2. Ny Drafitry ny Famonjena, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)
2. Ny Drafitry ny Famonjena
2.1. Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nanolotra drafitra ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika ho tonga tahaka Azy sy hahazoantsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay (jereo ny Mosesy 1:39). Mba hanatanterahana io drafitra io sy hahatongavana tahaka ny Raintsika any An-danitra dia tsy maintsy mahafantatra Azy sy i Jesoa Kristy Zanany isika, ary manana fahatakarana marina momba ny toetran’Izy ireo (jereo ny Jaona 17:3).
2.2. Io drafitry ny Ray any An-danitra io dia antsoin’ny soratra masina hoe ny drafitry ny famonjena, ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana, ny drafitry ny fanavotana ary ny drafitry ny famindrampo. Io drafitra io dia ahitana ny Fahariana, sy ny Fahalavoana, sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary ireo lalàna sy ôrdônansy ary fotopampianarana rehetra ao amin’ny filazantsara. Ny fahafahana misafidy—ilay fahafahana misafidy sy manao asa amin’ny alalan’ny tena manokana—dia manan-danja ihany koa ho an’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Miankina amin’ny fomba hampiasantsika io fanomezam-pahasoavana io ny fivoarantsika mandrakizay (jereo ny Josoa 24:15; 2 Nefia 2:27).
2.3. I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ny drafitry ny famonjena dia ahafahantsika ho tonga tanteraka, handray ny fahafenoan’ny fifaliana, hankafy ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika mandritra ny mandrakizay, ary hiaina mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra.
Soratra masina mifandray: Malakia 3:23–24; 3 Nefia 12:48; F&F 131:1–4
Fiainana talohan’ny nahaterahana
2.4. Talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany dia niaina teo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra isika tamin’ny naha-fanahy zanany antsika (jereo ny Abrahama 3:22–23). Nandritra io fiainana talohan’ny nahaterahana io isika dia nandray anjara tamin’ny filankevitra iray niarahana tamin’ireo fanahy hafa zanaky ny Ray any An-danitra. Nandritra io filankevitra io ny Ray any An-danitra dia nanolotra ny Drafiny, ary nanaiky ny ho Mpamonjy ilay Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.
2.5. Nampiasa ny fahafahantsika misafidy isika hanarahana ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ireo izay nanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nahazo lalana hidina tety an-tany hiaina ny fiainana an-tany ary hivoatra hankany amin’ny fiainana mandrakizay. I Losifera, izay fanahy iray hafa zanakalahin’ Andriamanitra, dia nikomy nanohitra io drafitra io. Lasa Satana izy ary noroahina avy tao an-danitra niaraka tamin’ireo mpanaradia azy ka tsy nomena fahafahana hahazo vatana nofo sy hiaina ny fiainana eto an-tany.
Soratra masina mifandray: Jeremia 1:4–5; Hebreo 12:9; 2 Nefia 2:27; 3 Nefia 11:10–11
Ny Fahariana
2.6. Nahary ny lanitra sy ny tany i Jesoa Kristy, teo ambany fitarihan’ny Ray (jereo ny F&F 76:22–24). Ny Fahariana ny tany dia nanan-danja indrindra teo amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Izany no nanome antsika toerana iray hahafahantsika hahazo vatana, sy hosedraina ary hotsapaina ka hahazo ireo toetra araka an’ Andriamanitra.
2.7. I Adama no olombelona voalohany nohariana teto an-tany. Noharian’Andriamanitra araka ny endriny i Adama sy i Eva. Ny olombelona rehetra—na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra (jereo ny Genesisy 1:26–27). Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.
Ny Fahalavoana
2.8. Nampiraisin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanambadiana tao amin’ny Saha Edena i Adama sy i Eva. Raha tao amin’ny Saha Edena i Adama sy i Eva dia mbola teo anatrehan’ Andriamanitra ary afaka niaina mandrakizay. Niaina tao anaty tsy fananan-tsiny izy ireo ary izay nilainy dia nomen’ Andriamanitra.
2.9. Nomen’ Andriamanitra an’i Adama sy i Eva ny fahafahan’izy ireo misafidy raha mbola tao amin’ny Saha Edena izy ireo. Nodidiany izy ireo tsy hihinana ilay voankazo voarara—ilay voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ny fankatoavana an’io didy io dia nidika hoe afaka nijanona tao amin’ilay saha izy ireo. Na izany aza anefa dia tsy mbola takatr’i Adama sy i Eva fa raha nijanona tao amin’ilay saha izy ireo dia tsy afaka ny hivoatra tamin’ny alalan’ny fiainana ny fifanoherana eo amin’ny fiainana an-tany. Tsy afaka nahafantatra ny fifaliana izy ireo satria tsy afaka nahatsapa alahelo sy fanaintainana. Ankoatra izany dia tsy afaka nanan-janaka izy ireo.
2.10. Naka fanahy an’i Adama sy i Eva i Satana hihinana amin’ilay voankazo voarara, ka dia nisafidy ny hanao izany izy ireo. Noho io safidy io dia voaroaka tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo ka nanjary lavo sy mety maty. Ny fandikan-dalàn’i Adama sy i Eva sy ireo fiovana izay niainan’izy ireo naterak’izany, anisan’izany ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana, dia antsoina hoe ny Fahalavoana. Ny fahafatesana ara-panahy dia fisarahana amin’ Andriamanitra. Ny fahafatesana ara-batana dia fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana mety maty.
2.11. Ampahany tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana. Vokatry ny Fahalavoana dia afaka nanan-janaka i Adama sy i Eva. Afaka nahatsapa fifaliana sy fahoriana izy ireo sy ny taranany, afaka nahafantatra ny tsara sy ny ratsy ary afaka nivoatra (jereo ny 2 Nefia 2:22–25).
2.12. Amin’ny maha-taranak’i Adama sy i Eva antsika dia mandova ny toetry ny fahalavoana isika mandritra ny fiainana an-tany. Tafasaraka amin’ Andriamanitra isika ary iharan’ny fahafatesana ara-batana. Sedrain’ireo zava-tsarotry ny fiainana an-tany ihany koa isika sy ireo fakam-panahy avy amin’ny fahavalo. Na dia tsy tompon’andraikitra amin’ny fandikan-dalàn’i Adama sy i Eva aza isika dia tompon’andraikitra kosa amin’ny fahotantsika manokana. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahantsika mandresy ireo voka-dratsin’ny Fahalavoana ka mahazo ny famelana ny fahotantsika ary hiaina ny fahafenoan’ny fifaliana amin’ny farany.
Soratra masina mifandray: Genesisy 1:28; Môsià 3:19; Almà 34:9–10
Lohahevitra mifandray: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Fiainana an-tany
2.13. Fotoana iray hianaran-javatra ny fiainana an-tany, ka mandritra izany no hanaporofoantsika fa hampiasa ny fahafahantsika misafidy isika hanaovana izay rehetra nandidian’ny Tompo sy hiomanana amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fampivoarana ireo toetra araka an’ Andriamanitra. Manao izany isika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, mibebaka, mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ireo fanekempihavanana toy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary maharitra amim-pahatokiana hatramin’ny fiafaran’ny fiainantsika eto an-tany amin’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy.
2.14. Mandritra ny fiainana eto an-tany dia mikambana amin’ny vatantsika ara-nofo ny fanahintsika, izay manome antsika fahafahana hitombo sy hivoatra amin’ny fomba izay tsy azo notanterahina tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Satria manana vatana nofo sy taolana azo tsapain-tanana ny Raintsika any An-danitra dia ilaina ny vatantsika mba hahafahantsika mivoatra ka ho tonga tahaka Azy. Masina ny vatantsika ka tokony hajaina amin’ny maha fanomezana avy any amin’ny Raintsika any An-danitra azy (jereo ny 1 Korintiana 6:19–20).
Soratra masina mifandray: Josoa 24:15; Matio 22:36–39; Jaona 14:15; 2 Nefia 2:27; 3 Nefia 12:48; Môrônia 7:45, 47–48; F&F 130:22–23
Lohahevitra mifandray: Ny Andriamanitra; Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; Ordônansy sy fanekempihavanana; Ireo didy
Fiainana aorian’ny fahafatesana
2.15. Rehefa maty isika dia miditra any amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika ary miandry ny Fitsanganana amin’ny maty. Ny fanahin’ireo olo-marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana, izay antsoina hoe paradisa. Ireo izay maty ka tsy nahalala ny fahamarinana sy ireo izay tsy nankatò nandritra ny fiainana an-tany dia miditra mandritra ny fotoana voafetra ao amin’ny toerana iray ao amin’ny tontolon’ny fanahy izay antsoina hoe tranomaizin’ny fanahy.
2.16. Ny olona rehetra any amin’ny farany dia hanana fahafahana hianatra ireo fitsipiky ny filazantsara sy handray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ao amin’izany. Maro amin’ireo mahatoky no hitory ny filazantsara amin’ireo izay ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy. Ireo izay misafidy ny handray ny filazantsara sy mibebaka ary manaiky ireo ôrdônansin’ny famonjena izay tanterahina ho azy ireo any amin’ny tempoly dia hitoetra ao amin’ny paradisa mandra-pahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny 1 Petera 4:6).
2.17. Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fampitambarana indray ny vatana fanahy amin’ny vatana nofo sy taolana izay efa lasa tanteraka. Aorian’ny fitsanganana amin’ny maty isika dia ho lasa tsy mety maty—tsy hisaraka intsony ny fanahintsika sy ny vatantsika. Ny olona rehetra teraka eto an-tany dia hitsangana amin’ny maty avokoa satria efa nandresy ny fahafatesana ara-batana i Jesoa Kristy (jereo ny 1 Korintiana 15:20–22). Ireo olo-marina no hitsangana amin’ny maty alohan’ireo olon-dratsy ka hitsangana amin’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany.
2.18. Aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty no hitranga ny Fitsarana Farany. Hotsarain’i Jesoa Kristy ny olona tsirairay mba hamaritana ny voninahitra mandrakizay izay horaisiny. Io fitsarana io dia hifototra amin’ny fanirian’ny tsirairay sy ny fankatoavany ny didin’ Andriamanitra (jereo ny Apokalypsy 20:12).
2.19. Misy telo ny fanjakam-boninahitra: ny fanjakana selestialy, ny fanjakana terestrialy ary ny fanjakana telestialy (jereo ny 1 Korintiana 15:40–42). Ireo izay mahery fo amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy sy mankatò ireo fitsipiky ny filazantsara dia hitoetra ao amin’ny fanjakana selestialy, eo anatrehan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany Lahy, ary hiaraka amin’ireo olo-marina ao amin’ny fianakavian’izy ireo.
Soratra masina mifandray: Lioka 24:36–39; Jaona 17:3; F&F 131:1–4
Lohahevitra mifandray: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; Ordônansy sy Fanekempihavanana