Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy
Tovana A: Ho an’ny ray aman-dreny—Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana


“Tovana A: Ho an’ny ray aman-dreny—Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“Tovana A,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024

Tovana A

Ho an’ny ray aman-dreny: Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana

Noho ny fitiavany anao sy ny fahatokiany anao ary ny fahafantarany ny hery anaty anananao, dia nomen’ Andriamanitra fahafahana ianao mba hanampy ireo zanakao hiditra sy hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ilay lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana azy ireo hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana, toy ny fanekempihavana atao amin’ny batisa sy ireo fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly. Hamatotra ny tenany amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ireo zanakao amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana ireo.

Maro ireo fomba hanomanana ireo zanakao amin’io dia atao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana io ary hanampy anao ny Ray any An-danitra mba hahita ny fomba tena tsara hanampiana azy ireo. Rehefa mikatsaka fitaomam-panahy ianao dia ataovy ao an-tsaina fa tsy mitranga mandritra ny fotoam-pampianarana lesona efa narindra daholo akory ny fianarana. Raha ny marina, anisan’ny mahatonga ny fianarana any an-tokantrano ho tena mahery vaika ny fianarana amin’ny alalan’ny ohatra sy amin’ny alalan’ireo fotoana kely sy tsotra, ilay karazany izay miseho ho azy ao anatin’ny fizotran’ny fiainana andavanandro. Ny fanarahana ny lalan’ny fanekempihavanana dia dingana arahina tsy tapaka sy mandritra ny fiainana, ary mitovy amin’izany koa ny fianarana momba ny lalan’ny fanekempihavanana. (Jereo ny “Tokantrano sy fianakaviana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 30–31.)

Sary
reny miaraka amin’ny zanany

Maro ireo fomba hanomanana ireo zanakao hanao ny diany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.

Ireto ambany ireto misy hevitra vitsivitsy izay mety hitondra any amin’ny fahazoana fanentanam-panahy bebe kokoa. Afaka mahita hevitra fanampiny momba ny fampianarana ankizy ao anatin’ny sokajin-taonan’ny Kilonga ianao ao amin’ny “Tovana B: Ho an’ny Kilonga—Manomana ny ankizy ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana.”

Ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Nampianatra i Nefia fa “ny vavahady izay tokony hidiran[tsika]” eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia “ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano” (2 Nefia 31:17). Ny ezaka ataonao mba hanampiana ireo zanakao hiomana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia afaka mametraka mafy tsara ny tongony eo amin’izany lalana izany. Ireo ezaka ireo dia manomboka amin’ny fampianarana momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fampianarana momba ny fomba hanavaozantsika ireo fanekempihavanan’ny batisa nataontsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

Ireto misy loharanom-panampiana vitsivitsy afaka manampy anao: 2 Nefia 31; laharana manokana an’ny gazetiboky Namana momba ny batisa; Sujets de l’Évangile, “Baptême,” Médiathèque de l’Évangile.

  • Isaky ny miaina zavatra izay manamafy orina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao dia zarao amin’ireo zanakao izany. Ampio izy hahatakatra fa ny finoana dia zavatra afaka mihamafy orina hatrany mandritra ny fiainana. Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay azon’ireo zanakao atao mba hananana finoana mafy orina kokoa an’i Kristy mialoha ny hanaovana batisa azy?

  • Rehefa manao safidy ratsy ny zanakao dia miresaha amim-pifaliana mikasika ilay fanomezana iray dia ny fibebahana izany. Ary rehefa manao safidy ratsy ianao dia zarao ilay fifaliana tonga rehefa mibebaka ianao. Mijoroa ho vavolombelona fa noho i Jesoa Kristy izay nijaly sy maty ho an’ny fahotantsika, dia nomeny hery mba hiovana isika. Rehefa mikatsaka famelana ireo zanakao dia mamelà an-kalalahana sy amim-pifaliana.

  • Tantarao amin’ireo zanakao ny momba ny batisanao. Mampisehoa sary ary mizarà fahatsiarovana. Zarao ny zavatra tsapanao, zarao ny fomba nanampian’ireo fanekempihavanan’ny batisa nataonao ho lasa nahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy, ary zarao ny fomba mbola hitahian’izany ny fiainanao. Amporisiho ireo zanakao mba hametraka fanontaniana.

  • Rehefa misy olona hatao batisa ao amin’ny fianakavianao na ao amin’ny paroasinao dia ento ireo zanakao hijery izany. Miaraha miresaka mikasika ny zavatra hitanareo sy tsapanareo. Raha azo atao dia miresaha amin’ilay olona natao batisa ary mametraha fanontaniana toy ity manaraka ity: “Ahoana no fomba nandraisanao ity fanapahan-kevitra ity? Ahoana no niomananao ho amin’izany?”

  • Isaky ny mahatsikaritra ireo zanakao manao zavatra izay nampanantenainy fa hataony ianao dia dokafy avy amin’ny fo izy ireo. Antitrantero fa ny fitandremana ireo fanolorantena natao dia manampy antsika hiomana mba hitandrina ireo fanekempihavanana izay ataontsika rehefa atao batisa isika. Inona no ampanantenaintsika amin’ Andriamanitra rehefa atao batisa isika? Inona no ampanantenainy antsika? (jereo ny Môzià 18:8–10, 13).

  • Rehefa miara-miaina zavatra masina ianao sy ny zanakao (toy ny rehefa any am-piangonana, na rehefa mamaky soratra masina, na rehefa manompo ny hafa), dia lazao aminy ireo fahatsapana ara-panahy ao anatinao. Asao ireo zanakao mba hizara ny zavatra tsapany. Diniho ireo fomba samihafa ahafahan’ny Fanahy miresaka amin’ny olona, ka tafiditra ao anatin’izany ny fomba iresahany aminao manokana. Ampio ireo zanakao hahafantatra ireo fotoana izay mety iainany an’ilay fitarihan’ny Fanahy Masina.

  • Miaraha mijery ny vitsivitsy amin’ireo horonan-tsary ao amin’ny tahirim-pitaovana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile izay mitondra ny lohateny hoe “Comment je l’écoute!” Miresaha momba ireo fomba samihafa handrenesan’ireo mpanompon’ny Tompo ny feony. Asao ireo zanakao hanao sary iray na hanao horonan-tsary iray izay maneho ny fomba handrenesany ny feon’ny Mpamonjy.

  • Resaho ny mikasika ireo fitahiana azonao rehefa lasa mpikambana tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao. Ahoana no fomba nahatonga anao ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nanompo ny hafa sy notompoin’ny hafa ianao? Ampio ireo zanakao hieriteritra ireo fomba hanompoana sy hampatanjahana ny hafa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

  • Ataovy ho fotoana masina sy mahafaly ao amin’ny fianakavianao ny fanasan’ny Tompo. Ampio ireo zanakao handrafitra fomba mba hifantohana amin’i Jesoa Kristy mandritra ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no hanehoantsika fa masina amintsika ny fanasan’ny Tompo?

  • Maro amin’ireo laharan’ny gazetiboky Namana no ahitana lahatsoratra sy tantara ary sahanasa mba hanampiana ny ankizy hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Avelao ireo zanakao hisafidy ny sasantsasany amin’izany mba hiarahany mamaky sy hiarahany mankafy aminao.

    Sary
    ankizilahy iray atao batisa

    Nampianatra i Nefia fa “ny vavahady izay tokony hidiran[tsika]” eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia “ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano” (2 Nefia 31:17).

Hery sy fahefana ary fanalahidin’ny fisoronana

Ny fisoronana dia ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra ka amin’ny alalan’izany no hitahiany ny zanany. Eto an-tany ny fisoronan’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay mitandrina ny fanekempihavanana nataony, anisan’izany ny ankizy, dia hanana ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra ao an-tokantranony mba hanamafy orina azy ireo sy ny fianakaviany (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 3.5, Médiathèque de l’Évangile). Io hery io dia hanampy ny mpikambana amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy ny fianakaviany (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany2.2).

Mandray ireo ôrdônansy amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana isika. Rehefa manompo ao anatin’ny antsony ao amin’ny Fiangonana ny lehilahy sy ny vehivavy, dia tanterahin’izy ireo amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izany, eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana. Ny zanak’ Andriamanitra rehetra, ireo zanakalahiny sy ireo zanakavaviny, dia ho voatahy rehefa lasa mahatakatra kokoa ny fisoronana.

Mba hianarana bebe kokoa momba ny fisoronana, dia jereo ny Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 76–79; Russell M. Nelson, “Ny saran’ny fananana herin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2016, 66–69; “Ireo fitsipiky ny fisoronana,” toko 3 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

  • Ataovy ampahany mafy orina mandrafitra ny fiainam-pianakavianao ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ohatra, ampio ireo zanakao hiomana ara-panahy ho amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Amporisiho ireo zanakao mba hangataka tsodranon’ny fisoronana rehefa marary izy na mila fampaherezana na mila fitarihana. Ataovy fahazarana ny mampisongadina ireo fomba hitahian’ny Tompo ny fianakavianao amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana.

  • Rehefa miaraka mamaky ny soratra masina ianareo dia mitadiava fotoana ahafahana miresaka ny fomba hitahian’ Andriamanitra ny olona amin’ny alalan’ny heriny. Zarao ny zavatra niainanao manokana tao anatin’ny fotoana nitahian’ Andriamanitra anao tamin’ny alalan’ny fisoronany. Mba hahitana ireo karazana fitahiana izay azontsika avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fisoronana dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 3.23.5.

  • Fantaro ny rohim-pahefan’ny fisoronan’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao. (Afaka mahazo tahadikan’ny rohim-pahefan’ny fisoronany ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny alalan’ny fandefasana email any amin’ny LineofAuthority@ChurchofJesusChrist.orgChurchofJesusChrist.org.) Resaho ny antony maha-manan-danja ny fahafantarana fa ny fahefan’ny fisoronana dia avy amin’i Jesoa Kristy mihitsy. Nahoana no zarainy amintsika izany?

  • Ampianaro ireo zanakao fa aorian’ny batisa dia afaka mandray ny herin’ny fisoronana izy amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavanana natao tamin’ny batisa. Miaraha mamerina mamaky ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Ireo harena ara-panahy” ( Liahona, nôv. 2019, 76–79). Lazao amin’ireo zanakao ny fomba nitondran’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ny herin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao. Mba hahitana ny lisitry ny sasantsany amin’ireo fitahiana entin’ny herin’ny fisoronana ho antsika dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany3.5.

  • Ifanakalozy hevitra ilay fanontaniana hoe “Manao ahoana izany hoe mpanompon’ny Tompo izany?” Iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–42, ary mitadiava valiny ao anatin’izany. Isaky ny hitanao ireo zanakao (na olona iray hafa) mampihatra ny iray amin’ireo fitsipika na toetra ao anatin’ireo andininy ireo dia asongadino izany.

  • Rehefa mampiasa fanalahidy mba hanokafana varavarana na mba hamelomana fiara ianao na ireo zanakao dia makà fotoana mba hampitahana ireo fanalahidy ireo amin’ireo fanalahidy izay hazonin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. (Mba hahitana ny famaritana ny atao hoe fanalahidin’ny fisoronana dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 3.4.1). Inona no “vahan’ny” fanalahidin’ny fisoronana na “velomin’ny” fanalahidin’ny fisoronana ho antsika? Jereo koa ny Gary E. Stevenson, “Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana?,” Liahona, mey 2016, 29–32; “Aiza ny fanalahidy?” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

  • Rehefa atokana amin’ny antso iray ianao dia asao ireo zanakao mba hanatrika raha azo atao. Avelao ireo zanakao hahita anao manatanteraka ny antsonao. Mety hitady fomba tsara mihitsy aza ianao mba hahafahany manampy anao. Hazavao ny fomba fahatsapanao ny herin’ny Tompo ao amin’ny antsonao?

Fandehanana any amin’ny tempoly—Batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty

Ampahany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany ny tempoly. Manao fanekempihavanana masina amin’ny Ray any An-danitra isika any amin’ny tempoly rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina, ary izy rehetra dia mampitodika antsika mankany amin’i Jesoa Kristy. Nanolotra fomba iray ho an’ireo zanany rehetra mba hanaovana fanekempihavanana sy handraisana anjara amin’ireo ôrdônansy Izy, ka tadifitra ao anatin’izany ireo izay tsy nandray azy ireo teto amin’ity fiainana ity. Raha vao migadona ilay taona izay maha-feno 12 taona azy, dia efa ampy taona mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana any amin’ny tempoly ho an’ireo razambe ireo zanakao.

  • Mankanesa any amin’ny tempoly matetika araka izay azo atao arakaraka ny toe-javatra iainanareo manokana. Resaho amin’ireo zanakao ny antony handehananao any amin’ny tempoly sy ny fomba hanampian’izany anao mba hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Iaraho vakina ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ary mifanakaloza hevitra momba izany. Resaho amin’ireo zanakao ny mikasika ny zavatra mitranga mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Zarao ny antony maha-manan-danja aminao ny fananana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

  • Iaraho vakina ny Malakia 3:18. Resaho ny fomba ahafahan’ny fonareo hitodika any amin’ireo razambenareo. Fantaro bebe kokoa ny momba ny razambenareo amin’ny alalan’ny fiarahana mikaroka ny tantaram-pianakavianareo ao amin’ny FamilySearch.org. Tadiavo ireo razambe izay ilaina atao batisa sy raisina ho mpikambana. Afaka manampy anareo ny mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy.

  • (Jereo koa ny “Préparer votre enfant pour les baptêmes et les confirmations au temple” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)

Fandraisana ny tsodranon’ny patriarika

Ny tsodranon’ny patriarika dia afaka ny ho loharano hahazoana fitarihana sy fampaherezana ary fanentanam-panahy. Ahitana torohevitra manokana avy amin’ny Ray any An-danitra ho antsika izany ary manampy antsika mba hahatakatra ilay maha-isika antsika mandrakizay sy ny tanjontsika mandrakizay. Ampio ireo zanakao mba hiomana handray ny tsodranon’ny patriarika amin’ny alalan’ny fampianarana azy ny maha-zava-dehibe sy ny maha-masina ny tsodranon’ny patriarika.

Mba hianarana misimisy kokoa dia jereo ny Sujets de l’Évangile, “Bénédictions patriarcales,” Médiathèque de l’Évangile.

  • Zarao amin’ireo zanakao ny zavatra niainanao tamin’ny nandraisana ny tsodranon’ny patriarika. Azonao atao ny mizara zavatra toy ny hoe ny fomba niomananao handray izany, ny fomba nanampian’izany anao mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra ary ny fomba fampiasanao izany eo amin’ny fiainanao. Azonao atao koa ny manasa ireo zanakao mba hiresaka amin’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana izay efa nandray ny tsodranon’ny patriarika.

  • Manokàna fotoana hiarahana mamaky ny sasany amin’ireo loharanom-pahalalana ao amin’ny Sujets de l’Évangile, “Bénédictions patriarcales.” Mba hahafantarana ny momba ny dingana arahina amin’ny fandraisana tsodranon’ny patriarika dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany18.17.

  • Raha toa ka manana razambe izay nandray tsodranon’ny patriarika ianao dia mety hanentana ny fanahy ny fiarahana mamaky amin’ireo zanakao ny sasany amin’izany. Mba hangatahana ireo tsodranon’ireo razambe dia midira ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, tsindrio ny sary famantarana ny kaonty eny amin’ny zorony ambony havanana eny amin’ny efijery ary safidio ny “Bénédiction patriarcale.”

  • Rehefa avy nandray ny tsodranon’ny patriarika ireo zanakao dia asao izay olona tao amin’ny fianakaviana nanatrika izany mba hirakitra an-tsoratra ny zavatra tsapan’izy ireo ary hizara izany amin’ireo zanakao.

Fandehanana any amin’ny tempoly—ny fanafiana masina

Te hanafy na hanome “hery avy any ambony” ny zanany rehetra Andriamanitra (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8). Mandeha any amin’ny tempoly isika mba handray indray mandeha ihany ny fanafiana masina antsika, saingy ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra sy ny hery ara-panahy omeny antsika izay ampahany mandrafitra ny fanafiana masina dia afaka mitahy antsika isan’andro eo amin’ny fiainantsika.

  • Mampisehoa sarina tempoly ao amin’ny tranonareo. Lazao amin’ireo zanakao ny momba ny zavatra tsapa any amin’ny tempoly. Resaho matetika ny momba ny fitiavanao ny Tompo sy ny tranony ary ireo fanekempihavanana nataonao tany.

  • Miaraha mitrandraka ny temples.ChurchofJesusChrist.org. Miaraha mamaky lahatsoratra toy ny “La dotation” sy ny “Se préparer à aller au temple.” Avelao ireo zanakao hametraka fanontaniana izay mety ananany momba ny tempoly. Mba hahazoana fitarihana mikasika ny zavatra azonao resahina ivelan’ny tempoly, dia jereo ny hafatry ny Loholona David A. Bednar “Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina”, (Liahona, mey 2019, 101–4; jereo indrindra indrindra ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fianarana izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana sy ny fiomanana ho any amin’ny tempoly”).

  • Rehefa mandray anjara ao anatina ôrdônansy hafa na manatrika ny fanatanterahana izany ianao sy ny zanakao (toy ny fanasan’ny Tompo na ny fanomezana tsodrano mba ho sitrana), dia makà fotoana hifampiresahana ny tandindona fonosin’ilay ôrdônansy. Maneho inona ireo tandindona? Ahoana no ijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? Afaka manampy ireo zanakao izany mba hiomana hisaintsaina ny dikany ara-tandindona fonosin’ireo ôrdônansin’ny tempoly, izay mijoro ho vavolombelona koa momba an’i Jesoa Kristy.

  • Ampio ireo zanakao mba hahita ny fomba hitandremany ny fanekempihavanana atao amin’ny batisa izay voafaritra ao amin’ny Môzià 18:8–10, 13. Ampio koa ireo zanakao mba hahita ny fomba hitahian’ny Tompo azy. Hamafiso ny fahatokian-tenan’ireo zanakao eo amin’ny fahafahany mitandrina fanekempihavanana.

  • Resaho an-kalalahana sy matetika ny fomba hitarihan’ireo fanekempihavanan’ny tempoly ny safidinao sy hanampian’izany anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Azonao ampiasaina ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 27.2, mba hijerena ireo fanekempihavanana ataontsika any amin’ny tempoly.

Fanaovana asa fitoriana

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny zavatra tokana manan-danja indrindra azonao atao hiomanana amin’ny antso iray mba hanompo dia ny hahatongavana ho misiônera mialoha lavitra ny fotoana handehananao any amin’ny sahan’ny misiôna. … Tsy ny hoe mandeha manao asa fitoriana no zava-dehibe, fa ny ho tonga misiônera sy manompo mandritra ny fiainantsika manontolo amin’ny fontsika, ny herintsika, ny saintsika ary ny tanjatsika manontolo kosa. … Miomana ny hanao asa fitoriana mandritra ny androm-piainana ianao” (“Becoming a Missionary,” Liahona, Nov. 2005, 45–46). Ny zavatra iainan’ireo zanakao rehefa lasa misiônera izy dia hitahy azy mandrakizay, fa tsy hoe mandritra ilay fotoana hanompoany amin’ny maha-misiônera azy fotsiny.

Mba hianarana bebe kokoa dia jereo ny Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 6–7; M. Russell Ballard, “Nanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitoriana,” Liahona, mey 2022, 8–10; Préparation missionnaire : S’adapter à la vie missionnaire,

  • Asehoy ny fomba fizarana ny filazantsara amin’ny fomba tsotra. Mahaiza mamantatra ireo fotoana ahafahana mizara amin’ny hafa ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary ireo fitahiana voarainao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany anao. Asao ny hafa mba hiaraka amin’ny fianakavianao hanao fiaraha-mientana misy ifandraisany amin’ny Fiangonana sy amin’ny fianakaviana.

  • Mitadiava fomba ahafahan’ny fianakavianao mifandray amin’ny misiônera. Asao izy ireo mba hampianatra ny namanao na manomeza fahafahana azy ireo mba hitondra olona hampianarina ao an-tranonao. Anontanio ny misiônera ny traikefa azon’izy ireo sy ny fomba hanampian’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana azy ireo mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Anontanio azy ireo koa ny zavatra nataon’izy ireo (na nirin’izy ireo mba ho natao) mba hiomanana ho misiônera.

  • Raha nanao asa fitoriana ianao dia resaho an-kahalalahana sy matetika ny momba ireo traikefa azonao. Na manasà namana na olona ao amin’ny fianakaviana izay nanao asa fitoriana mba hiresaka momba ny traikefa azon’izy ireo. Azonao atao koa ny miresaka momba ireo fomba nizaranao ny filazantsara tamin’ny hafa nandritra ny fiainanao. Ampio ireo zanakao hieritreritra fomba ahafahany mizara ny filazantsara.

  • Omeo fahafahana ireo zanakao hampianatra ny fianakaviana ireo fitsipiky ny filazantsara. Afaka manao fanazaran-tena mizara amin’ny hafa ireo zavatra inoany koa ireo zanakao. Ohatra, azonareo ifanakalozana hevitra ny fanontaniana toy ny hoe “Ahoana no hampahafantarantsika ny momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray izay mbola tsy nandre velively izany?” na “Ahoana no hanazavantsika ny filana ny Mpamonjy amin’ny olona iray izay tsy Kristianina?”

  • Ampio ireo zanakao mba hahazo aina rehefa miresaka aman’olona. Inona avy ireo fomba tsara sasantsasany hanombohana resaka? Amporisiho ireo zanakao mba hianatra ny fomba hihainoana ny hafa sy hahatakarana ny ao am-pon’izy ireo ary hizarana fahamarinan’ny filazantsara izay afaka mitahy ny fiainan’izy ireo.

  • Mitadiava fomba ahafahan’ireo zanakao mianatra momba ireo kolontsaina sy finoana hafa. Ampio izy hahita sy hanaja ireo fitsipika tsara sy marina ao anatin’ireo zavatra inoan’ny hafa.

Mandeha any amin’ny tempoly—Ny famehezana

Afaka ny hivady mandrakizay ny mpivady any amin’ny tempoly. Izany dia mitranga ao anatin’ilay ôrdônansy iray antsoina hoe famehezana. Na dia mety mbola afaka taona maro dia maro aza ny hanaovan’ireo zanakao lahy na vavy izany ôrdônansy izany dia hanampy azy ireo hiomana amin’io fitahiana mahatalanjona io ny fiarahanareo manao zavatra kely sy tsotra ary tsy tapaka mandritra ireo taona ireo.

  • Iaraho vakina ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Inona no ampianarin’io fanambarana io momba ny fifaliana eo anivon’ny fianakaviana sy momba ny fanambadiana mahomby? Safidio miaraka amin’ireo zanakao ny iray amin’ireo fitsipika voatanisa ao amin’ilay fanambarana mba hohalalinina. Afaka mijery soratra masina mifandray amin’izany fitsipika izany ianao ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Afaka mametraka tanjona koa ianao mba hampihatra bebe kokoa izany fitsipika izany ao amin’ny fianakavianao. Eo am-panatratrarana ny tanjonareo dia miaraha mifanakalo hevitra momba ny fiantraikan’ny fiainana izany fitsipika izany eo amin’ny fiainam-pianakaviana.

  • Iaraho vakina amin’ireo zanakao ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Ho fiderana ireo izay manavotra” (Liahona, mey 2016, 77–80). Rehefa tonga eo amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fiaraha-monin’ny zavatra ariana rehefa tsy ilaina intsony” ianao, dia afaka mitady ireo zavatra ao an-tranonao izay azo ariana ary ireo zavatra hafa tsy azo ariana. Resaho ny fomba hikolokoloana zavatra amin’ny fomba hafa rehefa tianao haharitra ela izany. Inona no aroson’izany mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ny fanambadiantsika sy ny fifandraisantsika eo anivon’ny fianakaviana? Inona koa ny zavatra hafa ianarantsika avy amin’ny hafatry ny Filoha Uchtdorf mikasika ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika mba hanorenana fanambadiana sy fianakaviana mafy orina?

  • Raha manambady ianao dia zarao an-kalalahana amin’ireo zanakao ireo zavatra tsapanao fa ataonareo tsara amin’ny maha-mpivady anareo, sy ireo zavatra ianaranareo, ary ireo fomba ezahinareo atao mba hivoarana. Raha toa ianao sy ny vadinao ka efa voafehy tany amin’ny tempoly dia asehoy amin’ireo zanakao amin’ny alalan’ny ohatra ny fiezahanao mba hitandrina ireo fanekempihavanana nifanaovanareo tamin’ny Tompo. Lazao amin’ireo zanakao ny fomba ataonareo mba hiezahana eo amin’ny fanaovana ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ho ivon’ny fifandraisanareo ary ny fomba hanampiany anareo.

  • Raha misy fanapahan-kevitra avy amin’ny fianakaviana tokony hatao dia manaova filankevitry ny mpianakavy sy fifanakalozan-kevitra. Ataovy izay hahenoana sy hanomezana lanja ireo hevitry ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana. Ampiasao ireo fifanakalozan-kevitra ireo mba ho fotoana iray ahafahana mampiseho fifampiresahana mahasoa sy hatsaram-panahy ao anatin’ny fifandraisan’ny fianakaviana, na dia tsy mitovy aza ny fomba fijerin’ny olona rehetra.

  • Rehefa misy tsy fifankahazoan-kevitra na fifandirana ao amin’ny fianakaviana, dia mampisehoa faharetana sy fangorahana. Ampio ireo zanakao mba hahita fa ny fiatrehana ny fifandirana amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy dia afaka manampy azy hiomana amin’ny fanambadiana sambatra. Iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121: 41– 42, ary resaho ny fomba ahafahana mampihatra ireo fitsipika ao amin’ireo andininy ireo eo amin’ny fanambadiana.

Hamoaka printy