Fampitana fanao isan-taona
Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy isika


2:3

Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy isika

Fampitana ny fampiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara• 12 jona 2018 • Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Misaotra anareo, tena nahafinaritra izy teo. Tena voatahy isika. Voninahitra lehibe ho ahy ny miaraka aminareo rehetra anio. Misaotra anareo noho ny zavatra rehetra ataonareo. Tianay ianareo ary tianay ny miara-manompo aminareo.

Miaraka amin’ny maro aminareo, dia mieritreritra matetika momba ny fahafahantsika mampianatra ireo zatovo sy tanoran’ny Fiangonana aho ary mieritreritra matetika ny amin’ny fomba ahafahantsika mampianatra azy ireo amin-kery kokoa amin’ny fanampiana azy ireo hanorina finoana lalina sy maharitra an’ny Tompo Jesoa Kristy aho. Teo am-pandinihana an’io fanontaniana manan-danja io aho dia nisaintsaina ilay hevitra nozarain’ny Loholona Clark tamintsika tamin’ny janoary lasa teo raha niteny izy fa ny fanasan’ny Mpamonjy mba hianatra Aminy dia midika fa voalohany aloha isika dia tsy maintsy mianatra ny mahafantatra Azy. Ary faharoa dia tsy maintsy mianatra avy Aminy isika. Nindraminy ny tenin’ny Loholona Neal A. Maxwell, izay nanondro ilay fanasan’ny Mpamonjy manao hoe “mianara amiko” ka nampiany hoe “Tsy misy fomba hafa ahafahana mianatra lalina.”1

Lasa takatro sy inoako fa ny fomba tokana manan-danja indrindra izay hahafahantsika manampy amin’ny fampitomboana ny finoana ao amin’ny taranaka vao misondrotra dia ny fametrahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fampianarantsika sy ny fianarantsika amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatsika ho tonga amin’ny fahafantarana Azy, hianatra avy Aminy, ary milofo amim-pahatongavan-tsaina mba ho tonga tahaka Azy. Isan’andro isika dia tsy maintsy “Miresaka an’i Kristy, mifaly amin’i Kristy, … [ary] mitory an’i Kristy.”2

Maro aminareo no efa nanomboka namaly io fanasana io, nanomana lesona tamin’ny nahim-po miaraka amin’ireo hevitra ireo tao an-tsaina sy nitady fahafahana hijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy sy ireo toetra araka an’ Andriamanitra ananany, ny heriny tsy misy fetra, ary ny fitiavany lavorary. Ary ao amin’ireny kilasy ireny dia nahitana fitomboan’ny fahatsapana ny Fanahy Masina, fanehoam-pankasitrahana ny Mpamonjy bebe kokoa, fampiharana bebe kokoa ho an’ny tena manokana izay manan-danja sy tena nilaina, ary tanora miasa amim-pinoana maro kokoa.

Mazava ho azy fa ny iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra ahafahantsika manampy ny mpianatsika ho tonga amin’ny fahafantarana ny Mpamonjy dia ny manampy azy ireo hiomana ho amin’ireo ôrdônansy masin’ny fisoronana ary hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo.3 Ny hoe manampy azy ireo ho mendrika ireo fitahian’ny tempoly dia ny manampy azy ireo hahafantatra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy. Kanefa misy zavatra iray hafa azontsika atao, raha mbola eo anatrehantsika izy ireo, dia ny manampy azy ireo hiantehitra Aminy sy ny fampianarany ary ny Sorompanavotany.

Mba hahafahana manao izany dia mamelà ahy hanolotra fomba efatra izay ahafahantsika mametraka bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fianarantsika sy ny fampianarantsika isan’andro.

1. Ifantohy ireo fiantsoana, sy andraikitra, ary toetra ananan’i Jesoa Kristy

Voalohany, ifantohy ireo fiantsoana, sy andraikitra, ary toetra ananan’i Jesoa Kristy. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome fanasana mba “hanao ireo andinin-tsoratra masina miresaka an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ho fandaharam-pianarana fototra manokan[tsika].”4 Io fanasana io dia natao mba hanampiana antsika hihoatra ny fahafantarana fotsiny ireo zavatra nataon’i Jesoa ka hanampy antsika ho tonga amin’ny fahafantarana Azy—ireo toetra tsara ananany sy ny toetra mamaritra Azy.

Ohatra, iray amin’ireo fiantsoana an’i Jesoa Kristy ny hoe Mpahary. Teo ambany fitarihan’ny Rainy i Jesoa dia namorona ny lanitra sy ny tany. Ny hoe Mpahary ihany koa dia iray amin’ireo andraikiny masina ary milaza ny toetoetrany. Rehefa mandalina ny fomba sy ny antony namoronan’i Jesoa ny tany isika dia mety hanontany hoe: “Inona no ampianarin’izany antsika momba Azy? Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny hery manosika Azy hanao zavatra, ny fitiavany, ary ny heriny? Inona no toetra araka an’ Andriamanitra ananan’ny Mpamonjy izay miseho amin’ny andraikitra sahaniny amin’ny maha-Mpahary Azy?”

Mety tadidinareo fa ny Filoha Boyd K. Packer dia mpanao asa tanana tena mahay izay nankafy nanao sary sokitra voronkely vita tamin’ny hazo. Indray andro dia nisy mpandeha iray tao amin’ny fiara nentin’ny Loholona A. Theodore Tuttle, ary ny iray tamin’ireo sary sokitra dia nipetraka teo ambonin’ny seza ao afaran’ilay fiara. Teo amin’ny fihaonan-dalana iray ny Loholona Tuttle dia nampijanona tampoka ny fiara ary nipitika nivadibadika nitontona tamin’ny tany ka vaky montsana ilay sary sokitra. Ketraka ny Loholona Tuttle, saingy tsy niontsona ny Filoha Packer. Hoy fotsiny izy hoe “Avelao iny any. Izaho no nanao an’iny. Azoko amboarina iny.” Dia nataony izany. Nataony mafy kokoa noho ny teo aloha ilay izy ary nihatsara kokoa mihitsy aza. Nanazava ny Filoha Packer hoe: “Iza no namorona anao? Iza no Mpahary anao? Tsy misy zavatra eo amin’ny fiainanao izay mioritra na vaky ka tsy ho hainy amboarina, ary hanamboatra izany Izy.”5

Rehefa mahatakatra ny anjara toeran’i Jesoa amin’ny maha-Mpahary Azy ny mpianatsika ary rehefa misaintsaina ireo tantara ao amin’ny soratra masina momba ny hery mahagaga ananany mba hanamboarana sy hanasitranana ireo zava-boariny dia ho tsindrin-daona izy ireo ny hiaina izany hery sy fampanantena izany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Avy eo izy ireo dia hiasa amim-pinoana mba hiaina ilay heriny mahagaga mba hanamboatra izay manahirana ara-tsaina sy ara-batana azy ireo.

Iray hafa amin’ireo anarana masina fiantso an’i Jesoa ny hoe Mpanavotra. In-930 ny soratra masina no manondro Azy amin’io andraikitra io. Inona no ampianarin’io fiantsoana io antsika momba ny toetrany? Nidika inona tamin’i Almà, sy i Saoly, ary ilay vehivavy tratra nijangajanga ny heriny manavotra? Nidika inona ho an’i Matio, ilay mpamory hetra sy mpanoratra Filazantsara, izany?

Mahavariana ahy fa ny fiantsoana an’i Matio ho isan’ny Apôstôly Roambinifolo dia hitantsika ao amin’ilay toko ahitana ny tantaran’i Jesoa manao fahagagana sy “nahasitrana aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra” ihany koa.6 Ny anton’ireny fahagagana ireny dia noho i Jesoa “nahonena.”7 Kanefa nahoana no Matio irery ihany tamin’ireo mpanoratra ny Filazantsara no nampiditra ny fiantsoana azy teo anivon’ireny fahagagana ireny? Mety ho fitantarana araka ny vanim-potoana nisehoany izany, saingy mieritreritra aho hoe misy zavatra hafa azontsika ianarana. Mety ho marina ve fa fantatr’i Matio fa ny fahagagana lehibe indrindra nataon’i Jesoa dia ny fanavotana antsika amin’ny alalan’ny famelan-keloka, sy ny fitiavana, sy ny fankaherezana ary ny fanehoana ny tena maha-izy azy sy ny zava-bitan’ny olona iray, tahaka ny nataony ho an’i Matio?

Ny fomba iray hafa hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo toetran’i Jesoa dia ny fifantohana tsy amin’ireo tantara ara-tsoratra masina fotsiny ihany fa ireo tranga izay mampianatra antsika momba ny Mpamonjy ihany koa. Ohatra, nahoana isika no mampianatra ny tantaran’i Amôna manapaka ny sandrin’ireo lehilahy izay nampiahaka ny andian’ondrin’ny Mpanjaka Lamônia? Natao hiresahana ny amin’ny herin’i Amôna ve izany? Sa momba ny herin’ Andriamanitra kosa io tantara io? Inona no ampianarin’io tantara io momba ny Tompo sy ny fomba hitahiany ireo izay mitoky Aminy? Tamin’ity fijoroana ho vavolombelona tamin-kafanam-po ity no namehezan’i Amôna ny fitantarany : “Tsy mirehareha amin’ny heriko aho. … Fantatro fa tsinontsinona aho; … koa … hirehareha kosa amin’ Andriamanitro, fa amin’ny heriny no ahafahako manao ny zava-drehetra.”8

Volana vitsivitsy lasa izay dia niaraka tamin’andiana mpampianatra mahafinaritra aho ary nangataka azy ireo hisafidy tantara ara-tsoratra masina na tranga teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana ka hieritreritra momba ny zavatra ambaran’izany momba ny toetoetran’ Andriamanitra. Namaly ny mpampianatra voalohany hoe: “Fanambadiana maro.” Ny tonga tao an-tsaiko voalohany dia hoe: “Misaotra betsaka! Tsy afaka nisafidy lohahevitra sarosarotra kokoa ianao.” Kanefa rehefa nanomboka niresaka izahay dia nisy zava-mahatalanjona nitranga. Nanomboka nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany ny olona fa ny Ray any An-danitra dia tia ny zanany rehetra ary tiany ny hitsimbina azy ireo. Ny iray hafa dia niresaka momba ny finiavan’ny Tompo hangataka zavatra sarotra avy amintsika, kanefa Izy dia manohana antsika hatrany ary mamaly soa ny fankatoavantsika. Ny iray hafa dia nilaza fa Andriamanitra dia toy ny olona iray izay tia fianakaviana ka iriany ny mba hanabeazan’ny ray aman-dreny be fitiavana ireo zanany. Rehefa nitohy ny resadresaka dia takatro tamin’izany fa ny Fanahy dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny toetoetra sy ny fomba fisainan’ Andriamanitra, hany ka nahatsapa ho akaikin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany izahay ary lasa nitombo kely kokoa ny fahafantaranay sy ny fitiavanay Azy Ireo.

I Jesoa Kristy no Mpahary antsika. Izy no Mpanavotra sy Mpanafaka antsika be fitiavana sy mpamela ary be famindram-po. Izy ihany koa no Emanoela, ilay Zanak’ondrin’ Andriamanitra, ilay Mesia, ny Iray Masin’i Israely, ary ilay Tompo sy Mpanefy ny Finoantsika. Rehefa mifantoka amin’ireo fiantsoana Azy sy ny anjara toerana sahaniny ary ireo toetrany isika dia hijoro ho vavolombelona momba Azy ny Fanahy ka hitondra fahatakarana sy fitiavana lehibe kokoa ny amin’ny tena maha-Izy Azy marina sy faniriana lehibe kokoa ny ho tonga tahaka Azy.

2. Antitrantero ny ohatra nataon’i Jesoa Kristy

Ny fomba faharoa ahafahantsika mametraka an’i Jesoa ho ivon’ny fampianarantsika dia ny fahafantarana sy ny fanantitranterana fa Izy no ohatra tonga lafatra sy velona ary fanehoana ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra.9 Vao haingana izay ny iray amin’ireo mpampianatsika no nizara tamiko fa raha ny amin’ny fandalinana soratra masin’ny mpianakavin’izy ireo dia nanapa-kevitra ny hamerina hamaky ny Testamenta Vaovao izy ireo. Raha nifantoka tamin’ireo zavatra nolazain’i Jesoa izy ireo teo aloha, amin’ity indray mitoraka ity kosa izy ireo dia hifantoka indrindra amin’ireo zavatra nataony. Ny fifantohana amin’ny ohatra tonga lafatra nasehony dia manasa ny Fanahy Masina ihany koa mba hijoro ho vavolombelona momba Azy.

Na dia tsy voalaza mivantana ao amin’ny tantara iray izay ampianarintsika aza i Jesoa dia mbola afaka manondro Azy ho toy ny ohatra momba ilay fitsipika izay asehon’izany tantara izany isika. Ohatra, aorian’ny famantarana sy famakafakana fitsipika iray dia mety hanontany isika hoe: “Afaka mieritreritra fotoana iray ao amin’ny soratra masina ve isika izay nanehoan’i Jesoa an’io fitsipika io? Na: “Oviana ianareo no nahita an’i Jesoa naneho an’io fitsipika io teo amin’ny fiainanareo na teo amin’ny toeranareo?” Nisy mpianatra iray vao tsy ela no nametrahana an’io fanontaniana io mahakasika ny ohatra amin’ny hatsaram-panahin’ny Mpamonjy. Nitodika tany amin’ny fomba feno hatsaram-panahy nitondran’ny Mpamonjy azy hatrizay ny eritreriny sy ny fahatsapany. Izany zavatra niainana, tao amin’ny efitrano fianarana izany, dia nampisy faniriana lalina tao aminy ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa sy ho tsara fanahy kokoa amin’ny hafa izay miantehitra aminy, eo am-pianteherany ihany koa amin’ny Tompo.

Afaka mamaky ny boky rehetra amin-kitsim-po ianao kanefa tsy hahita ohatra tsaratsara kokoa ho an’ny fitsipika tsirairain’ny filazantsara noho ireo izay hita ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina momba an’i Jesoa sy ny fanompoana tsy manam-petra nataony. Ny fisaintsainana ireo ohatra nataon’ny Tompo ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-Jehovah, amin’ny maha ilay Kristy mety maty, ary amin’ny maha-Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty Azy dia hampitombo ny hery sy ny fahafahan’ny mpianatsika hanao asa mahomby sy marina. Hahatonga ny lesontsika hihoatra ny resadresaka momba ny fitondran-tena tsara sy ny fifehezan-tena izany ary hampifandray ny mpianatra amin’ny herin’ny Mpamonjy sy ny drafitra mandrakizain’ny fahasambarana.

Mba ho fanehoana izany, ahoana ohatra no hitondrantsika ny fampianarana ny fitsipiky ny fahamarinan-toetra? Amin’ny maha “fitsipika tsara indrindra” fotsiny ve satria hatoky antsika bebe kokoa ny olona raha toa ka marin-toetra isika? Sa amin’ny hoe ny fahamarinan-toetra no ivon’ny toetran’i Kristy? Raha toa ka te ho lasa tahaka Azy isika dia tsy tokony hianatra ve isika ny hanaraka ny ohatra tonga lafatra nomeny amin’ny fahamarinan-toetra tanteraka? Ny karazana fanontaniana toy izany dia azo apetraka ho an’ny fitsipiky ny filazantsara rehetra.

Nampianatra io hevitra io tamin’ny fomba tena kanto i Arthur Henry King rehefa nilaza izy hoe: “[Ny tsara] dia hita ao amin’ny olona tena misy iray, dia i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra izany. Olona Izy, fa tsy fitsipika, olona manana ireo fitsipika rehetra. … Ary ny fanarahana olona dia hafa lavitra amin’ny fanarahana fitsipika. … Tsy voatery manadihady fitsipi-pitondrantena ara-filôzôfika saro-takarina isika. Tsy izany mihitsy ilay izy. Ny tokony ataontsika dia ny mandalina ireo Filazantsara, mahita ny zavatra nataon’i Kristy, ary miezaka ny mahita ny tenantsika manao izay nataony. Izany no izy satria isika dia mahatsapa ny fanahin’ilay Mpampianatra, ilay Mpampianatry ny fitiavana, ary satria isika dia namonto ny tenantsika amin’ny filazantsara, hany ka fantatsika izay zavatra tsy maintsy ataontsika. Ny filazantsara izay noraisintsika tao amintsika dia mamela antsika hahatsapa amin’ny fotoana rehetra ny zavatra izay tokony ataontsika amin’ny toe-javatra manokana iray.”10

Misy ny hery tonga rehefa mampifandray ny ezaka ataontsika hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika. Raha sanatria isika ka mahatsapa ny tenantsika ho mandeha an-jambany fotsiny na ny fiainantsika ny filazantsara dia zary lasa toy ny lisitry ny zavatra tsy maintsy atao dia mety ho efa tafasaraka tamin’ilay loharanon’ny fahasoavana sy fifaliana izay katsahintsika isika. Mety hahita ny tenantsika manao izay tsara rehetra isika kanefa hitantsika ho ivelan’ny tanjona isika. Ny filazantsara dia tsy lisitra fitakiana; izany dia ny vaovao mahafaly fa i Jesoa Kristy dia nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana. I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra izay manampy antsika ho tonga tahaka Azy. Izy no ohatra tonga lafatra tokony halain-tahaka eo amin’ny fomba tokony hiainantsika sy loharanon’ny hery manome fahafahana izay ilaintsika. Rehefa mianatra manaraka ny ohatra nasehony sy mampifandray Aminy ireo ezaka ataontsika mba hiaina ny filazantsara isika dia hahita fifaliana amin’ny maha-mpianany antsika isika.

3. Jereo ireo fambara sy tandindon’i Jesoa Kristy

Fahatelo, tokony hojerentsika ireo fambara sy tandindon’ny Mpamonjy11 eo amin’ny fiainan’ireo mpaminany sy ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky araka ny voarakitra ao amin’ny soratra masina. Araka ny nampianarin’ny mpaminany Jakôba hoe: “Ny zavatra rehetra izay efa nomen’ Andriamanitra ny olona hatry ny fiandohan’ izao tontolo izao dia tandindony.”12

Noho io hevitra io, rehefa nampianatra ny Testamenta Taloha tao amin’ny seminera aho dia naraikitro teny amin’ny rindrina afaran’ny efitrano fianarana ny taratasy be velarana maro. Nasiako anaran’ny mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha ny tampon’ny taratasy tsirairay. Rehefa vita ny fandalinanay ny fizarana iray ao amin’ny Testamenta Taloha dia nangatahiko ny mpianatra hieritreritra ny zavatra izay nianaran’izy ireo izay vao niarahanay nandalina ary amin’ny fomba ahoana ireo zavatra niainany no toy ny tandindona na mampatsiahy azy ireo ny Mpamonjy. Taorian’ny nianarana momba an’i Adama dia zavatra toy izao no nosoratan’ny mpianatra: “I Adama dia zanak’ Andriamanitra.” “Tsy mety maty izy. “Nankao amin’ny zaridaina iray izy.” “Nanolotena ny hitondra teo aminy ny fahafatesana izy mba hiainantsika.” Tsy ela akory dia nisy olona iray nanontany: “Mbola i Adama ihany ve no resahintsika sa miresaka momba an’i Jesoa isika izao isika?”

Nandritra izany fotoana izany dia nisy mpianatra iray tonga mialoha ny fotoana mba hizara tamiko ny zavatra niainany nandritra ny fandalinany soratra masina. Ny alina talohan’izany izy dia namaky tao amin’ny Mosesy 4 momba ireo vokatra nateraky ny Fahalavoan’i Adama, izay milaza fa: “Haniry songosongo sy tsilo ho anao izany, ary anana famboly no hohaninao.”13 Nanomboka tamin’izay izy no nianatra nametraka ilay fanontaniana hoe: “Amin’ny fomba ahoana no hijoroan’izany ho vavolombelona momba an’i Kristy?”, voasarika izy hanontany hoe: “Fantatr’i Jesoa ve tamin’ Izy niresaka tamin’i Adama fa indray andro any Izy dia hitondra ara-bakiteny ny vokatry Fahalavoana amin’ny alalan’ny satro-tsilo?”

Nahita ohatra iray hafa tamin’ny fiainan’i Josefa tany Egypta ireo mpianatray, izay nahitana zavatra mihoatra ny 60 maneho azy ho fambara ny amin’ny Mpamonjy. Notondroin’ireo mpianatra fa samy malalan’ny Rainy izy roa, samy nankahalain’ny rahalahiny, ary namidy tamin’ny vidina andevo. Tsikaritr’izy ireo ny fitovian’ny fakam-panahy nanjo azy sy ny fahamarinana fa niaraka tamin’izy ireo foana Andriamanitra. Ireo fifandraisana ireo dia mihoatra lavitra noho ny zavatra mahaliana izay natao fanamarihana. Ny fiainan’ireo mpaminany voafidin’ny Tompo ireo dia fambara ny Aminy sy mampianatra antsika ny amin’ireo toetran’ Andriamanitra ananany. Ireo fomba fijery ireo rehefa ampiasaina amim-pahombiazana dia afaka manampy antsika hahafantatra tsara kokoa an’i Jesoa sy ho tonga bebe kokoa tahaka Azy,

Vao haingana i Kristi vadiko no nampianatra io tantara ara-tsoratra masina momba an’i Josefa tany Egypta io ary nanontany ny mpianatra hoe: “Inona ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitanareo ao amin’ny ohatra nasehon’i Josefa?” Niresaka momba ny fahafahany mamadika ny fisedrana rehetra ho fitahiana izahay. Niresaka momba ny fankatoavany, ny faharetany, ny finiavany hanampy ny sahirana, ary ny finiavany hamela heloka izahay. Ilay fanontaniana dia nahatonga ahy hahatsiaro fotoana iray izay nandalinana io tantara io ka nakana sary an-tsaina ny hoe nanao ahoana izany hoe i Josefa nanambara ny tenany tamin’ireo rahalahiny izany. Milaza ny soratra masina fa ireo dia “torakovitra teo anatrehany.”14 Azonareo sary an-tsaina ve hoe manao ahoana izany fotoana izany ary inona no mety ho tsapan’izy ireo noho ny fahafantarana ny zavatra vitan’izy ireo? Kanefa i Josefa dia namaly azy ireo hoe: “Avia, manatòna ahy hianareo … Izaho no Josefa rahalahinareo. … Aza malahelo … Fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo.”15 Rehefa maka sary an-tsaina io fotoana io aho dia takatro tsara kokoa fa ho toy izany no hitranga rehefa hijoro eo anoloan’ny Tompo isika amin’ny Andro Fitsarana. Azoko an’eritreritra tsara a fa isika rehetra dia hahatsiaro ny fahotantsika ary mety ho “torakovitra” eo anatrehany. Kanefa azoko an’eritreritra ihany koa Izy mampitsangana antsika mandohalika no miteny hoe: “Avia, manatóna ahy hianareo, rahalahinareo Aho. Hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo.”

Rehefa mifantoka amin’ireo fambara sy tandindon’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy ireo mpianatsika hamantatra ireo toetrany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe:

  • Inona no toetra araka an’i Kristy izay hitanao eo amin’ny fiainan’io mpaminany io?”

  • “Oviana ianao no voatahy noho ny fananan’i Jesoa an’io toetra io?” Na koa hoe: “Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy an’io toetra io teo amin’ny toeranao?”

  • “Inona no zavatra azonao hatao mba ho tonga bebe kokoa toa an’i Jesoa Kristy sy hahazoanao an’io toetra araka an’ Andriamanitra io?” Na: “Inona no zavatra nianaranao momba ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay nitaona anao hiasa amim-pinoana mba hanaraka Azy Ireo?”

Ary rehefa manome valim-panontaniana toy ny hoe “mivavaka” na “mamaky soratra masina” ireo mpianatra dia tsara ho antsika ny manampy azy ireo hampifandray ireo asa ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fametrahana azy ireo fanontaniana toy ny hoe:

  • “Amin’ny fomba ahoana no mampiavaka ny vavaka ataonao rehefa fantatrao ny olona izay resahinao?”

  • “Amin’ny fomba ahoana no handalinanao ny soratra masina ka hanampian’izany anao hahafantatra kokoa ny Mpamonjy sy ho tonga tahaka Azy kokoa?”

Ireny karazana fanontaniana ireny dia hanampy ireo mpianatsika hanana hery sy fahafahana bebe kokoa hahafantatra ny Mpamonjy sy hianatra avy Aminy.

4. Mizará fijoroana ho vavolombelona madio momba an’i Jesoa Kristy

Ny zavatra fahefatra azontsika atao dia ny mizara fijoroana ho vavolombelona madio momba an’i Jesoa Kristy.

Isika dia mila miteny momba Azy matetika sy amin-kery kokoa ary amim-panajana sy amim-piderana, ary amim-pankasitrahana kokoa. Mila mizara ny fijoroantsika vavolombelona manokana isika sy mitady fomba mahomby hanasana ny mpianatsika hifampizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Nandritra ny resadresaka vao tsy ela tao an-dakilasy momba ny fitsipiky ny vavaka, ny mpampianatra iray dia nanasa ny mpianatra hisaintsaina ny hoe mampianatra antsika momba ny toetry ny Raintsika any An-danitra amin’ny fomba ahoana ny fanasana nomen’ny Tompo mba hivavaka sy ny fampanantenana nomeny fa hamaly izany Izy. Dia nasaina izy ireo avy eo hisaintsaina ireo toetry ny Mpamonjy izay mamela antsika hivavaka amin’ny anarany. Tamin’ny alalan’ireo fanontaniana ireo monja, ny lesona iray momba ny vavaka dia niova ho fahafahana ho an’ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny hery sy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Raha tapitra ny fotoam-pianarana dia lasa nitombo ny fankasitrahan’ny mpianatra ny fifandraisany amin’ Ny Andriamanitra sy ny fitahiana tsy manan-tsahala izay nomena azy ireo mba hivavaka amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izay Mpanalalana azy ireo eo amin’ny Ray.

Fomba iray hafa manan-danja amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mamela ny tenivavolombelon’ireo mpaminaniny taloha sy maoderina mba ho re ao amin’ny kilasintsika. Nilaza ny Apôstôly Petera hoe isika dia “vavolombelona izay notendren’ Andriamanitra. … Nandidy [antsika Izy mba] hanambara fa Izy no voatendrin’ Andriamanitra. … Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra.”16

Vao tsy ela akory ny Loholona Robert D. Hales no nilaza zavatra izay nahatonga ahy hisaintsaina betsaka. Hoy izy hoe: “Mba hahazoantsika fampitandremana mialoha sy fiarovana dia mijery, mihaino, mamaky, mandalina ary mizara ireo tenin’ny mpaminany isika. Ohatra hoe: “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia efa nomena elaela talohan’ny niainantsika ireo olana atrehan’ny fianakaviana ankehitriny. Avy eo dia nampiany an’ity teny ity: “Ilay Kristy Velona: Ny Fijoroana Vavolombelon’ireo Apôstôly” dia nomanina mialohan’ny fotoana izay tena ilantsika izany indrindra.”17

Tsy karazan’olona mpahita ny lafiratsin-javatra aho saingy lasa nibaribary tamiko hatrany ny antony nanomezana ilay fanambarana mialoha ilay rivotra mahery izay mitsoka manohitra ny fianakaviana nentim-paharazana. Ary ny mandre ny mpaminany iray milaza fa “Ilay Kristy Velona” dia nomena “mialoha ho amin’ny fotoana izay tena ilantsika izany” dia mahatonga ahy hisaina fa hisy rivotra fanampiny izay hitsoka sy hanozongozona ny finoan’ny mpianatsika sy ny zanatsika.

“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” dia milaza hoe: “Manolotra ny tenivavolombelonay izahay ny amin’ny fisian’ny fiainan’ny Mpamonjy tsy manam-paharoa sy ny zava-tsoa tsy misy fetran’ny sorompanavotany lehibe. … Izy ilay Jehovah lehibe ao amin’ ny Testamenta Taloha, ilay Mesia ao amin’ ny Testamenta Vaovao… Nandeha tamin’ny lalamben’i Palestina Izy, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary nampitsangana ny maty. Nampianatra ireo fahamarinan’ny mandrakizay Izy .… Natolony ny ainy mba ho sorona noho ny fahotan’ny zanak’olombelona rehetra. … Nitsangana tamin’ny maty Izy mba -ho santatr’ izay efa nodimandry.-… Tao amin’izao tontolo iainantsika izao, dia niseho tamin’ilay zazalahy atao hoe Joseph Smith Izy sy ny Rainy, mba hampiditra amin’ilay -andro voatendry hanangonana ny zavatra rehetra.- … Mijoro ho vavolombelona izahay fa mbola hiverina eto an-tany indray Izy … [ary] hanjaka sy hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Tompon’ny Tompo . … I Jesoa dia ilay Zanakalahin’ Andriamanitra nitsangana tamin’ny maty. Izy ilay Mpanjaka lehibe Emanoela izay mijoro eo an-tanan-kavanan’ Andriamanitra Rainy ankehitriny. Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.” Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany.”18

Io tenivavolombelon’ny mpaminanin’ Andriamanitra io dia nomena mialoha ny fotoana tena hilan’ny mpianatsika sy ny zanatsika azy indrindra. Tsy maintsy ampiantsika izy ireo hamboly an’io fijoroana ho vavolombelona matanjaka io ao an-tsainy sy ao am-pony. Tsy misy zavatra azontsika atao mba hitahiana kokoa ireo mpianatsika mihoatra ny fanampiana azy ireo hahafantatra an’i Jesoa Kristy. Tsy maintsy ampiantsika izy ireo hitia Azy, sy hanaraka Azy, ary hiezaka amin-kitsim-po ny ho tonga tahaka Azy. Ampiako amin’ireo tenivavolombelon’ireo mpaminanin’ Andriamanitra ny fijoroako ho vavolombelona feno fanetrentena fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao.

Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.