Seminera
4. Ny Famerenana amin’ny Laoniny


4. Ny Famerenana amin’ny laoniny, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

4. Ny Famerenana amin’ny Laoniny

Sary
ireo takela-bolamena

4.1. Naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao ny filazantsarany tamin’ny alalan’ny famerenana indray eto ambonin’ny tany ireo fahamarinany, sy ny fahefan’ny fisoronany, ary ny Fiangonany. Nambaran’ireo mpaminany fahiny mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany (jereo ny Isaia 29:13–14; Asan’ny Apostoly 3:19–21).

4.2. Nanomboka tamin’ny 1820 ny Famerenana amin’ny laoniny. Niseho tamin’i Joseph Smith ho valin’ny vavaka nataony Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, ary niantso azy ho Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20).

4.3. Nantsoin’ Andriamanitra i Joseph Smith ho vavolombelon’ilay Kristy velona amin’ny andro farany. Amin’ny maha-mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny an’i Joseph Smith dia nandika ny Bokin’i Môrmôna izy tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra (jereo ny F&F 135:3). Ny Bokin’i Môrmôna, miaraka amin’ny Baiboly dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsara (jereo ny Ezekiela 37:15–17). Ny Bokin’i Môrmôna ihany koa dia vavolombelon’ny antso maha mpaminany nosahanin’i Joseph Smith sy ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny.

4.4. Tafiditra tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny nanirahan’ Andriamanitra anjely mpitondra hafatra hamerina amin’ny laoniny ny fisoronana Aharôna sy Melkizedeka. Avy eo Izy dia nanome torolalana ny hananganana indray ny Fiangonany eto ambonin’ny tany tamin’ny 6 aprily 1830. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, noho izy hoe Andriamanitra mihitsy no nanangana azy, no “ilay hany Fiangonana marina sy velona eto ambony tany manontolo” (F&F 1:30).

Soratra masina mifandray: Amôsa 3:7; Efesiana 2:19–20; Efesiana 4:11–14; F&F 13:1; F&F 76:22–24; F&F 107:8

Lohahevitra mifandray: Ny Andriamanitra; Mpaminany sy Fanambarana

Apôstazia

4.5. Nipoitra noho ny fisian’ny apôstazia ny filàna ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny andro farany an’ireo fahamarinan’ Andriamanitra sy ny fahefan’ny fisoronany ary ny Fiangonany. Mitranga ny apôstazia rehefa miala amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny olona iray na maromaro.

4.6. Taorian’ny nanomboana ny Mpamonjy sy ny nahafatesan’ireo Apôstôliny, dia olona maro no niala tamin’ireo fahamarinana napetraky ny Mpamonjy (jereo ny 2 Tesaloniana 2:1–3). Fitsipiky ny filazantsara sy ampahan-tsoratra masina maromaro no novaina na very. Nisy ny fanovana tsy nahazoana lalana natao teo amin’ny firafitry ny Fiangonana sy teo amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Noho io faharatsiana nihanaka io dia nesorin’ny Tompo teto an-tany ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana. Na dia teo aza ireo olona tsara sy marin-toetra marobe izay nidera an’ Andriamanitra araka ny fahazavana nananan’izy ireo sy nahazo ny valin’ny vavaka ataon’izy ireo dia tavela tsy nisy fanambarana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminany velona izao tontolo izao. Izany vanim-potoana izany no antsoina hoe Apôstazia Lehibe.

4.7. Nisy vanimpotoan’ny apôstazia faobe maro hafa nitranga nandritra ny tantaran’izao tontolo izao.

Lohahevitra mifandray: Mpaminany sy fanambarana; Fisoronana sy fanalahidin’ny fisoronana; Ordônansy sy fanekempihavanana

Ireo fotoampitantanana ny Filazantsara

4.8. Rehefa tafalatsaka tao anatin’ny toetry ny fihemorana ireo zanak’ Andriamanitra dia nanolo-tanana tamim-pitiavana azy ireo Izy tamin’ny fiantsoana mpaminany sy ny fanolorana indray ho an’ny vahoaka ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Antsoina hoe fotoampitantanana ny vanimpotoana iray izay hanambaran’ny Tompo ireo fahamarinany sy ny fahefan’ny fisoronany ary ireo ôrdônansiny. Izy io dia vanimpotoana iray izay ananan’ny Tompo farafahakeliny mpanompo iray nahazo lalana eto an-tany izay mihazona ny fisoronana masina ary nahazo iraka avy amin’ Andriamanitra hitantana ny filazantsara sy ireo ôrdônansy ao anatiny.

4.9. Ireo fotoampitantanana dia fantatra fa nisy tamin’ny andron’i Adama, sy Enoka, sy Noa, sy Abrahama, sy Mosesy, ary Jesoa Kristy sy ireo hafa. Ampahany ao amin’izany lamin’ny fotoampitantanana izany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao andro farany izao izay natomboky ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

4.10. Nikatsaka ny hanangana an’i Ziona hatrany ny Tompo sy ireo mpaminaniny tamin’ireo fotoampitantanana rehetra. Ny hoe Ziona dia anarana iantsoana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay madio am-po sy niray hina tamim-pahamarinana ary nifampikarakara (jereo ny Mosesy 7:18). Ny hoe Ziona dia anarana iantsoana ihany koa ny toerana iray izay hitoeran’ireo madio am-po.

4.11. Ankehitriny isika dia miaina ao anatin’ny fotoampitantanana farany—dia ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana. Io ihany no fotoampitantanana izay tsy hiafara amin’ny apôstazia. Hanenika ny tany manontolo amin’ny farany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary hitoetra mandrakizay (jereo ny Daniela 2:44).

Lohahevitra mifandray: Mpaminany sy fanambarana; Fisoronana sy fanalahidin’ny fisoronana; Ordônansy sy fanekempihavanana

Hamoaka printy