Seminera
3. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy


3. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

3. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Sary
ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty

3.1. Notendrena mialoha tany amin’ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Tonga teto an-tany Izy ary nijaly sy maty tamin-tsitrapo mba hanavotra ny olombelona rehetra amin’ireo voka-dratsin’ny Fahalavoana ary hanonitra ny sazy noho ny otantsika. Ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty no antsoina hoe ny Sorompanavotana. Tombontsoa ho antsika tsirairay ny sorona nataony ary maneho ny lanja tsy manam-petran’ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay (jereo ny F&F 18:10–11).

3.2. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery no hahafahana mamonjy antsika satria izy irery no hany afaka manatanteraka Sorompanavotana tsy manam-petra sy maharitra mandrakizay ho an’ny olombelona rehetra (jereo ny Almà 34:9–10). Izy irery no hany nanana hery handresena ny fahafatesana ara-batana. Nandova ny fahafahana ho faty Izy tamin’i Maria, izay reniny mety maty. Avy tamin’ Andriamanitra, izay Rainy tsy mety maty, no nandovany ny hery ahafahana miaina mandrakizay sy hanolotra ny ainy ary haka izany indray. Izy irery no hany afaka nanavotra antsika amin’ny otantsika. Noho Izy nanana fiainana tonga lafatra sy tsy nisy fahotana, dia tsy teo ambany fitakian’ny fahamarinana Izy ary afaka nanefa ny trosa ho an’ireo izay mibebaka.

3.3. Tafiditra tao anatin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fijaliany ho an’ny fahotan’ny zanak’olombelona tao amin’ny Sahan’i Getsemane, sy ny fandatsahana ny rany, ny fanaintainany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. Izy no olona voalohany nitsangana tamin’ny maty. Nitsangana avy tao am-pasana Izy niaraka tamin’ny vatana nofo sy taolana feno voninahitra sy tsy mety maty (jereo ny Lioka 24:36–39). Noho ny Sorompanavotany dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana tonga lafatra sy tsy mety maty ny olombelona rehetra ary hoentina miverina eo anatrehan’ Andriamanitra indray mba hotsaraina. Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nanome ilay hany fomba tokana hahafahantsika ho voadio sy ho voavela amin’ny fahotantsika mba hahafahantsika hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay (jereo ny Isaia 1:18; F&F 19:16–19).

3.4. Tao anatin’ny Sorompanavotany dia tsy vitan’ny hoe nijaly noho ny fahotantsika fotsiny i Jesoa Kristy fa nandray teo Aminy ihany koa ny fanaintainana, sy ny fakam-panahy, sy ny aretina, ary ny rofin’ny olon-drehetra (jereo ny Isaia 53:3–5; Almà 7:11–13). Takany tsara ny fijaliantsika satria efa niainany. Rehefa manatona ny Mpamonjy amim-pinoana isika dia hampatanjaka antsika Izy hahafahantsika mitondra ireo enta-mavesatsika sy manatanteraka ireo asa izay tsy ho vitantsika samirery (jereo ny Matio 11:28–30; Etera 12:27).

3.5. Raha nanefa ny saran’ny fahotantsika i Jesoa Kristy dia tsy nanaisotra ny maha tompon’andraikitra antsika Izy. Mba hanekena ny sorona nataony, sy ho voadio amin’ny fahotantsika, ary handovana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mampihatra ny finoana Azy isika, sy mibebaka, sy atao batisa, sy mandray ny Fanahy Masina, ary maharitra hatramin’ny fiafaran’ny fiainantsika amim-pahatokiana.

Soratra masina mifandray: Jaona 3:5; 1 Korintiana 15:20–22; Môsià 3:19; 3 Nefia 11:10–11; 3 Nefia 27:20; F&F 76:22–24

Lohahevitra mifandray: Ny Andriamanitra: I Jesoa Kristy; Ny drafitry ny Famonjena: Ny Fahalavoana; Ordônansy sy Fanekempihavanana

Finoana an’i Jesoa Kristy

3.6. Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny finoantsika dia tsy afaka mitondra antsika amin’ny famonjena raha tsy rehefa mifototra amin’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 5:12).

3.7. Tafiditra ao anatin’ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy ny fananana finoana mafy orina fa Izy no ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra sy Mpamonjy an’izao tontolo izao. Ekentsika fa ny hany fomba ahafahantsika miverina miaina miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra dia ny fianteherana amin’ny Sorompanavotana tsy misy fetra nataon’ny Zanakalahiny sy ny fitokisana amin’i Jesoa Kristy ary ny fanarahana ny fampianarany. Tsy ampy ny mino fotsiny fa ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia mitarika fanaovana asa ary aseho amin’ny alalan’ny fomba fiainantsika (jereo ny Jakoba 2:17–18). Afaka mitombo ny finoantsika rehefa mivavaka isika, sy mandalina ny soratra masina ary mankatò ireo didin’ Andriamanitra.

Soratra masina mifandray: Ohabolana 3:5-6; Etera 12:6; F&F 6:36

Lohahevitra mifandray: Mahazo fahalalana ara-panahy

Fibebahana

3.8. Mitarika antsika hibebaka ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavantsika Azy sy ny Ray any An-danitra. Tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany rehetra izay tompon’andraikitra amin’ny safidin’izy ireo ny fibebahana. Io fanomezana io dia tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Fanovana ny fomba fisainana sy fiovam-po ny fibebahana. Tafiditra ao anatin’izany ny fialana amin’ny fahotana sy ny fampitodihana ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny faniriantsika ho amin’ Andriamanitra ary fampifanarahana ny sitrapontsika amin’ny Azy (jereo ny Môsià 3:19).

3.9. Ny fibebahana dia ahitana ny fiaikena ny fahotantsika, ny fahatsapana fanenenana na alahelo araka an’ Andriamanitra noho ny fanaovana ota, ny fibabohana ny fahotantsika amin’ny Ray any An-danitra ary koa, raha ilaina, amin’ireo hafa, ny famoizana ny ota, ny fikatsahana ny hanonitra araka izay tratra ireo zavatra rehetra simba vokatry ny otantsika, ary ny fananana fiainana ao anatin’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra (jereo ny F&F 58:42–43). Mampanantena ny hamela ny fahotantsika ny Tompo amin’ny batisa, ary manavao izany fanekempihavanana izany isika isaky ny mandray amin-kitsimpo ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny finiavana hahatsiaro ny Mpamonjy sy hitandrina ireo didiny.

3.10. Afaka mahazo ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra isika sy mahatsapa fiadanana amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsimpo sy ny fahasoavana omena amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mahatsapa kokoa ny fitaoman’ny Fanahy isika ary vonona kokoa ny hiaina mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany.

Soratra masina mifandray: Isaia 1:18; Jaona 14:15; 3 Nefia 27:20; F&F 19:16–19

Lohahevitra mifandray: Ordônansy sy fanekempihavanana

Hamoaka printy