Seminera
Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja


Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja

Ity manaraka ity dia lisitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 100 miaraka amin’ny famintinana fohy isaky ny andinin-tsoratra masina.

Mahazo fahalalana ara-panahy

Ohabolana 3:5–6. Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao.

Isaia 5:20. Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy.

Jaona 7:17. Ny manao ny sitrapon’ Andriamanitra dia ny mahafantatra ny fotopampianarany.

1 Korintiana 12:5, 9–11 Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ahafantarantsika ireo zavatra avy amin’ Andriamanitra.

2 Timoty 3:15–17 Mampahendry anao ho amin’ny famonjena ny soratra masina.

Jakoba 1:5–6. Raha tsy manam-pahendrena ianao dia mangataha amin’ Andriamanitra.

2 Nefia 28:30. Manome fahalalana andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Andriamanitra.

2 Nefia 32:3 Raha mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy isika dia afaka mahalala ny zava-drehetra tokony hataontsika.

2 Nefia 32:8–9 Raha mivavaka mandrakariva isika dia hanamasina ny asantsika Andriamanitra mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika.

Môsià 4:9. Minoa an’ Andriamanitra ary Izy dia manana ny fahendrena rehetra.

Etera 12:6. Ny fijoroana ho vavolombelona dia tonga aorian’ny fizahan-toetra ny finoana.

Môrônia 10: 4–5. Ny Fanahy Masina dia manambara fahamarinana amin’ireo izay manontany an’ Andriamanitra omban’ny tena finiavana.

F&F 6:36. Banjino amin’ny eritreritra rehetra i Kristy.

F&F 8:2–3. Miresaka amin’ny saintsika sy ny fontsika ny Fanahy Masina.

F&F 88:118. Katsaho ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary amin’ny alalan’ny finoana.

Lohahevitra ara-potopampianarana

1. Ny Andriamanitra

Hebreo 12:9. Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika.

2 Nefia 26:33 Mitovy daholo isika rehetra amin’ Andriamanitra.

3 Nefia 11:10–11 Nanao ny sitrapon’ny Ray amin’ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy.

3 Nefia 12:48 Nanasa antsika ho tonga tanteraka i Jesoa Kristy.

3 Nefia 18:15, 20–21 Miambena sy mivavaha mandrakariva amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

F&F 29:10–11. Ho tonga indray amin-kery sy amim-boninahitra i Kristy.

F&F 130:22–23. Manana vatana nofo sy taolana ny Ray sy ny Zanaka.

2. Ny Drafitry ny Famonjena

Mosesy 1:39. Ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona no asa sy voninahitr’ Andriamanitra.

Abrahama 3:22–23. Voafidy talohan’ny nahaterahany i Abrahama.

Genesisy 1:26–27. Nahary ny olona araka ny endriny Andriamanitra.

Josoa 24:15. Fidionareo anio izay hotompoinareo.

Jaona 17:3. Ny fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

1 Korintiana 6:19–20. Tempoly ny vatanao.

1 Korintiana 15:20–22. Hitsangana amin’ny maty ao amin’i Kristy ny rehetra.

1 Korintiana 15:40–42. Misy fanjakam-boninahitra telo any amin’ny Fitsanganana amin’ny maty.

1 Petera 4:6. Notoriana tamin’ireo efa nodimandry ny filazantsara.

Apokalypsy 20:12. Hijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina ny olona tsirairay.

2 Nefia 2:22–25. Lavo i Adama mba hisian’ny olona.

2 Nefia 2:27. Afaka misafidy isika.

F&F 76:22–24. Velona i Jesoa Kristy ary Izy no Mpahary tontolo maro.

3. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Isaia 1:18. Raha mibebaka isika dia ho fotsy tahaka ny oram-panala ny fahotantsika.

Isaia 53:3–5. Nitondra ny aretintsika sy nijaly noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy.

Matio 11:28–30. Raha manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hohamaivaniny ny enta-mavesatsika ary homeny fitsaharana isika.

Lioka 24:36–39. I Jesoa Kristy dia nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’ny vatana nofo sy taolana.

Jakoba 2:17–18. Ny finoana tsy arahana asa dia maty.

Môsià 3:19. Esory ny olona araka ny nofo ka tongava Olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Almà 7:11–13. Niaina ny fanaintainantsika i Jesoa Kristy ary nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana.

Almà 34:9–10. Tsy maintsy misy Sorompanavotana natao.

Helamàna 5:12. Aoreno ao amin’i Kristy ny fototrao.

Etera 12:27. Ny zavatra malemy dia afaka ho matanjaka amin’ny alalan’ny Mpamonjy.

F&F 18:10–11 Lehibe ny hasarobidin’ny olona.

F&F 19:16-19. Nijaly ho an’ny fahotantsika ny Mpamonjy mba hahafahantsika mibebaka.

F&F 58:42–43. Rehefa mibebaka isika dia tsy maintsy mibaboka sy mahafoy ny fahotana.

4. Ny Famerenana amin’ny Laoniny

Mosesy 7:18. Ziona—iray fo sy iray saina ao anatin’ny fahamarinana

Isaia 29:13–14. Zava-mahagaga sy mahatalanjona ny Famerenana amin’ny laoniny.

Ezekiela 37:15–17. Nampiarahana ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.

Daniela 2:44. Tsy ho rava mandrakizay ny fanjakan’ Andriamanitra.

Asan’ny Apôstôly 3:19–21. Naminany momba ny Famerenana amin’ny Laoniny i Petera.

2 Tesaloniana 2:1–3. Nambara mialoha ny apôstazia.

Joseph Smith—Tantara 1:15–20. Niantso an’i Joseph Smith mba ho mpaminany ny Tompo Andriamanitra tao anatin’ny Fahitana Voalohany.

F&F 1:30. Ilay hany Fiangonana velona sady marina

F&F 135:3. Niasa ho an’ny famonjena antsika i Joseph Smith.

5. Mpaminany sy Fanambarana

Jeremia 1:4–5. Efa voatendry mialoha ho mpaminany i Jeremia.

Ezekiela 3:16–17. Ireo mpitilin’ny Tompo dia manome fampitandremana avy Aminy.

Amosa 3:7. Milaza ny heviny amin’ireo mpaminaniny Andriamanitra.

Jaona 15:16. Mifidy sy manendry apôstôly sy mpaminany ny Tompo.

Efesiana 2:19–20 Ny Fiangonan’ny Tompo dia naorina eo amin’ny fanorenan’ny apôstôly sy mpaminany.

Efesiana 4:11–14. Manampy amin’ny fanatanterahana ny Olomasina ireo apôstôly sy mpaminany.

F&F 1:37–38. Ny feon’ny Tompo sy ny an’ny mpanompony dia iray ihany.

F&F 21:4–6. Rehefa mandray ny tenin’ny mpaminany amin’ny faharetana sy ny finoana isika dia haparitak’ Andriamanitra ny herin’ny haizina.

6. Fisoronana sy Fanalahidin’ny Fisoronana

Matio 16:15–19. Nampanantena i Jesoa Kristy fa hanorina ny Fiangonany sy hanome ireo fanalahidin’ny fanjakana.

F&F 13:1. Ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna

F&F 42:11 Tsy maintsy antsoina amin’ny alalan’ny olona iray izay manana fahefana ireo solontenan’ny Tompo.

F&F 107:8 Ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka

F&F 121:36, 41–42. Miankina amin’ny fahamarinan’ny olona iray ny herin’ny fisoronana.

7. Ôrdônansy sy Fanekempihavanana

Eksodosy 19:5–6. Tandremo ny fanekeko dia ho firenena masina ianareo.

Salamo 24:3–4 Mba hijoroana ho mendrika eo anoloan’ny Tompo, dia tsy maintsy madio tanana sy mahitsy fo isika.

Jaona 3:5. Tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika mba hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Môsià 18:8–10. Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny batisa.

3 Nefia 27:20 Aoka hatao batisa sy hamasinina amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.

F&F 82:10 Voafatotra ny Tompo rehefa manao izay lazainy isika.

F&F 84:20–22. Miseho amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ny herin’ Andriamanitra.

8. Fanambadiana sy Fianakaviana

Genesisy 1:28. Aoka hihamaro sy hameno ny tany.

Genesisy 2:24. Natao ho iray ny mpivady.

Genesisy 39:9. Nanohitra ny fakam-panahy i Josefa.

Malakia 3:23-24. Hampody ny fon’ny ray amin’ny zanaka i Elia.

1 Korintiana 11:11 Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mitambatra ihany no afaka hanatanteraka ny drafitry ny Tompo.

Almà 39:9. Hafoizo ny fitsiriritan’ny masonao.

F&F 49:15–17. Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra.

F&F 131:1–4 Ny fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain’ny fanambadiana

9. Ireo Didy

Eksodosy 20:3–17. Nanambara ny Didy Folo Andriamanitra.

Isaia 58:6–7. Ny fifadiankanina dia manampy antsika hamaha ny fatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga ary hanome ho an’ny mahantra.

Isaia 58:13–14. Andro masin’ny Tompo ny Sabata.

Malakia 3:8–10 Mitondra fitahiana ny fandoavana fahafolonkarena.

Matio 5:14–16. Aoka hazava ho ohatra ho an’ny hafa ny fahazavanareo.

Matio 22:36–39 Tiava ny Tompo; Tiava ny namanao.

Jaona 14:15. Raha tia ahy ianareo dia hitandrina ny didiko.

1 Nefia 3:7 Manomana lalana ny Tompo mba hankatoavantsika ny didiny.

Môsià 2:17. Rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’ Andriamanitra.

Mosià 2:41. Mitondra fitahiana sy fahasambarana ny fankatoavana.

Almà 41:10. Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.

Môrônia 7:45, 47–48. Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy.

F&F 18:15–16. Fifaliana amin’ny fitondrana fanahy ho ao amin’i Jesoa Kristy

F&F 64:9–11. Takiana amintsika ny hamela ny olon-drehetra.

F&F 89:18–21. Ireo fitahiana avy amin’ny Tenin’ny Fahendrena

Hamoaka printy