Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
11johnson


Fitarihana mandritra ny dia

Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony

Alarobia, 5 febroary 2020

Feno fankasitrahana izahay tafaraka aminareo androany hariva. Efa-taona izaho sy i Jill no nanatanteraka asa nampiandraiketina teo anivon’ireo olona mahafinaritra any Eorôpa, ary tena taitra sy faly izahay rehefa nangatahin’ny Filoha Nelson mba hiverina ao amin’ny Departemantan’ny Fianarana an’ny Fiangonana. Toy ny mahatsapa ho any an-tranon’ny tena ireny ny fifandraisana akaiky aminareo izay manao ezaka tena lehibe sy amin’ny fo amin’ny fanampiana ny zatovo hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa mandinika ireo zava-mitranga tsy ampoizina eo amin’ny diantsika manokana sy ny dian’ny hafa mamakivaky ny fiainana aho, dia nieritreritra ilay dia ataontsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ho antsika izay manaiky an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia mitovy ny lamina arahina eo amin’ny fiainantsika. Mampihatra finoana ny Mpamonjy isika ary manaraka Azy na dia eo aza ireo olana. Mibebaka amin’ny fahotantsika isika sy mandray ireo ôrdônansy ilaina ary maharitra hatramin’ny farany. Tena tsy mitovy anefa ny antsipirian’ny fiainana tsirairay ary ireo olana atrehantsika dia miovaova arakaraky ny olona tsirairay.

Eritrereto ny dia nataon’ny fianakavian’i Lehia nankany amin’ny tany nampanantenaina. Mety hitondra hevi-baovao eo amin’ny dia ataontsika manokana ilay dia miavaka nataon’izy ireo. Fantatr’izy ireo fa nitodi-doha ho any amin’ny tany nampanantenaina iray izy ireo, saingy tsy fantatr’izy ireo ny zavatra rehetra mikasika ilay toerana itodiana na ny lalana mazava hahatongavana any. Niatrika olana goavana izy ireo teny an-dalana. Na i Nefia izay tsy nimonomonona aza dia nanazava fa “efa niaritra fahoriana maro sy fahasahiranana be, eny, be loatra aza izy ireny ka tsy [hain’izy ireo] soratana avokoa.”1

Nahazo fitarihana izy ireo teny an-dalana. Raha ny marina dia nolazaina i Lehia ny alina fa “[tokony hampizotra] ny diany mankany an-tany foana izy ny ampitso.”2 Ny ampitson’izany dia nahita ny Liahôna teo amin’ny fidirana tao amin’ny trano lainy izy izay nanolotra fitarihana avy amin’ Andriamanitra ny amin’ny fizotry ny dian’izy ireo. Saingy tsy nanova ny jeôgrafia nisy teo anelanelan’izy ireo sy ilay tany nampanantenaina azy ireo ny fananana ilay Liahôna. Tsy nampihena ny Peninsule arabique (Saikinosy arabika) na ireo ranomasina tsy maintsy hotetezin’izy ireo izany. Tsy maintsy mbola nandroso ihany izy ireo na dia teo aza ireo olana niaraka tamin’ilay dian’izy ireo nampitolalaga. Saingy tena nitarika azy ireo “tany amin’ny faritra lonaka indrindra tamin’ny tany foana,”3 ilay Liahôna ary rehefa tsy nalaina izy ireo dia nanampy azy ireo handeha tamin’ny lalana mahitsy izany.4

Nimonomonona i Lamàna sy i Lemoela noho ireo olana natrehan’izy ireo nandritra ilay dia. Ny sasany tamin’ireo olana ireo dia avy amin’izy ireo ihany. Kanefa na dia nanaraka ny torolalana sy nanatanteraka ny dia araka ny tokony ho izy aza izy ireo dia mbola niaina fihinanana hena manta sy nandalo andro nisian’ny hafanana mandoron’ny tany foana. Sahala tamin’ny nanjo an’i Lamàna sy i Lemoela ihany dia indraindray ny olona mihevitra fa tsy hanana olana izy ireo fa hoe rehefa manao ny marina izy ireo dia ho mora ny zava-drehetra izay Tsy izay mihitsy anefa no izy. Midika izany fa afaka ny hahazo hery sy fitarihana isika fa tsy hoe tsy ho sendra olana akory isika.

Na dia niara-nandeha tamin’ny naha-vondrona iray azy ireo aza izy ireo dia samy nanao ny diany manokana tsirairay ihany koa izy ireo. Na dia teo aza ilay dia nataon’izy ireo izay hitondra azy ireo any amin’ny toerana iray ihany, dia tena tsy nitovy ary niankina tamin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo sy ny zavatra nataon’izy ireo manokana teny an-dalana ny lalana hodiavian’izy ireo mandrakizay.

Samy manana dian’ny tena manokana sy dia narafitra amin’ny ilain’ny tena manokana isika tsirairay mandritra ity fiainana ity, saingy misy ampahany amin’izany dia izany izay ifampizarantsika amin’ny hafa. Ohatra, miaraka manao dia iray isika ao anatin’ny ezaka ataontsika ao amin’ny seminera sy institiota ary ny fampianarana an’ny Fiangonana. Manana tanjona iray isika. Fantatsika amin’ny ankapobeny ilay toerana itodiantsika, saingy tsy fantatsika ireo sakantsakana rehetra na ny antsipiriany rehetra mikasika ilay lalana hahatongavana any.

Misafidy ny fomba hiarahantsika manao dia amin’ilay vondrona isika tsirairay. Afaka mimonomonona isika. Afaka mifaly isika. Afaka ny ho feno fankasitrahana isika na dia ao anatin’ireo olana aza. Mety ho sarotra ho an’ny sasany ny fiovana misy eo amin’ny fitsipiky ny Fiangonana sy ny fomba fiasany. Tena faly aho mahita ny fandraisan’ny S&I andraikitra eo anatrehan’ireo fanovana azo avy amin’ny fanentanam-panahy izay manome lanja ny fianarana ny filazantsara mifototra amin’ny any an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana.

Tena miatrika olana isika ary hiatrika olana. Afaka mandresy ireny olana ireny sy mianatra avy amin’ireny isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fitarihan’ny Tompo. Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tena miharihary fa nomen’ny Tompo hery mifanaraka amin’ny asa tokony hotanterahina isika ary tanjaka mifanaraka amin’ny adidy napetraka eo anoloantsika ary fahasoavana sy fanampiana araka izay takin’ny zavatra ilaintsika.”5

Mandray fitarihana isika mba hanampiana antsika handeha amin’ny lalana faran’izay mahitsy sy hamakivaky ireo faritra lonaka indrindra amin’ny tany foana mandritra ny diantsika. Mahazo fitarihana avy amin’ireo mpaminany isika. Fantatro fa tarihin’ireo mpaminany, sy mpahita, ary mpanambara isika. Tena fitahiana izany! Tarihin’ny filankevi-pitantanan’ny fampianarana an’ny Fiangonana isika ary manana ny Rahalahy Webb sy ny ekipany ary ireo mpitarika hafa mandray fanentanam-panahy koa isika. Ankoatra izany dia manana fahafahana ny hahazo fitarihana ho an’ny tena manokana isika rehefa miatrika olana manokana mahakasika ireo asa iandraiketan’ny tenantsika.

Mivory isam-bolana ny filankevi-pitantanan’ny fampianarana an’ny Fiangonana sy ny kômity mpanatanterak’izany filankevi-pitantanana izany. Mandray torolalana sy torohevitra isika ao anatin’ireo fivoriana ireo. Isika koa dia voatahy amin’ny fananana ny “Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony” izay misy isan-taona ary tao anatin’izay taona maro izay dia nandray fitarihana tena mahasoa sy mifototra amin’ny zavatra ilaintsika eo amin’ny diantsika amin’ny maha-rafitra iray antsika sy ho an’ny tenantsika manokana.

Mivavaka aho mba hisokatra amin’ny fandraisana fitarihana sy torolalana avy amin’ny Tompo isika. Fantatro fa velona Izy ary hanampy sy hitarika antsika.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy