Seminera
1. Ny Andriamanitra


1. Ny Andriamanitra, Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018)

1. Ny Andriamanitra

Sary
ny Fahitana Voalohany

1.1. Misy olona telo miavaka tsara ao amin’Ny Andriamanitra: Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay; i Jesoa Kristy Zanany; ary ny Fanahy Masina. Ny Ray sy ny Zanaka dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapain-tanana sy feno voninahitra, ary ny Fanahy Masina kosa dia olona fanahy (jereo ny F&F 130:22–23). Iray tanjona sy miray hina tanteraka Izy Ireo eo amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

Soratra masina mifandray: Genesisy 1:26–27; Lioka 24:36–39: Joseph Smith—Tantara 1:15–20

Andriamanitra Ray

1.2. Andriamanitra Ray no Ilay Mananaina Faratampony deraintsika. Izy no Rain’ny fanahintsika (jereo ny Hebreo 12:9). Tanteraka Izy, manana ny fahefana rehetra ary mahafantatra ny zava-drehetra. Marina ihany koa Izy, sy mamindra fo, ary tsara fanahy. Tian’ Andriamanitra tanteraka ny zanany tsirairay, ary mitovy avokoa ny rehetra Aminy (jereo ny 2 Nefia 26:33). Ny asany sy ny voninahiny dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.

Soratra masina mifandray: Jaona 17:3; Môsià 4:9; Mosesy 1:39

Jesoa Kristy

1.3. I Jesoa Kristy no Lahimatoan’ny Ray ao amin’ny fanahy ary Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo. Teo ambany fitarihan’ny Ray no naharian’i Jesoa Kristy ny lanitra sy ny tany. Izy no Jehovah tao amin’ny Testamenta Taloha ary ilay Mesia tao amin’ny Testamenta Vaovao.

1.4. Manao ny sitrapon’ny Ray amin’ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy. Nanana fiainana tsy nisy fahotana i Jesoa Kristy ary nanao sorompanavotana ho an’ny fahotan’ny zanak’olombelona rehetra (jereo ny 3 Nefia 11:10–11). Ny fiainany no ohatra tonga lafatra eo amin’ny fomba tokony hiainantsika (jereo 3 Nefia 12:48). Izy no zanaky ny Ray any An-danitra voalohany nitsangana tamin’ny maty. Amin’izao androntsika izao, tahaka ny tamin’ny andro taloha dia Izy no lohan’ny Fiangonana. Ho avy indray Izy, amin-kery sy voninahitra, ary hanjaka eto an-tany mandritra ny Arivotaona (jereo ny F&F 29:10–11). Hitsara ny olombelona rehetra Izy.

1.5. Koa satria i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanalalana antsika amin’ny Ray, ny vavaka sy ny tsodrano ary ny ôrdônansin’ny fisoronana rehetra dia tokony hatao amin’ny Anarany (jereo ny 3 Nefia 18:15, 20–21).

Soratra masina mifandray: Isaia 53:3–5; Lioka 24:36–39; 1 Korintiana 15:20–22; Apokalypsy 20:12; Almà 7:11–13; Almà 34:9–10; Helamàna 5:12; Môrônia 7:45, 47–48; F&F 1:30; F&F 6:36; F&F 18:10–11; F&F 19:16–19; F&F 76:22–24

Lohahevitra mifandray: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Ny Fanahy Masina

1.6. Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra. Fanahy Izy ary tsy manana vatana nofo sy taolana. Matetika Izy no antsoina hoe ny Fanahy, ny Fanahy Masina, ny Fanahin’ Andriamanitra, ny Fanahin’ny Tompo, ary ilay Mpampionona.

1.7. Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina, manambara ny fahamarinan’ny zava-drehetra, ary manamasina ireo izay mibebaka sy atao batisa. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no ahafahantsika mahazo ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy, izay fitahiana na fahafahana manao zavatra nomen’ny Tompo ho tombontsoantsika manokana sy mba hanampiana antsika hanompo sy hitahy ny hafa.

Soratra masina mifandray: Jaona 3:5; 1 Korintiana 2:5, 9–11; 2 Nefia 32:3; 2 Nefia 32:8–9; Môsià 3:19; Môsià 18:8–10; 3 Nefia 27:20; Môrônia 7:45, 47–48; Môrônia 10:4–5; F&F 8:2–3; F&F 130:22–23

Lohahevitra mifandray: Mahazo fahalalana ara-panahy; Ordônansy sy fanekempihavanana

Hamoaka printy