Ny soratra masina
1 Nefia 18


Toko 18

Ny fahavitan’ny sambo—Filazana ny nahaterahan’i Jakoba sy i Jôsefa—Niondrana an-tsambo ny mpiray dia hankany amin’ny tany nampanantenaina—Nandray anjara tamin’ny filalaovan-dratsy sy ny fikomiana ny zanakalahin’i Ismaela mbamin’ny vadiny avy—Nifatotra i Nefia ary natosiky ny tafio-drivotra mahatsiravina hiverina ilalana ny sambo—Nafahana i Nefia, ary nitsahatra ny tafiotra noho ny fivavahany—Ny fahatongavan’ny olona tany amin’ny tany nampanantenaina. Tokony ho 591–589 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia nitsaoka ny Tompo izy ireo sy nandeha niaraka tamiko; ary izahay dia nandrafitra ny hazo araka ny fahaizana asa kanto. Ary nasehon’ny Tompo ahy ombieny ombieny ny fomba tokony handrafetako ny hazo amin’ny sambo.

2 Ankehitriny izaho Nefia dia tsy nandrafitra ny hazo araka ny rafitra izay nianaran’ny olona, sady tsy nanamboatra ny sambo araka ny fanaon’ny olona; fa nanamboatra izany kosa araka ny fomba izay efa nasehon’ny Tompo ahy; koa dia tsy araka ny fanaon’ny olona izany.

3 Ary izaho Nefia dia niakatra matetika tao an-tendrombohitra sy nivavaka matetika tamin’ny Tompo; koa dia nanehoan’ny Tompo zava-dehibe aho.

4 Ary ny zava-nitranga, rehefa vitako ny sambo araka ny tenin’ny Tompo, dia nahita ny rahalahiko fa tsara izany sy nokaliana fatratra tokoa ny rafitra asa taminy; noho izany dia nanetry ny tenany indray teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.

5 Ary ny zava-nitranga dia tonga tamin-draiko ny feon’ny Tompo fa tokony hanainga izahay sy hiondrana an-tsambo.

6 Ary ny zava-nitranga ny ampitso, rehefa avy nanomana ny zava-drehetra izahay, dia voankazo maro sy hena avy any an-tany foana ary tantely sesehena sy vatsy araka izay efa nandidian’ny Tompo anay, dia nidina arakara-jokiny tao an-tsambo izahay niaraka tamin’ny entanay rehetra sy ny masombolinay ary izay zavatra rehetra efa nentinay niaraka taminy; koa dia nidina tao an-tsambo izahay rehetra mbamin’ny vadinay sy ny zanakay avy.

7 Ary ankehitriny dia niteraka ny zanany lahy anankiroa ny raiko tany an-tany foana; ny zokiny dia nantsoina hoe Jakoba ary ny zandriny, Jôsefa.

8 Ary ny zava-nitranga, rehefa tafidina tao an-tsambo avokoa izahay sy efa nitondra niaraka taminy ny vatsinay sy ny zavatra izay efa nandidiana anay, dia nivoaka an-dranomasina izahay ary natosiky ny rivotra hankany amin’ny tany nampanantenaina.

9 Ary rehefa avy natosiky ny rivotra nandritra ny andro maro izahay, dia indro nanomboka niala liana ny rahalahiko sy ny zanakalahin’i Ismaela ary koa ny vadiny avy, hany ka nanomboka nandihy sy nihira ary nanao teny kivalavala be izy ireo, eny, ka dia nanadino ny hery izay efa nitondrana azy ireo hatreto; eny, nanaram-po tamin’ny fahambanian-toetra izaitsizy izy ireo.

10 Ary izaho Nefia dia nanomboka natahotra fatratra tokoa fandrao ho tezitra aminy ny Tompo sy hamely anay noho ny helokay, ka dia ho voatelin’ny ranomasina lalina izahay; koa izaho Nefia dia nanomboka niteny azy ireo tamin-kitsim-po be; nefa indro fa tezitra tamiko izy ireo, nanao hoe: Tsy hoekentsika ho mpifehy antsika ny zandrintsika lahy.

11 Ary ny zava-nitranga dia nalain’i Lamàna sy Lemoela aho sy nafatony tamin’ny tady ary henjana be ny fitondrany ahy; kanefa navelan’ny Tompo hanao izany izy ireo mba hahazoany maneho ny heriny ho fanatanterahana ny teniny izay efa nolazainy momba ny olon-dratsy.

12 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nogiazany aho mba tsy hahafahako mihetsika, dia nijanona tsy nandeha ilay kômpà izay efa nomanin’ny Tompo.

13 Noho izany dia tsy nahafantatra ny lalana tokony hanamoriana ny sambo izy ireo hany ka nisy ranonorambaratra be niforona, eny, tafio-drivotra lehibe sy mahatahotra, ary nitondra anay niverina ilalana teny ambony rano nandritra ny hateloana izany; ary nanomboka ho raiki-tahotra izaitsizy izy ireo fandrao dia ho fefika an-dranomasina; na dia teo aza izany dia tsy novahany aho.

14 Ary tamin’ny andro fahefatra izay efa nitondrana anay niverina ilalana, dia nanomboka ho tena mahatsiravina tokoa ny tafio-drivotra.

15 Ary ny zava-nitranga dia efa saika voatelina tany an-dranomasina lalina izahay. Ary rehefa nentina niverina ilalana teny ambony rano nandritra ny hefarana izahay, dia nanomboka nahita ny rahalahiko fa teo aminy ny famalian’ Andriamanitra ary tsy maintsy ho faty izy ireo raha tsy mibebaka amin’ny helony; koa nanatona ahy izy ireo sy namaha ny fatorana izay teo tamin’ny hatotanako ary indro nivonto fatratra izany; sy tamin’ny kitrokeliko koa izay nivonto be, ka tena lehibe tokoa ny fanaintainana.

16 Na dia teo aza izany dia nitodika tamin’ Andriamanitra aho ary nidera Azy nandritra ny manontolo andro; ary tsy mba nimonomonona ny Tompo aho noho ny fahoriako.

17 Ankehitriny dia efa niteny zava-maro taminy sy tamin’ny zanakalahin’i Ismaela i Lehia raiko; nefa indro nofofoiny fandrahonana be ireo izay niteny tamin’ny anarako; ary satria efa nandroso taona ny ray aman-dreniko sy niaritra alahelo be noho ny zanany, dia resy izy ireo, eny, narary teo am-pandriany aza.

18 Noho ny alahelony sy ny fijaliany be ary ny heloky ny rahalahiko, dia kely foana no tsy nitondrana azy ireo handao izao fiainana izao mba hihaona amin’ Andriamaniny; eny, ny volofotsiny dia efa saika nentina nampandriana ambany tamin’ny vovoka; eny, izy ireo dia efa saika natsipin’ny famoizam-po tany am-pasan-drano.

19 Ary nalahelo ny fahorian-dreniny koa i Jakoba sy i Jôsefa noho izy ireo mbola kely ka nila hanina be; ary na ny vadiko koa niaraka tamin’ny ranomasony sy ny fivavahany, na koa ireo zanako, dia tsy nanalefaka ny fon’ny rahalahiko mba hamotsorany ahy.

20 Ary dia tsy nisy na inona na inona afa-tsy ny herin’ Andriamanitra izay nandrahona azy ireo tamin’ny famongorana no afaka nanalefaka ny fony; koa rehefa hitany fa efa saika natelin’ny ranomasina lalina izy ireo dia nibebahany ny zavatra izay efa nataony ka novotsorany aho.

21 Ary ny zava-nitranga nony efa novotsorany aho, dia indro fa noraisiko ny kômpà, ary dia nandeha izany araka ny faniriako. Ary ny zava-nitranga dia nivavaka tamin’ny Tompo aho; ary rehefa avy nivavaka aho dia nitsahatra ny rivotra ary dia nitsahatra koa ny ranonorambaratra ary nisy fitoniana lehibe.

22 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nanamory ny sambo ka nizotra teny an-dranomasina indray izahay nankany amin’ny tany nampanantenaina.

23 Ary ny zava-nitranga rehefa avy nizotra teny an-dranomasina nandritra ny andro maro izahay dia tonga tany amin’ny tany nampanantenaina; ary nandeha nidina an-tany izahay sy nanangana ny lainay; ary nantsoinay hoe ny tany nampanantenaina izany.

24 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka niasa ny tany izahay sy nanomboka namafy voa; eny, nalevinay tanaty tany avokoa ny masombolinay izay efa nentinay avy tany an-tanin’i Jerosalema. Ary ny zava-nitranga dia naniry fatratra tokoa ireo; koa notahiana fatratra izahay.

25 Ary ny zava-nitranga dia nahita izahay teo amin’ny tany nampanantenaina raha nandeha tany an-tany foana, fa nisy ny biby isan-karazany tao anaty ala, na ombivavy izany, na ombilahy, na ampondra na soavaly, na osy na osidia, na bibidia isan-karazany rehetra izay hampiasain’ny olona. Ary nahita ny karazany rehetra tamin’ny akora izahay, na volamena na volafotsy na varahinamena.