Fampitana fanao isan-taona
Ny drafitry ny famonjena sy ny taranaka vao misondrotra.


Ny drafitry ny famonjena sy ny taranaka vao misondrotra

Fampitana ny fampiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara • 12 jona 2018 • Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Feno fankasitrahana aho miresaka aminareo androany. Manome voninahitra anareo rehetra aho noho ny asa lehibe ataonareo. Manatanteraka iraka avy amin’ny Tompo ianareo amin’ny fanampiana ny taranaka vao misondrotra hianatra lalina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Miaraka amin’izany iraka izany ao an-tsaina no nisafidianako ny hiresaka momba ny fampianarana ny drafitry ny famonjena amin’ireo tanora mahafinaritra ireo androany.

Niantso antsika rehetra ny Filoha Nelson hijoro amin’ireo fahafahana lehibe nomen’ Andriamanitra antsika.1 Andraikitra iray nampanaovina antsika sy ny taranaka vao misondrotra izany. Fantatro fa tsy maintsy manao misimisy kokoa isika rehetra mba hanampiana ireo tanora sarobidy ireo hianatra lalina ny drafitry ny Ray any An-danitra. Mila mahafantatra sy mahatakatra izany ao an-tsainy sy am-pony izy ireo, mila mitia sy miaina izany izy ireo, ary mila tonga amin’izay notendren’ny Ray azy ireo mialoha mba hahatongavany izy ireo. Amin’ny herin’ny Tompo sy miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia ho vitantsika ity asa lehibe ity. Fantatro fa marina izany.

Nanao asa fitoriana tany Alemana aho taona maro lasa izay. Tamin’izany fotoana izany izahay dia nampiasa sorapetaka tamin’ny tabilao sy faribolana kely notapahana mba hampianarana ny drafitry ny famonjena. Ireo faribolana dia naneho ny tontolo talohan’ny nahaterahana, ny fiainana an-tany, ny tontolon’ny fanahy, ary ireo ambaratongam-boninahitra telo. Raha tsaroako tsara dia tsipika miolanolana no natao voalin’ny fanadinoana ary efajoro no natao Andro Fitsarana. Ankehitriny ireo misiônera dia tsy mampiasa sorapetaka intsony saingy minoa ahy ianareo fa ireo faribolana kely dia mbola velona ary tsara.

Inty misy ohatra iray avy amin’ny lesona ao amin’ny seminera momba ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny drafitry ny famonjena.2

Sary
drafitry ny famonjena

Azoko antoka fa manampy ireo mpianatra ilay kisary, ary ilay lesona dia tena manome famintinana tsara an’ireo lafin-javatra fototra amin’ny drafitry ny Ray.

Na izany aza dia manahiran-tsaina ahy ireo faribolana kely ary manana fanasana anankiroa ho anareo aho rehefa mampianatra ny drafitry ny famonjena ianareo.

Voalohany, tandremo ireo mpianatra mba tsy hieritreritra hoe ilay kisary no drafitra. Tsy izany ilay drafitra, saingy tena mora amin’ireo mpianatra ny mieritreritra hoe rehefa mety tsara ao amin’ny tokony ho izy ireo faribolana dia azony izay ilay drafitra.

Faharoa, velomy ao an-tsaina sy ao am-pon’izy ireo ilay drafitra. Ampio izy ireo mba hahay sy hitia ilay drafitry ny Ray. Mino aho fa ny fomba hanaovana izany dia ny fitondrana azy ireo lalina kokoa ao amin’ilay drafitra.

Ao anatin’izany fisainana izany dia nisafidy ny hanamafy fitsipika telo ao amin’ny drafitry ny Ray aho izay inoako fa hanampy ny taranaka vao misondrotra hahalala sy hitia ary hiaina izany drafitra be voninahitra izany.

Fitsipika voalohany: I Jesoa Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana

Fitsipika voalohany: I Jesoa Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana.3 I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy no eo anivon’ny drafitry ny famonjena. Ny sorompanavotana nataony no mahatanteraka ny zavatra rehetra ao amin’ny drafitry ny Ray. Henoy ireo tenin’i Almà raha nanoritsoritra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika izy: “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; …

Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po …, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny. …

“Ny Zanak’ Andriamanitra dia miaritra araka ny nofo mba hahazoany maka ho eo Aminy ny fahotan’ny olony, mba hahazoany mamafa ny fandikan-dalàny araka ny herin’ny fanafahany.”4

Tiako ireo andininy ireo. Eto i Almà dia mamelabelatra, amin’ny fiteny mahafinaritra, ny andraikitra fototra sahanin’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny famonjena. Eto ilay Fitsanganana amin’ny maty omena ny olon-drehetra. Eto ilay famelana sy fanavotana amin’ny fahotana ho an’ireo izay mibebaka. Eto ilay fitiavan’i Jesoa Kristy rehefa manasitrana sy mankahery ary mampatanjaka antsika Izy amin’ny diantsika eto an-tany. Eto ilay herin’i Jesoa Kristy mba hanafaka antsika amin’ny fahafatesana sy fahotana, ka hanokatra amintsika ireo fitahian’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay.

Tiako ireo mpianatsika hahalala sy hahatakatra fotsiny hoe ahoana marina no maha-ivon’ilay drafitry ny Ray sy ny fiainan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Noho ny sorompanavotany dia tonga amin’ny zavaboarin’ Andriamanitra rehetra ny fahazavany.5 Tena “ao amin’ny rehetra sy amin’ny alalan’ny zava-drehetra, ny fahazavan’ny fahamarinana” tokoa Izy.6 Izany hazavana izany dia manome fiainana ny zava-drehetra ary mitondra ilay “lalàna izay itondrana ny zava-drehetra.”7 Eritrereto izany! Ny zavatra rehetra ao amin’ny tontolo noharian’ Andriamanitra, ireo vahin-danitra midadasika indrindra izay misy kintana an-davitrisany maro, ireo singan-javatra kely indrindra, ny vatantsika mety maty, ny fanahintsika tsy mety maty, ary ny fivoarantsika mandrakizay dia tantanin’ny lalàn’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ilay Sorompanavotana mahatalanjona nataon’i Jesoa Kristy Tompo.

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mahatakatra izao rehetra izao, na izany aza anefa dia tena ho an’ny tena manokana izany. Eny tokoa, mitahy ny mpianatsika tsirairay ny fitiavana sy ny famindram-po ary ny herin’ny Mpamonjy antsika. Mampianatra antsika ny soratra masina fa niaretan’i Jesoa avokoa ny fanaintainana sy ny alahelo ary ny fitsapana iainan’ireo mpianatsika amin’ny fiainan’izy ireo eto an-tany.8 Nalainy teo Aminy ny fahotan’ny olombelona rehetra mba hahafahan’izy ireo mibebaka.9 Fantatr’i Jesoa manokana ary fantany tsara ny tsirairay amin’ireo mpianatsika. Fantany ny lalan’izy ireo satria efa nodiaviny izany lalana izany.

Afaka mitodika any Aminy, mino Azy, mibebaka amin’ny fahotany, ary manaraka Azy izy ireo miaraka amin’ny fahatokian-tena sy fatokiana fa fantany ny lalany. Izy irery ihany no hany lalana ahazoan’izy ireo izay tena manan-danja amin’izy ireo.10 Izy no lalana ahazoana famelana sy fahasitranana mahavariana. Izy no lalana ahazoana fifaliana maharitra. Izy no lalana ahazoana ny fiarahan’ny Fanahy Masina, ary noho izany dia ny tanjaka, ny fampiononana, ny fanambarana, ny hazavana, ary ny hery masina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Izy no lalana ahazoana herim-po sy faharetana, ary ireo toetra araka an’ Andriamanitra rehetra. Izy no lalana ahazoana fitiavana madio sy tonga lafatra, ary fiadanana izay mihoatra ny fahatakarana rehetra. Izy no lalana ahazoana fiarahana feno fitiavana sy fanompoana izay mitondra fahatanterahana sy lanjany ary tanjona eo amin’ny fianan’izy ireo izao sy mandrakizay. Izy no lalana ahazoana fisandratana sy fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra sy ny fianakaviany. Ry rahalahy sy ranabavy malalako, ampianaro an’ireo mpianatsika fa avy amin’i Jesoa Kristy no hahatongavan’ny zavatra tsara rehetra.11 Izy no manan-danja indrindra amin’izy ireo.

Fitsipika faharoa: Manana ny maha-izy azy sy tanjona mandrakizay ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra

Manana ny maha-izy azy sy tanjona mandrakizay ny tsirairay amin’ireo mpianatsika. Ny tsirairay amin’izy ireo “dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”12

Ny drafitry ny Ray any An-danitra dia natao hanampy ny tsirairay amin’ireo mpianatsika hahatanteraka ny maha-izy azy sy ny tanjony mandrakizay amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo. Te hanasongadina lafiny telo amin’ny maha-izy azy ireo aho izay tsapako fa tena manan-danja amin’izy ireo ny mahatakatra azy.

Atomboko amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra ara-panahy azy ireo izany. Mba ampio izy ireo hahafantatra sy hahatsapa fa Izy tokoa no Rain’izy ireo any An-danitra. Tamin’ny alalan’ny Zanany Malala dia efa nanome an’ireo mpianatsika ny fahafahana sy ny fahaizana mianatra lalina ao amin’ny drafiny mandrakizay ny Ray any An-danitra, dia ny mitombo fahalalana sy fahatakarana, mahazo fahaiza-manao zavatra mahomby amim-pahamarinana, ary ny ho lasa tahaka Azy. Izano no tena tanjon’ity lafiny manan-danja indrindra amin’ny maha-izy azy ireo mandrakizay ity.13

Ny ampahany faharoa amin’ny maha-izy mandrakizay azy ireo dia ny maha-reny na ny maha-ray azy ireo sy ny maha-vady azy ireo ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay.14 Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra, satria izany no toetry ny fiainana mandrakizay.15 Raha ny fijerin’ny Raintsika any An-danitra izay mibanjina ny mandrakizay dia reny sy ray ao amin’ny fanjakany ireo mpianatsika. Izany no maha-izy azy ireo mandrakizay ary izany no drafiny. Ny tanjon’izy ireo mandrakizay, noho izany, dia ny hanorina fanambadiana selestialy sy fianakaviana mandrakizay.

Farany dia mila mahafantatra ireo mpianatsika fa izy ireo dia taranak’i Abrahama, vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa ny taranany dia hitondra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fisoronana masina (tafiditra amin’izany ireo ôrdônansin’ny famonjena) amin’ny firenena rehetra mba hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany ao amin’ny andanin’ny voaly roa16 Izany no fanangonana an’i Isiraely niely patrana ary izany dia ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny Ray.17 Ireo mpianatsika dia taranak’i Abrahama, ary ny tanjon’izy ireo mandrakizay dia ny hanao ny asan’ Andriamanitra amin’ny maha-mpanompony nomeny fitokisana azy ireo. Manana anjara toerana manan-danja, anjara andraikitra manan-danja, ao amin’ny drafitry ny Ray izy ireo.

Miatoa kely dia eritrereto ireo fitahiana mahavariana sy tena mahatalanjona izay irian’ny Ray any An-danitra homena ireo mpianatsika. Kanefa dia mbola mety manontany tena ny sasany amin’ireo mpianatsika raha toa ka manana toetra sy tanjona tahaka izany ho azy ireo Andriamanitra. Ny sasany dia mety hahatsapa fa ny hoe lasa tahaka ny Ray any An-danitra, na ny miasa amin’ny maha-mpanompony nomeny fitokisana antsika, na ny voafehy amin’ny namana tiana mandrakizay iray sy manana zanaka dia zavatra mety tsy ho tratra. Rehefa mijery fitaratra izy ireo dia mety tsy hahita ny zavatra izay nofaritako androany. Raha izany no tsapan’ny mpianatrareo sasany dia mba amporisiho izy ireo hanana fomba fijery hafa. Lazao izy ireo mba hijery ilay fitaratra amin’ny masom-pinoana ka tsy hahita ny tarehiny fotsiny fa ny tavan’i Jesoa Kristy Tompo eo anilan’izy ireo ihany koa miaraka amin’ny hery sy voninahitra ary fitiavana tsy misy fiafarana, fitiavana tonga lafatra. Tsy tonga hamela azy ireo tsy hahazo fitahiana Izy.18

Fitsipika fahatelo: Ny zavatra rehetra izay ametrahan’i Jesoa Kristy ny anarany dia tafiditra ao amin’ilay drafitra

Tsy hoe eo anivon’ilay drafitry ny Ray fotsiny i Jesoa Kristy fa ny anarany, ny heriny, ny asany ary ny toetrany dia voatenona manerana izany. Tiako ireo mpianatsika hahafantatra sy hahatakatra fa ny zavatra rehetra izay ametrahan’i Jesoa Kristy ny anarany dia tafiditra ao amin’ny drafitry ny Ray.

Eritrereto vetivety hoe inona ireo zavatra ireo. Taiza avy no nametrahan’ny Mpamonjy ny anarany? Ity misy listr’ireo zavatra mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy izay inoako fa tena manan-danja indrindra ho an’ireo mpianatra ny mahalala sy mahatakatra azy:

  • Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany: Ny anaran’i Jesoa Kristy dia porofo fa izany dia noforonina sy tarihin’i Jesoa Kristy Tompo, Fiangonany io.19 Ny Fiangonana no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Amin’ny alalan’ny Fiangonana ny Tompo sy Mpamonjy dia manohana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana amin’ny fikatsahana ny fiainana mandrakizay ary manomana ny tany amin’ny Fiaviany fanindroany. Ny Fiangonana, ilay fiangonana marina sy velona an’ny Tompo, dia ampahany iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambaran’ireo zanany.

  • Ny fisoronana masina, araka ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra: Ny fisoronana masina no hery sy fahefan’ Andriamanitra. Omena ny olona izany mba hanaovan’ireo Olomasin’ny Andro Farany ny asan’ny Tompo miaraka amin’ny fahefany sy ny heriny. Amin’ny alalan’izany hery sy fahefana izany no andraisantsika ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ahazoantsika ireo fitahiana lehiben’ny drafitra be voninahitry ny Ray.20

  • Ny tranon’ny Tompo: Miaina amin’ny fotoana iray izay isian’ny fanorenana tempoly betsaka manerana ny tany isika. Faly isika fa nataon’ny Tompo izay handraisan’ireo zanany mahatoky maro dia maro ny fitahian’ny tempoly ho azy ireo, tafiditra amin’izany ny famehezana ireo fianakaviana mandrakizay, eo amin’ny lafiny roan’ny voaly. Ireo ôrdônansy ao amin’ny tranon’ny Tompo dia mampifandray antsika amin’ireo herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. Manan-danja amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray izy ireo.21

  • Ny mpaminanin’ny Tompo: Hoy ny Tompo raha niresaka momba ny mpaminaniny: “Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny.”22 Ny mpaminanin’ny Tompo dia mpahita sy mpanambara. Ny teniny dia ny tenin’ny Tompo ho antsika, ho fitahiana ho antsika amin’ity fiainana ity, ary fisandratana sy fiainana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy. Ny mpaminanin’ny Tompo dia ampahany mahafinaritra ao amin’ny drafitry ny Ray.

  • Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy: Ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra, fa i Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ary ny Tompo dia nanorina ny Fiangonany amin’izao andro farany izao. Ahitana fampianarana mahafinaritra momba ny drafitry ny Ray ihany koa izy io; izay mijoro ho vavolombelona mahery vaika.23 Ireo antony rehetra ireo no mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho ampahany iray manan-danja ao amin’ilay drafitra lehiben’ny famonjena.

  • Ireo zanaky ny Ray any An-danitra: Apetrak’i Jesoa Kristy eo amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra izay manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina ny anarany. Napetrany teo aminao izay mampianatra ny anarany, rehefa mankany amin’ny tempoly ianao.24 Te hametraka ny anarany eo amin’ireo mpianatrao sy eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay hozarain’izy ireo Izy rehefa mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely izy ireo.25 Izany no drafitry ny Ray.

Ny zavatra rehetra izay nolazainay teto, sy ny maro hafa izay azontsika tononina, tahaka ny trano fivoriana rehetra manerana izao tontolo izao sy ireo vavaka ataontsika amin’ny Ray any An-danitra, dia zavatra izay nametrahan’i Jesoa Kristy ny anarany. Tafiditra ao amin’ilay drafitra izy ireny ary fahatanterahan’ny faminaniana. Araka ny nolazain’i Paoly efa ela hoe: “[Amin’ny] andro voatendry, hanangonan[’ny Ray] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy.”26

Ry rahalahy sy ranabavy, mba ampio ireo mpianatsika hahafantatra fa ireo zavatra ireo izay efa henony foana—ny Fiangonana, ny fisoronana, ny tempoly, ny mpaminany, ny Bokin’i Môrmôna, izy ireo—dia mitondra ny anaran’ny Mpamonjy avokoa satria misy izy rehetra ireo mba hitondra antsika ho amin’i Jesoa Kristy izay lalana ahazoantsika fiadanana amin’ity fiainana ity ary fisandratana sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.

Hofaranako ny anjaram-pitenenako amin’ny hevitra iray momba ny anjara asan’ny drafitry ny Ray eo amin’ny fiainana andavan’andron’ireo mpianatsika. Avy amin’ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny vahokany ilay hevitra. Teo am-panombohana ny lahateniny izy dia nilaza ny mba: “Hihainoanareo ahy … sy hanokafanareo ny sofinareo mba hahazoanareo mandre ary ny fonareo mba hahazoanareo mahatakatra, ary ny sainareo ka ny misterin’ Andriamanitra dia ho azo velabelarina ho an’ny fandinihanareo.”27

Tena tiako ilay andian-teny hoe: “ka ny misterin’ Andriamanitra dia ho azo velabelarina ho an’ny fandinihanareo,” ary tiako hampiharina amin’ny mpianatsika izany. Ataon’ny Mpanjaka Benjamina mazava tsara fa ilay “misterin’ Andriamanitra” izay tiany hipoitra amin’ny fijerin’ny vahoakany dia ireo singa fototra amin’ny drafitra lehiben’ny famonjen’ny Ray. Ho amin’ny tanjontsika dia misy dikany roa ny zavatra nolazain’ny Mpanjaka Benjamina. Voalohany, midika izany fa raha misokatra ny fo sy ny sain’ireo mpianatsika, ka mampianatra miaraka amin’ny Fanahy isika, dia ho hitan’ireo mpianatsika sy ho takany ilay drafitra. Saingy misy dikany iray hafa koa. Raha takatr’izy ireo ao am-pony ilay drafitra, dia ho lasa ny fomba fijerin’izy ireo ny tenany sy ny tontolo manodidina azy ireo ilay drafitra. Ilay drafitra no ho lasa fijerin’izy ireo. Ho hitan’ireo mpianatsika ilay drafitra, ary dia hanampy azy ireo ilay drafitra.

Ahoana no ahafahan’ireo mpianatsika hahita marina ilay drafitra? Ireo kilasintsika dia ampahany manan-danja ao amin’izany dingana izany ary efa nanao bebe kokoa ny Ray mba hanao ny drafiny ho ao amin’ny fijerin’izy ireo. Mba ampianaro ireo mpianatsika fa afaka mahita ilay drafitra izy ireo:

  • Ao amin’ny fahaterahan’ny zaza iray, sy isaky ny misy olona maty.28

  • Any amin’ny tempoly, ao amin’ireo ôrdônansy ho an’ny maty.29

  • Ao amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo amin’ny andro Sabata.30

  • Ao amin’ny fibebahana, rehefa mivavaka amin’ny Ray any An-danitra izy ireo mba hangataka famelana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.31

  • Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ilay testamenta mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy.32

  • Ao amin’ny fijerena sy fihainoana ary fanarahana ny Mpaminanin’ Andriamanitra.33

  • Ao amin’ireo tsodranon’ny fisoronana.34

  • Ao amin’ny seminera sy institiota izay toerana ahatsapan’izy ireo ny fitiavan’i Kristy sy ny fahazavany ary ny heriny.35

  • Isaky ny mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy ireo.36

Mba ampio ireo mpianatsika hahafantatra sy hahatsapa io fahamarinana mahafinaritra io: rehefa hitan’izy ireo ireo zavatra ireo, dia mahita ny fiasan’ny drafitry ny Ray izy ireo. Rehefa misokatra ny fon’izy ireo, dia hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo ny Fanahy Masina fa marina ilay drafitry ny famonjena, ary natao ho azy ireo izany.37 Rehefa mitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny fahatakarany, dia ho lasa fomba fijerin’izy ireo ny fiainana sy ny tenan’izy ireo ilay drafitra. Hahita ny tenany ao amin’ilay drafitra izy ireo, ary hanomboka hahita ny tontolo manodidina azy ireo amin’ny fomba fijerin’ny Tompo izany izy ireo.

Ilay drafitra no ho lasa rafitra ampiasain’izy ireo entina mahatakatra ny fahasarotana sy ny olana ary ny fanamby atrehan’izy ireo. Raha ny marina dia izany mihitsy no ampianarintsika ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana. Toy izao no voalaza ao: “Mba hamakafakana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo hevi-dehibe sy fanontaniana ary olana ara-piarahamonina mikasika ny fotopampianarana dia raisintsika ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy izy ireny. … Izany no ahafahantsika mamerina mandrafitra ilay fanontaniana … sy mandinika ireo hevitra mifototra amin’ny fenitry ny fahamarinan’ny Tompo toy izay hanaiky ny fihevitr’izao tontolo izao.”38

Raha manaraka an’io fomba io ny mpianatsika, dia ho lasa fomba ahatakaran’izy ireo ny tenan’izy ireo ary ny andraikiny sy ny fahafahany ary ny fitahiany ny drafitry ny famonjena. Izany no fomba hahitan’izy ireo ny lanja sy ny tanjon’ny fiainan’izy ireo. Miaraka amin’ny Fanahy Masina izay mitarika sy mampianatra azy ireo dia ho lasa manana ilay nantsoin’i Paoly hoe “ny sain’i Kristy” izy ireo.39

Ry rahalahy sy ranabavy malala, mivavaka aho mba ho ao am-ponareo ny drafitry ny Ray, mba hahita ny tenanareo ao amin’ilay drafitra ianareo, ary mba ho ilay drafitra no ho lasa fomba fahitanareo izao tontolo izao.40 Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ilay drafitry ny Ray. Velona Andriamanitra Raintsika. I Jesoa no Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Fantatro fa velona Izy. Fiangonany ity. Irany ianareo, mba hampianatra ny drafitry ny Ray amin’ny taranaka vao misondrotra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Hamoaka printy