Fampaherezam-panahy amin’ny Krismasy
Anjely maoderina maro be


Anjely maoderina maro be

Miarahaba anareo ry rahalahy sy anabavy malalako. Fitahiana ho ahy izao fahafahako miresaka aminareo izao androany hariva noho ny fankalazantsika ilay zava-niseho faran’izay lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia ilay fahatongavan’ny Zanak’ Andriamanitra teto an-tany izany. Fanomezan’ny Raintsika any An-danitra ho antsika rehetra ny fahaterahan’i Kristy sy ny fiainany ary ny Sorompanavotany.

Eo am-pankalazantsika ny fahaterahan’ny Mpamonjy ao anatin’ity vanim-potoana iray feno fifaliana ao anatin’ny taona ity, dia toa mirotsaka bebe kokoa ao am-pontsika ny fitiavan’ Andriamanitra izay mitohy sy tsy manam-petra, izay manampy antsika mba hampitodika ny fontsika any amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ny mpifanolobodirindrina amintsika, sy manampy antsika mba ho antra fo bebe kokoa amin’ireo izay mety mahatsapa ho manirery na mila fampaherezana sy fiadanana.

Variana foana aho fa ao anatin’ireo fitantarany mikasika ireo zava-nitranga nanodidina ny fahaterahan’i Jesoa, ny filazantsaran’i Lioka dia mizara ohatra maro maneho ny fanolorana fampaherezana sy fiadanana ho an’ireo olona izay tafalatsaka tao anatin’ireo toe-javatra ireo. Ny ohatra toy izany dia hita tamin’ilay fotoana nanirahan’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ireo anjeliny mba hitsidika an’ireo mpiandry ondry nitoka-monina nandritra ilay alina nanambarana ny fahaterahan’ny Zanany sy tamin’ny fotoana nitsidihan’ireo mpiandry ondry an’i Maria sy i Josefa avy eo, izay nikarakara zazakely vao teraka lavitra ny fonenan’izy ireo tany Galilia.

Ny dia lavitra nataon’i Josefa sy i Maria niala avy tany Nazareta nankany Betlehema mba hanao fanoratana anarana dia tsy kisendrasendra fotsiny, satria nandritra ny taonjato maro no efa naminanian’ireo mpaminany fahiny fa ho teraka any Betlehema, Tanànan’i Davida ny Mpamonjy an’izao tontolo izao.1 Hitantsika fa tena nahafantatra tsara ny antsipirian’ny zavatra rehetra nahakasika ny fahaterahan’Ilay Zanany Lahitokana ny Ray any An-danitra ary tena nandray anjara tao anatin’izany. “Ary raha nitoetra teo izy, dia tonga ny andro hahavelomany.”2

Rehefa mieritreritra ny toe-javatra ara-piarahamonina niainan’ireo mpiandry ondry, sy i Josefa sy i Maria izay mpivady vao herotrerony aho, dia manontany tena hoe rehefa nisehoan’ireo anjely ireo mpiandry ondry tany an-tsaha ary rehefa tonga tany amin’ny toerana nipetrahan’i Maria sy i Josefa ireo mpiandray ondry dia fampaherezana ve, sa fiadanana, sa fifaliana no nentin’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo tsirairay avy?

Ho an’ireo mpiandry ondry, ireo anjely dia mety nitondra ilay fampaherezana nilaina hoe, mahafantatra ny momba azy ireo Andriamanitra ary mahita ny hasina ao anatin’izy ireo ka voafidy ho vavolombelona voalohany nahita an’ilay Zanakondrin’ Andriamanitra vao teraka izy ireo. Ho an’i Maria sy i Josefa, ireo mpiandry ondry dia mety nitondra ilay fampaherezana tena nilaina hoe, nisy olona hafa nahafantatra ny momba ilay fahagagana masina izay nitranga teo amin’izy ireo.3

Azo antoka fa eo anivontsika dia misy mpiandry ondry maoderina, lehilahy sy vehivavy izay miasa alina sy vao maraina mba hivelomana. Ao anatin’ireo mpiandry ondry maoderina ireo dia mety ahitana ireo mpiambina, ireo mpiasa any amin’ny hôpitaly sy mpamonjy voina tampoka, ireo mpiasa any amin’ny toeram-pivarotan’entana ilaina sy toeram-pivarotana lasantsy izay misokatra amin’ny alina, ary ireo ekipa mpampita vaovao. Indraindray mety mahatsapa ho tsy afaka mifanerasera amin’ireo olona izay miasa ao anatin’ireo ora fiasana efa mahazatra ao anatin’ny andro iray ireo olona izay miasa alina. Ankoatra izany dia misy koa ireo Josefa sy Maria maoderina izay nandao ny tanindrazany ary miezaka ny mizatra fomba fiainana vaovao rehefa miatrika andro manan-danja toy ny Krismasy, fahaterahan-jaza, fanambadiana ary fahafatesana.

Amin’izao isika efa manakaiky ny Krismasy izao dia manontany tena aho raha toa ka mba afaka ny hitovy kokoa amin’ireo anjely isika amin’ny alalan’ny fitsidihana ireo mpiandry ondry maoderina mba hanolotra vaovao mahafaly momba an’i Kristy sy fiadanana ary fampaherezana. Ary manontany tena aho raha toa isika ka mba afaka ny hitovy kokoa amin’ireo mpiandry ondry amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ilay antso mba hanao famangiana ka hanompo ireo Josefa sy Maria izay mpifanolobodirindrina amintsika sy ao amin’ny fiarahamonina misy antsika mba hanome fampaherezana fa tia azy ireo Andriamanitra ary miambina sy miahy azy ireo.

Niaina fahatsapana fampaherezana sy fiadanana izay azon’ny anjely maoderina iray amin’izao andro izao entina izaho sy ny fianakaviako tao anatina trangan-javatra maro samihafa. Te hizara ny iray amin’ireo trangan-javatra ireo aho androany hariva. Tamin’ny taona 2003 dia nandao ny tanindrazanay izahay ary nifindra tany Utah. Niaina ny iray tamin’ireo tafiotran-dranomandry lehibe indrindra nitranga tao Utah tao anatin’ny taona maro izahay nandritra ny vanim-potoan’ny ririnina tamin’izany. Tsy mbola nahita velively zavatra toy izany izahay teo amin’ny fiainanay satria lehibe tany amina toerana ahitana hazo rofia sy moron-dranomasina be toram-pasika izahay. Teo amin’ny zoron-dalana iray teny amin’ny havoana iray tao Bountiful no nisy ny tranonay izay nahitana sisin-dalana lava dia lava. Rehefa nanomboka nirotsaka ny ranomandry dia nanomboka nanala ny ranomandry tamin-kerimpo tamin’ny milina fanalana ranomandry teo amin’ny lalan-kely sy ny sisin-dalana ny vadiko satria efa nibolisatra teo amin’ny vaingan-dranomandry aho ary tapaka ny hatotanako andro vitsy talohan’izany rehefa nandeha an-tongotra teo amin’ilay lalan-kely aho mba hamangy ny iray tamin’ireo mpifanolobodirindrina taminay. Niteraka fandidiana sy fanasiana plâtre lava be teo amin’ny tanako nandritra ny volana maro izany loza nitranga izany. Rehefa nanomboka nanala ny ranomandry tamin’ny milina fanalana ranomandry ilay vady malalako, izay sambany teo amin’ny fiainany, dia tsy nahafantatra velively izy fa ilaina ovaina ny lalan’ny fantsona famoahana ranomandry rehefa avy manadio ny ilany iray amin’ilay lalan-kely izy. Dia nandeha indray teny amin’ilay faritra ilany iray hafa izy mba hanadio, saingy teny ny ranomandry no navoakan’ilay fantsona famoahana ranomandry. Nandeha nandroso sy niverina izy saingy tsy nisy vokany izany. Korontana re izao! Noho ny fijanonany ela loatra tao anatin’ny hatsiaka dia tratran’ny otrikaretina ny sofiny anankiroa ary saika narenina tanteraka izy nandritra ny roa volana. Tao anatin’izany fotoana izany koa dia naratra ny lamosin’ny zanako lahy enina ambin’ny folo taona tamin’izy nanao fanatanjahan-tena fikorisana amin’ny fiaran-dranomandry ary tsy maintsy nijanona teo am-pandriana izy mba hahasitrana izany. Dia teo izahay, ny iray tsy afa-mihetsika teo am-pandriana, ny iray narenina, ny iray nanao plâtre ary samy matin’ny hatsiaka daholo. Azoko antoka fa hitan’ireo mpifanolobodirindrina taminay ihany izahay. Tao anatin’ny iray tamin’ireo andro vao maraina sy mamirifiry ireo, teo amin’ny 5 ora maraina teo, dia nifoha aho noho ny fahenoana milina fanalana ranomandry tany ivelan’ny varavarankeliko. Nijery avy teo amin’ny varavarankeliko aho ary nahita an-drahalahy Blaine Williams izay mpifanolobodirindrina tamiko nipetraka teny am-pitan’ny arabe. Nivoaka ilay tranony mafana sy mampahazo aina izy, izay fitopolo taona latsaka kely, ary tonga mangingina nanadio ny lalan-kelinay sy ny sisin-dalanay noho ny fahafantarany fa tsy ho afaka ny hanao izany izahay. Ary raha vao tonga tamin’ny fombany mangingina sy tsotra izy, dia nisy namana iray hafa, rahalahy Daniel Almeida, tonga teo an-tranonay mba hitondra ahy any Salt Lake handeha hiasa satria tsy afaka namily fiara tamin’ilay tanako nisy plâtre izay tena nanelingelina aho. Teo foana tamin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy mangingina izy ireo isa-maraina mandra-pahasitran’ny fianakaviako sy mandra-pahafahanay nahavita nanao zavatra irery. Nandritra izany vanim-potoan’ny Krismasy tamin’ny taona 2003 izany dia nirahina ho any aminay ireo rahalahy anjely ireo, toy ny nanirahana an’ireo anjely manompo tany amin’ireo mpiandry ondry fahiny feno fanetrentena. Nanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjintsika ireo rahalahy anankiroa ireo ary nieritreritra ny zavatra nilainay nialohan’ny nieritreretan’izy ireo ny zavatra nilainy.

Ry rahalahy sy anabavy malala, ny fiainan’ny Mpamonjy dia ohatra tonga lafatra teo amin’ny fanehoana fitiavana sy fahavononana hanampy ny olona. Nanadino ny tenany foana Izy mba hanaovan-javatra ho an’ny hafa. Ireo asany feno fitiavana dia hita tao anatin’ireo zavatra rehetra izay nataony isan’andro nandritra ny fiainany fa tsy hoe nandritra ny vanim-potoana iray manokana na andro miavaka iray fotsiny. Rehefa manolo-tanana ny hafa isika toy ny nataon’ny Mpamonjy, dia mampanantena aho fa afaka hiaina tsara kokoa ny dikan’ny Krismasy isika. Rehefa manao izany isika dia manome toky anareo aho fa hahita fahafahana tsy voafetra hanampy amin’ny fomba mangingina sy mifono hatsaram-panahy an’ireo olona izay mila antsika isika. Hanampy antsika ho lasa hahafantatra kokoa ny Mpamonjy izany sy hahatsapa fiadanana sy fahavononana hanampy ny olona, izay tena hamaritra tokoa ny fitiavana sy ny fiadanana ary ny hery nohavaozina ho tsapantsika sy ho azontsika zaraina amin’ny hafa. Eo am-panarahantsika ny dian’ny Mpamonjy dia enga anie isika hihaino ny feon’ilay tongotra manao kapa sy hitady ilay tanana matanjak’ilay mpandrafitra. Rehefa mitady ny Mpamonjy isika ao anatin’ny zavatra rehetra ataontsika, dia tsy ho andro iray na vanim-potoana iray fotsiny ny Krismasy fa ho toetra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika, ary ho akaiky foana ilay fifaliana sy fitiavana tsapa mandritra ny Krismasy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy, ilay zazakely teraka tao Betlehema tokoa no ilay Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao.

Miarahaba antsika rehetra nahatratra izao Krismasy izao. Izany dia ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy