Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony: Ireo zavatra nisongadina


Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony: Ireo zavatra nisongadina

Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony

Zoma 7 febroary 2020

Nampahatsiahy antsika ny Loholona Bednar fa ny mampianatra dia tsy hoe mitantara. Fa tafiditra ao anatin’izany ny fihainoana, fandinihana, ary fanakarana. Ary tena tafiditra ao anatin’izany indrindra ny fanasana ny Fanahy Masina mba hampianatra antsika.

Fanontaniana

Vao tsy ela izay ny Filoha Nelson no nampianatra ny lanjan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Inona no hampianarinao anay mikasika ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana?

Loholona David A. Bednar

Rehefa manaja ireo fanekempihavanana nataontsika isika dia afaka manana ny Fanahy Masina ho namantsika mandrakariva. Matetika isika no miresaka toy ireny hoe zava-mitranga mahalana izany hoe fihainoana ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahiny izany. Tokony hifantoka kokoa amin’ny famantarana izay mahatonga ny Fanahy hiala isika. Raha toa izaho sy ianao manao izay tsara indrindra vitantsika ary tsy manao fandikan-dalàna goavana, dia afaka miantehitra mandrakariva amin’ny Fanahy Masina mba hitarika antsika isika.

Toa mihevitra ny olona maro fa ny fanentanam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina dia zavatra mahatalanjona sy lehibe ary tampoka. Raha ny marina anefa dia mitarika amin’ny alalan’ny fomba tony sy kely ary miandalana ny Fanahy Masina rehefa mandeha ny fotoana. Matetika ianao dia tsy hahatsikaritra mandritra ilay fotoana andraisanao fanambarana fa eo am-pandraisana fanambarana ianao.

I Nefia no ohatra tsara indrindra maneho izany. Nandeha izy tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataony.1 Nibosesika izy nefa tsy nahafantatra tamin’izay fotoana rehetra izay fa notarihana izy. Tokony ampifandraisintsika fa ny fiasan’ny fanambarana amintsika amin’ny fotoana maro dia azo inoana fa mitovy amin’ny zava-nitranga tamin’i Nefia.

Indraindray ny mpikamban’ny Fiangonana dia matahotra mafy ny hanao fahadisoana, ka noho izany izy ireo dia tsy mibosesika mandroso. Nanao an-tsapaka i Nefia sy ny rahalahiny. Tsy nahomby izany. Hadisoana avy amin’i Nefia ve izany? Tsia. Nianatra lesona lehibe izy. Rehefa nanandrana naka ilay takela-barahana tamin’i Labana izy ireo tamin’ny alalan’ny fampiasana ny volamena sy ny fananan’izy ireo manontolo, dia nianatra lesona hafa indray i Nefia hanomanana azy amin’izay zavatra hitranga any aoriana.

Misy fitsipika ny fandraisana fanambarana. Ohatra, nilaza ny Filoha Packer hoe: “Nilaza tamiko ny Filoha Harold B. Lee fa ny fanentanam-panahy dia mora tonga kokoa rehefa afaka mametraka ny tongotrao ao amin’ny toerana mifandray amin’ny zavatra ilana azy ianao. … Marina ny voalazan’ny Filoha Lee!”2 Ahitana tombotsoa ny hoe any amin’ilay toerana ianao, misaintsaina sy mivavaka ary mikatsaka fanampiana.

Izany fitsipika izany dia misy fiantraikany lehibe eo amin’ny lafiny fanompoana. Olona maro izay voatendry hanompo no mino fa hafatra amin’ny alalan’ny sms dia ampy. Hisy ny fotoana ilainao ny maha ao an-tranon’ny olona anao sy ilainao ny mijery ny olona eo amin’ny masony. Hahazo fahatsapana sy fanentanana ao anatin’ny tokantranony ianao izay tsy ho azonao amin’ny fomba hafa mihitsy.

Fanontaniana

Misy azonao hanampiana ve amin’ny fahatakaranay ny fanambarana azon’ny Filoha Nelson sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana?

Loholona David A. Bednar

Maro amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no miresaka ny amin’ny habetsaky ny fanambarana hatramin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana ny Filoha Nelson. Ireo fanatsarana izay misy ankehitriny dia efa noresadresahana sy nivavahana tao anaty filan-kevitra nandritra ny taona maro ary am-polon-taonany maro mihitsy aza. Amin’ny sehatra maro ny fanambarana dia tsy hoe inona no atao fa hoe rahoviana no hanaovana azy.

Fanontaniana

Ankoatra ny fandraisana fanambarana ny amin’ny hoe rahoviana no hanaovana azy dia handray fanambarana tsindraindray ihany koa isika ny amin’ny zavatra atao, marina ve izany?

Loholona David A. Bednar

Aza atao hoe zavatra roa mitokana ilay izy; tsy hoe raha tsy ny iray dia ilay iray hafa akory. Matetika ny fanambarana momba ny zavatra atao dia tena mazava be. Fa ny fotoana tokony hanaovana azy no tena manahirana ny olona maro. Noho izany, rehefa ilaina izany, dia afaka mahazo fanambarana sady mikasika ny zavatra atao no mikasika ny fotoana hanaovana azy isika, fa tsy hoe ilay iray ihany na ilay iray hafa ihany.

Fanontaniana

Amin’ny maha mpampianatra antsika dia manomana lesona sy mivavaka ho an’ireo mpianatra isika. Ahoana no hamantarantsika ny fanentanam-panahy ho an’ireo izany ampianarintsika sy tompointsika?

Loholona David A. Bednar

Mandritra ny fanomananareo sy ny vavaka ataonareo dia hisy matetika ny eritreritra tonga tampoka, ny fanentanam-panahy mitselatra tampoka, ary mety hisy anarana tonga ao an-tsainareo na tarehy tsy zoviana mihitsy aza. Nanoritsoritra izany amin’ny alalan’ny hoe “hevitra mitselatra tonga tampoka” ny Mpaminany Joseph Smith. 3 Rehefa tonga tampoka izany dia mety hamantatra ianao fa naharay izay zavatra tena nilaina, ary ireo fotoana ireo dia tena miavaka.

Iray amin’ireo loharanon-kevitra lehibe indrindra ho azonareo dia ny fanontaniana izay hapetraky ny mpianatrareo. Efa an-taonany maro izay aho no zatra mamaly fanontaniana avy amina zatovo sy tanora tokan-tena an’arivony maro. Noho ny habetsaky ny olona mandritra ireo fivoriana ireo dia matetika aho no mamela azy ireo handefa ny fanontaniany amiko amin’ny alalan’ny hafatra manokana amin’ny fomba voafehy. (Tsy mandroso hevitra aho akory hoe tokony hanao toy izany koa ianareo.) Ny famakiana ireny fanontaniana ireny dia isan’ireo traikefa ara-pianarana lehibe indrindra mety ho azon’ny olona iray izay miara-miasa amin’ny tanora. Tena manontany momba ny zavatra mampitebiteby azy ireo sy ny zavatra ilainy fanampiana izy ireo. Ahoana no hahalalana ny zavatra tokony tenenina na ampianarina nefa tsy fantatsika hoe inona no mahazo azy ireo?

Fanontaniana

Rehefa mikatsaka fanambarana isika dia tsy tokony hanao lisitra miendrika fandidiana, izany hoe lisitra ana zavatra tokony atao sy ny fotoana hanaovana azy. Tokony hifototra kokoa amin’ny fitsipika ilay izy, sa tsy izany? Misy anefa ireo ohatra ahitana an’i Nefia, Joseph Smith, ary Joseph F. Smith izay namaky ny soratra masina, nihaino ny mpaminany, ary avy eo nandray fanambarana. Fitsipika ve ireny sa lamina arahina?

Loholona David A. Bednar

Mivoky amin’ny tenin’ Andriamanitra isika mba hahafahantsika mamantatra ny feon’ny Tompo. Rehefa ovaintsika ho lisitra ny fikatsahana fanambarana—izany hoe ataovy ireto zavatra ireto dia hitranga izao zavatra izao—dia izay ilay zavatra tsy tokony atao mihitsy. Tsy maintsy mihaino ny Tompo isika, misokatra tsara sy vonona hamaly amin’ny fotoany, fa tsy mitaky fanambarana mifototra amin’ny fotoantsika.

Fanontaniana

Ahoana no ahafahantsika ho vonona lalandava amin’ny fandraisana fanambarana eo amin’ny fiainana, amin’ny fotoana mahavonona ny Tompo amin’ny fandrotsahana izany amintsika?

Loholona David A. Bednar

Manan-danja ilay teny hoe mahavonona. Ny fiainantsika manontolo dia tokony hahavonona antsika hatrany amin’ny fandraisana fanambarana—mba “hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika].”4

Mety hisy ireo izay handray an’izany an-tendrony; miangavy aho ny mba hananana fiheverana voalanjalanja tsara.

Eritrereto ny fomba nahalasa mpitantsoratr’i Joseph Smith an’i Oliver Cowdery. Nahare ny amin’ireo takela-bolamena izy, nahare momba an’i Joseph Smith izy, ary nanam-paniriana ny hihaona amin’i Joseph izy. Nandray andraikitra teo anatrehan’izany faniriana izany izy.

Hoy ny Tompo tamin’i Oliver:

“Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, sambatra ianao noho izay efa nataonao; fa efa nanontany Ahy ianao, ary indro, isaky ny avy nanontany ianao dia efa nandray toromarika avy amin’ny Fanahiko. Raha tsy izany dia tsy ho tonga teo amin’ny toerana izay misy anao amin’izao fotoana izao ianao.

“Indro, fantatrao fa efa nanontany Ahy ianao ary nanazava ny sainao Aho.”5

Ilay fehezan-teny manaraka ao amin’io andininy io amiko no tena manaitra. Nentanin’ny Fanahy i Oliver tamin’io ary tsy tao an-tsainy mihitsy fa nentanim-panahy izy. Nandray fanambarana izy tamin’izay ary tsy nahalala akory hoe izy anie ka teo am-pandraisana fanambarana. Tonga tamin’ny alalan’i Joseph Smith noho izany ny fanambarana iray ho an’i Oliver hilazana taminy fa notaomim-panahy ary nandray fanambarana i Oliver.

“Ary ankehitriny lazaiko aminao ireto zavatra ireto mba hahafantaranao fa efa nohazavain’ny Fanahin’ny fahamarinana ianao.”6

Izany no tiako niaviany momba ilay hoe manana ny Fanahiny miaraka amintsika lalandava.

Fanontaniana

Nilaza ianao teo fa i Nefia sy ny rahalahiny dia nanao an-tsapaka mba hanapahana hoe iza no handeha hangataka ny takela-barahana ary ny hoe nanandrana nividy izany tamin’ny alalan’ny volamena sy volafotsy izy ireo. Rehefa mila manao zavatra iray isika dia ahoana no ahazoana antoka fa amin’ny fotoana mampety izany no anaovantsika izany? Ahoana no ahafantarantsika fa amin’ny fomba mampety azy no hanaovantsika azy?

Loholona David A. Bednar

Tsy nanao hadisoana na diso fihevitra mikasika ny fotoana hanaovana azy i Nefia. Traikefa fianarana ilay izy, andalana anampy andalana, fitsipika anampy fitsipika. Nomanina izy nandritra ireo andrana tsirairay avy—“tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataony.”7

Raha manao ny tsara indrindra vitantsika isika ary miezaka ny hohamasinina sy hanolotena, dia hitaona ny hafa amin’ny fomba mampety izany hatrany isika. Ny lanitra no mitantana ity asa ity fa tsy ianao, tsy izaho. Amin’ny maha-mpikamban’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ahy dia manatanteraka iraka foana aho izay tsy haiko tsotra izao ny manao azy. Rehefa manao izay tsara indrindra vitanao ianao dia hivoatra sy hitombo. Tsy hahafantatra mazava tsara foana ny fotoana mampety azy ianao. Atovy fotsiny ny tsara indrindra vitanao.

Ny Filoha Hinckley dia mampianatra matetika ny hoe: “Hilamina foana ny zava-drehetra amin’ny farany.” Nino izany aho, saingy mbola nieritreritra foana aho hoe, “Aiza kosa e, tsy maintsy mba misy zavatra hafa kosa e.” Arakaraka ny nahalehibe ahy no nahatakarako fa izay ihany no valiny. Tsy havelan’ Andriamanitra ho irery ianao rehefa miezaka mamonjy sy manabe ary manompo ireo zanany. Raha manao ny tsara indrindra avy aminao ianao, ka miasa amim-pahamarinana, dia hilamina izany amin’ny farany. Ary hanatsoaka lesona ianao eo am-panaovana izany.

Fanontaniana

Ahoana no hampianarantsika ny mpianatra izay mety hahatsiaro tena ho tsy mahavita azy amin’ny hoe tokony ho vonona handray fanambarana amin’ny fotoana rehetra izy ireo? Fa izany dia toa zavatra goavana ho azy ireo.

Loholona David A. Bednar

Aza mieritreritra hoe “Inona no holazaiko azy ireo?” fa mifantoha kosa amin’ny hoe “Inona no hanontaniako azy ireo?” Ary tsy ny hoe “Inona no hanontaniako azy ireo?” fotsiny fa ny hoe “Inona no zavatra anasako azy ireo mba hataony?” ihany koa.

Ny fametrahana izany fanontaniana izany mihitsy dia efa manasa azy ireo sahady hanao zavatra. Raha hamaly izany mpianatra izany dia fanehoana finoana an’i Kristy izany. Fitsipika sady mifono asa no mifono hery ny finoana. Rehefa manao asa mifanaraka amin’ireo fampianaran’i Kristy isika dia voatahy amin’ny fahazoana ny heriny. Ny zavatra irian’ny maro amintsika voalohany dia ilay heriny mba hahafahantsika manao asa. Tsy mahomby izany.

Tsy tokony hoe “Inona no holazaiko azy ireo?” no zavatra iriantsika. Ny fanontaniana tokony hipetraka amintsika kosa dia ny hoe: “Inona no azoko anasana azy ireo mba ho ataony? Inona no fanontaniana entanim-panahy azoko apetraka ka, raha vonona ny hamaly izy ireo, dia hanomboka hanasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainan’ilay olona?” Raha ny marina dia tena tsotra ireo fanontaniana tokony apetraka, toy ny hoe “Mianatra inona ianao izao?” Rehefa mamaly fanontaniana ny olona dia manasa ny Fanahy Masina hitarika azy amin’ny valiny homeny izy. Ny anjara asantsika dia ny manao izay hahafahana mamoaka ireo zavatra ireo ary manasa azy ireo handray andraikitra mba hahafahan’ny Fanahy Masina mampianatra.

Raha tianareo izy ireo ary raha tena miezaka ny hanao izay irian’ny lanitra ianareo, dia ho voatarika amin’ny fomba faran’izay tsotra ianareo. Tsy tokony hasarotina ny fanontaniana. Miezaka mamantatra ianareo hoe aiza ho aiza ny fahatakaran’izy ireo satria tena miraharaha azy ireo ianareo.

Misy foana ny fiahiana voamarina ny amin’ireo tanora izay lavo. Maro loatra izy ireo no tsy nasaina hianatra manokana; miantehitra fotsiny amin’izay nolazain’ny hafa tamin’izy ireo izy ireo. “Raha zavatra nampianarin’olona na nambaran’olona no hany zavatra rehetra fantatro sy fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny dia miorina eo ambony fasika … ny fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy.”8 Izay no mahatonga ny fanasana azy ireo handray andraikitra sy hianatra ho an’ny tenany manokana manampy azy ireo hanorina fototra matanjaka kokoa.

Fanontaniana

Vao voalohany ny zatovolahy iray no namaky ny Bokin’i Môrmôna, dia mieritreritra izy fa tsy nahatsapa ny Fanahy. Mety hoe niandry anjely avy any an-danitra izy hilaza aminy fa marina ilay izy. Ahoana no ahafahantsika manampy rehefa sendra toe-javatra toy an’izay?

Loholona David A. Bednar

Betsaka ny mpikambana mahatalanjona sy mahatoky ao amin’ny Fiangonana no mihevitra fa tsy mahavita azy izy ireo satria tsy mba niaina traikefa miavaka be tahaka ireo izay resadresahana tsindraindray mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona. Tsy tokony raisina ho ny mahazatra ny traikefa miavaka be. Raha manaja ny fanekempihavanana nataonao ianao ka mibosesika mandroso dia mety tsara izany ary izay no izy. Tsy ilay hazavana no nampiova fo an’i Saoly. Tsy ny anjely no nampiova fo an’i Almà Zanany.

“Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra.”9 Tsy fahatokiana ny tenanao, fa fahatokianao Azy Ireo, mba hahavita ny zavatra izay tsy vitan’iza n’iza amintsika.

Rahalahy Chad Webb

Ny zavatra izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’i Kristy dia avy amin’ Andriamanitra.10 Mety ho gaga isika rehefa mahafantatra indray andro any fa ny eritreritra izay noheverintsika fa avy amintsika dia avy amin’ny Fanahy Masina raha ny tena marina. Rehefa miezaka ny hanao ny tsara isika dia hotarihin’ny Fanahy Masina ny eritreritsika sy ny faniriantsika.

Ao amin’ilay lahatenin’ny Filoha Nelson miompana amin’ny fanambarana dia manasa antsika izy hamboraka ny fontsika amin’ny Ray any An-danitra, hiresaka Aminy, ary ho marin-toetra Aminy, ary hihaino avy eo. Nangataka antsika izy handray an-tsoratra ireo fahatsapana tonga ao amintsika ary hanaraka izany amin’ny asa. Dia nilaza izy avy eo hoe: “Rehefa mamerimberina izany dingana izany ianareo isan’andro, isam-bolana, ary isan-taona, dia “hitombo ny fahaizanareo mampihatra ny fitsipiky ny fanambarana”11

Ny ankamaroan’ny fanentanam-panahy tonga amiko manokana dia tsy tonga rehefa izaho nivavaka iny. Nivavaka aho, nisaintsaina aho, niezaka nanoratra ireo fahatsapana tonga tao amiko aho. Saingy rehefa nandray andraikitra aho vao tonga ny fanentanam-panahy. Manomboka tonga ny valim-bavaka mandritra ny lesona, rehefa ianao eo am-pihirana fihirana iray, rehefa miresaka amin’olona, na amin’ny toe-javatra hafa.

Loholona David A. Bednar

Fampitandremana: ny fomba na endrika isehoan’ny fanambarana dia mety ho samy hafa ho an’ny olona manerana izao tontolo izao. Ny olona ao Afrika ohatra dia mazàna no manana nofy miavaka. Mateti-pitranga amin’ireo misiônera ny mifanena amin’olona eny an-dalana miteny hoe: “Hitako tanaty nofy ianao ary manana hafatra avy amin’ Andriamanitra ho ahy ianao. Te handre izay holazainao ahy aho.” Tsy mahazo nofy tahaka ny sasany amin’ireo Olomasina mahatoky ao Afrika aho.

Amin’ny ankapobeny isika dia mampianatra avy amin’ny traikefantsika, ka dia mila mitandrina isika noho izany sao hanery ny fomba nahazoantsika traikefa amin’ny hafa. Tsy midika izany hoe tsy mahomby kokoa na tsy ilaina ny fomban’izy ireo. Tsarovy fa amin’ny alalan’ny fomba isan-karazany no ifandraisan’ny Fanahin’ny Tompo amin’ny saina sy ny fon’ny olona iray.

Miangavy aho ny mba hisokafanareo amina zavatra isan-karazany mba hahafahanareo manasa sy manainga ny hafa hanao toy izany mba hahafahan’izy ireo mandray andraikitra sy mianatra ho an’ny tenany.

Fanontaniana

Ahoana no hampitomboantsika ny fahafahantsika mandray fanambarana manokana ka tsy miantehitra amina dingana iray mety ho rentsika na novakiantsika avy tamin’olona?

Loholona David A. Bednar

Ny teny nindramina iray avy amin’ny Filoha Joseph F. Smith dia loharanom-pahatakarana tena lehibe ho an’ny olona iray izay vao manomboka eo amin’ny fahazoana fahatokian-tena amin’ny fandraisana fanambarana:

“Asehoy mpikambana mila miankina amin’ny fahagagana sy fambara ary fahitana mba hihazonana azy ho mafy orina ato amin’ny Fiangonana aho dia ho hasehoko mpikambana ratsy laza eo anatrehan’ Andriamanitra sy mandeha amin’ny lalana malama ianareo. Tsy amin’ny alalan’ny fisian’ny fisehoana mahavariana eo amintsika akory no hampijoro antsika ao amin’ny fahamarinana, fa amin’ny alalan’ny fanetrentena sy ny fankatoavana feno fahatokiana ny didy sy ny lalàn’ Andriamanitra. …

“Fony aho zazalahy dia nangataka matetika ny Tompo aho haneho amiko zava-mahagaga mba hahazoako fijoroana ho vavolombelona. Saingy tsy nomen’ny Tompo zava-mahagaga aho, fa nasehony tamiko ny fahamarinana, an-dalan-tsoratra anampy an-dalan-tsoratra, nandrapahatonga ny fotoana nampahafantarany ahy ny fahamarinana avy any an-tampon-dohako ka hatrany am-paladiako, ary nandrapialan’ny fisalasalana sy ny tahotra tanteraka tato amiko. Tsy nila nandefa anjely avy any an-danitra mba hanao izany Izy, na koa niteny tamin’ny trompetran’ny arikanjely. Tamin’ny alalan’ilay feo malefaka sy tonin’ny Fanahin’ Ilay Andriamanitra velona dia nanome ahy ny fijoroana ho vavolombelona izay ananako Izy.

“Ary amin’ny alalan’izany fitsipika sy hery izany no hanomezany ny zanak’olombelona rehetra fahalalana ny fahamarinana izay hitoetra amin’izy ireo, ary hampahafantatra azy ireo ny fahamarinana izany, tahaka ny ahafantaran’ Andriamanitra izany, sy hampanao azy ireo ny sitrapon’ny Ray tahaka ny hanaovan’i Kristy an’izany. Ary tsy misy andiam-pisehoana mahagaga izay afaka hanatanteraka izany na oviana na oviana.”12

N’iza n’iza manana olana dia afaka manao ireo dingana voalohany ka manao izay nataon’i Joseph F. Smith.

Ny mpikambana sasany ao amin’ny Fiangonana dia te hahita hazavana eo amin’ny lalana mankany Damaskosy, izay vao hino. Izany tokoa ve? Moa ve i Saoly afaka namantatra ilay feo tony sy malefaka? Nila nomena tefaka ara-panahy teo amin’ny hatoka izy. Maro no miandrandra ny hahita anjely tahaka an’i Almà Zanany? Izany tokoa ve? Tsy afaka nandray ilay feo tony sy malefaka i Almà Nila nomena tefaka ara-panahy teo amin’ny hatoka izy. Ary nijoro ho vavolombelona ny Filoha Joseph F. Smith fa tsy ny hazavana na ny anjely. Fa ny famantarana ilay feo tony sy malefaka no mitondra fahatokisan-tena. Mandehana dia tanteraho fotsiny.

Raha tsy mitandrina ny didy isika dia tsy afaka hanana izany fahatokian-tena izany ary tsy afaka hiaraka amintsika ny Fanahy. Misy ireo tanora izay mila mibebaka ary misy ireo tanora izay mampijaly tena loatra ka tsy mba mihevitra ny tenany ho tsara mihitsy. Tsy voatery hoe tonga lafatra, mibebaha amin-kitsimpo fotsiny, meteza ho tsara, ataovy ny tsara indrindra vitanao, ary mandrosoa hatrany.

Fanontaniana

Niresaka sy nanoratra zavatra maro mikasika ny fifantohana amin’ny mpianatra sy ny fivoaran’izy ireo ianao. Misy zavatra hafa tianao ampianarina anay ve momba ny fanasana ny Fanahy Masina ao amin’izany lamina izany?

Loholona David A. Bednar

“Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, ary aoka tsy indray ho mpitondra teny ny rehetra; fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra, mba hananan’ny olona [lahy sy vavy] tsirairay zo mitovy.”13 Tsy isika no mpampianatra fa ny Fanahy Masina. Ity andinin-tsoratra masina ity dia famporisihana ny hanendrena ny Fanahy Masina ho ny mpampianatra. Ary “lamina iray”—fa tsy hoe lamina tokana—hoe miteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra. Toa tsotra be izany, ary toa mora tanterahina mihitsy aza.

Raha mahazo aina ny olona dia mety hamoaka ny fanontaniany sasany sy ny zavatra tsy ahazoany antoka izy ireo. Tsy hoe mianatra mivantana avy amin’ireo olona ao amin’ny efitrano izy ireo, fa ny olona iray dia mety hilaza zavatra izay mamela ny Fanahy Masina hampianatra azy manokana. Mandray anjara amina fanehoam-pinoana faobe amin’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo satria ny olona tsirairay ao amin’izany dia mangataka sy mikatsaka ary mandondona. Ny manasa no ataontsika ao anatin’izany fanehoam-pinoana manokana sy faobe izany. Ny teny hoe manendre dia tsy midika hoe tondroy. Tsy manondro ny Fanahy Masina ho ny mpampianatra isika fa afaka manasa sy mitaona kosa ny Fanahy Masina mba hampianatra.

Nandritra ny fivoriana iray niarahana tamin’ny misiônera dia nifanakalo hevitra momba ana olana maro izahay, dia nanontany ireo misiônera aho hoe: “Inona no zavatra renareo kanefa tsy voalaza?” Ny misiônera 18 taona iray, izay vao efatra herinandro monja no naha tao amin’ny saha azy, no namaly hoe: “Ry Loholona Bednar, raha toa ka reko avy taminao na tamin’ny misiônera hafa ilay izy dia hafatra ho an’ny rehetra izany. Fa raha tsapako ao am-poko na misy eritreritra ao an-tsaiko, dia avy amin’ Andriamanitra izany ary natao ho ahy manokana.” Tena mampiaiky izany valin-teny izany. Adiny firy no ilaina hamelabelarana hevitra na hamolavolana karazana tantara an-tsehatra na fanandramana hafa mba ahafahan’ny olona 18 taona iray hanana fahatakarana ara-panahy toy izany?

Ka ny fanasana azy ireo handray andraikitra noho izany, mba hampihatra ny finoan’izy ireo, dia manampy mba hitaomana ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo manokana sy ny rehetra miaraka.

Manan-danja be ny fampianarana mifantoka amin’ny mpianatra ary ny fanasana ny Fanahy Masina mba ho ny mpampianatra Manana anjara asa isika ao anatin’izany. Isika no manasa sy mitaona ary mitarika, dia ny Fanahy Masina avy eo no mitondra ny fandehan-javatra amin’ny fomba mahagaga.

Fanontaniana

Nanontany ahy ny tanora vavy iray raha toa ka tsaroako ny nampianarako azy an’izay fitsipika anankiray izay. Nanova ny fiainany mandrakizay izany hoy izy. Tadidiko ilay toe-javatra, ary tsy nampianatra izany azy mihitsy aho; raha ny marina dia tsy azony ny zavatra tiako nampianarina tamin’izay. Nampianarin’ny Fanahy izy. Ahoana no hanampiantsika ny mpianatra hamantatra fa eo am-pandraisana fanambarana izy ireo mba hahafahan’izy ireo mahatoky tena ny hikatsaka fanambarana misimisy kokoa ho an’ny tenany manokana?

Loholona David A. Bednar

Inona no zavatra mety asainao ataony mba hananany maso mahita ny zavatra tsy hitany taloha?

Ny Fanahy Masina dia hampatsiaro antsika ny zavatra rehetra.14 Niaina zavatra miavaka izy nandrenesany zavatra izay mazava fa tsy nolazaina mihitsy. Ampio izy hamantatra izany. Angataho izy hieritreritra momba ny zavatra niainany ary hiaina indray tranga iray na roa mitovy amin’izany. Ampio izy hahita zavatra miverimberina ao amin’ireo zavatra roa na telo nitranga ireo ary hamantatra hoe inona no nitondra izany hevi-baovao ara-panahy izany?

Ahitana fahasamihafana be raha ny momba ny tanora eo anivontsika, ary izy ireo dia samy manana fanamby sy olana isan-karazany. Isika anefa dia tokony hiandrandra azy ireo mba ho ny karazana olona araka ny voalazantsika azy ireo. Ary mila manasa azy ireo mba handray andraikitra isika. Dia ho talanjona ianareo amin’ny zavatra hoavoakan’izy ireo. Eritrereto voalohany aloha ny zavatra anasana azy ireo mba ho ataony mba hahafahany mianatra ny zavatra ilainy ianarana.

Fanontaniana

Azonao ampiana ve izahay hahatakatra, na hianatra mihitsy angamba, ny fomba fihainoana sy fandinihana tsaratsara kokoa?

Loholona David A. Bednar

Omeko sosokevitra ianareo hividy tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tsy lafo ary hamaky izany manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ka hitady ny fisehoan’ny hoe “maso hahita, sy sofina hihaino,” na izany fa voalaza amin’ny fomba hafa fotsiny. Jereo ihany koa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mankanesa amin’ny nahim-po ao amin’ny soratra masina, izany hoe anontanio, katsaho, ary dondony, miaraka amin’ny fanontaniana hoe: “Ahoana no hahitako ny zavatra izay mazàna tsy hitako? Ahoana no handrenesako ny zavatra izay mazàna tsy reko?” Rehefa mankao amin’ny soratra masina ianao miaraka amin’ireo fanontaniana ireo, dia hampianatra anao ny Fanahy Masina ka hanome valiny ny fanontanianao. Tsy afaka izaho no hanome azy anao; hampianatra anao manokana sy mitokana ary ho an’ny tenanao manokana ny valim-panontaniana izay natao ho anao manokana ny Fanahy Masina.

Mamelà ahy hizara ohatra iray mikasika an’izay. Efa hatramin’izay i Susan vadiko no mpamangy isan-tokantrano mahatoky sy mahatalanjona. Rehefa tonga ary ny fanovana natao momba ny fanompoana izay nangatahan’ny Filoha Nelson ny hanaovana fanompoana “avo sy masina kokoa,”15 dia nihaino i Susan ka naniry ny hahafantatra ny tena hevitr’izany. Rehefa nisaintsaina sy nivavaka izy dia tonga taminy ny eritreritra nanaitra azy ny hanontany ireo rahavavy tompoiny hoe: “Midika inona aminao izany hoe avo sy masina kokoa ny fanompoana ataonay?”

Izany no fanontaniana tsotra indrindra sy tokony mipetraka indrindra, nefa ny valinteny nomen’ireo rahavavy dia tena nahavariana tokoa. Ny rahavavy iray dia nangataka ny fiarahana mandeha any amin’ny tempoly. Ny rahavavy hafa indray dia nangataka ny hamakiana lahateny tamin’ny fihaonambe maneran-tany ary ny fiarahana misakafo avy eo mba hiresadresahana momba izay zavatra nianarana. Nanontany tena i Susan sao dia mba nisy diso ary ny zavatra nataony taloha. Tsy nisy zavatra diso nataony. Avo sy masina kokoa—nosokafana ny maso mba hahita izay tsy mbola hita taloha.

Fanontaniana

Mandritra ireo minitra ambiny dia azonao zaraina aminay ve izay tianao zaraina ary ny fijoroanao ho vavolombelona?

Loholona David A. Bednar

Tiako ianareo. Tiako ianareo amin’izao ary ny olona izay ilofosanareo mba ho hahatongavana. Tiako ny zavatra ataonareo. Samy afaka mihatsara avokoa isika rehetra, saingy hoy aho hoe “Misaotra.” Misaotra anareo aho amin’ny anaran’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Filankevi-pitantanan’ny Fiangonana misahana ny Fampianarana.

Ny miaina eto an-tany amin’izao vanim-potoan’ny fahafenoan’ny fotoampitantanana izao no fitahiana lehibe indrindra amin’ny fiainana. Taona maro lasa izay dia namerimberina niteny tamiko ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe, “David a, ity no vanim-potoana lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny.” Ary tena marina no nolazainy.

Eritrereto anie ireo zavatra afaka hitanareo. Eritrereto fa ity taona ity no faha-200 taona nitsingerenan’ny Fahitana Voalohany. Natao filazana ny hananganana tempoly any Papouasie, Nouvelle Guinée sy any Phnom Penh, Cambodge. Manana misiônera isika ao amin’ny Firaisana Sôvietika sy ireo firenena kaominista taloha ary tempoly any Ukraine. Izao no vanim-potoana lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny.

Ary manana andraikitra manokana isika amin’izao andro izao. Raha natokana ho amin’izao andro izao isika dia satria betsaka ny asa ho ataontsika, ary manana anjara asa isika amin’ny fanampiana ny taranaka vao misondrotra mba ho vonona. Ity no vanim-potoana lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny, izay ahitana ny fanoherana lehibe indrindra ary ireo fahafahana lehibe indrindra. Tafaraka isika amin’izao andro izao, manana ity fahafahana ity hanompo, hijoro ho vavolombelona, hanao fanompoana, ary hamonjy.

Mivavaka aho ny mba hamenoan’ny Fanahy Masina izay tsy voalazako sy izay tiako ampitaina. Ijoroako ho vavolombelona fa niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray sy ny Zanaka 200 taona lasa izay . Ijoroako ho vavolombelona fa ny Ray no Raintsika, ary Izy no namorona ny drafitry ny fahasambarana. Fantatro, ijoroako ho vavolombelona, ary ambarako ny tenivavolombeloko fa i Jesoa Kristy no Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. Nitsangana tamin’ny maty Izy; foana ilay fasana. “Tsy ato Izy, fa efa nitsangana.”16

Ijoroako ho vavolombelona fa tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith no namerenana tamin’ny laoniny teto an-tany ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana ary ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanaka no nanomboka ny Famerenana amin’ny laonin’ny filazantsara. Mijoro ho vavolombelona aho fa mbola mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny

Mijoro ho vavolombelona sy maneho ny fitiavako anareo aho amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy