Seminera
7. Ôrdônansy sy Fanekempihavanana


7. Ôrdônansy sy fanekempihavanana, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

7. Ôrdônansy sy Fanekempihavanana

Sary
zazavavy iray atao batisa

Ôrdônansy

7.1. Ny ôrdônansy dia fombafomba masina izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Ny ôrdônansy tsirairay dia nataon’ Andriamanitra hampianarana fahamarinana ara-panahy, izay matetika amin’ny alalan’ny tandindona.

7.2. Ny ôrdônansy sasantsasany dia ilaina indrindra amin’ny fisandratana ary antsoina hoe ôrdônansin’ny famonjena. Amin’ny alalan’ny fahazoana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana mifanaraka amin’izany ihany no ahafahantsika mahazo ireo fitahiana rehetra izay afaka ny ho azo noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tsy afaka ny ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra isika na hiverina hiaina eo anatrehany mandrakizay raha tsy misy an’ireo ôrdônansin’ny famonjena ireo (jereo ny F&F 84:20–22). Ireo ôrdônansin’ny famonjena dia tanterahina eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana.

7.3. Ny batisa asitrika anaty rano tanterahan’ny olona iray manana fahefana no ôrdônansin’ny famonjena voalohany ao amin’ny filazantsara. Ilain’ny olona iray ny batisa mba hahafahany ho tonga mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ary hahafahany miditra ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Jaona 3:5).

7.4. Rehefa vita batisa ny olona iray dia mandray azy ho mpikamban’ny Fiangonana ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray na maromaro ka manome azy ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny 3 Nefia 27:20). Tsy mitovy amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fanomezana ny Fanahy Masina. Alohan’ny batisa dia afaka mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana ny olona iray. Manana zo hanana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva ny olona iray izay mitandrina ny fanekempihavanana nataony rehefa avy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.

7.5. Ireo ôrdônansin’ny famonjena hafa dia ahitana ny fanendrena ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana ny fanambadiana. Ireo ôrdônansin’ny famonjena ireo dia azo tanterahina ihany koa ho an’ireo maty amin’ny alan’ny fisoloana tena any amin’ny tempoly. Ny ôrdônansy isoloana tena dia tsy manan-kery raha tsy rehefa manaiky izany ireo olona maty any amin’ny tontolon’ny fanahy ary manaja ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany.

7.6. Ireo ôrdônansy hafa toy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ho fanavaozana indray ireo fankempihavanana nataontsika tamin’ny batisa, ny fametrahan-tanana amin’ny marary sy ny fanomezana anarana sy fitsofandrano ny zaza dia manan-danja ihany koa ho an’ny fivoarantsika ara-panahy.

Soratra masina mifandray: Malakia 3:23-24; Matio 16:15–19; 1 Petera 4:6; F&F 131:1–4

Lohahevitra mifandray: Ny Andriamanitra: Ny Fanahy Masina; Ny drafitry ny famonjena: Ny fiainana aorian’ny fahafatesana; Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; Fisoronana sy fanalahidin’ny fisoronana

Fanekempihavanana

7.7. Ny fanekempihavanana dia fifanarahana masina ifanaovan’ Andriamanitra sy ny olona. Andriamanitra no manome ireo fepetra mifehy ilay fanekempihavanana, ary isika dia manaiky ny hanao izay asainy ataontsika; avy eo dia mampanantena antsika fitahiana sasantsasany Andriamanitra noho ny fankatoavantsika (jereo ny Eksodosy 19:5–6; F&F 82:10). Raha tsy mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika isika dia tsy hahazo ireo fitahiana nampanantenaina.

7.8. Ireo ôrdônansin’ny famonjena rehetra an’ny fisoronana dia arahana fanekempihavanana. Ohatra, manao fanekempihavanana amin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny batisa (jereo ny Môsià 18:8–10). Ireo rahalahy izay mandray ny Fisoronana Melkizedeka dia miditra ao amin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana. Manavao ny fanekempihavanana nataontsika isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

7.9. Manao fanekempihavanana fanampiny isika rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena amin’ny fanafiana masina sy ny famehezana ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Miomana handray anjara amin’ireo ôrdônansy sy hanao fanekempihavanana any amin’ny tempoly isika amin’ny alalan’ny fiainana ireo fenitry ny fahamendrehana izay napetraky ny Tompo (jereo ny Salamo 24:3–4). Tena iankinan’ny aina ny hoe mendrika ny hiditra ao amin’ny tempoly isika satria ny tempoly dia tranon’ny Tompo ara-bakiteny. Io no toerana masina indrindra amin’ny toerana fitsaohana rehetra eto an-tany.

Hamoaka printy