Pôrnôgrafia
Ahoana no fomba hiresahako amin-janako momba ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo anaty fahamendrehana?


“Ahoana no fomba hiresahako amin-janako momba ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo anaty fahamendrehana?” Fanampiana ho an’ny ray aman-dreny (2021)

“Ahoana no fomba hiresahako amin-janako momba ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo anaty fahamendrehana?” Fanampiana ho an’ny ray aman-dreny

Sary
fianakaviana miara-mandeha an-tongotra

Ahoana no fomba hiresahako amin-janako momba ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo anaty fahamendrehana?

Maro ireo ray aman-dreny izay mahatsapa fisalasalana na menatra ny hiresaka amin’ny zanak’izy ireo momba ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo, na matahotra izy ireo sao hanaitra ny filàna ara-nofo ao amin’izy ireo izany. Izao no marina, raha tsy miresaka amin’ny zanakao momba ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo ianao dia hianatra momba izany avy amina loharano hafa izy ireo. Ny fanaovana resadresaka tsy tapaka amin’ny zanakao momba lohahevitra manan-danja toy ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo anaty fahamendrehana dia hanampy azy ireo hahatakatra fa ianao dia olona azo antoka hiresahana momba izany.

Ny ankabeazan’ny zanaka dia manana fahalianana voajanahary, ary izy ireo dia te hahatakatra ilay fahatsapana nomen’ Andriamanitra izay tsapan’izy ireo. Afaka manomana ny tenanao hiresaka amin’ny zanakao momba ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo ianao amin’ny alalan’ny fahatsiarovana hoe toy ny ahoana ianao tamin’ny taonan’izy ireo. Inona ny sasantsasany tamin’ireo fahatsapana nanananao? Inona no eritreritra sy fanontaniana na ahiahy nanananao? Taiza ianao no nikatsaka fampahalalana? Inona no irinao mba hoe norenesina na nampianarina anao?

Tsy maninona raha mahatsapa ho tsy matoky tena momba ny fomba tsara indrindra hiatrehana ireo fifanakalozan-kevitra ireo ianao. Azonao ampiasaina ny maha marefo anao mba hanorenana ny fifandraisanao amin’ireo zanakao. Afaka mahatsapa ny fitiavanao ny ankizy rehefa milaza sy mitsotra ny marina ianao rehefa miresaka amin’izy ireo, na dia tsy mahazo aina aza ianao.

Mba hisian’ny fifaneraserana misokatra, dia azonao atao ny:

  • Manomboka amin’ny fiantsoana ny rantsam-batana tsirairay avy amin’ny anarany marina rehefa mbola kely ny zanakao. Izany dia mampianatra ny ankizy momba ny vatan’izy ireo ary manolotra azy ireo ny fiteny ilainy mba ho tomady sy hanam-pahalalana.

  • Ampahafantaro ny zanakao fa afaka mametraka fanontaniana na inona na inona izy ireo, ary avy eo dia miezaha mba tsy hisendaotra be loatra na hampisy fahamenarana amin’ny fanontanian’izy ireo na ny fibabohan’izy ireo. Mifalia fa miresaka aminao izy ireo, manehoa fitiavana sy fanohanana amin’izy ireo ary avy eo dia miezaha miresaka aminy hatrany.

  • Aza mampiasa fanoharana momba ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo. Mila fampahalalana aseho amin’ny fomba mazava sy am-pahatsorana ny ankizy. Ohatra, misy zatovo mitantara fampianarana izay milaza fa ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia ampitahaina amin’ny siligaoma na sakafo voatsako izay ampitapitaina amin’ny olona rehetra manerana ny efitrano, hany ka tsy manintona intsony. Na dia tamin’ny fikasana tsara aza, matetika ny karazana fanoharana toy ireo dia miteraka tahotra momba ny fananahana sy firaisana ara-nofo na fahatsapana fahambaniana na lanjan’ny tena manokana simba tanteraka.

  • Manaova takarivan’ny mpianakavy ka ny lesona dia mifandray amin’ny fananahana ary avelao ny zanakao hampianatra raha mahatsapa ho vonona izy ireo. Mety hahitana ny fahamaotiana, sarin’ny vatana ary lafiny tsara momba ny fananahana sy firaisana ara-nofo ny lohahevitra.

  • Resaho fa zavatra ara-dalàna ny fananana fahatsapana ara-nofo sy ny fientanentanana ara-nofo. Tsy misy fihetsika tokony hataon’ny ankizy manoloana ireny fahatsapana ireny saingy tokony ho fantatr’izy ireo ireny. Midika izany fa mahatsikaritra fahatsapana ara-nofo saingy tsy mitsara amin’ny fomba ratsy azy ireny. Nampiseho ny fikarohana fa ny fahatsapan-tena dia afaka hanampy ny ankizy hanao safidy izay mifanaraka amin’ny soatoavina sy tanjon’izy ireo.

  • Miezaha tsy haneho rikoriko na fahatezerana rehefa mitsapatsapa ny tenany ny ankizy na mibaboka fa nanaitra ny filàny tamin’ny fikasihana fitaovam-pananahana ataon’ny tena manokana ny zatovo. Ny fihetsika asehon’ny ray aman-dreny rehefa manoloana ireo fitondran-tena ireo dia misy fiantraikany amin’ny fahatsapan’ny ankizy sy ny zatovo momba ny tenan’izy ireo sy ny fiainan’izy ireo ny fananahana sy ny firaisana ara-nofo.

  • Ampianaro ny zanakareo ny antony ao ambadik’ireo fenitra mifandray amin’ny fifandraisana sy ny tontolon’ny fananahana sy firaisana ara-nofo. Rehefa mampianatra ireo fenitra ireo sy ny antony maha sarobidy azy ireo ianao dia tsarovy fa manan-danja ny manao izany ka tsy hitondra fahamenarana na tahotra.1

Fanamarihana

  1. Ireo teboka vaventy dia nindramina sy nampifanarahana avy tamin’ny Laura M. Padilla-Walker sy Meg O. Jankovich, “How, When, and Why: Talking to Your Children about Sexuality [Ahoana, rahoviana, ary nahoana: Miresaka amin’ireo zanakao momba ny fananahana],” Liahona, Aog. 2020.

Hamoaka printy