Ny soratra masina
Môzià 22


Toko 22

Nanao tetika ny vahoaka mba handosirana ny fanandevozan’ny Lamanita—Natao ny hahamamo ny Lamanita—Nandositra ny vahoaka, niverina tany Zarahemlà ary nanjary olom-pehezin’i Môzià Mpanjaka. Tokony ho 121–120 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia niara-nifandinika tamin’ny vahoaka ny amin’ny fomba hanafahany ny tenany hiala amin’ny fanandevozana i Amôna sy i Limia mpanjaka; ary na dia ny vahoaka manontolo aza dia nasainy niara-nifamory; ary izany no nataony dia ny hahazoany ny feon’ny vahoaka momba ity toe-javatra ity.

2 Ary ny zava-nitranga dia tsy hitany ny fomba hanafahany ny tenany hiala amin’ny fanandevozana afa-tsy ny mitondra ny vadiny aman-janany sy ny biby fiompiny ary ny lainy sy ny miainga mankany an-tany foana; fa maro loatra ny Lamanita ka tsy ho vitan’ny vahoakan’i Limia ny hiady aminy, raha noheveriny fa amin’ny alalan’ny sabatra no hanafahana ny tenany hiala amin’ny fanandevozana.

3 Ankehitriny ny zava-nitranga dia nandroso i Gideôna ary nijoro teo anoloan’ny mpanjaka sy nanao taminy hoe: ankehitriny, ry mpanjaka ô, efa nihaino imbetsaka ny teniko ianao hatramin’izao, fony isika niady tamin’ny Lamanita rahalahintsika.

4 Ary ankehitriny ry mpanjaka ô, raha tsy hitanao ny maha-mpanompo tsy mahasoa ahy na raha mba nihaino ihany ny teniko ianao hatramin’izao, ary efa nahasoa anao ireny, dia maniry aho ny mba hihainoanao ny teniko amin’izao fotoana izao, ary izaho dia ho mpanomponao ary hanafaka ity vahoaka ity hiala amin’ny fanandevozana.

5 Ary ny mpanjaka namela azy mba hahazoany miteny. Ary hoy i Gideôna taminy:

6 Jereo ilay hadilalana ivoho mamakivaky ny manda ivoho any an-damosin’ny tanàna. Ny Lamanita na ny mpiambin’ny Lamanita dia mamo amin’ny alina; koa aoka alefantsika any anivon’ity vahoaka manontolo ity ny filazana hamoriany miaraka ny biby fiompiny mba hahazoany mitondra azy mankany an-tany foana amin’ny alina.

7 Ary handeha aho araka ny didinao ary handoa amin’ny Lamanita ny hetra farany amin’ny divay, ary dia ho mamo izy; ary handeha manaraka ilay lala-takona ao ankavian’ny tobiny isika rehefa mamo sy resin-tory izy.

8 Dia toy izany no hiaingantsika miaraka amin’ny vady aman-janatsika, ny biby fiompintsika mankany an-tany foana; ary handeha hiodidina ny tanin’i Silôma isika.

9 Ary ny zava-nitranga dia nihaino ny tenin’i Gideôna ny mpanjaka.

10 Ary dia nasain’i Limia mpanjaka nanangona ny biby fiompiny ny olony; ary nandefa ny hetra tamin’ny divay ho an’ny Lamanita izy; ary nandefa divay misimisy kokoa ho toy ny fanomezana ho azy; ary dia nanara-po tamin’ny fisotroana ny divay izay nalefan’i Limia mpanjaka ho azy izy.

11 Ary ny zava-nitranga dia niainga nankany an-tany foana ny vahoakan’i Limia nony alina, niaraka tamin’ny biby fiompiny, ary nandeha nihodidina ny tanin’i Silôma tany an-tany foana izy, ary dia nivily ny diany nankany an-tanin’i Zarahemlà rehefa notarihan’i Amôna sy ny rahalahiny.

12 Ary efa nalainy niaraka taminy nankany an-tany foana avokoa ny volamenany sy ny volafotsiny ary ny zava-tsarobidiny izay azony nentina ary koa ny vatsiny; ary dia nanohy ny diany izy.

13 Ary rehefa tany an-tany foana andro maromaro izy, dia tonga tao an-tanin’i Zarahemlà ary nikambana tamin’ny vahoakan’i Môzià ary nanjary olom-peheziny.

14 Ary ny zava-nitranga dia noraisin’i Môzià tamim-pifaliana izy; ary izy koa nandray ny rakitsorany ary koa ny rakitsoratra izay efa hitan’ny vahoakan’i Limia.

15 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa nahita ny Lamanita fa efa niainga nandao ny tany nandritra ny alina ny vahoakan’i Limia, dia nandefa ny miaramilany izy hankany an-tany foana hanenjika azy;

16 Ary rehefa avy nanenjika azy roa andro izy, dia tsy afaka nanaraka ny diany intsony; noho izany izy dia very tany an-tany foana.