Ho an’ny Zatovo
Mitandrina ireo didy ary mitia ny hafa
Ny zavatra tonga ao an-tsaintsika voalohany rehefa mieritreritra ny fitiavana isika, dia ireo horonan-tsarim-pitiavana, sôkôla, ary voninkazo. Fa ny fitiavana—tena fitiavana—dia lalina lavitra kokoa sy tsy tia tena lavitra kokoa noho izany. Maty ary velona ho antsika i Jesoa Kristy noho ny fitiavany antsika. Raha ny tena marina, ny didy roa lehibe indrindra dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa (jereo ny Matio 22:36–40). Saingy ahoana no fomba hampisehoantsika amin’ny hafa fa tia azy ireo isika?
Nizara ny fanoharana nataon’i Kristy momba ireo zanaka roa lahy ny Filoha Uchtdorf, ny iray izay niasa ho an’ny rainy ary ny iray tsy nanao izany. Nanamafy ny Mpamonjy fa ilay zanaka nankatò no tena tia ny rainy. Toy izany koa, rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra isika, dia maneho fa tia Azy ary maniry ny hiverina any Aminy.
Saingy ahoana no fomba hampisehoantsika fa tiantsika ny olona hafa rehetra? Nanazava ihany koa ny Filoha Uchtdorf fa: “Raha tena tia ny mpiara-belona amintsika isika, dia manolotra ny tenantsika mba hanampy ‘ny mahantra sy ny sahirana, ny marary sy ny ory.’ Fa ireo izay manao izany asa fangoraham-po tsy am-pitiavan-tena sy ny fanompoana izany, dia ireo no mpianatr’i Jesoa Kristy.”
Ka rehefa mahita ny ray aman-dreninao,na ny mpiray tam-po aminao, na ny namanao ianao amin’ny manaraka dia mieritrereta ny hanompo azy ireo mba hanehoanao ny fitiavanao azy ireo. Tsy vitan’ny hoe hahafaly anao sy izy ireo izany, fa sady hahafaly ny Rainao any An-danitra ihany koa.