“28 janoary–3 febroary. Matio; Marka 1; Lioka 3: -Amboary ny lalan’ny Tompo-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)
“28 janoary–3 febroary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao: 2019
28 janoary–3 febroary
Matio 3; Marka 1; Lioka 3
“Amboaro ny lalan’ny Tompo”
Atombohy amin’ny famakiana ny Matio 3 sy Marka 1; ary Lioka 3. Rehefa mivavaka ianao mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina hahatakatra ireo toko ireo dia hanome hevi-baovao anao Izy izay tena natao ho anao. Raketo ireo fahatsapana ireo, ary manaova drafitra hanaovana asa mikasika izany.
Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao
Afaka manova anao i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. I Lioka dia mamerina milaza faminaniana fahiny iray nataon’i Isaia izay manoritsoritra ny asa nanirahana an’i Jaona Mpanao Batisa sy ny ho fiantraikan’ny fiavian’ny Mpamonjy: “Ny lohasaha rehetra hototofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ary ny meloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina” (Lioka 3:5; jereo koa ny Isaia 40:4). Hafatra ho antsika rehetra izany, tafiditra ao anatin’izany ireo izay mihevitra fa tsy afaka miova na tsy mila miova. Raha azo aetry ny tendrombohitra izay mitoetra maharitra , dia azo antoka fa vitan’ny Tompo ny manampy antsika hampahitsy ny lalantsika mikitoantoana (jereo ny Lioka 3:4–5). Rehefa manaiky ny fanasan’i Jaona Mpanao Batisa mba hiova sy hibebaka isika, dia manomana ny saintsika sy ny fontsika handray an’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika ihany koa “hahita ny famonjen’ Andriamanitra” (Lioka 3:6).
Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina
Ny Filazantsaran’i Marka
Iza moa i Marka?
Amin’ireo mpanoratra ny Filazantsara, dia i Marka no tsy dia fantatra firy ny momba azy. Fantatsika fa izy dia mpiara-mitory tamin’i Paoly sy i Petera ary mpitory maro hafa. Mpianatra baiboly maro no mino fa i Petera no nitarika an’i Marka hanoratra ireo zava-niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Ny Filazantsaran’i Marka dia toa nosoratana talohan’ireo telo hafa.
Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Marka.”
Matio 3:1–12; Marka 1:1–8; Lioka 3:2–18
Ny fibebahana dia fiovan-tsaina sy fiovam-po mahery vaika.
Ny asa nanirahana an’i Jaona Mpanao Batisa dia ny hanomana ny fon’ny olona handray ny Mpamonjy sy ho lasa tahaka Azy. Ahoana no nanaovany izany? Nanambara izy hoe: “Mibebaha hianareo” (Matio 3:2). Nampiasa sary toy ny voankazo sy vary izy mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fibebahana mba handraisana an’i Kristy (jereo ny Lioka 3:9, 17).
Inona avy ireo sary hafa hitanao ao amin’ny tantaran’ny asa fanompoan’i Jaona Mpanao Batisa? Azonao atao ny manisy marika azy ireo ao amin’ny soratra masinao na manao ny sarin’izy ireo ao anatin’ny diary fandalinana iray. Inona no ampianarin’ireo sary ireo mikasika ny fotopampianarana sy ny antony ilàna fibebahana?
Ny fibebahana marina dia “fiovan-tsaina sy fiovam-po izay miteraka fihetsika vaovao amin’ Andriamanitra, amin’ny tena, ary amin’ny fiainana ankapobeny. … [Midika izany fa] mampitodika amin’ Andriamanitra ny fony sy ny sitrapony” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fibebahana”). Ao amin’ny Lioka 3:7–14, inona avy ireo fanovana nasain’i Jaona nataon’ny vahoaka mba hiomanana handray an’i Kristy? Ahoana no mety hampiharana izany torohevitra izany aminao? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao maneho fa tena nibebaka marina ianao? (jereo ny Lioka 3:8).
Jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 3:4–11 (ao amin’ny torolalana ho an’ny Soratra Masina); Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jaona Mpanao Batisa”; D. Todd Christofferson, “Ilay fanomezana masin’ny fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 38–41.
Iza moa ireo Fariseo sy ireo Sadoseo?
Ny Fariseo dia mpikambana tao amin’ny antokom-pivavahana Jiosy iray izay nanambony ny tenany tamin’ny fitandremana tanteraka ny lalàn’i Mosesy. Nanao ny fivavahana ho fankatoavana toetra manaraka fombafomba maro izy ireo. Ny Sadoseo dia nosokajina ho Jiosy manan-karena izay nanana hery mitarika matanjaka ara-pivavahana sy ara-pôlitika. Tsy nino ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo. Samy nanalavitra ny tanjon’ireo lalàn’ Andriamanitra tamin’ny voalohany ireo vondron’olona anankiroa ireo, ary maro tamin’ny mpikambana tao aminy no tsy nety nanaiky ny hafatry ny mpaminanin’ Andriamanitra, dia i Jaona Mpanao Batisa.
Jereo koa ny Matio 23:27; Jaona 1:19–24; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fariseo” and “Sadoseo.”
Matio 3:13–17; Marka 1:9–11; Lioka 3:15–16, 21–22
Natao Batisa i Jesoa Kristy mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.”
Tamin’ny nanaovana batisa anao dia nanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy ianao. Ampitahao amin’ny zavatra niseho nandritra ny batisanao ny zavatra ianaranao amin’ireto tantaran’ny batisan’ny Mpamonjy ireto.
Iza no nanao batisa an’i Jesoa ary inona no fahefana nohazoniny? |
Iza no nanao batisa anao ary inona no fahefana nohazoniny? |
Taiza i Jesoa no natao batisa? |
Taiza ianao no natao batisa? |
Ahoana no fomba nanaovana batisa an’i Jesoa? |
Ahoana no fomba nanaovana batisa anao? |
Nahoana i Jesoa no natao batisa? |
Nahoana ianao no natao batisa? |
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Ray any An-danitra fa faly tamin’i Jesoa Izy? |
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Ray any An-danitra fa faly Izy tamin’ny nanaovana batisa anao? Ahoana no nanehoany ny fankatoavany nanomboka tamin’izay? |
Nanoratra fampianarana maromaro momba ny batisan’ny Mpamonjy i Nefia. Inona no ampianarin’ireo teniny ao amin’ny 2 Nefia 31 anao? Soraty ao anatin’ny diary ny zavatra niainanao tamin’ny nanaovana batisa anao.
Jereo koa ny Jaona 1:32–33; Môsià 18:8–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 20:37, 68–74.
Matio 3:16–17; Marka 1:9–11; Lioka 3:21–22
Moa ve mampianatra ny Baiboly fa ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra dia olona telo miavaka tsara?
Ny Baiboly dia ahitana porofo maro fa ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra dia olona telo miavaka tsara. Ohatra, ny tantaran’ny batisan’ny Mpamonjy dia manohana ilay fotopampianarana hoe Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy, ary ny Fanahy Masina dia olona anankitelo miavaka tsara. Andriamanitra Ray dia niresaka avy any an-danitra, ary ny Fanahy Masina (naseho tamin’ny alalan’ny voromailala) dia nidina teo ambonin’ny Mpamonjy izay natao batisa. Indreto misy soratra masina hafa izay mampianatra an’io fahamarinana io: Genesisy 1:26–27; Matio 17:1–5; Jaona 17:20–23; Asan’ny Apostoly 7:55–56; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:
I Jaona Mpanao Batisa dia nihazona ny Fisoronana Aharôna. Inona no azontsika ianarana mikasika ny Fisoronana Aharôna rehefa mandalina ny momba azy isika? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ohatr’i Jaona manampy ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo? (Jereo koa ny FF 13:1; 20:46–60.)
Mba hampianarana ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina dia ampisehoy ny zavatra maloto iray ary avelao ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana hanasa izany amin’ny rano. Nahoana no maneho ny batisa io zavatra atao io? Avy eo dia asaivo miresaka momba ny toetra manadio ananan’ny afo ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Nahoana ny fanomezana ny Fanahy Masina no faritana hoe “batisan’ny afo”? (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masina.”)
Oviana isika no nahatsapa fa faly tamintsika Andriamanitra? Inona no azontsika atao amin’ny maha-mpianakavy antsika mba hahafaly an’ Andriamanitra?
Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.