Seminera
Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana


Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana

Sary
tanora mifampiresaka

Nampianatra ireo zanakalahiny ny mpaminany Helamàna tao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo” (Helamàna 5:12). Ny fanorenana fototra eo amin’i Jesoa Kristy—izay ahitana ny fahatakarana sy ny finoana ary ny fiainana araka ny fotopampianarany—dia hampiorim-paka ny fiovampontsika sy ny fanolorantenantsika amin’ny maha-mpianany antsika, sy hiaro antsika amin’ireo fitaoman’ny fahavalo, ary hanampy antsika hitahy ny fiainan’ny hafa.

Anisan’ireo fomba hanatontosantsika izany ny fiaraha-mandalina ny soratra masina misesy ao an-dakilasy. Ny fomba iray hafa hanorenantsika ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany dia ny ezaka iray antsoina hoe fifehezana fotopampianarana.

Mifototra amin’ny vokatra roa ny fifehezana fotopampianarana:

  1. Fianarana sy fampiharana ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy

    Nanambara ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ny Ray any An-danitra. Ireo fitsipika ireo dia ahitana ny fanaovana asa amim-pinoana, sy ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary ny fikatsahana fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Mampitombo ny fifehezana fotopampianarana isika rehefa mampihatra ireo fitsipika ireo mandritra sy ivelan’ny kilasy ary mikatsaka valinteny ho an’ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana sy ny tantara amin’ny fomba izay manasa ny Fanahy Masina hampatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany.

  2. Mahafehy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo andinin-tsoratra masina izay ampianarina ao anatin’izany.

    Izany vokatry ny fifehezana fotopampianarana izany dia tontosa amin’ny alalan’ny:

    1. Fampitomboana fahatakarana lalim-paka kokoa momba ny tsirairay amin’ireto lohahevitry ny fotopampianarana sivy manaraka ireto:

      • Ny Andriamanitra

      • Ny drafitry ny famonjena

      • Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

      • Ny Famerenana amin’ny laoniny

      • Mpaminany sy fanambarana

      • Fisoronana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana

      • Ôrdônansy sy fanekempihavanana

      • Fanambadiana sy fianakaviana

      • Ireo Didy

    2. Fahatakarana ny fanambarana manan-danjan’ny fotopampianarana ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ity tahirin-kevitra ity sy ny tsirairay amin’ireo lohahevitry ny fotopampianarana sivy ireo.

    3. Fahafantarana ny fomba ampianarana ireo fanambarana manan-danjan’ny fotopampianarana ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ary ny fahafahana mitadidy sy mahita ny toerana misy ireo andinin-tsoratra masina ireo.

    4. Fanazavana mazava ny fanambarana manandanjan’ny fotopampianarana tsirairay amin’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana mifandray amin’izany.

    5. Fampiharana ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny safidy ataontsika isan’andro sy eo amin’ny fihetsika asetrintsika ireo olana sy fanontaniana ara-potopampianarana sy ara-piarahamonina ary ara-tantara.

Hamoaka printy