Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Manampy ny mpikambana vaovao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana


“Manampy ny mpikambana vaovao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” Manampy ny mpikambana vaovao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana (2020)

“Manampy ny mpikambana vaovao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” Manampy ny mpikambana vaovao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Manampy ny mpikambana vaovao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Sary
ankizilahy atao batisa

Alohan’ny batisa

  • Efa nanorina finamanana tamin’ny mpikambana ve izy ireo?

  • Efa nozarain’izy ireo tamin’ny mpikambana ve ny zavatra ilainy? Efa nanatrika kilasy momba ny fizakan-tena ve izy ireo raha toa ka ilaina izany?

  • Moa ve mianatra sy mivavaka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo?

  • Efa nianatra momba ny tempoly sy ny fianakaviana mandrakizay ary nanomboka nanao ny tantaram-pianakaviana ve izy ireo?

  • Efa nametraka daty hanaovana batisa ireo razambeny efa maty ve izy ireo?

  • Moa ve mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny batisa izy ireo?

  • Moa ve manatrika tsy tapaka ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ireo?

Sary
fianakaviana mijery tablette

Fotoana fohy aorian’ny batisa

  • Moa ve mahatsapa ho voaray tsara ao amin’ilay paroasy izy ireo?

  • Efa nanomboka nikarakara azy ireo ve ny rahalahy sy rahavavy mpanompo azy ireo?

  • Moa ve manatrika tsy tapaka ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ireo?

  • Moa ve efa nandray ny Fisoronana Aharôna ireo mpikambana lehilahy?

  • Efa nahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena ve izy ireo sy nandray anjara tamina batisa ho an’ireo razambeny efa maty?

  • Moa ve manohy mivavaka sy mandalina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny fanampian’ireo mpikambana sy misiônera izy ireo?

  • Moa ve manana andraikitra ao amin’ny Fiangonana sy manana andraikitra amin’ny maha-rahalahy na rahavavy mpanompo izy ireo?

  • Efa nandray anjara tamin’ny kilasy momba ny fizakan-tena ve izy ireo raha toa ka ilaina izany?

Sary
zatovovavy mitsiky

Ao anatin’ny taona voalohany

  • Efa nampitombo finamanana maharitra miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny paroasy ve izy ireo?

  • Efa nampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana tsy tapaka ny filazantsara ve izy ireo?

  • Moa ve ireo mpikambana lehilahy efa nandray ny Fisoronana Melkizedeka?

  • Moa voa manao asa fanompoana ho an’ireo sahirana izy ireo? Manana antso ao amin’ny Fiangonana ve izy ireo?

  • Efa nametraka daty mba handraisana ny ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo manokana ve izy ireo? Moa ve izy ireo manohy manao ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana?

Hamoaka printy