Famonoan-tena
Filazana, 09 aogositra 2018: Fisorohana ny famonoan-tena sy fiatrehana ny toe-javatra miseho aorian’ny fahafatesan’ny olona iray vokatry ny famonoan-tena


Filazana, 09 aogositra 2018: Fisorohana ny famonoan-tena sy fiatrehana ny toe-javatra miseho aorian’ny fahafatesan’ny olona iray vokatry ny famonoan-tena

Olana mampiahiahy tokoa ny fiakaran’ny tahan’ny famonoan-tena amin’ny faritra maro manerana izao tontolo izao. Ny tanjon’ity tahirin-kevitra ity dia ny hanampy ireo ray aman-dreny, fianakaviana, sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ny mpikamban’ny Fiangonana eo amin’ny fikatsahan’izy ireo hanompo ireo izay ianjadian’ny famonoan-tena.

Azon’ny mpikambana ampiasaina ity loharanom-pitaovana ity mba hianarana ny fotopampianaran’ny Fiangonana momba ny famonoan-tena, ireo famantarana mampitandrina momba ny famonoan-tena, sy ny fomba hanampiana olona iray ao anatin’ny krizy, ary ny fomba hiatrehana ny toe-javatra aorian’ny fahafatesan’ny olona iray vokatry ny famonoan-tena. Azon’ireo mpitarika atao ny mampiasa ity loharanom-pitaovana ity hitarihana fifanakalozan-kevitra manan-danja miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka sy ny paroasy ary mandritra ny fotoam-pivoriana hafa. Ny tanjon’ireny fifanakalozan-kevitra ireny dia ny hanampy ireo mpitarika sy ireo mpikambana mba hanompo amin’ny fomba mahomby kokoa ireo izay nianjadian’ny famonoan-tena.

Raha toa hanampy amin’ny fisorohana famonoan-tena sy amin’ny fanompoana ireo izay niharan’io lohahevitra io ny firesahana momba ny famonoan-tena, dia tokony hotarihan’ny olon-dehibe roa ny fifanakalozan-kevitra toy izany. Azon’ny mpitarika atao ny manasa matihanina iray avy eo amin’ny fiarahamonina, izay mahatakatra sy manaja ny fotopampianaran’ny Fiangonana momba ny famonoan-tena, mba handray anjara amin’ilay fifanakalozan-kevitra. Tsy hisy fifanakalozan-kevitra hatao amin’ny zaza latsaky ny 12 taona raha tsy aorian’ny fifampiresahana nataon’ny ray aman-dreny tamin’ny zanany.

Aorian’ny fandinihan’ny filankevitry ny tsatòka sy ny paroasy ity tahirin-kevitra ity dia tokony hifanakalo hevitra izy ireo ny amin’ny fomba hanohanana ireo ezaka atao eo amin’ny fiarahamonina sy ny fomba hampahafantarana ny mpikambana mikasika ireo loharanom-pitaovana misy.

Fotopampianarana sy fitsipika

Nanasa antsika ny Tompo handray ny olon-drehetra omban’ny fahatakarana sy fangorahana rehefa nampianatra Izy hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:39). Hahomby kokoa ireo ezaka ataontsika mba hanompoana ireo izay ianjadian’ny famonoan-tena rehefa takatsika tsara kokoa ny fotopampianarana sy fampianarana, toy izao manaraka izao:

  • Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony i Jesoa Kristy dia niaina tanteraka ireo fanambin’ny fiainana eto an-tany Izy mba hahafantarany ny “ fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:11–13). Ny Filoha James E. Faust dia nampianatra fa: “Satria ny Mpamonjy dia efa niaritra ny zava-drehetra izay mety ho tsapantsika na iainantsika dia afaka manampy ny osa mba hatanjaka Izy” (“The Atonement: Our Greatest Hope,” Ensign, nôv. 2001, 22).

  • Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ny fiainana eto an-tany, fanomezana izay tokony hatao manan-danja sy harovana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10; M. Russell Ballard, “Suicide: Some Things We Know, and Some We Do Not,” Ensign, ôkt. 1987, 6–9)

  • Rehefa misy olona manala ny ainy dia Andriamanitra tokana no afaka mitsara ny tao an-tsainy, sy ny zavatra nataony, ary ny fatran’ny maha-tompon’andraikitra azy. Tsy voatery hamaritra ny toetoetran’ny fiainana mandrakizain’ny olona iray ny famonoan-tena (jereo ny 1 Samoela 16:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9; Dale G. Renlund, “Grieving after a Suicide Loss,” horonan-tsary hita ao amin’ny suicide.lds.org).

Loharanom-pitaovana sy hevitra fanampiny:

  • Lohahevitra ara-pilazantsara ao amin’ny topics.lds.org sy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile

Ireo famantarana mampitandrina momba ny famonoan-tena

Maro amin’ny olona mikasa ny hamono tena no tsy maniry ny ho faty; te hohamaivainina amin’ny fijaliana ara-batana, ara-tsaina, sy ara-pihetseham-po, na ara-panahy izay lalovany fotsiny ihany izy ireny. Olona maro ao anatin’ny krizy no mampiseho famantarana mampitandrina mialoha ny hanandramany ny hamono tena. Raha mianatra mamantatra ireo famantarana mampitandrina ianao dia ho vonona tsara kokoa hanompo ireo izay mila fanampiana. Henoy ireo teny toy ny hoe “Tsy raharahiko raha maty aho” na “Ho tsara ho an’ny rehetra ny tsy fisiako.” Anisan’ireo famantarana mampitandrina ireto fihetsika manaraka ireto:

  • Mitady fomba hamonoany ny tenany

  • Miresaka mahakasika fahatsapana ho very fanantenana na tsy fananana antony hahavelomana

  • Miresaka momba-na fahatsapan-tena ho voafandrika na tafalatsaka ao anaty fijaliana tsy hay zakaina

  • Miresaka momba ny fahatsapan-tena ho enta-mavesatra ho an’ny hafa

  • Mampitombo ny fandraisany taoka na zava-mahadomelina

  • Mizarazara ny fananany tsy misy antony

  • Be fanahiana na tsy milamin-tsaina na sahisahy ratsy

  • Misitaka na mitoka-monina

  • Mampiseho fahasiahana na miresaka momba ny fikatsahana valifaty

  • Mampiseho fiovan-toe-po diso tafahoatra (jereo ny National Suicide Prevention Lifeline)

Tsy midika hoe misy krizy ny fisian’ny famantarana mampitandrina iray monja. Kanefa raha efa nanao fanandramana ny hamono tena ilay olona taloha na raha tsikaritrao ny fisian’ny fiovana tampoka teo amin’ilay olona na manomboka mahita famantarana maro ianao dia mandraisa andraikitra avy hatrany. Misy laharana iantsoana maimaim-poana rehefa ao anatin’ny krizy ary fampahalalana fanampiny ao amin’ny suicide.lds.org. (Ho fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny “Ahoana no hanampiana olona ao anatin’ny krizy” ato amin’ity torolalana ity.)

Na dia eo aza ny ezaka tsara indrindra vitantsika dia tsy ho voasakana avokoa ny famonoan-tena. Mitranga tsy ahitana fampitandremana mivaingana ny famonoan-tena sasany. Tsy tompon’andraikitra amin’ny safidin’ny olona iray hafa amin’ny fanaperany ny ainy ianao.

Loharanom-pitaovana sy hevitra fanampiny:

Ahoana no hanampiana olona iray ao anatin’ny krizy

Raiso amim-pahamatorana mandrakariva ireo famantarana mampitandrina momba ny famonoan-tena sy ireo izay mitarika amin’ny fanandramana mba hamono tena, na dia heverinao ho tsy dia tena mieritreritra ny hamonotena aza ilay olona na hoe mila vanona fotsiny. Araho ireto dingana telo ireto mba hanomezana fanampiana: Anontanio, karakarao, resaho.

Dingana 1: Anontanio Anontanio mivantana ilay olona raha toa ka mieriretritra ny hamono tena izy. Azonao atao ny manontany hoe: “mihevitra ny hanapitra ny ainao angaha ianao?” Raha toa izy ireo ka mieritreritra ny hamono tena dia anontanio azy ireo raha toa ka manana drafitra izy ireo. Azonao atao ny manontany hoe: “manana drafitra ny amin’ny handratrana ny tenanao ve ianao?” Raha toa ka manana drafitra izy ireo dia ampio avy hatrany izy ho any amin’ny hôpitaly na tobim-pahasalamana, na miantsoa sampan-draharaha misahana vonjy taitra na laharana hahazoana fanampiana rehefa misy krizy, izay misy eo amin’ny faritra misy anareo. (Tsidiho ny suicide.lds.org/crisis hijerena ireo laharana hahazoana fanampiana maneran-tany.) Raha tsy manana drafitra izy dia mirosoa amin’ny dingana faha-2.

Dingana 2: Raharahio Asehoy fa miraharaha ianao amin’ny alalan’ny fihainoana izay lazainy. Omeo fotoana izy ireo hanazavany ny fahatsapany. Hajao ny fahatsapan’izy ireo amin’ny fitenenana zavatra toy ny hoe: “Mampalahelo ahy ny fijalianao toy izany” na “Tsy mba nahafantatra ny hamafin’ny zavatra niainanao aho.” Azonao atao ny manolo-tena hanangana drafitra fiarovana momba ny fisorohana ny famonoan-tena (jereo ny “How to Create a Suicide-Prevention Safety Plan,” Doug Thomas, Ensign, sept. 2016, 63). Ny drafitra fiarovana dia afaka manampy ny olona hamantatra ny tanjaky ny tenany, ireo fifandraisana tsara ary ireo fahaiza-manao tsara amin’ny fiatrehana ny zava-misy. Afaka mampihena ny fahafahany mandray fitaovana handratran-tena toy ny fitaovam-piadiana na fanafody izany. Raha miangavy anao izy ny tsy hitantaranao amin’ny hafa ny fahatsapany dia hazavao azy fa hajainao araka izay tratra ny tsiambaratelony kanefa mila fanampiana mihoatra izay azonao omena izy. Aza mampanantena na oviana na oviana ny hihazona ho tsiambaratelo ny eritreriny te hamono tena.

Dingana 3: Resaho Amporisiho ilay olona hiresaka amin’ny olona izay afaka manome fanampiana bebe kokoa. Zarao ny laharana na fomba ifandraisana amin’ireo loharano ahazoana fanampiana ao amin’ny faritra misy anao. Anisan’ireo loharano ireo ny hôpitaly, toeram-pitsaboana ho an’ny fitsaboana vonjy maika, na ny lahaharana iantsoana maimaim-poana ilaina fanampiana rehefa misy krizy. Raha tsy mitady fanampiana izy ireo dia mila mampilaza olon-kafa hanampy azy ireo ianao. Azonao atao ny milaza zavatra toy ny hoe: “Manan-danja amiko ianao ary tiako hieren-doza ianao. Hiresaka amin’ny olona izay afaka manome ny fanampiana ilainao aho.” Hajao ny tsiambaratelony amin’ny firesahana afa-tsy amin’ny olona izay heverinao fa afaka hanampy ihany; ohatra amin’izany ny fianakaviana akaiky iray, ny evekan’ilay olona, mpanolotsaina iray any am-pianarana, mpitsabo iray, na matihanina hafa misahana ny fahasalamana. Raha tsy azonao antoka hoe iza no iresahana dia miresaha amin’ny evekanao na antsoy ny laharana antsoina maimaim-poana raha mila fanampiana rehefa misy krizy, ao amin’ny faritra misy anao. Tsarovy fa tsy andrasana aminao ny hanohana samy irery ilay olona.

Fanamarihana: Raha mitarika fifanakalozan-kevitra ianao dia asaivo manao fampiharana ireo ireo dingana ireo ireo mpandray anjara. Lazao amin’izy ireo ny toe-javatra iray ka ao amin’izany dia manatona azy ny olona iray ary mamboraka eritreritra te hamono tena. Asaivo manao fampiharana ny fomba hiatrehany izany izy ireo.

Loharanom-pitaovana sy hevitra fanampiny:

Ahoana no hiatrehana ny toe-javatra miseho aorian’ny famonoan-tena

Na dia eo aza ny ezaka tsara indrindra vitantsika dia tsy ho voasakana avokoa ny famonoan-tena. Tsy mahagaga raha manana fahatsapana fandavana ny zava-nitranga, fahatairana, fahamelohana, fahatezerana ary fisafotofoan-kevitra ireo olona navelan’ny olon-tiana namono tena. Nilaza ny Loholona M. Russell Ballard hoe: “Ny fanaisorana ny ain’ny tena dia tena zava-doza tokoa satria izany fihetsika izany monja dia mamela olona maro hiharam-boina: ny voalohany dia ilay olona maty, avy eo dia olona maro hafa, ny fianakaviana sy namana, izay nilaozany, ary ny sasany amin’izy ireny dia hiatrika taona maro hahatsapana fijaliana lalina sy fisafotofotoan-tsaina” (“Suicide: Some Things We Know, and Some We Do Not,” Ensign, ôkt. 1987, 7). Ho an’ireny olona ireny ny fanasitranana dia tonga amin’ny alalan’ny Mpamonjy izay “[nidina] ho ambanin’ny zava-drehetra” mba hahafantarany “araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6; Almà 7:12). Mety hanampy koa ny fampitaovana sy tolokevitra avy amin’ny matihanina.

Azon’ny filankevitry ny tsatòka sy ny paroasy atao ny mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba hahafahan’izy ireny manampy ny olona na fianakaviana iray hiatrika ny toe-javatra miseho aorian’ny fahafatesan’ny olona iray vokatry ny famonoan-tena. Ireo fanontaniana ifanakalozana hevitra dia mety ahitana izao manaraka izao:

  • Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana nataony fahasitranana ho an’ilay olona na ilay fianakaviana?

  • Inona no filàna tsikaritr’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo teo amin’ilay olona na ilay fianakaviana? Inona no asa fanompoana nataon’izy ireo?

  • Inona no fanohanana ara-pihetseham-po na ara-panahy ilain’ilay olona na ilay fianakaviana amin’izao? Iza no afaka hanome izany fanohanana izany?

  • Misy filàna ara-batana toy ny resaka fitaterana na sakafo ve ilain’ilay olona na fianakaviana?

  • Ahoana no ahafahan’ireo mpitarika ny vondrona fanampiny eo anivon’ny paroasy hanampy ireo ankizy na tanora izay namoy olon-tiana iray?

Mety haharitra ela dia ela ny fisaonana aorian’ny fahafatesan’ny olona iray vokatry ny famonoan-tena. Raha mbola mahatsapa fahoriana na alahelo hatrany ny olona iray dia mifampiresaha amin’ny olon-kafa izay mikarakara ilay olona. Eritrereto ombam-bavaka ny fomba hahafahanao manome fanohanana tsara indrindra. Azonao atao ny manampy ilay olona handray tsodrano avy amin’ny fisoronana na hifandray amin’ireo loharano misy eo amin’ny faritra misy anao. Mety hanampy koa ireo vondrona manampy amin’ny fandresena alahelo, ireo mpitsabo, na matihanina hafa misahana ny resaka fahasalamana.

Fanamarihana: Raha mitarika fifanakalozan-kevitra ianao dia aza miresaka ny fomba nanesoran’ny olona iray ny ainy. Mety handrisika tsy nahy olona ao amin’ny vondrona izany haka tahaka ny fihetsika fariparitana amin’izany. Raha misy olona manomboka miresaka momba ireny antsipirian-javatra ireny ao amin’ny vondrona dia ovao amin’ny fomba tsy mandratra ny resaka.

Loharanom-pitaovana sy hevitra fanampiny:

Loharanom-pitaovana hafa

Torohevitra avy amin’ireo mpitarika ny Fiangonana

Traikefa manokana avy amin’ireo mpikambana

Loharanom-pitaovana hafa novokarin’ny Fiangonana

Jereo ny suicide.lds.org raha mila loharanom-pitaovana fanampiny

Hamoaka printy