Seminera
8. Fanambadiana sy Fianakaviana


8. Fanambadiana sy Fianakaviana, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

8. Fanambadiana sy Fianakaviana

Sary
olona eo ivelan’ny tempoly

8.1. Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra, ary ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny famonjeny sy ivon’ny fahasambarantsika (jereo ny Genesisy 2:24; F&F 49:15–17). Amin’ny alalan’ny fanaovana ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fitandremana izany amim-pahatokiana ihany no ahafahan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray manatratra ny fahafahan’izy ireo ho tonga andriamanitra sy haharitra mandrakizay (jereo ny 1 Korintiana 11:11; F&F 131:1–4).

8.2. Nandidy ny zanany Andriamanitra ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany (jereo ny Genesisy 1:28). Ny fahefana masin’ny fananahana dia tsy natao hampiasaina raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay nivady ara-dalàna (jereo ny Genesisy 39:9; Almà 39:9). Ny mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra hifankatia sy hifampikarakara ary hanao toy izany koa amin’ny zanany. Ny ray aman-dreny dia tokony hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ary hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo.

8.3. Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo. Araka ny lamin’ Andriamanitra dia ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary hanome izay ilaina eo amin’ny fiainana. Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo.

8.4. Ny drafitra masin’ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana hitohy any ankoatry ny fasana. Nohariana ny tany ary nambara ny filazantsara mba hahafahan’ny fianakaviana ho tafaorina, sy ho voafehy ary hisandratra mandrakizay. Afaka manolotra ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara ho an’ireo razambentsika isika amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa fanompoana atao any amin’ny tempoly (jereo ny Malakia 3:23-24).

(Nalaina avy amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129.)

Soratra masina mifandray: Mosesy 1:39; Genesisy 1:26–27; Eksodosy 20:3–17; Matio 16:15–19; Jaona 17:3; 1 Korintiana 6:19–20; 2 Nefia 2:22–25; Môsià 2:41; Almà 41:10; F&F 84:20–22

Lohahevitra mifandray: Ny drafitry ny famonjena; Ireo didy

Hamoaka printy