Ho an’ny Ankizy
Ny Tsirairay dia Afaka Manao Zavatra Ankehitriny
-
Ny Filoha Uchtdorf dia nampianatra fa na firy taona ianao na firy taona, dia afaka manao zavatra hanampiana ny hafa. Tanisao ao amin’ny diarinao na eo amin’ny taratasy iray ireo fanomezam-pahasoavana na fahaiza-manao anananao. Anontanio ny ray aman-dreninao izay eritreretin’izy ireo fa fanomezam-pahasoavana anananao.
-
Inona no fomba azonao ampiasana ireo fanomezam-pahasoavana anananao mba hanampiana ny hafa?
-
Any amin’ny faran’ny lisitr’ ireo fanomezam-pahasoavana anananao, dia manorata fomba iray ahafahanao mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ireo hanampiana ny hafa amin’ity herinandro ity.