Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto


“Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto,” Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto (2020)

“Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto,” Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto

Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto

Mitana anjara asa manan-danja ireo mpikambana sy misiônera amin’ny fanampiana ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mazoto mba hitozo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia tompon’andraikitra amin’ireo ezaka atao isan’andro amin’ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy, tafiditra amin’izany ny fikolokoloana ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mazoto. Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka, ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia tompon’andraikitra amin’ny fakana antoka fa ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo dia mahazo sy mandray andraikitra araka izao torolalana manaraka izao.

Mba hijanonan’ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia zava-dehibe ny (1) hahatsapan’izy ireo fa tsy vahiny izy ireo, amin’ny alalan’ny fifandraisana matanjaka amin’ Andriamanitra sy ireo mpikambana hafa, (2) hinoany an’i Jesoa Kristy sy hampitomboan’izy ireo ny finoany Azy, ary (3) hahatongavany ho mpanaradia an’i Kristy amin’ny alalan’ireo zavatra iainana manan-danja.

Ireto atrikasa manaraka ireto dia hanampy anao hampianatra ny mpikambana hafa ny fomba fampiasana loharano vaovao entina hanampy amin’io ezaka io. Azo atao eo anivon’ny tsatòka na ny filankevitry ny paroasy ireto atrikasa ireto miaraka amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno. Ny fizarana roa voalohany dia tokony homena ihany koa an’ireo mpinamana miara-manompo voatendry hanompo an’ireo mpikambana vaovao.

Tabilao: Manampy ireo mpikambana vaovao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

  1. Sokafy ny Bibliothèque de l’Evangile (ilay application na ny tranonkala) dia mandehana eo amin’ny Manuels et appels (Boky torolalana sy antso), avy eo Appels de paroisse ou de branche (Antso ao amin’ny paroasy na sampana), ary avy eo Fortifier les nouveaux membres (Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao). (Hitanao ao amin’io fizarana io ireo fitaovana ilainao amin’ity fiofanana ity.) Sokafy ary jereo ny hoe “Manampy ireo mpikambana vaovao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.” Ifanakalozy hevitra ireto manaraka ireto miaraka amin’ny mpiara-manompo na vondrona:

    • Nahoana ireo traikefa ireo no fototry ny fanampiana olona hiditra sy hijanona amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

  2. Jereo ilay sombina horonan-tsary hoe “Ny tantaran’ny fianakaviana Bush” (ao amin’ny fizarana Horonan-tsary Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao).

    Eo am-pijerenao ny horonan-tsary dia tadiavo ny fomba ampiharana ireo zavatra ao amin’ilay tabilao eo ambanin’ny “Mialoha ny batisa,” “Fotoana fohy aorian’ny batisa,” ary “Ao anatin’ny taona voalohany.” Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Inona no efa ataontsika tsara mba hanampiana ireo mpikambana vaovao hivoatra?

    • Inona no lafiny iray na roa tsapantsika fa azontsika hatsaraina?

  3. Jereo ilay sombina horonan-tsary “L’importance de l’amitié” (Ny maha-zava-dehibe ny finamanana). Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Nahoana ny finamanana tena marina amin’ireo mpikambana no isan’ireo singa matanjaka indrindra hanampiana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto hiditra sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

    • Ahoana no fomba hanorenantsika finamanana tena izy haingana indrindra? Ahoana no hihazonantsika izany finamanana izany?

  4. Jereo ilay sombina horonan-tsary “Œuvrer ensemble” (Miara-miasa). Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Tamin’ny fomba ahoana no niarahan’ireo mpikambana sy misiônera niasa mba hahatanteraka ny zavatra nilain’ny fianakaviana Bush?

    • Inona no azo hatsaraina ato amin’ny rantsana misy antsika mba hahatonga ireo mpikambana sy misiônera hiara-hiasa amin’ny fomba mahomby kokoa ao anatin’ireo ezaka ireo?

Ny lalan’ny fanekempihavanako

  1. Ao anatin’io fizarana io ihany ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile dia sokafy ny Ny lalan’ny fanekempihavanako dia mandehana eo amin’ny teny fampidirana “Ny lalan’ny fanekempihavanako.” Iaraho mamaky io pejy io dia ifanakalozy hevitra ny fomba azo ampiasana Ny lalan’ny fanekempihavanako entina hanampiana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto. Mijereva farafahakeliny traikefa roa amin’ Ny lalan’ny fanekempihavanako. Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Ahoana no fomba ahafahan’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo miara-miasa amin’ny misiônera hanampy ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto?

    • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo traikefa ireo hanome fahafahana hampianarana indray ireo leson’ny misiônera aorian’ny batisa? (Jereo ny traikefa “Mianara momba ny Fisoronana Aharôna” sy ny “Mahazoa fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny batisa amin’ny alalan’ny fisoloana tena sy ny fandraisana ho mpikambana.”)

  2. Manaova drafitra ny amin’ny fomba hanampianao ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto tompoinao mba hiditra ao amin’ Ny lalan’ny fanekempihavanako. Raha toa ka mampiasa fitaovana Android izy ireo, dia azony atao ny misintona an’ilay application avy ao amin’ny Google Play store eto. Raha toa ka mampiasa fitaovana iOS izy ireo, dia azony atao ny misintona eto an’ilay application avy ao amin’ny Apple App store. Azonao atao ny manome tahadika vita printy. (Fanamarihana: Azon’ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mazoto jerena ao amin’ny angon-tahiry ho an’ny olon-dehibe sy mpikambana vaovao ary ireo izay miverina ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile Ny Lalan’ny Fanekempihavanako .)

Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Ny episkôpà sy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka mahita sy manavao ny fivoaran’ireo mpikambana vaovao amin’ny alalan’ny Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

  1. Sokafy ny application Outils pour les membres (na Documentation pour les dirigeants et les greffiers [DDG] ao amin’ny tambajotra), mandehana ao amin’ny Rapports ary avy eo dia safidio ny Progression des nouveaux membres et des membres qui reviennent à l’Église. Ity pejy ity dia mampiseho ireo fampahalalana fototra momba ireo izay vita batisa sy monina ao amin’ny rantsana misy anao tao anatin’ny roa taona lasa. Jereo ny lisitr’ireo mpikambana vaovao dia ifanakalozy hevitra ny fivoaran’izy ireo.

  2. Safidio ny anaran’ilay mpikambana vaovao (na safidio ny Afficher la progression ao amin’ny DDG sy IOS). Miseho ny fampahalalana fanampiny momba ny fivoaran’ilay olona. Ifanakalozy hevitra ny hoe:

  3. Ny fampahalalana dia azon’ny episkôpà havaozina ao amin’ilay application (ao anatin’izany ireo mpitamboky sy ireo mpitantsoratra), ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana, ilay mpikambana vaovao, ny mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy, ny mpitarika ny asa fitoriana mpanampy ao amin’ny paroasy, ary ny misiôneran’ny paroasy. Rehefa manampy fampahalalana ao amin’ny Bokin’ny Fandaharam-potoana an’ny faritra ny misiônera dia miova manaraka izany ho azy koa ny firaketana ny fivoarana eo amin’ny Lalan’ny Fanekempihavanana. Mba hanazaranao tena amin’izany dia safidio ny anaran’ny mpikambana vaovao iray (na safidio ny Afficher la progression ao amin’ny DDG sy IOS) dia manaova zavatra toy ireto manaraka ireto:

    • Mirakitra ny fanatrehana fivoriana fanasan’ny Tompo. (Fanamarihana: Raha toa ka tsy afaka manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo noho ny antony ara-pahasalamana ilay mpikambana vaovao dia asio marika ilay faribolana raha toa ka afaka nandray ny fanasan’ny Tompo tao an-trano ilay mpikambana vaovao na nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fomba fampitan-davitra.)

    • Manampy anaran’ny namana iray amin’ny fampahalalana momba ilay mpikambana vaovao.

    • Manampy ireo fitsipika nampianarina (ireo lesona misiônera aorian’ny batisa).

    • Maka antoka fa marina ireo fampahalalana momba ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo.

  4. Ireto mpitarika manaraka ireto ihany no afaka mahita ny fampahalalana momba ny Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana:

    • Fiadidian’ny tsatòka, anisan’izany ireo mpitamboky sy ireo mpitantsoratra

    • Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

    • Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

    • Fiadidian’ny misiôna, anisan’izany ny mpiara-manompo sy ireo mpitamboky ary ireo mpitantsoratra, amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et greffiers irery ihany

    • Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana

    • Ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

    • Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga sy Zatovovavy ary Sekoly Alahady

  5. Hisy fanamarihana hiseho ao amin’ilay application rehefa mampiseho tsy fahavitrihana amin’ireo zavatra ataon’ny Fiangonana ny Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ho an’ny olona iray.

  6. Afaka manova ny fivoarany manokana ihany koa ireo mpikambana vaovao. Asaivo mitady ny fampahalalana manokana momba azy ireo ao amin’ny Liste des membres ao amin’ny Outils pour les membres ny mpikambana vaovao. Avy eo dia asaivo manindry ny Progression des nouveaux membres et des membres qui reviennent à l’Église ilay mpikambana vaovao. Asehoy an’ilay mpikambana vaovao ny fomba fanaovana izany.

  7. Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia tompon’andraikitra amin’ny fakana antoka fa navaozina ara-potoana ny fampahalalana momba ny mpikambana vaovao. Azon’izy ireo atao ny mizara izany andraikitra izany. Ifanakalozy hevitra hoe iza no hanavao ny fampahalalana momba ny mpikambana vaovao, impiry (ny tena tsara dia farafaharatsiny isan-kerinandro) no havaozina izany, ary ny fomba hampiasana ny Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ao amin’ny filankevitry ny paroasy sy ireo fivoriana fandrindrana isan-kerinandro.

Fehin-kevitra

  1. Asehoy ilay sombina horonan-tsary “Comment l’œuvre de l’histoire familiale et du temple fortifie les nouveaux membres.”

    Ifanakalozy hevitra ny fomba hanampian’ny ezaka ataonao an’ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana (jereo ny Jaona 15:16) ary handray ireo ôrdônansy rehetran’ny famonjena sy ny fisandratana amin’ny farany. Manaova drafitra ny amin’ny zavatra hataon’ny rantsana misy anao hikolokoloana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto ao amin’ny vondrona misy anao.

Hamoaka printy