Tahirim-pitaovana
Mpampianatra avy amin’ Andriamanitra


Mpampianatra avy amin’ Andriamanitra

Takariva hiarahana amin’ny Loholona M. Russell Ballard

Lahateny ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF • 26 febroary 2016 • Tabernakelin’i Salt Lake

Ry rahalahy sy anabavy malalako, feno fankasitrahana aho miaraka aminareo anio alina. Alohan’ny handrosoako anareo ny Loholona Ballard dia tiako ny hizara zavatra vitsivitsy aminareo.

Tamin’ny volana aogositra lasa teo aho dia niresaka taminareo momba ny tsy maintsy hiezahantsika hanatanteraka ireo andraikitra lehibe nankinina tamintsika. Mila manabe ny taranaka vao misondrotra amin’ny fomba lalindalina sy mahery vaika kokoa noho ny efa nataontsika hatrizay isika. Ary midika izany fa mila ho tsaratsara kokoa sy manao zavatra tsaratsara kokoa mihoatra noho ny ataontsika sy vitantsika isika rehetra.

Raha nieritreritra momba izany andraikitra avy amin’ny Tompo izany sy ny fahafahako miresaka fohifohy anio alina aho dia voasarika handinika ilay tantara mikasika ny famangian’i Nikodemosy an’ny Mpamonjy nony alina ny saiko, izay voarakitra ao amin’ny Jaona toko fahatelo. Hoy i Nikodemosy: “Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.”1

Io fehezanteny io dia tsy nilaza fotsiny hoe iza moa i Jesoa—izany hoe mpampianatra avy amin’ Andriamanitra—fa nanambara ihany koa ny zavatra ataon’ireo mpampianatra avy amin’ Andriamanitra: mahatonga fahagagana eo amin’ny fiainan’ireo izay ampianariny izy ireo satria momba azy ireo Andriamanitra.

Mahafantatra tsara mpampianatra iray toy izany aho. Te hizara aminareo tantara iray momba azy aho anio alina. Antsoiko hoe “Ny tantaran’ilay mpitarika zaza madinika” izany.

Nisy rahavavy iray voantso ho mpitarika zaza madinika tao amin’ny paroasy nisy azy. Efa voaofana tsara izy tany amin’ny oniversite, ary nanana hevitra maro mikasika ny zavatra atao sy ny taozavatra azon’ireo kilonga tanterahina izy. Nanapa-kevitra izy fa ilay kilasin’ny zaza madinika dia ho maodely atao filamatra.

Herinandro maro taty aoriana dia kivy ilay rahavavy. Enta-mavesatra ny kilasin’ny zaza madinika. Nampatahotra azy ny miaraka amin’ireo kilonga. Na dia teo aza ireo fiomanana nataony dia sorisorena sy nitomany ary tsy niraharaha azy ireo kilonga isan-kerinandro. Izay rehetra nandramany dia tsy nety avokoa. Isan-kerinandro izy dia nody feno ranomaso.

Tamim-pahasorenana izy no nitaraina hoe: “Efa nanao ny tsara indrindra azoko natao aho! Inona no azoko atao mihoatra izany?”

Nisy eritreritra iray tonga tao an-tsainy: Angataho amin’ny Ray any An-danitra ny zavatra tokony hataonao. Teo am-pamafàna ny ranomasony izy dia nandohalika mba hivavaka. Nivavaka momba ilay kilasin’ny zaza madinika sy ny zavatra nantenainy ary ny zavatra nahasorena sy nahakivy azy izy. Nivavaka mba hahazo ny fanampiany sy ny fitarihany izy.

Namaly ny vavaka nataony ny Ray any An-danitra. Nisy fahatsapana nahery vaika tonga taminy: Ireo drafitra enti-mampianatra nataonao dia momba ny tenanao. Ireo kilonga no ifantohy; mianara mahafantatra azy ireo ka tiavo izy ireo.

Hafatra tsara izany kanefa sarotra nohenoina. Nahafantatra ilay rahavavy fa tokony hibebaka izy. Nila nanana toe-tsaina sy fomba fiasa vaovao mikasika ilay kilasin’ny zaza madinika izy. Nivavaka sy nandalina ny soratra masina mba hahazo fanentanam-panahy izy.

Rehefa nankao amin’ny kilasin’ny zaza madinika ilay rahavavy ny alahady manaraka dia tsy nahatsapa tahotra mihitsy. Nahatoky ny Tompo izy. Nihaona tamin’ireo kilonga teo am-baravarana izy, ka nandohalika mba hitovitovy halava amin’izy ireo ary niarahaba azy ireo tamin’ny anarany avy. Niresaka tamin’izy ireo momba ny fianakavian’izy ireo sy ny sakafo tian’izy ireo indrindra ary zavatra maro hafa izy. Notanterahiny ny fotoana fianaran-kira ary namaky tantara ho azy ireo izy. Ny kilonga sasantsasany dia nitomany sy sorisorena, kanefa nisy fahatsapana hafa tao amin’ilay kilasin’ny zaza madinika tamin’io herinandro io. Ary rehefa nirava dia reraka ilay rahavavy, fa tsy nitomany.

Niova tsikelikely ny fahatsapan’ilay rahavavy mahafatrapo momba ireo kilonga madinika rehefa nihanahafantatra bebe kokoa momba azy ireo izy. Lasa tsy andrin’ilay mpitarika zaza madinika ny hahatongavan’ny alahady. Nientanentana izy ary sambatra rehefa niaraka tamin’ireo kilonga madinika. Tiany izy ireo.

Ary dia … tonga ny aingam-panahy. Indray herinandro izy dia nitondra fakan-tsary tao amin’ny kilasin’ny zaza madinika ary naka ny sarin’ny kilonga tsirairay. Nanomana tabilao fametahana sary izy ary napetany teo amin’ilay tabilao ny sarin’ny kilonga tsirairay, ary nentiny tao amin’ny kilasin’ny kilonga madinika isan-kerinandro ilay tabilao. Tian’ireo kilonga ny mahita ny tenan’izy ireo eo amin’ilay tabilao. Tsy nahatsapa hoe manan-danja fotsiny izy ireo; nahatsapa koa izy ireo fa notiavina.

Taty aoriana dia nampiasa ireo zavatra nokasainy atao ilay mpitarika zaza madinika mba hampianarana ireo kilonga. Tian’ireo kilonga izany. Raha ny marina dia tena tian’ireo kilonga madinika ny kilasin’ny zaza madinika hany ka mihazakazaka izy ireo rehefa mankany, aorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Tian’ireo kilonga ny manatrika ny kilasin’ny zaza madinika. Tian’izy ireo ilay mpitarika ny kilasy ary izy dia tia azy ireo.

Betsaka ny fitsipika azo ianarana avy amin’io tantara io. Ny tena manan-danja indrindra dia ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Ny finoan’ilay mpampianatra no nitarika azy handohalika hivavaka, finoana izay namporisika azy hibebaka ary finoana izay nitarika azy handroso na dia tsy nahafantatra tsara ny zavatra tokony ho nataony aza. Ny finoana no fitsipika voalohany.

Ny faharoa dia ny fanantenana. Mety ho sarotra ho an’ny ankizy madinika ny manatrika ny kilasin’ny zaza madinika. Mety hahatsapa tahotra na ho irery na ho nilaozana mihitsy aza izy ireo. Mety hanontany tena izy ireo raha misy fomba hivoahana. Ilay mpitarika ny zaza madinika koa dia nanana fahatsapana mitovy amin’izany, kanefa niezaka izy manoloana izany, ary nahafantatra izy fa misy fanantenana ao amin’i Kristy. Ny fanantenany dia “velona” sy “namirapiratra” ary “nanjelanjelatra,” ary tsapan’ireo kilonga izany.

Ny fitsipika fahatelo dia ny fanetrentena. Ny fieboeboana sy ny fitokiana ny sandry nofo dia mety hampidi-doza ho an’ny mpampianatra. Ny fanetrentena—izany hoe azo ampianarina—no vahaolana lehibe amin’ny fieboeboana. Ilay mpitarika zaza madinika dia nanao zavatra araka ny finoany an’i Kristy mba nahafahany nanetry ny tenany teo anatrehan’ny Rainy any An-danitra. Nomeny hazavana izy ary notahiany ka nomeny fahendrena tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ny fitiavana no fitsipika fahefatra—dia ny fitiavana madion’i Kristy. Tamin’ny voalohany dia tsy mora notiavina ireo kilonga. Saingy nanam-pinoana an’i Kristy ilay mpitarika zaza madinika, ka nandroso tamim-panetrentena sady nanana fanantenana tao Aminy mba hitiavana ireo kilonga ireo izy. Nitahy azy tamin’ny fitiavana madion’i Kristy Andriamanitra, ary ireo kilonga dia nahatsapa izany. Raha ny marina dia nanorina fifandraisana akaiky nifototra tamin’ny fiantrana tamin’ireo kilonga ireo ilay mpitarika zaza madinika. Izany fifandraisana izany dia lasa fitaovana ara-panahy nahafahan’ny fianarana sy ny famporisihana ary ny fanantenana niseho.

Ry rahalahy sy anabavy, mivavaka aho ny mba hitoeran’ireo fitahian’ Andriamanitra eo amintsika, ka isika tsirairay avy, na aiza na aiza toerana ampianarantsika dia hampihatra ireo fitsipiky ny finoana, fanantenana, fanetrentena ary fitiavana ireo amim-pahazotoana sy risimpo ary faharetana bebe kokoa mihoatra noho ny teo aloha. Fantatro fa raha manao izany isika dia hiaraka amintsika ny famindrampon’i Kristy ary ho mpampianatra avy amin’ Andriamanitra marina isika, ka hahatonga fahagagana eo amin’ny fiainan’ireo mpianatsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy