Seminera
9. Ireo Didy


9. Ireo Didy, Tahirin-kevitra Fototra ho an’ny Fifehezana Fotopampianarana (2018)

9. Ireo Didy

Sary
lehilahy iray mandoa fahafolonkarena

9.1. Ny didy dia lalàna sy zavatra takina izay omen’ Andriamanitra mba hanampiana antsika hivoatra sy ho tonga tahaka Azy. Ny didy dia endrika isehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Maneho ny fitiavantsika Azy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny (jereo ny Jaona 14:15). Hitondra fahasambarana sy fitahiana avy amin’ny Tompo mandrakariva ny fitandremana ny didy (jereo ny Môsià 2:41; Almà 41:10). Tsy manome didy ho antsika ny Tompo raha tsy efa nanomana fomba ahafahantsika mankatò izany (jereo ny 1 Nefia 3:7).

9.2. Ireo didy roa lehibe indrindra sady ifotoran’ny didy rehetra dia ny hoe “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. … … Ary ny hoe … Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (jereo ny Matio 22:36–39). Afaka mitia sy manompo an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hitia sy hanompo ny hafa (jereo ny Môsià 2:17; Môrônia 7:45, 47–48).

9.3. Anisan’ireo didy voalohany nomena ny olombelona ny hitandremana ny andro Sabata ho masina. Mandidy ny zanany Andriamanitra mba hanaja Azy amin’ny alalan’ny fanaovana ny sitrapony fa tsy ny sitrapontsika kosa amin’ny Sabata, ary mampanantena fitahiana lehibe Izy ho an’ireo izay mitandrina ny Androny ho masina (jereo ny Isaia 58:13–14).

9.4. Ny Didy Folo dia lafiny manan-danja tokoa ao amin’ny filazantsara ary fitsipika mandrakizay izay ilaina ho an’ny fisandratantsika (jereo ny Eksodosy 20:3–17). Nanambara izany tamin’i Mosesy ny Tompo tamin’ny andro fahiny ary namerina nanamafy izany indray Izy ao amin’ireo fanambarana amin’izao andro farany izao.

9.5. Ny didin’ Andriamanitra dia ahitana ny vavaka isan’andro, ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra, ny fibebahana, ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ny fandoavana ampahafolonkarena feno (jereo ny Malakia 3:8–10) ny fifadian-kanina (jereo ny Isaia 58:6–7) ny famelana ny hafa (jereo ny F&F 64:9–11) ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny F&F 89:18–21) ary ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa (jereo ny Matio 5:14–16; F&F 18:15–16).

Soratra masina mifandray: Genesisy 39:9; 2 Timoty 3:15–17; Jakoba 1:5–6; 2 Nefia 32:3; 2 Nefia 32:8–9; Môsià 18:8–10; Almà 39:9;   Nefia 18:15, 20–21; F&F 58:42–43; F&F 82:10

Lohahevitra mifandray: Mahazo fahalalana ara-panahy; Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; Fibebahana; Ordônansy sy fanekempihavanana

Hamoaka printy