Ny tenin’i Môrmôna
Toko 1
Namintina ny takelaka lehiben’i Nefia i Môrmôna—Nampiarahany tamin’ny takelaka hafa ny takelaka kely—Nampiorina fandriampahalemana teo amin’ny tany i Benjamina Mpanjaka. Tokony ho 385 taona taorian’i Kristy.
1 Ary ankehitriny, izaho Môrmôna, rehefa madiva ny hanolotra ny rakitsoratra izay efa nataoko ho eo an-tanan’i Môrônia zanako lahy, dia indro fa efa nanatri-maso ny fandringanana saiky manontolo ny Nefita oloko aho.
2 Ary taon-jato maro aorian’ny fiavian’i Kristy no anolorako ireto rakitsoratra ireto eo an-tanan’ny zanako lahy; ary mihevitra aho fa izy dia hanatri-maso ny famongorana tanteraka ny oloko. Nefa hotovin’ Andriamanitra anie ny hahela velona azy noho izy ireo mba hahazoany manoratra misimisy kokoa ny amin’izy ireo sy misimisy kokoa ny amin’i Kristy, fa angamba mety hahasoa azy ireo izany indray andro any.
3 Ary ankehitriny aho dia miresaka misimisy kokoa ny momba izay efa nosoratako; fa rehefa avy nanao ny famintinana avy tamin’ny takelak’i Nefia aho hatreo amin’ny fitondran’ity Benjamina mpanjaka ity, izay noresahan’i Amalekià, dia nosavako tao amin’ny rakitsoratra izay efa natolotra ho eo an-tanako ka hitako ireto takelaka ireto, izay nirakitra ny tantara fohin’ny mpaminany hatramin’i Jakoba ka hatramin’ny fitondran’ity Benjamina mpanjaka ity ary koa ny maro tamin’ny tenin’i Nefia.
4 Ary ny zavatra izay eo amin’ireo takelaka ireo dia mahafinaritra ahy noho ny faminaniana ny amin’ny fiavian’i Kristy; ary nahalala ny razako fa maro tamin’ireny no efa tanteraka; eny, ary izaho koa mahalala fa izay zavatra rehetra efa naminaniana mikasika anay hatramin’izao andro anio izao dia efa tanteraka, ary izay rehetra any ankoatra izao andro anio izao dia tsy maintsy hitranga marina tokoa.
5 Noho izany, dia nofidiako ireo zavatra ireo mba hamaranana ny rakitsoratro momba azy ireo, izay sisa ambiny amin’ny rakitsoratro dia halaiko amin’ny takelak’i Nefia; ary tsy afaka manoratra ny ampahazaton’ny zavatra mikasika ny oloko aho.
6 Nefa indro, halaiko ireo takelaka ireo izay mirakitra ireo faminaniana sy fanambarana ireo, ka hapetrako miaraka amin’ny sisa tavela amin’ny rakitsoratro ireo, fa ireo dia finidy ho ahy; ary fantatro fa ireo dia ho finidy ho an’ny rahalahiko.
7 Ary ataoko izany noho ny fikasana hendry; fa toy izany no ibitsibitsihany ahy araka ny fiasan’ny Fanahin’ny Tompo izay ato amiko. Ary ankehitriny, tsy mahalala ny zava-drehetra aho; fa ny Tompo kosa no mahalala ny zavatra rehetra izay ho avy; koa miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony.
8 Ary ny fivavako amin’ Andriamanitra dia ho an’ny rahalahiko, ka enga anie ho tonga indray mandeha indray amin’ny fahalalana an’ Andriamanitra izy, eny, amin’ny fanavotan’i Kristy; ka hahatonga azy indray mandeha indray ho vahoaka mahafinaritra.
9 Ary ankehitriny izaho Môrmôna dia miroso amin’ny famaranana ny rakitsoratro izay alaiko amin’ny takelak’i Nefia; ary ataoko izany araka ny fahalalana sy ny fahatakarana izay efa nomen’ Andriamanitra ahy.
10 Noho izany ny zava-nitranga, rehefa avy natolotr’i Amalekià ho teo an-tanan’i Benjamina mpanjaka ireo takelaka ireo, dia nalainy izy ireo sy nampiarahany tamin’ny takelaka hafa izay nitahiry ny rakitsoratra izay efa nampitain’ny mpanjaka ny taranaka nifandimby, ka hatreo amin’ny andron’i Benjamina mpanjaka.
11 Ary avy any amin’i Benjamina mpanjaka izy ireo dia nampitaina tamin’ny taranaka nifandimby mandra-pahatongany teto an-tanako. Ary izaho Môrmôna dia mivavaka amin’ Andriamanitra mba hitsimbinana azy ireo hatramin’izao fotoana izao. Ary fantatro fa hotsimbinina izy ireo; satria misy zava-dehibe voasoratra aminy, avy amin’izany no hitsarana ny oloko sy ny rahalahiny amin’ny andro lehibe sady farany, araka ny tenin’ Andriamanitra izay voasoratra.
12 Ary ankehitriny, raha ny amin’io Benjamina mpanjaka io—izy dia somary nanana fifandirana ihany teo anivon’ny olony.
13 Ary ny zava-nitranga koa dia nidina avy tany amin’ny tanin’i Nefia ny miaramilan’ny Lamanita mba hiady amin’ny vahoakany. Nefa indro, novorian’i Benjamina mpanjaka miaraka ny miaramilany, ary nijoro izy nanohitra azy; ary izy dia niady tamin’ny herin-tsandriny niaraka tamin’ny sabatr’i Labàna.
14 Ary tamin’ny herin’ny Tompo no niadiany nanoherana ny fahavalony, mandra-pandringanany an’arivony maro tamin’ny Lamanita. Ary ny zava-nitranga dia niady tamin’ny Lamanita izy mandra-panosehany azy hiala amin’ny tany lovany rehetra.
15 Ary ny zava-nitranga taorian’ny nisian’ny Kristy sandoka, ary ny vavany dia efa nakombona, ary ireny dia nofaizina araka ny helony;
16 Ary taorian’ny nisian’ny mpaminany sandoka sy mpitory ary mpampianatra sandoka teo anivon’ny vahoaka, ary izy rehetra ireo dia samy efa nofaizina araka ny helony; ary taorian’ny efa nisian’ny fifandirana be sy fisaraham-bazana maro nankany amin’ny Lamanita, indro ny zava-nitranga dia i Benjamina mpanjaka, niaraka tamin’ny fanampian’ny mpaminany masina izay teo anivon’ny olony—
17 Fa indro, i Benjamina mpanjaka dia lehilahy masina ary izy dia nanjaka tamin’ny vahoakany araka ny hitsiny; ary nisy olona masina maro teo amin’ny tany ary izy ireo dia nilaza ny tenin’ Andriamanitra tamin-kery sy tamin’ny fahefana; ary izy ireo dia naneho fihenjanana be noho ny hamafy hatoky ny olona—
18 Koa tamin’ny fanampian’izy ireo, i Benjamina mpanjaka, tamin’ny fampiasana ny herin’ny tenany rehetra sy ny fahaizan’ny fanahiny manontolo, ary koa ny mpaminany, dia nampiorina indray mandeha indray ny fandriampahalemana teo amin’ny tany.