“Mpiara-manompo,” toko faha-7 ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny Andro Farany, Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018)
Toko 7: “Mpiara-manompo”
Toko 7
Mpiara-manompo
Somary nangatsiaka sy mando ny lohataona 1829 hatramin’ny volana Mey. Raha nijanona tao an-trano ireo tantsaha nanodidina an’i Harmony, nanemotra ny asa fambolena fanaon’izy ireo ny lohataona mandra-pihatsaran’ny toetr’andro, dia nandika teny betsaka araka izay tratrany tamin’ireo rakitsoratra i Joseph sy i Oliver.1
Tonga teo amin’ny fitantarana ny zava-nitranga teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita izy ireo, tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesoa tany Jerosalema. Niresaka mikasika ny horohoron-tany sy kotrobaratra nahatsiravina izay nandringana ny vahoaka izany, sy nanova ny endriky ny tany. Ny tanàna sasany dia nilentika tany anaty tany, ary ny sasany kosa nirehitra ka may. Nisy tselatra nandritry ny ora maro teny amin’ny lanitra, nanjavona ny masoandro, ary haizi-mikitroka no nandrakotra an’ireo sisa velona. Nitomany nandritry ny telo andro ny vahoaka, nitaraina noho ny fahafatesan’ireo havany.2
Tamin’ny farany dia nisy feo nivoaka avy tao amin’ny haizina. “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo,” Hoy Izy nanontany, “sy hibebaka amin’ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?”3 Nesoriny ny haizina ary nibebaka ny vahoaka. Vetivety dia niara-tafavory teo amin’ny tempoly ny maro tamin’izy ireo, teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Soafeno, ka nifampireasaka mikasika ny fiovana mahagaga teo amin’ny tany.4
Raha mbola nifampiresaka ny vahoaka dia nahita ny Zanak’ Andriamanitra nidina avy tany an-danitra izy ireo. “Indro, Izaho no Jesoa Kristy,” hoy Izy, “izay nambaran’ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao.”5 Nijanona kely teo anivon’izy ireo Izy, nampianatra ny filazantsarany ary nandidy azy ireo hatao batisa asitrika ho famelana ny fahotana.
“Ary na zovy na zovy no mino Ahy sy atao batisa dia izy no hovonjena,” Hoy Izy. “Ary izy no handova ny fanjakan’ Andriamanitra.”6 Mialohan’ny hiakarany ho any an-danitra dia nanome fahefana an’ireo lehilahy marina Izy hanao batisa an’ireo izay mino Azy.7
Nahakasika an’i Joseph sy i Oliver ireo fampianarana ireo raha teo am-pandikana izy ireo. I Joseph, tahaka an’i Alvin rahalahiny, dia tsy mbola natao batisa mihitsy, ka dia naniry hahafantatra misimisy kokoa mikasika io ôrdônansy io sy ny fahefana ilaina hanatanterahana izany.8
Tamin’ny 15 mey 1829, dia nisava ny orana ary nandeha tany an’ala i Joseph sy i Oliver, teo akaikin’ny Renirano Susquehanna. Nandohalika izy ireo ary nanontany an’ Andriamanitra mikasika ny batisa sy ny famelana ny fahotana. Raha nivavaka iny izy ireo dia nanambara fiadanana tamin’izy ireo ny feon’ilay Mpanavotra, ary dia nisy anjely niseho tao anaty rahom-pahazavana. Nilaza izy fa izy no Jaona mpanao Batisa ary nametraka ny tanany teo ambony lohan’izy ireo. Heniky ny hafaliana ny fon’izy ireo rehefa nanenika azy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra.
“Ianareo ry mpiara-manompo amiko,” hoy ny nambaran’i Jaona, “amin’ ny anaran’ ny Mesia no tolorako ny Fisoronan’ i Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ ny fanompoan’ ny anjely sy ny an’ ny filazantsaran’ ny fibebahana ary ny an’ ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana;”9
Nalefaka ny feon’ilay anjely, kanefa dia toa nanindrona an’i Joseph sy Oliver hatrany anaty.10 Nanazava izy fa ny Fisoronana Aharôna no hahafahan’izy ireo hanatanteraka batisa, ary dia nandidy azy ireo izy ny hifanaovan’izy ireo batisa rehefa lasa izy. Nilaza ihany koa izy fa handray fahefan’ny fisoronana fanampiny izy ireo ao aoriana kely, izay hanome azy ireo ny fahefana hifanome ny fanomezana ny Fanahy Masina sy hanome izany ho an’ireo izay nataon’izy ireo batisa.
Rehefa lasa i Jaona mpanao Batisa dia nanatona ny renirano i Joseph sy i Oliver ary niroboka. I Joseph aloha no nanao batisa an’i Oliver, ary vantany vao tafavoaka ny rano i Oliver dia nanomboka naminany mikasika ireo zavatra izay hitranga atsy ho atsy. Avy eo i Oliver dia nanao batisa an’i Joseph, ary rehefa tafavoaka avy tao anaty rano i Joseph dia naminany mikasika ny fananganana ny fiangonan’i Kristy, izay nampanantenain’ny Tompo fa ho atsangana eo anivon’izy ireo.11
Ho fanarahana ny torolalana nomen’i Jaona mpanao Batisa dia niverina tany anaty ala izy ireo mba hifanosotra ho amin’ny Fisoronana Aharôna. Teo am-pandalinan’izy ireo ny Baiboly sy teo am-pandikana ilay rakitsoratra tranainy, dia matetika i Joseph sy i Oliver no namaky mikasika ny fahefana hanaovana zavatra amin’ny anaran’ Andriamanitra. Ankehitriny dia mihazona izany fahefana izany izy ireo.
Taorian’ny batisan’izy ireo dia tsapan’i Joseph sy i Oliver fa ireo soratra masina izay toa navesatra sy nifono mistery teo aloha dia tampoka teo nanjary nazava kokoa. Nanenika ny sain’izy ireo ny fahamarinana sy ny fahatakarana.12
Tany New York indray, i David Whitmer naman’i Oliver dia naniry mafy ny hahafantatra bebe kokoa momba ny asan’i Joseph. Na dia nipetraka tany Fayette, 48 km miala an’i Manchester aza i David, dia lasa mpinamana izy sy i Oliver nandritra ny fotoana nampianaran’i Oliver tany an-tsekoly sy niarahany nipetraka tamin-dry Smith. Matetika izy ireo no niresaka mikasika ireo takelaka volamena ary rehefa nifindra ho any Harmony i Oliver dia nampanantena ny hanoratra ho an’i David mikasika ny asa fandikana.
Nanomboka tonga tokoa ireo taratasy fotoana fohy taty aoriana. Nanoratra i Oliver hoe fantatr’i Joseph ny antsipirihiny sasany tamin’ny fiainany izay tsy nisy tokony afaka nahafantatra raha tsy tamin’ny alalan’ny fanambarana avy tamin’ Andriamanitra. Nofariparitany ireo tenin’ny Tompo tamin’i Joseph sy ny fandikana ny rakitsoratra. Tao anatin’ny taratasy iray no nizaran’i Oliver andalana vitsivitsy tamin’ny asa fandikana sy nijoroany ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany.
Nisy taratasy iray hafa nampahafantatra an’i David fa ny sitrapon’Andriamanitra ho azy ny hitondrany ny ekipany sy ny saretiny ho any Harmony hanampiana an’i Joseph sy Emma ary i Oliver hifindra ho any amin’ny tranon-dry Whitmer any Fayette, ka any izy ireo no hamita ilay fandikanteny.13 Nanomboka tsy nandray tsara ny fianakaviana Smith ny vahoaka tao Harmony. Nisy lehilahy sasantsasany aza izay nandrahona mihitsy ny hanafika azy ireo, ary raha tsy noho ny fianakavian’i Emma dia efa nijaly fatratra izy ireo.14
Nasehon’i Davida tamin’ireo ray aman-dreniny sy ny mpiray tampo taminy ireo taratasin’i Oliver ary dia nanaiky hampiantrano an’i Joseph sy i Emma ary i Oliver izy ireo. Taranaka mpifindra-monina miteny Alemana eo an-toerana ny fianakaviana Whitmer ary nalaza ho niasa mafy sy mpiantra olona. Akaiky ihany ny toeram-pambolen’izy ireo avy eo amin-dry Smith raha hoe ho vangiana, saingy lavidavitra ihany ka tsy ho voaelingelin’ireo mpangalatra.15
Naniry ny hanainga ho any Harmony avy hatrany i David saingy nampatsiahy azy ny rainy fa mbola misy asa mafy tokony hovitainy mandritry ny roa andro mialohan’ny ahafahany handeha. Fotoam-pambolena tamin’izay ary nila niasa tany teo amin’ny 8 hekitara teo i David sy nandraraka dôlômita tamin’izany mba hampaniry tsara ny varimbazahan’izy ireo. Nilaza taminy ny rainy fa tokony hivavaka izy aloha mba hahafantarana raha toa tena ilaina ny mandeha avy hatrany.
Nanaraka ny torohevitry ny rainy i David, ary rehefa nivavaka izy dia nahatsapa ny Fanahy niteny taminy mba hamita ny asany any an-trano aloha mialohan’ny handehanany any Harmony.
Ny ampitso maraina raha nankeny an-tsaha i David dia nahita fa voasa ireo saha izay tsy mbola noasainy akory ny alin’io. Raha nandinika kokoa ireo saha avy teny alavitra izy dia nahita fa tokony ho roa hekitara sy sasany teo ny tany voasa nandritry ny alina, ary efa niandry azy teo amin’ny soritra farany ny angadin’omby efa vonona ahafahany mamita ny asa.
Gaga ny rain’i Davida raha naheno ny zava-nitranga. “Tsy maintsy nisy hery ambony kokoa tao ambadik’izao,” hoy izy, “ary mieritreritra aho fa tsara kokoa ho anao ny midina any Pennsylvanie raha vantany vao voafafy ny zezikao.”
Niasa mafy i David, niasa ny tany sisa ary nanomana tsara ny tany mba hampahomby ny fambolena. Raha vao vita ny asany dia nafatony tamin’ny andian-tsoavaly matanjaka ny kalesiny ary dia nanainga ho any Harmony izy, aloha kokoa noho ny nantenainy.16
Sahirana be ny maman’i David raha vantany vao nifindra ho any Fayette i Joseph sy i Emma ary i Oliver. Efa valo ny zanak’i Mary Whitmer sy i Peter vadiny ary eo amin’ny dimy ambiny folo ka hatramin’ny telopolo taona eo, ary ireo vitsivitsy izay tsy mipetraka ao an-trano intsony dia mipetraka eo amin’ny manodidina azy ireo ihany. Asa be ho an’i Mary ny fikarakarana ny zavatra ilain’izy ireo, ary manginy fotsiny ny asa fanampiny noho ireo vahiny telo. Nanana finoana ny amin’ny antson’i Joseph i Mary, ary tsy mba nitaraina kanefa nahatsiaro reraka izy.17
Ny hafanana tany Fayette tamin’izany fahavaratra izany dia sady mamay be no manorana. Raha manasa lamba sy mikarakara sakafo i Mary, i Joseph kosa manonona ny fandikan-teny ao an’efitrano ambony. Mazàna dia i Oliver no mandray an-tsoratra ho azy, saingy indraindray dia dimbiasan’ i Emma na ny iray amin-dry Whitmer izy eo amin’ny fanoratana.18 Indraindray rehefa reraky ny asa fandikana iny i Joseph sy i Oliver dia lasa mandehandeha eny amoron-drano akaikikaiky teo izy ireo ary manipinipy vato atao mitsambikimbikina eo ambony rano.
I Mary kosa dia tsy dia nanana fotoana loatra hialana sasatra, ary sarotra zakaina ny asa fanampiny sy ny raharaha nitambesatra taminy.
Indray andro raha teo ivelan’ny fahitra fiterena omby izy dia nahita lahy antitra fotsy volo mitondra kitapo teo an-tsoroka. Somary natahotra i Mary nahita azy nipoitra tampoka, saingy rehefa nanatona ilay lehilahy dia niresaka taminy tamin’ny feo feno hatsaram-panahy izay nampahazo aina azy.
“Môrônia no anarako,” hoy izy. “Lasa reraka be ihany ianao noho ireo asa fanampiny izay tsy maintsy ataonao.” Nesoriny teny an-tsorony ilay kitapo, ary nandinika tsara i Mary rehefa nanomboka nanokatra izany izy.19
“Nahatoky sy nazoto tokoa ianao tamin’ireo asa nataonao,” hoy izy nanohy. “Koa dia mety raha mandray vavolombelona amin’izay ianao mba hahafahan’ny finoanao ho mafy orina.”20
Nosokafan’i Môrônia ny kitapony ary navoakany avy tao ireo takelaka volamena. Notazominy teo anoloan’i Mary izany ary navadibadiny ireo pejy mba hahafahan’i Mary mahita tsara ireo soratra teo amin’izany. Rehefa avy namadika ny pejy farany izy dia nankahery an’i Mary mba haharitra sy hahatoky eo amim-pizakana ireo enta-mavesatra fanampiny mandritra fotoana lava kely kokoa. Nampanantena izy fa hotahiana i Mary noho izany.21
Nanjavona fotoana fohy taorian’izay llay lehilahy ka namela an’i Mary ho irery teo. Mbola nanana asa maro hatao izy saingy tsy nampaninona azy intsony izany.22
Nandika haingana i Joseph tao amin’ny tanànan-dry Whitmer, kanefa teo ihany koa ireo andro sasany izay nisian’ny olana. Nieritreritra zavatra maro hafa ny sainy hany ka tsy afaka nifantoka tamin’ireo zavatra ara-panahy izy.23 Be olona foana tao an-tokantrano kelin’ny fianakaviana Whitmer ary feno zavatra mahavariana. Ny fifindrana tany dia nidika famoizana ilay fifandraisana manokana tsy dia nisy nanelingelina teo amin’izy sy i Emma izay nankafizin’izy ireo tany Harmony.
Indray maraina rehefa iny izy hiomana handika teny iny, dia nifamaly tamin’i Emma izy. Taorian’izay, rehefa namonjy an’i Oliver sy i David tany an’efitrano ambony rihana hiasan’izy ireo izy, dia tsy nahadika na vanin-teny iray monja aza.
Nivoaka ny efitrano izy ary nandehandeha tany an-jaridaina. Nijanona nitokana nandritra ny adiny iray teo eo izy nivavaka. Rehefa niverina izy dia niala tsiny tamin’i Emma ary nangataka famelana taminy. Avy eo izy dia niverina nandika toy ny mahazatra.24
Teo am-pandikana ny fizarana farany tamin’ny rakitsoratra izy zao, izay fantatra amin’ny hoe ny takelaka kelin’i Nefia, izay raha ny marina dia fanombohan’ilay boky. Ireo takelaka kely, izay manambara tantara iray nitovy tamin’ilay nadikan’izy sy i Martin ary very, dia nitantara momba ny zatovolahy iray antsoina hoe Nefia, izay notarihin’ Andriamanitra ny fianakaviany hiala tao Jerosalema ho any amin’ny tany nampanantenaina iray vaovao. Nanazava mikasika ny nihavian’ireo rakitsoratra izany, sy ny ady voalohandohany teo amin’ny vahoaka Nefita sy Lamanita. Ny zava-dehibe kokoa noho izany dia nijoro vavolombelona mahery vaika ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izany.
Teo am-pandikana ny soratra teo amin’ny takelaka farany i Joseph no nahita fa izany dia nanazava ny tanjon’ny rakitsoratra, koa nomeny lohateny hoe ny Bokin’ ny Môrmôna izany, araka ny anaran’ilay mpaminany mpahay tantara fahiny izay nanambatra ny boky.25
Hatramin’ny fotoana nanombohan’i Joseph nandika ny Bokin’i Môrmôna dia nianatra betsaka izy mikasika ny andraikiny amin’ny ho avy eo amin’ny asan’ Andriamanitra. Tao amin’ireo pejiny no nahitany ireo fampianarana fototra izay efa nianarany tao amin’ny Baiboly, ary nahitany ihany koa fahamarinana sy hevitra vaovao maro mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Nahita ihany koa andininy maro izy mikasika ny andro farany izay naminany ny amin’ny mpahita iray nofinidy antsoina hoe Joseph izay hitondra ny tenin’ny Tompo sy hamerina ireo fahalalana sy fanekempihavanana very.26
Tao amin’ireo rakitsoratra izy no nianatra fa i Nefia dia namelabelatra ny faminanian’i Isaia mikasika ny boky iray nasiana tombo-kase izay tsy hain’olo-mahay novakiana. Rehefa namaky ilay faminaniana i Joseph dia nieritreritra ny resaka nifanaovan’i Martin Harris tamin’i Profesora Anthon. Nanamafy izany fa Andriamanitra irery ihany no afaka mamoaka ilay boky avy ao anaty vovoka sy manangana ny fiangonan’i Kristy amin’izao andro farany izao.27
Rehefa vitan’i Joseph sy ny namany ny fandikan-teny dia nieritreritra ny fampanantenana iray izay nomen’ny Tompo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fanambarany izy ireo—dia ny hanehoana ireo takelaka amin’ny vavolombelona telo. Nitsidika ny toeram-piompian-dry Whitmer ny ray aman-drenin’i Joseph, niaraka tamin’i Martin Harris tamin’izay fotoana izay, ary indray maraina dia nitalaho tamin’i Joseph i Martin sy i Oliver ary i David mba ho izy ireo no ho vavolombelona. Nivavaka i Joseph ary namaly ny Tompo, ka nilaza fa raha toa izy ireo ka miantehitra Aminy amin’ny fon’izy ireo manontolo, sy vonona hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana, dia afaka mahita ny takelaka izy ireo.28
“Mila manetry tena eo anoloan’ny Andriamanitrao ianao anio,” hoy i Joseph tamin’i Martin manokana, “mba hahafahanao mandray ny famelana ny fahotanao, raha azo atao.”29
Taorian’izay, tamin’io andron’io ihany, dia nentin’i Joseph tany anaty ala akaikin’ny tranon-dry Whitmer ireo lehilahy telo ireo. Nandohalika izy ireo, ary dia nifandimby nivavaka mba hanehoana ireo takelaka, saingy tsy nisy zava-nitranga. Nanandrana fanindroany izy ireo, fa mbola tsy nisy zava-nitranga ihany. Nitsangana i Martin nony farany, ary nandeha sady nilaza fa izy no antony mahatonga ny lanitra hikatona.
Niverina nivavaka i Joseph sy Oliver ary David, ary vetivety teo dia nisy anjely niseho tao anatina hazavana namirapiratra teo ambonin’izy ireo.30 Teny an-tanany ireo takelaka ary namadibadika izany tsirairay izy, naneho tamin’ireo lehilahy ireo ny endri-tsoratra voasokitra teo amin’ny pejy tsirairay. Nisy latabatra niseho teo anilany, ary teo ambonin’izany dia nisy ireo zavatra tranainy voalaza tao amin’ny Bokin’i Môrmôna: ireo fandikana, ny saron-tratra, sabatra iray ary ilay bola mahagaga izay nitarika ny fianakavian’i Nefia avy tany Jerosalema ho any amin’ny tany nampanantenaina.
Nahare ny feon’ Andriamanitra ireo lehilahy ireo izay nilaza hoe, “Nambara tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ireto takelaka ireto ary nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. Marina ny dikan-tenin’izy ireo izay hitanareo, ary mandidy anareo aho hijoro ho vavolombelon’ny zavatra izay hitanareo sy renareo ankehitriny.”31
Rehefa lasa ilay anjely dia niditra lalindalina kokoa tany afovoan’ny ala i Joseph ary nahita an’i Martin teo am-pandohalihana. Nilaza taminy i Martin fa tsy mbola nandray vavolombelona avy tamin’ny Tompo, fa mbola te hahita ireo takelaka ihany izy. Niangavy an’i Joseph izy hivavaka hiaraka aminy. Nandohalika teo akaikiny i Joseph, ary raha mbola tsy tapitra akory ny tenin’izy ireo, dia hitan’izy ireo ilay anjely teo ihany, nampiseho ireo takelaka sy ireo fitaovana tranainy hafa.
“Ampy izay! Ampy izay!” Hoy Martin nikiakiaka. “Nahita ny masoko! Nahita ny masoko!”32
Ny hariva taorian’io dia niverina tany an-tranon-dry Whitmer i Joseph sy ireo Vavolombelona Telo. Teo am-piresahana tamin’ny ray aman-drenin’i Joseph i Mary Whitmer raha namikiviky niditra tao an’efitrano i Joseph. “Dada! Mama!” hoy izy. “Tsy hainareo mihitsy ny hafaliako!”
Namonjy nipetraka teo akaikin’ny reniny izy. “Navelan’ny Tompo naseho tamin’ny olona telo ankoatra ahy ny takelaka,” hoy izy. “Mahafantatra izy ireo fa tsy manao zavatra hamitaka ny vahoaka aho.”
Nahatsapa izy fa toy ny nisy enta-mavesatra nesorina teo an-tsorony. “Ankehitriny izy ireo dia tsy maintsy milanja ampahany amin’izany,” hoy izy. “Tsy ho irery tanteraka intsony aho eto amin’izao tontolo izao.”
Avy eo dia i Martin indray no niditra ny efitrano sady efa safononoky ny hafaliana. “Ankehitriny dia nahita anjely avy any an-danitra aho!” hoy izy nihiaka. “Midera an’ Andriamanitra aho amin’ny fahatsoram-panahiko, noho ny nanekeny hanao ahy—eny, izaho—ho vavolombelon’ny halehiben’ny asany!”33
Andro vitsy taorian’izay ny fianakaviana Whitmer dia nanatona ny fianakaviana Smith tany amin’ny toeram-piompian’izy ireo tany Manchester. Noho ny nahafantaran’i Joseph fa ny Tompo dia efa nampanantena ny hampiorina ny teniny “eo ambavan’ny vavolombelona maro araka izay heveriny ho mety,” dia nandeha tany an’ala izy niaraka tamin’ny rainy sy i Hyrum ary i Samuel, ary koa efatra tamin’ireo rahalahin’i David Whitmer, dia i Christian, sy i Jacob, sy Peter Jr., ary i John, ary i Hiram Page zaodahin’izy ireo.34
Nivondrona teo amin’ny toerana iray izay matetika fandehanan’ny fianakaviana Smith manao vavaka manokana ireo lehilahy valo ireo. Rehefa nomen’ny Tompo fahazoan-dalana i Joseph dia nanokatra ireo takelaka ary nampiseho izany tamin’ilay vondron-dehilahy. Tsy nahita anjely tahaka ireo Vavolombelona Telo izy ireo, saingy navelan’i Joseph handray ireo rakitsoratra teo an-tanan’izy ireo, sy namadika ireo pejy, ary nandinika ireo soratra tranainy tao amin’izany. Ny fikasihan’izy ireo ny takelaka dia nanamafy ny finoan’izy ireo fa marina ny teny vavolombelon’i Joseph mikasika ilay anjely sy ny rakitsoratra fahiny.35
Ankehitriny, noho ny fahavitan’ny fandikana, ary noho ny fananany vavolombelona hanohana ny teny vavolombelony mahagaga, dia tsy nila ireo takelaka intsony i Joseph. Rehefa nandao ilay ala ireo lehilahy ireo ka niverina tany amin’ny trano, dia niseho ilay anjely, ary naveriin’i Joseph taminy ireo rakitsoratra masina mba ho tehiriziny.36