Seminera
6. Fisoronana sy Fanalahidin’ny Fisoronana


6. Fisoronana sy fanalahidin’ny Fisoronana, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

6. Fisoronana sy Fanalahidin’ny Fisoronana

Sary
Nandray ny fisoronana Aharôna i Joseph Smith

6.1. Ny fisoronana dia ilay hery sy fahefana mandrakizay an’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fisoronana no naharian’ Andriamanitra ny lanitra sy ny tany sy itantanany an’ izany. Amin’ny alalan’io fahefana io no hanavotany sy hanandratany ireo zanany. Omena ireo lehilahy mpikambana mendrika ao amin’ny Fiangonana ny Fisoronana. Afaka mahazo an’ireo fitahian’ny Fisoronana avy amin’ny ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara ireo zanak’Andriamanitra rehetra.

6.2. Ny fanalahidin’ny fisoronana dia zon’ny fiadidiana, na ny fahefana omen’ Andriamanitra ny olona mba hitantanany sy hitarihany ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (jereo ny Matio 16:15–19). Ilaina ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny fitoriana ny filazantsara sy ny fitantanana ireo ôrdônansin’ny famonjena.

6.3. I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidin’ny Fisoronana rehetra izay mahakasika ny Fiangonany. Nomeny ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra ireo. Ireo filohan’ny tempoly, filohan’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, eveka ary filohan’ny kôlejy ihany koa dia mihazona fanalahidin’ny fisoronana izay ahafahan’izy ireo hiahy sy hitarika ny asa nanirahana azy ireo.

6.4. Ireo rehetra izay manompo ao amin’ny Fiangonana—na lehilahy na vehivavy—dia antsoina eo ambany fitarihan’ny olona iray mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny F&F 42:11). Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe, “Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am-panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy” (“Ny fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 51). Ny fahefan’ny fisoronana dia tsy azo ampiasaina raha tsy araka ny fahamarinana (jereo ny F&F 121:36, 41–42).

6.5. Ireo izay voatendry ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia miditra amin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana. Raha toa ka milofo amin’ ny antsony izy ireo sy mandray amim-pahatokiana ny Tompo sy ireo mpanompony dia hahazo ireo fitahian’ny fisandratana. Ampanantenaina ireo fitahian’ny fisandratana toy izany ihany koa ireo vehivavy rehefa mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo.

Soratra masina mifandray: Jaona 15:16; Efesiana 2:19–20

Lohahevitra mifandray: Ny Famerenana amin’ny laoniny; Mpaminany sy fanambarana; Ordônansy sy fanekempihavanana

Fisoronana Aharôna

6.6. Matetika ny Fisoronana Aharôna dia antsoina hoe fisoronana fiomanana. Ny Fisoronana Aharôna no “mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa” (F&F 13:1). Amin’ny alalan’ny fampiasana izany fisoronana izany no hikarakarana sy hanamasinana ary hanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia ny diakona, ny mpampianatra, ny mpisorona ary ny eveka.

Fisoronana Melkizedeka

6.7. Ny Fisoronana Meklizedeka no fisoronana avo kokoa, na lehibe kokoa, ary “mihazona ny zon’ny fiadidiana ary manan-kery sy fahefana amin’ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ny fiangonana, amin’ny vanim-potoana rehetra eo amin’izao tontolo izao, mba hitantana ny zavatra ara-panahy” (F&F 107:8). Tanterahina eo ambany fahefan’ny Filohan’ny Fiangonana, izay Filohan’ny Fisoronana Melkizedeka ireo tsodrano sy ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra ary torak’izany koa ny fitantanana ireo rafitra rehetra ao amin’ny Fiangonana Nomena an’i Adama io fisoronana io ary nisy teto an-tany hatrany isaky ny nanambara ny filazantsarany ny Tompo. Ahitana ny anjara fanompoan’ny loholona, ny mpisorona avo, ny patriarika, ny Fitopololahy ary ny Apôstôly ao amin’izany Fisoronana Melkizedeka izany.

Soratra masina mifandray amin’izany: Efesiana 4:11–14

Hamoaka printy