Tahirim-pitaovana
Lesona 56: Môsià 7–8


Lesona 56

Môsià 7–8

Fampidirana

Teo ho eo amin’ny 80 taona talohan’ny nahalasa mpanjaka an’i Môsià, zanakalahin’i Benjamina Mpanjaka, dia notarihin’ny lehilahy iray atao hoe Zenifa ny andiana Nefita iray avy any Zarahemlà mba honina any amin’ny tanin’ny Nefia, izay noraisin’izy ireo ho “tany lovany” (jereo ny Ômnia 1:27–30). Nomen’i Môsià Mpanjaka lalana ny lehilahy iray atao hoe Amôna hitarika vondrona kely iray ho any amin’ny tanin’i Nefia mba hamantatra izay niafaran’ilay andian’olona notarihin’i Zenifa. Hitan’i Amôna sy ny namany niaina tao anatin’ny fanandevozan’ny Lamanita ny taranak’ireo olona notarihin’i Zenifa. I Limia, zafikelin’i Zenifa no mpanjakan’izy ireo. Nitondra fanantenana ho an’i Limia sy ny olony ny fahatongavan’i Amôna. Nanontany an’i Amôna i Limia raha toa izy ka afaka nandika ireo soratra voasokitra teo amin’ireo takela-bolamena 24 izay hitan’ny olony. Nohazavain’i Amôna fa ny mpanjaka any Zarahemlà, i Môsià Mpanjaka, dia mpahita izay afaka mandika rakitsoratra fahiny.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 7

Nahita ny tanin’i Lehia-Nefia i Amôna ary nahafantatra ny fomba nahatonga ny olon’ny Mpanjaka Limia ho tao anatin’ny fanandevozana

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: mitomanin’alahelo: mahatsapa nenina sy alahelo

  • Inona avy ireo antony mety hampitomany ny olona amin’alahelo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 7:24 ary asao ny mpianatra sisa hanaraka izany. Mariho manokana ilay teny hoe “izany rehetra izany dia noho ny heloka.” Hazavao fa ity andininy ity dia miresaka toe-javatra izay nitranga noho ny safidy ratsy nataon’ny andian’olona vitsivitsy. Asao ireo mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo ka efa nitomany tamin’alahelo mikasika ny toe-javatra iray izay nitranga “noho ny heloka.” Hazavao fa anio izy ireo dia handalina ny Môsià 7–8 mba hianatra mikasika ny mpanjaka iray antsoina hoe Limia sy ny antony nahatonga ny nenina teo amin’ny olony. Asao ireo mpianatra hikaroka ny zavatra namporisihan’i Limia ny olony ho atao mba handresena ny alahelon’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 7:1. Asao ny iray kilasy hamantatra ireo toerana roa voalaza ao amin’io andininy io. Adikao eny amin’ny solaitrabe ilay kisary voalohany miaraka amin’ity lesona ity ary asao ireo mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahie ao an-dakilasy. Rehefa mampiasa ity kisary ity ianao dia hazavao fa tsy manana foto-kevitra ôfisialy ijoroana ny Fiangonana mikasika ny haitoetany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna afa-tsy ny hoe tany Amerika Fahiny ireo no nitranga.

Sary
ireo dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Fanamarihana: Hanampy antsipiriany kokoa amin’ny kisary nataon’izy ireo ny mpianatra mandritra ny fandalinany ny bokin’i Môsià. Mba hahazoana antoka fa manana toerana ampy anampiana ireo antsipiriany izy ireo dia adikao eny amin’ny solaitrabe araka izay haseho eto ilay kisary. Mariho manokana amin’ireo mpianatra ilay toerana fanampiny alohan’ny hanaovan’izy ireo sary. (Hita ao amin’ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity ilay kisary efa nofenoina.)

Hazavao fa rehefa tonga tany amin’ny tany nampanantenaina i Lehia sy ny fianakaviany dia nanorim-ponenana tao amin’ny tanin’i Nefia izy ireo (indraindray dia antsoina hoe tanin’i Lehia-Nefia na ny tany lova voalohany). Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Lehia dia nandidy an’i Nefia ny Tompo mba hitsoaka any an-tany foana ary hitondra ireo rehetra izay te handeha hiaraka aminy. Nanohy nipetraka tao amin’ny tanin’i Nefia ny olon’i Nefia saingy nisaraka tamin’ireo izay nanaraka an’i Lamàna sy i Lemoela. Taona maro taty aoriana dia nandidy andiana Nefita maromaro ny Tompo mba handositra ho any amin’ny tanin’i Nefia. Tamin’ny farany dia nanorim-ponenana tao amin’ny tany antsoina hoe Zarahemlà ity andiany ity, izay tao avaratry ny tanin’i Nefia.

Taranaka maro taty aoriana dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Zenifa izay nitarika andiana Nefita iray nankany amin’ny tanin’i Nefia mba “hizaka ny tany lovany” (jereo ny Ômnia 1:27–30). I Zenifa dia efa tao anatin’ny andiany iray hafa izay tsy nahomby tamin’ny fakana ny tany teo amin’io faritra io (jereo ny Môsià 9:1–2). Asao ireo mpianatra hanao sarin-jana-tsipìka iray miala avy eo Zarahemlà mankany amin’ny tanin’i Nefia ka hampitondraina ny anarana hoe “andiana Nefita notarihin’i Zenifa.” Nandao an’i Zarahemlà ity andiany ity tokony ho 80 taona talohan’ny nahalasa ho mpanjaka an’i Môsià.

Asao ireo mpianatra hamerina hanopy maso ny ao amin’ny Môsià 7:1, ka hikaroka ny zavatra tian’i Môsià hofantarina. Rehefa avy manao tatitra ny mpianatra, dia asao izy ireo hamaky ny Môsià 7:2–3 mba hamantatra izay nataon’i Môsià mba hahazoana valiny tamin’ny fanontaniany. Asao ireo mpianatra hanao sarin-jana-tsipìka faharoa avy eo Zarahemlà mankeo amin’ny tanin’i Nefia, izay maneho ny dian’ireo andiany mpanao fikarohana notarihin’i Amôna, ka omena anarana mifanaraka amin’izany.

Sary
ireo dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Fintino ny Môsià 7:4–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa hitan’i Amôna ilay tanàna izay niainan’ireo taranaky ny olon’i Zenifa teo ambany fitondran’i Limia zafikelin’i Zenifa. Hitan’i Limia teo ivelan’ny mandan’ny tanàna ilay vondrona notarihin’i Amôna. Noheveriny fa anisan’ireo mpisoron’i Noà rainy izay efa maty izy ireo ka nasainy nosamborin’ ireo mpiambina azy sy nogadraina (jereo ny Môsià 21:23). Nanadina azy ireo izy roa andro taty aoriana. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 7:12–15 ka hikaroka ny fihetsika nasehon’i Limia rehefa nahafantatra hoe iza i Amôna ary avy aiza.

  • Nahoana i Limia no dibok’afaliana rehefa nahafantatra fa avy any amin’ny tanin’i Zarahemlà i Amôna?

Avereno resahina indray ilay teny hoe mitomany amin’alahelo eny amin’ny solaitrabe. Fintino ny Môsià 7:16–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa namory ny vahoaka ny Mpanjaka Limia mba hampahafantatra azy ireo an’i Amôna, mba hiresaka amin’izy ireo mikasika ny antony nahatonga azy ireo ho nalahelo sy nanenina, ary mba hanampy azy ireo hahafantatra izay tokony hitodihan’izy ireo mba hahazoana fahafahana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe antony eo ambanin’ny famaritana ny hoe mitomany amin’alahelo. Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Môsià 7:20–28. Asao ireo mpianatra hikaroka ireo zavatra natao, izay nolazain’i Limia fa anton’ny fitsapana sy ny alahelon’ny olony. (Mety hanampy ny mampahafantatra ireo mpianatra fa ilay mpaminany voalaza ao amin’ny Môsià 7:26 dia i Abinadia, izay nodorana ho faty nandritra ny fanjakan’i Noà, rain’i Limia.) Rehefa voavakin’ny mpianatra ireo andininy ireo dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hitanisa ny zavatra hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny teny hoe antony.

  • Inona no toa antony lehibe indrindra nahatonga izany alahelon’ny olona izany? (heloka na fahotana.)

Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 7:29–32. Asao izy ireo hisafidy andian-teny iray izay maneho ny fahatakaran’i Limia ny fifandraisana nisy teo amin’ny fahotan’ny olona sy ny alahelon’ny olona. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe akofa dia entina hilazana ny potiny sisa tavela taorian’ny nampisarahana ny vary tamin’ny tahony. Ao amin’ny Môsià 7:30, ny hoe “hijinja ny akofany” dia midika hoe mahazo zavatra tsy misy ilana azy.) Asao ny mpianatra vitsivitsy hamaky sy hanazava ireo andian-teny nosafidian’izy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny fanekentsika ny vokatry ny fahotantsika hanampy antsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 7:33. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra namporisihan’i Limia ny olony ho ataon’izy ireo.

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’i Limia sy ny olony mikasika ny vokatry ny fanekena ny fahotantsika sy ny fahatsapana alahelo noho izany? (Rehefa mahita fahamarinana avy ao amin’io fizarana io ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahita fa ny fanekana ny otantsika sy ny fahatsapana alahelo noho izany dia afaka mitarika antsika hitodika any amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa io fitsipika io dia asao izy ireo haka sary an-tsaina fa manana olona tena tiana izy ireo, izay mahatsapa nenina noho ny fahotana nataony ary maniry ny hibebaka sy hitodika any amin’ny Tompo saingy tsy mahafantatra ny fomba hanatanterahana izany. Mijoroa ho vavolombelona fa ny anatra nataon’i Limia tamin’ny olony ao amin’ny Môsià 7:33 dia mirakitra fanalahidy handresena ny alahelo sy ny nenina izay miara-dalana amin’ny fahotana. Asao ireo mpianatra handalina amim-pahanginana ny Môsià 7:33 ka hikaroka fehezanteny izay hanampy olona iray hahafantarany ny fomba “[hitodihana any] amin’ny Tompo.” (Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo fehezanteny ireo.)

Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpianatra vitsivitsy amin’izy ireo hizara ireo fehezanteny izay hitany fa miavaka. Angataho ny mpianatra tsirairay hanazava ny dikan’ny fehezanteny nosafidiany amin’ny alalan’ny (1) fampiasana ny teniny manokana na (2) fanomezana ohatra amin’ny asa na fihetsiky ny olona iray izay miezaka mampihatra ilay fitsipika voalazan’ilay fehezanteny.

Asao ireo mpianatra handinika raha toa izy ireo ka manana fahotana tsy nibebahana izay mety hiteraka alahelo sy nenina ho azy ireo sy ho an’ ireo olona tiany. Asao ireo mpianatra hanoratra valinteny iray amin’ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina:

  • Ahoana no fomba hampiharanao ny Môsià 7:33 eo amin’ny fiainanao amin’izao vaninandro izao?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa rehefa mitodika any amin’ny Tompo amin’ny fontsika sy ny saintsika manontolo isika dia hanafaka antsika Izy amin’ny fitomaniana vokatry ny ny fahotantsika.

Môsià 8

Nahafantatra mikasika ireo takela-bolamena 24 i Amôna ary niresaka tamin’i Limia momba ny mpahita iray izay afaka mandika ireo soratra voasokitra tao anatin’izany izy

Miangavia ankizy roa mba handroso eny aloha. Tampeno amin’ny lamba ny mason’ny mpianatra iray ary asio boky, taratasy maromaro, na zavatra hafa tsy mandratra eo amin’ny tany mitandahatra eo anivon’ny ny efitrano fianarana. Angataho ny mpianatra faharoa hanome torolalana am-bava mba hanampiana ilay mpianatra voalohany hamakivaky ny efitrano fianarana kanefa tsy mikasika ireo zavatra rehetra napetraka eo amin’ny tany. Avy eo dia asao ilay mpianatra faharoa hanampina ny masony amin’ilay lamba. Ovao ny toeran’ireo zavatra eo amin’ny tany ary iangavio ilay mpianatra voalohany hanome torolalana. Amin’ity indray mitoraka ity anefa, dia hanao fanahiniana tsy hanaraka ireo toromarika ilay mpianatra manao tampi-maso. (Miresaha mangingina amin’ity mpianatra ity alohan’ny fotoam-pianarana ary angataho izy tsy hiraharaha ireo toromarika.)

  • Inona no maha sarobidy ny fihainoana ny olona iray izay afaka mahita ny zavatra tsy hitantsika?

Fintino ny Môsià 8:5–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandefa iraka i Limia hitady fanampiana avy any Zarahemlà, fotoana vitsivitsy talohan’ny nahatongavan’i Amôna. Very tany an-tany foana ilay vondrona, ary raha tokony hahita an’i Zarahemlà izy ireo, dia ny sisa tavela tamin’ny sivilizasiôna iray izay rava indray no hitany. Nahita takela-bolamena 24 izy ireo, izay nahitana soratra voasokitra. (Azonao atao ny manazava fa ny faharavana hitan’ny olon’i Limia no hany sisa tavela tamin’ny sivilizasiôna Jaredita. Nampidirina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ho ny bokin’i Etera ny rakitsoratry ny Jaredita, izay nalaina avy ao amin’ireo takela-bolamena 24.) Ampidiro eo amin’ilay fanehoana an-tsary eny amin’ny solaitrabe ity dia ity, araka ny hita ao amin’ny kisary eto amin’ity pejy ity. Angataho ihany koa ireo mpianatra ampiditra izany ao amin’ny fanehoana an-tsary nataon’izy ireo. Hazavao fa ny Mpanjaka Limia dia te hahatakatra ireo soratra voasokitra teo amin’ireo takelaka 24. Nanontany an’i Amôna i Limia raha toa izy ka nahafantatra olona afaka nandika izany.

Sary
dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Asao ny mpianatra iray hamaky ny valintenin’i Amôna ao amin’ny Môsià 8:13–15. Asao ny iray kilasy hikaroka ny anarana nampiasain’i Amôna mba hiantsoana ny olona izay manana ny hery handikana ny rakitsoratra toy izany. Asao ireo mpianatra handalina amim-pahanginana ny Môsià 8:16–19 ka hitady ireo fahaiza-manao fanampiny ananan’ny mpahita. Angataho ny mpianatra maromaro hilaza ny zavatra hitany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity: Manome mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Tompo mba ho tombontsoan’ny zanak’olombelona.

  • Mpahita firy no ananantsika eto an-tany amin’izao fotoana izao? (Dimy ambin’ny folo—ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.)

  • Inona avy ireo zavatra ampahafantarin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara antsika? (Raha misedra olana ireo mpianatra eo amin’ny famaliana izany dia anontanio azy ireo ny zavatra nampahafantarin’ireo mpahita mikasika ny lohahevitra toy ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny fianarana, ny fialamboly sy ny fampahalalam-baovao, na ny fahadiovam-pitondrantena.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ny fiainanao tamin’ny alalan’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara amin’ny vaninandro maoderina?

Azonao atao ny miresaka mikasika ny fomba nitahian’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny fiainanao. Asao ireo mpianatra hamaky sy hisaintsaina manokana ny lahateny nataon’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fihaonambe natao vao haingana sy hanaraka ny fananarana ao anatin’izany lahateny izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 1–29. Topimaso ara-tantara

Raha te hahita topimaso ara-tantara mikasika ny bokin’i Môsià dia jereo ny Fampahafantarana ny bokin’i Môsià ao amin’ity boky torolalana ity.

Môsià 8:16. “Ny mpahita dia mpanambara sy mpaminany koa”

Nanazava ny dikan’ny anarana fiantsoana hoe “mpaminany sy mpahita ary mpanambara” ny Loholona John A. Widtsoe ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Ireo anarana telo samy hafa ireo amin’ny ankapobeny dia somary mitovy ihany ny dika hampiasan’ny olona azy, kanefa dia misy fahasamihafana lehibe tokoa ka ampy hanamarinana ny fampiasana azy ireo.

“Ny mpaminany dia mpampianatra. Izany no tena dikan’io teny io. Mampianatra ny fahamarinana fototra izy, ny filazantsara, izay nampahafantarin’ny Tompo ny olona; ary manazava izany ao anatin’ny fitaomam-panahy izy mba ho azon’ny olona izany. Mpanazava ny fahamarinana izy. Ankoatra izany dia maneho izy fa ny fomba hahatongavan’ny olona amin’ny fahasambarana dia amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra. Miantso ireo izay miala amin’ny fahamarinana izy mba hibebaka. Lasa mpiady ho an’ny fanatanterahana ny tanjon’ny Tompo izy ho an’ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona. Ny tanjon’ny fiainany dia ny hiaro ny drafitry ny famonjen’ny Tompo. Izany rehetra izany dia ataony amin’ny firaisam-po sy saina akaiky amin’ny Tompo mandra-pahatonga azy ho ‘feno hery, dia ny fanahin’ny [Tompo].’ (Mika 3:8; jereo koa ny F&F 20:26; 34:10; 43:16) …

“Rehefa nandeha ny fotoana, ilay teny hoe “mpaminany” dia lasa nidika, ary io angamba no lasa tena heviny, hoe lehilahy iray izay mahazo fanambarana sy torolalana avy amin’ny Tompo. Ny andraikitra voalohany sahanin’ny mpaminany dia nodisoina ka nampianarina fa hoe ny milaza mialoha ny zavatra ho avy, ny manambara faminaniana, izay iray monja amin’ireo asa marobe ataon’ny mpaminany.

“Raha amin’ilay heviny hoe ny mpaminany dia lehilahy mahazo fanambarana avy amin’ny Tompo, ireo anarana hoe ‘mpahita sy mpanambara’ dia manamafy fotsiny ihany ilay dika mivelatra sy mahafaoka be kokoa an’ilay anarana fiantsoana hoe ‘mpaminany.’ Mazava tsara anefa fa misy fahendrena lehibe ao anatin’ny fanambarana ny asan’ny mpaminany hoe mpahita sy mpanambara, araka izay atao mandritra ireo fihaonambe an’ny Fiangonana.

“Ny mpaminany dia mahazo fanambarana ihany koa avy amin’ny Tompo. Mety ho fanazavana ireo fahamarinana efa azo izany, na fahamarinana vaovao izay tsy mbola nananan’ny olombelona. Ny fanambarana toy izany dia voafetra mandrakariva amin’ny anjara andraikitra tanana amin’ny fomba ôfisialy. Ny anjara fanompoana ambany kokoa dia tsy hahazo fanambarana ho an’ny anjara fanompoana ambony kokoa.

“Ny mpahita dia olona iray izay mahita amin’ny maso ara-panahy. Mahatakatra ny hevitry ny zavatra izay toa maizina amin’ny hafa izy; noho izany dia mpandika sy mpanazava ny fahamarinana mandrakizay izy. Mahita mialoha ny hoavy izy raha miainga avy any amin’ny lasa sy ny ankehitriny. Amin’ny herin’ny Tompo no anaovany izany, izay miasa amin’ny alalany amin’ny fomba mivantana, na amin’ny fomba ankolaka amin’ny alalan’ny fanampian’ny fitaovana masina toy ny Orima sy Tomima. Raha fintinina dia olona iray izay mahita izy, izay mandeha amin’ny fahazavan’ny Tompo miaraka amin’ny maso mahiratra. (Bokin’i Môrmôna, Môsià 8:15–17)

“Ny mpanambara dia mampahafantatra, miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo, ny zavatra iray izay tsy fantatra teo aloha. Mety ho fahamarinana vaovao izany na adino, na fomba vaovao na adino hampiharana fahamarinana efa fantatra, ka ilain’ny olona. Ny mpanambara dia miresaka hatrany mikasika ny fahamarinana, fahamarinana azo antoka (F&F 100:11) ary izany dia tonga miaraka amin’ny fitombo-kasen’ny fankatoavan’ Andriamanitra. Mety ho azo amin’ny fomba maro isan-karazany ny fanambarana, saingy mitaky mandrakariva izany fa ilay mpanambara dia niaina ary nitondra ny tenany amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny fanahin’ny fanambarana masina, ilay fanahin’ny fahamarinana, ary noho izany dia afaka mandray hafatra masina.

“Raha fintinina: ny mpaminany dia mpampianatra ny fahamarinana efa fantatra, ny mpahita dia olona mahatakatra ny fahamarinana miafina, ary ny mpanambara dia mpitondra fahamarinana vaovao. Amin’ny ankapobeny, ilay fampiasan’ny be sy ny maro indrindra, ilay anarana fiantsoana hoe mpaminany dia mahafaoka ireo anarana fiantsoana hafa ka mahatonga ilay mpaminany ho mpampianatra, sy mpanakatra, ary mpitondra ny fahamarinana” (Evidences and Reconciliations, narindran’i G. Homer Durham, boky 3 mitambatra ho 1 [1960], 257–58; nampiana fanamafisana).

Môsià 8:17. “Ny mpahita dia afaka mahafantatra ny zavatra … izay ho avy”

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ohatra mikasika ny fomba niasan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara an’ny andro farany tamin’ny maha mpahita azy ireo:

“Ny soratra masina dia miresaka momba ireo mpaminany ho toy ny ‘mpitily eo amin’ny tilikambo’ izay mahita ny ‘fahavalo raha mbola lavitra izy’ ary ‘[mahatazana] koa ireo zavatra izay tsy mety ho hitan’ny maso ara-nofo … [fa] mpahita iray no efa natsangan’ny Tompo ho an’ny vahoakany.’

“[Taona maro lasa izay] dia nampitandrina antsika ireo Rahalahy tamin’ny faharavan’ny fianakaviana ary nitaona antsika mba hiomana. … Nampahafantarin’ny Fiadidiana Voalohany ny tokony hanaovana ny takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro. … Omena fitaovana tena tsara ireo ray aman-dreny hampianarana ireo zanany, miaraka amin’ny fampanantenana fa hotahiana ireo mahatoky.

“Raha toa ka tsy nisy fiovana teo amin’ny fotopampianarana sy ny rafitra azo avy tamin’ny fanambarana, ireo sampan-draharaham-pitantanan’ny Fiangonana kosa dia naverina narafitra teo amin’ny fifandraisana misy eo amin’izy ireo sy ny ifandraisany amin’ny tokantrano. … Ny fandaharam-pianaran’ny Fiangonana manontolo dia naverina nodinihina sy namboarina—mifototra amin’ny soratra masina. … Ary taona maro no nolaniana tamin’ny fanomanana fanontana vaovao ho an’ny Baiboly, sy ny Bokin’i Môrmôna, sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. …

“Afaka mieritreritra fotsiny ny toerana mety nisy antsika isika raha toa ka niraika tamin’izany famaritana vaovao ny fianakaviana izany amin’izao fotoana izao. Saingy tsy izany no izy. Tsy mitady mafy ny hiezaka ny hanapa-kevitra mikasika izay ho atao isika. Fantatsika izay tokony ho atao sy izay tokony ampianarina. …

“Ny lalana hizorantsika dia tsy namboarintsika. Ny drafitry ny famonjena, ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana, dia nampahafantarina antsika ary mbola mahazo fanambarana hatrany ireo mpaminany sy Apôstôly rehefa mila bebe kokoa izany ny Fiangonana sy ny mpikambana” (“The Father and the Family,” Ensign, Mey 1994, 20).

Hamoaka printy