Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy


Mahazo fahalalana ara-panahy, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

Mahazo fahalalana ara-panahy

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra

1. Mahafantatra ny zavatra rehetra Andriamanitra ary Izy no loharanon’ny fahamarinana rehetra (jereo ny Môsià 4:9). Satria tia antsika ny Raintsika any An-danitra ary tiany isika hivoatra ho lasa toa Azy dia namporisika antsika Izy “hikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (F&F 88:118). Eo ampikatsahantsika ny fahamarinana dia afaka matoky Azy tanteraka sy miantehitra amin’ny fahendreny sy ny fitiavany ary ny heriny ahafahany mampianatra sy mitahy antsika. Nampanantena ny hanambara fahamarinana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra raha toa ka vonona hitady Azy amim-pahazotoana isika (jereo ny F&F 8:2–3).

2. Mba hanampiana antsika dia nampianarin’ny Ray any An-danitra antsika ny fomba hahazoana fahalalana ara-panahy. Napetrany ireo fepetra tsy maintsy arahantsika mba hahazoana fahalalana toy izany. Ny lamina masina napetrak’Andriamanitra dia mitaky ny hananantsika faniriana amin-kitsimpo hahafantatra ny fahamarinana (jereo ny Môrônia 10:4–5) sy ny fahavononantsika hiaina araka izay nambaran’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 7:17). Ny faniriana amim-kitsimpo ananantsika dia hitarika antsika hikatsaka fahamarinana amin’ny alalan’ny vavaka (jereo ny Jakoba 1:5–6; 2 Nefia 32:8–9) sy ny fandalinana amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny 2 Timoty 3:15–17; 2 Nefia 32:3).

Mametraka fanontaniana ary mitady ny valiny

3. Indraindray isika mety hahita zavatra vaovao na hanana fanontaniana mahakasika ny fotopampianarana na ny fomba fanao na ny tantaran’ny Fiangonana izay toa sarotra takarina. Ampahany tena manan-danja amin’ny ezaka ataontsika hianarana fahamarinana ny fametrahana fanontaniana sy ny fitadiavana valiny. Mety ho avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny sasany amin’ireo fanontaniana izay tonga ao an-tsaintsika ireo. Ireo fanontaniana avy amin’ny fitaomam-panahy dia tokony horaisina ho fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay manome fahafahana ho antsika hampitombo ny fahatakarantsika sy hampatanjaka ny fahatokiantsika fa vonona hampianatra antsika ny Tompo. Na inona na inona mety ho loharanon’ny fanontaniantsika dia nomena fahafahana isika hieritreritra sy hisaintsaina ary hahazo ny fitaoman’ny Tompo izay hanitatra ny saintsika ary hampivelatra ny fahatakarantsika. Ny toe-panahy sy ny finiavana entintsika hametrahana fanontaniana sy hikatsahana valim-panontaniana dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fahafahantsika mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

4. Ireto fitsipika telo manaraka ireto dia afaka mitarika antsika rehefa mikatsaka ny hianatra sy hahatakatra fahamarinana mandrakizay isika sy mamaly fanontaniana na mamaha olana:

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

1. Fitsipika 1: Manao asa amim-pinoana

5. Manao asa amim-pinoana isika rehefa misafidy ny hatoky an’ Andriamanitra sy hitodika any Aminy aloha amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo sy ny fandalinana ireo fampianarany ary ny fankatoavana ireo didiny.

6. Rehefa mikatsaka ny hampitombo ny fahatakarantsika isika sy ny hamaha ireo olana, dia zava-dehibe ny hianteherantsika amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay efa ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana ny filazantsarany amin’ny Laoniny ary ireo fampianaran’ireo mpaminany voatendriny. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, mifikira amin’ izay efa fantatrao ary matanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana fanampiny” (Tompo ô, Mino aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 94). Ny Tompo mihitsy no nanasa antsika ‘[hibanjina Azy] amin’ny eritreritra rehetra; tsy hiroanàhana, tsy hatahotra’ (F&F 6:36).

7. Mandritra ireo fotoana izay mety tsy hahitantsika avy hatrany ny valin’ireo fanontaniantsika dia manampy ny mahatsiaro fa na dia nambaran’ny Ray any An-danitra aza ireo zavatra rehetra izay ilaina amin’ny famonjena antsika dia tsy mbola nanambara ny fahamarinana rehetra Izy. Rehefa manohy mikatsaka valim-panontaniana isika dia tsy maintsy miaina araka ny finoana—matoky fa ho azontsika ireo valim-panontaniana katsahintsika amin’ny farany (jereo ny Ohabolana 3:5–6; Etera 12:6). Rehefa mahatoky amin’ny fahamarinana sy ny fahazavana efa azontsika isika dia hahazo misimisy kokoa. Matetika ireo valin’ny fanontaniana sy vavaka ataontsika no tonga “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30).

Fitsipika 2: Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

8. Mba hamakafakana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo hevi-dehibe sy fanontaniana ary olana ara-piarahamonina mikasika ny fotopampianarana dia raisintsika ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy izy ireny. Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana ireo zavatra amin’ny fomba fahitan’ny Tompo azy ireny. (jereo ny 1 Korintiana 2:5, 9–11). Izany no ahafahantsika mamerina mandrafitra ilay fanontaniana (hijery ilay fanontaniana amin’ny fomba hafa) sy handinika ireo hevitra mifototra amin’ny fenitry ny fahamarinan’ny Tompo toy izay hanaiky ny fihevitr’izao tontolo izao. Afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Inona no zavatra efa fantatro momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ary ny fomba hifandraisany amin’ireo zanany?” sy ny hoe “Inona avy ireo fampianaran’ny filazantsara izay mifandray amin’io foto-kevitra na olana io na manazava azy io?”

9. Na ireo fanontaniana izay mifandray amin’ireo zava-nitranga ara-tantara aza dia mety ilaina fakafakaina amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Afaka mandinika ireo olana ireo amin’ny fomba mazava kokoa isika rehefa miorim-paka amin’ny fahatokisantsika ny Raintsika any An-danitra sy ny drafitry ny famonjeny. Mety hanampy ihany koa ny mamakafaka ireo fanontaniana ara-tantara ao anatin’ilay sahan-kevitra ara-tantara tokony ho izy amin’ny alalan’ny fieritreretana ny kolontsaina sy ny fenitra nisy tamin’ny fotoanandro nitrangany toy izay manery hampanjaka ny fomba fijery sy ny fitondrantena ankehitriny.

10. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ireo antsipirian-javatra ara-tantara dia tsy mitondra ilay hery manavotra entin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary fotopampianarana. Ny hoe variana amin’ny antsipirian-javatra tsy dia manan-danja loatra ka tsy mahita ireo fahagagana mitranga amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia toy ny mandany fotoana amin’ny famakafakana boaty iray namonosana fanomezana ka tsy miraharaha ny hatsaran’ilay tena fanomezana.

Fitsipika 3: Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

11. Anisan’ny dingana napetraky ny Tompo hahazoana fahalalana ara-panahy ny nametrahany loharano izay hanambarany fahamarinana sy fitarihana amin’ireo zanany. Ireo loharanom-pahalalana ireo dia ahitana ny fahazavan’i Kristy, ny Fanahy Masina, ny soratra masina, ireo ray aman-dreny ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo—ireo mpaminanin’ny Tompo eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao—dia loharanom-pahamarinana tena iankinan’ny aina. Nisafidy sy nanendry ireo olona ireo ny Tompo mba hiteny eo amin’ny toerany.

12. Afaka mianatra fahamarinana ihany koa isika amin’ny alalan’ny loharanom-pahalalana hafa azo itokisana. Na izany aza anefa, ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana dia tokony ho mailo amin’ireo loharanom-pahalalana tsy azo itokisana. Isika dia miaina amin’ny fotoana izay maro no “hiantso ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy” (Isaia 5:20). I Satana no rain’ny lainga ary mikatsaka ny hanova ny fahamarinana izy sy handresy lahatra antsika hitodi-damosina amin’ny Tompo sy ireo mpanompony. Rehefa mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana masina voatendrin’ny Tompo isika hahazoana valim-panontaniana sy fitarihana, dia afaka ny hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana. Afaka miaro antsika amin’ny fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hamotika ny finoana ny fianarana mamantatra ireo loharano tsy azo itokisana sy miala amin’izany.

Manampy ny hafa hahazo fahalalana ara-panahy

13. Rehefa manatona antsika ny hafa ka mametraka fanontaniana na manadihady mikasika ny fotopampianaran’ny Fiangonana na ny fomba amam-panaony na ny tantaran’ny Fiangonana dia ahoana no fomba tsara indrindra ahafahantsika manampy azy ireo eo amin’ny fitadiavan’izy ireo ny fahamarinana? Ireto manaraka ireto dia isan’ireo fomba ahafahantsika manampy azy ireo:

14. Mihaino tsara sy mihaino ombam-bavaka: Mihainoa tsara mialohan’ ny hamalianao, ka katsaho ny hampazava sy hahatakatra ireo tena fanontaniana izay apetrak’izy ireo. Katsaho amim-pieritreretana ny hahatakatra ny tena tanjon’ny fanontanian’izy ireo sy ny fahatsapany ary ny finoany.

15. Mampianatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy mijoro ho vavolombelona momba azy ireo: Mizarà fampianarana azo ampiharina avy ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpaminany maoderina sy ny fomba nitondran’izy ireny fiovana teo amin’ny fiainanao. Ampio ireo izay iresahanao hamakafaka ny fanontanian’izy ireo na hanova ny firafitr’izany hifanaraka amin’ny sahan-kevitry ny filazantsara sy ny drafitry ny famonjena.

16. Manasa azy ireo hanao asa amim-pinoana: Tsarovy fa ny Tompo dia mitaky antsika hikatsaka fahalalana ara-panahy ho an’ny tenantsika. Noho izany isika dia tsy maintsy manasa ny hafa hanao asa amim-pinoana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fankatoavana ireo didy ary ny fandalinana amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra, ka hampiasa ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna. Raha azo atao dia asao izy ireo hitadidy zavatra mety niainan’izy ireo ka nahatsapany ny Fanahy Masina, ary hifikitra amin’ireo fahamarinana maharitra mandrakizay izay efa nianaran’izy ireo mandra-pahatongan’ny fahalalana fanampiny.

17. Manao fanaraha-maso: Manolora tena hitady valinteny, ary manaova fanaraha-maso amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra nianaranao. Azonareo atao ihany koa ny miara-mitady ireo valim-panontaniana. Manehoa fahatokiana an’ilay fampanantenan’ny Tompo hoe hanome fanambarana ho an’ny tena manokana.

Soratra masina mifandray: Jeremia 1:4–5; Amosa 3:7; Matio 5:14–16; Matio 16:15–19; Jaona 15:16; Jaona 17:3; Efesiana 2:19–20; Efesiana 4:11–14; 2 Nefia 2:27; Môsià 18:8–10; 3 Nefia 18:15, 20–21; F&F 1:37–38; F&F 18:15–16; F&F 21:4–6; F&F 88:118

Lohahevitra ara-potopampianarana mifandray: Ny Andriamanitra: Ny Fanahy Masina; Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: Finoana an’i Jesoa Kristy; Mpaminany sy fanambarana; Ireo didy

Hamoaka printy