fitahirizana iray, ny tany fambolena sy fiompiana, ary ny renirano kely iray teo akaiky teo.22 Tamin’ny firaharahiana ny zanakavaviny, ireo ray aman-drenin’i Emma dia nanaiky ireo fepetra ary nampanantena ny hanampy amin’ny fampitoniana ny tahotr’ireo mpifanolobodirindrina momba an’i Joseph.23
Nandritra izany fotoana izany dia nanomboka nandika teny i Joseph sy i Oliver. Tsara ny fiasan’izy roa niaraka, nandritra ny herinandro maro, matetika niaraka tamin’i Emma ao amin’ilay efitra manatanteraka ny asany andavanandro.24 Indraindray i Joseph dia mandika teny amin’ny fijerevana amin’ny alalan’ny fitaovana fandikan-teny ary ny famakiana amin’ny fiteny Anglisy ny soratra ao amin’ny takelaka.
Matetika dia hitany fa ny vaton’ny mpahita tokana no metimety kokoa. Ataony ao anatin’ny satrony ilay vaton’ny mpahita, dia ataony ao anatin’ilay satroka ny tarehiny mba hanakanana ny hazavana ivelany, ary dia mandinika ilay vato izy. Ny fahazavana avy amin’ilay vato dia mamirapiratra ao anatin’ny haizina, ary izany no manambara ny teny izay tononin’i Joseph ka adikan’i Oliver haingana.25
Teo ambany fitarihan’ny Tompo dia tsy niezaka nandika indray ny zavatra izay efa very i Joseph. Ho solon’izany dia nanohy nandroso hatrany tao amin’ny rakitsoratra izy sy i Oliver. Nambaran’ny Tompo fa i Satana dia namporisika olon-dratsy haka ireo pejy, hanova ny teny ao amin’izany, ary hampiasa izany mba hisian’ny fisalasalana momba ny dikanteny. Saingy nanome toky ny Tompo fa efa nanentam-panahy ny mpaminany fahiny izay nanomana ireo takelaka mba hampiditra rakitsoratra hafa fenofeno kokoa momba ny zavatra izay very Izy.26
“Hampangaihaizako ireo izay efa nanova ny teniko,” hoy ny Tompo tamin’i Joseph. “Hasehoko azy fa ny fahendreko dia lehibe noho ny hafetsen’ny devoly.”27
Nampientanentana an’i Oliver ny fiasana ho mpitantsoratr’i Joseph. Isan’andro isan’andro izy dia mihaino eo am-panononan’ny namany ny tantara tena sarotra momba ny sivilizasiôna lehibe anankiroa, dia ny Nefita sy ny Lamanita izany. Nianatra momba ny mpanjaka marina sy ratsy fanahy izy, momba ny vahoaka izay lavo ka lasa babo ary navotana tamin’izany, momba ny mpaminany fahiny iray izay nampiasa vaton’ny mpahita mba handikana rakitsoratra nalaina avy tamin’ny saha iray feno taolana. Tahaka an’i Joseph dia mpanambara sy mpahita nanana ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra io mpaminany io.28
Mijoro ho vavolombelona ombieny ombieny momba an’i Jesoa Kristy io rakitsoratra io, ary hitan’i Oliver ny fomba nitarihan’ny mpaminany ny fiangonana fahiny sy ny fomba nanaovan’ny lehilahy sy vehivavy olon-tsotra ny asan’ Andriamanitra.
Na dia teo aza izany rehetra izany dia mbola nanana fanontaniana maro momba ny asan’ny Tompo ihany i Oliver, ary nangetaheta valiny izy. Nikatsaka fanambarana ho azy i Joseph tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima, ary namaly ny Tompo. “Raha mangataka Amiko ianareo dia hahazo,” hoy Izy nanambara. “Raha manontany ianao, dia ho fantatrao ireo mistery izay lehibe sy mahatalanjona.”
Nanainga an’i Oliver ihany koa ny Tompo hahatsiaro ny fijoroana ho vavolombelona azony mialohan’ny nankanesany tao Harmony, izay zavatra tsy nozarain’i Oliver tamin’iza na iza. “Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?” hoy ny Tompo nanontany. “Raha efa nolazaiko anao ireo zavatra izay tsy misy olona mahafantatra, tsy efa nahazo vavolombelona va ianao?”29
Nitolagaga i Oliver. Avy hatrany izy dia nilaza tamin’i Joseph momba ny vavaka manokana nataony ary ny fijoroana ho vavolombelona avy any an-danitra azony. Tsy misy afaka nahalala momba izany ankoatra an’ Andriamanitra, hoy izy, ary izao dia fantany fa marina ilay asa.
Niverina niasa izy ireo, dia nanomboka nanontany tena i Oliver sao mba afaka handika teny ihany koa izy.30 Nino izy fa afaka miasa amin’ny alalan’ny fitaovana tahaka ny vaton’ny mpahita Andriamanitra, ary nisy fotoana izy nampiasa tsora-kazo hitadiavana rano sy vatosoa. Na dia izany aza dia tsy azony antoka fa hiasa amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ilay tsora-kazo. Mbola zava-miafina taminy ny fomba fahazoana fanambarana.31
Mbola nentin’i Joseph teo amin’ny Tompo indray ny fanontanian’i Oliver, dia niteny an’i Oliver ny Tompo fa nanana ny hery hahazoana fahalalana izy raha toa nangataka tamim-pinoana. Nanamafy ny Tompo fa niasa tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ny tsora-kazon’i Oliver, tahaka ny tsora-kazon’i Aharôna tao amin’ny Testamenta Taloha. Dia nampianatra an’i Oliver misimisy kokoa momba ny fanambarana Izy. “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina,” hoy Izy nanambara. “Ankehitriny, indro io no fanahin’ny fanambarana.”
Nilaza tamin’i Oliver ihany koa izy fa afaka ny handika teny tahaka an’i Joseph, raha toa miantehitra hatrany amin’ny finoana. “Tsarovy,” hoy ny Tompo, “fa raha tsy misy ny finoana, dia tsy mahavita na inona na inona ianao.”32
Taorian’ilay fanambarana dia tsindrindaona erỳ i Oliver handika teny. Nanaraka ny ohatr’i Joseph izy, saingy rehefa tsy tonga mora foana ny teny dia lasa vetivety dia sosotra sy nikorontan-tsaina izy.
Hitan’i Joseph ny fahasahiranan’ny namany dia nitsetra azy izy. Fotoana betsaka no laniny mba nahafahana nampifanaraka ny fony sy ny sainy ho an’ny asa fandikan-teny, saingy toa nihevitra i Oliver fa vetivety foana izy dia afaka hifehy izany. Tsy ampy izany mba hahazoana ny fanomezam-pahasoavana iray. Nila nikolokolo sy nampitombo izany hatrany hatrany izy mba hampiasana izany ho amin’ny asan’ Andriamanitra.
Vetivety foana dia nilavo lefona tamin’ny fandikana i Oliver ary nanontany an’i Joseph hoe nahoana izy no tsy nahomby.
Nanontany ny Tompo i Joseph. “Noheverinao fa homeko anao izany, rehefa tsy nanana eritreritra afa-tsy ny hangataka izany Amiko ianao,” hoy ny valinteny nomen’ny Tompo. “Tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany.”
Nampianatra an’i Oliver mba hanana faharetana ny Tompo. “Tsy ilaina ny handikanao teny izao,” hoy Izy. “Indro, ny asa izay iantsoana anao dia ny hanoratra ho an’i Joseph mpanompoko.” Nampanantena an’i Oliver fahafahana hafa handikana teny any aoriana any Izy, fa tamin’io anefa dia mpitantsoratra no asany ary i Joseph no mpahita.33