Seminera
5. Mpaminany sy Fanambarana


5. Mpaminany sy fanambarana, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

5. Mpaminany sy Fanambarana

Sary
manohana ny mpitarika azy ireo ny vahoaka

5.1. Ny mpaminany dia olona iray izay nantsoin’ Andriamanitra hiteny amin’ny Anarany (jereo ny Jeremia 1:4–5; Amosa 3:7; Jaona 15:16; F&F 1:37–38). Ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny Filazantsarany. Mampahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny tena toetoetrany marina izy ireo. Miampanga ny fahotana izy ireo sy mampitandrina ny amin’ny vokatra aterak’izany ary manampy antsika hisoroka ny fahadisoam-panantenana (jereo ny Ezekiela 3:16–17; Efesiana 4:11–14). Indraindray dia maminany ny zavatra ho avy izy ireo. Afaka manatanteraka ireo andraikitra ireo ny mpaminany satria mahazo fahefana sy fanambarana avy amin’ Andriamanitra izy ireo.

5.2. Ny fanambarana dia fifandraisana avy amin’ Andriamanitra mankany amin’ireo zanany. Ny ankamaroan’ny fanambarana dia tonga amin’ny alalan’ny tsindrimandry sy ny eritreritra ary ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fanambarana ihany koa dia mety ho tonga amin’ny alalan’ny fahitana sy ny nofy ary ny famangian’ireo anjely.

5.3. Nandritra ny asa fanompoany teto ambonin’ny tany ary amin’izao androntsika izao indray dia nanangana ny Fiangonany teo ambony fanorenan’ ny mpaminany sy ny apôstôly ny Tompo (jereo ny Efesiana 2:19–20). Ny Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no mpaminanin’ Andriamanitra ho an’ny olona rehetra eto an-tany ankehitriny. Manohana ny Filohan’ny Fiangonana isika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary ho ilay hany olona tokana eto an-tany mandray ny fanambarana hitarihana ny Fiangonana manontolo. Raha toa ka mandray amim-pahatokiana sy mankatò ireo fampianaran’ny Filohan’ny Fiangonana isika dia hitahy antsika Andriamanitra mba handresy ny fitaka sy ny ratsy (jereo ny F&F 21:4–6). Tohanantsika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ihany koa ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

5.4. Ny soratra masina—ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy lafo vidy—dia ahitana ireo fanambarana nomena tamin’ny alalan’ireo mpaminany fahiny sy amin’izao andro farany izao. Rehefa mandalina ny tenin’ireo mpaminany isika dia afaka mianatra fahamarinana ary handray fitarihana.

5.5. Raha toa ka manome fanambarana Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminany mba hitarihana ny zanany rehetra dia afaka mandray fanambarana kosa ny olona tsirairay mba hanampiana azy ireo amin’ny zavatra ilain’izy ireo manokana sy ny andraikiny ary ny fanontaniany manokana, ary koa mba hanampiana azy ireo hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Na izany aza anefa dia tsy hifanohitra na oviana na oviana amin’ny fanambarana omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminany ny fitaomam-panahy azon’ny tena manokana.

Soratra masina mifandray: Abrahama 3:22–23; Matio 16:15–19; 2 Timoty 3:15–17; 2 Nefia 32:3; F&F 8:2–3; F&F 76:22–24

Lohahevitra mifandray: Mahazo fahalalana ara-panahy; Fisoronana sy Fanalahidin’ny fisoronana

Hamoaka printy