8–14 jona. Almà 8–12: -Ho tonga i Jesoa Kristy mba hanavotra ny olony,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)
“8–14 jona. Almà 8–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020
8–14 jona
Almà 8–12
“Ho tonga i Jesoa Kristy mba hanavotra ny olony”
Manasa ny fanambarana ho tonga ny fandalinana ny soratra masina. Ka noho izany, rehefa mamaky ny Almà 8–12 ianao dia raketo ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy rehefa mampianatra anao avy amin’ny hafatr’i Almà sy i Amioleka Izy.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Tsy azo sakanana ny asan’ Andriamanitra. Saingy ny ezaka ataontsika amin’ny asany dia toa tsy mahomby indraindray, ary mety tsy hahita avy hatrany ny vokatra izay antenaintsika mihitsy aza isika. Indraindray isika dia mety hahatsapa ho mitovitovy kely amin’i Almà rehefa nitory ny filazantsara tao Amônihà izy: nolavina sy nororàna ary noroahina. Kanefa rehefa nisy anjely nanoro lalana azy hiverina sy hiezaka indray dia “niverina faingana” (Almà 8:18) tamin-kerimpo i Almà, ary nanomana ny lalany Andriamanitra. Tsy nanome sakafo hohanin’i Almà sy toerana hipetrahany fotsiny Izy, fa nanomana an’i Amioleka ihany koa, izay lasa namana mpiara-miasa, mpiaro ny filazantsara tamin’ny fomba hentitra, ary namana mahatoky. Rehefa miatrika zava-tsarotra sy fahadisoam-panantenana isika eo am-panompoantsika ao amin’ny fanjakan’ny Tompo, dia azontsika tadidiana ny fomba nanampian’ Andriamanitra sy nitarihany an’i Almà, ary afaka matoky isika fa hanampy sy hitarika antsika koa Andriamanitra, na dia ao anatin’ny toe-javatra iainana izay sarotra aza.
Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina
Mety hitaky fikirizana sy faharetana ny ezaka ataoko hizara ny filazantsara.
Na dia mety handà ny fijoroana ho vavolombelona ataonao momba ny filazantsara aza ny olona iray dia tsy midika akory izany fa tokony ho kivy ianao. Sady ny Tompo dia tsy hilavo lefona amin’izany olona izany, ary hitarika anao amin’ny zavatra tokony ataonao Izy. Ho an’i Almà dia nisy anjely iray nandidy azy hiverina tany Amônihà mba hitory ny filazantsara na dia efa nanohitra azy tamin-kerisetra aza ny vahoaka tao (jereo ny Almà 8:14–16). Inona no ianaranao avy amin’ny ohatr’i Almà tamin’ny fizarana ny filazantsara na dia teo aza ireo olana sy fanoherana? Andininy inona ao amin’ny Almà 8 no mampitombo ny fanirianao hizara ny filazantsara?
Jereo koa ny 3 Nefia 18:30–32; Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6–9.
Andriamanitra dia mitsara ireo zanany araka ny fahazavana sy ny fahalalana izay ananany.
Rehefa mamaky mikasika ny fomba nitondran’ny Nefita tao Amônihà an’ireo mpanompon’ny Tompo dia mora ny manadino fa izy ireo dia vahoaka efa niaina ny filazantsara, ary “vahoaka nankasitrahan’ny Tompo … fatratra tokoa” (Almà 9:20). Raha ny marina dia anisan’ny hafatra nomen’i Almà an’ireo vahoaka tao Amônihà ny hoe satria izy ireo nanamafy ny fony na dia nahazo fitahiam-be aza, dia ratsy kokoa noho ny an’ny Lamanita, izay nanota tao anatin’ny tsy fahalalana tamin’ny ankapobeny, ny toetran’izy ireo. Inona no ampianarin’io fampitahana io antsika momba ny fomba hitsaran’ Andriamanitra ireo zanany?
Eo am-pamakianao momba ireo fitahiana lehibe nomen’ Andriamanitra ireo vahoakan’i Nefia (jereo indrindra indrindra ny Almà 9:19–23), dia saintsaino ireo fitahiana lehibe izay efa nomeny anao. Inona no ataonao mba hijanonana ho mahatoky amin’ireo fitahiana ireo? Inona no tsapanao fa tokony hovainao?
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3.
Drafitry ny fanavotana ny drafitr’ Andriamanitra.
Nampiasa anarana isan-karazany ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hamaritana ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany, toy ny drafitry ny famonjena na ny drafitry ny fahasambarana. Ao amin’ny Almà 11–12, i Almà sy Amioleka dia niantso izany hoe ny drafitry ny fanavotana. Eo am-pamakianao ireo toko ireo dia saintsaino ny antony nampiasana ny teny hoe “fanavotana” mba hamaritana ilay drafitra. Azonao atao koa ny manoratra famintinana fohy momba ny zavatra nampianarin’i Almà sy i Amioleka momba ny fanarahana ireto lafin-javatra manaraka ireto ao amin’ilay drafitra.
Ny Fahalavoana:
Ny Mpanavotra:
Fibebahana:
Fahafatesana:
Fitsanganana amin’ny maty:
Fitsarana:
Jereo ny fiantraikan’ny tenin’i Amioleka teo amin’ny vahoaka (jereo ny Almà 11:46). Araka ny eritreritrao, dia nahoana ireo fitsipika ireo no nanana fiantraikany mahery vaika toy izany? Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao?
Jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 111–14.
Raha tsy manamafy ny foko aho dia afaka mandray bebe kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra.
Mety hanontany tena ny olona sasany hoe nahoana ny Ray any An-danitra no tsy mampahafantatra antsika ny zavatra rehetra. Ao amin’ny Almà 12:9–14 i Almà dia nanazava antony iray azo heverina fa mahatonga ny misterin’ Andriamanitra tsy ampahafantarina antsika indraindray. Ireto fanontaniana ireo dia afaka manampy anao hisaintsaina ny zavatra nampianariny:
-
Inona no dikan’ny hoe manamafy ny fontsika? Efa tsikaritrao ho nirona tamin’izany ve ianao tao anatinao tao?
-
Nahoana ny Tompo no mety tsy hampahafantatra ny teniny amin’ireo izay nanamafy ny fony?
-
Ahoana no efa niainanao an’ilay fampanantenana handray “ampahany betsaka indrindra amin’ ny teny”? (Almà 12:10). Toy ny ahoana izany zavatra niainanao izany?
-
Inona no azonao atao mba hakana antoka fa “hita [aminao]” ny tenin’ Andriamanitra? (Almà 12:13). Raha manana ny tenin’ Andriamanitra ao aminao ianao, dia inona no ho fiantraikan’izany eo amin’ny “teni[nao]” ny “asa[nao],” ary ny “eritreri[trao]”? (Almà 12:14).
Mba hahitana ohatra amin’ireo fitsipika ireo dia ampitahao amin’ny olona hafa tao Amônihà i Amioleka. Ahoana no hanehoan’ny zavatra niainan’i Amioleka (jereo indrindra indrindra ny Almà 10:1–11) ny zavatra ampianarin’i Almà ao amin’ireo andininy ireo?
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:
Almà 8:10–18
Inona no azontsika ianarana avy amin’i Almà momba ny fankatoavana ny Tompo “faingana” (andininy 18) na dia mety ho sarotra aza izany? Mba hanamafisana io fitsipika io amin’ny ankizy madinika dia afaka manao kilalao ianareo, izay hanomezanao torolalana hanaovana asa iray sy hijerenao ny hafainganan’ny fanatanterahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana ilay izy. Ohatra hoe azonao jerena izay olona afaka mamalona haingana ny lamba iray.
Almà 10:1–12
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Amioleka ao amin’ireo andininy ireo? Inona no fiantraikan’ny fijoroany ho vavolombelona teo amin’ireo izay nihaino azy? Asao ny olona ao amin’ny fianakavianao hanao drafitra hanao zavatra iray amin’ity herinandro ity, miainga avy amin’ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny ohatr’i Amioleka.
Almà 10:22–23
Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fiantraikan’ny hery mitaona avy amin’ny vondron’olona marina iray eo amin’ny tanàna mpanota iray?
Almà 11:34–37
Inona no tsy mampitovy ny hoe i Jesoa Kristy mamonjy antsika ao anatin’ny fahotantsika sy ny hoe mamonjy antsika amin’ny fahotantsika? (jereo ny Helamàna 5:10; jereo koa ny 1 Jaona 1:9–10). Mba hanehoana ny zavatra nampianarin’i Amioleka dia azonao atao ny mizara ilay tantara iray any am-piandohan’ny hafatra nozarain’ny Loholona Allen D. Haynie hoe “Mahatsiaro ilay nametrahantsika fitokiana” (Liahona, nôv. 2015, 121–23). Ahoana no hamonjen’i Jesoa Kristy antsika amin’ny fahotantsika?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.