Fampaherezam-panahy tamin’ny 2017
Fitiavana sy fanambadiana


Fitiavana sy fanambadiana

Takariva hiarahana amin’ny Filoha Nelson Russell M. Nelson

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony• 8 Janoary 2017 • Brigham Young University

Misaotra anareo ry amboaram-peo tamin’ilay hira nampientanentana teo.

Ry anadahiko sy rahavaviko malala, tianay ianareo ary tianay ny miaraka aminareo! Tena hoavin’i Isiraely tokoa ianareo ka noho izany raha hizara teny fohy aho dia mivavaka mba hampita aminareo ilay hafatra tena ilainareo mba ho heno ny Fanahy Masina.

Talohan’ny nivadianay dia prôfesora mikasika ny fikolokoloana ny fanambadiana sy ny fianakaviana nandritra ny 25 taona mahery aho, ka ny 13 taona farany dia tato amin’ny Brigham Young University. Nifampiresaka tamin’ny mpivady an’arivony aho ary naheno tantara nampalahelo maro mikasika ny fianakaviana mikorontana sy ny fifandraisana simba. Nahita mivantana ny zavatra mampandeha ny fanambadiana sy ny tsy mampandeha izany aho. Nahafantatra ny zavatra afaka manasitrana na dia ny fanambadiana tena mikorontana aho sy ny zavatra afaka mamotika tampoka ny hafa. Noho izany androany dia mamelà ahy ianareo hiresaka aminareo ny iray amin’ireo lohahevitra tena tianareo tokoa dia ny Fitiavana sy ny fanambadiana.

Te hizara fahamarinana efatra aminareo aho izay inoako fa tsy hoe hamonjy anareo amin’ny aretim-po tsy ilaina fotsiny ihany fa hanampy anareo koa mba ho vady marin-toetra sy hifidy vady marin-toetra ary avy eo hanorina fanambadiana sambatra sy fianakaviana mahomby. 1

Androany hariva aho dia manantena fa horaisinareo ho toa an’i “Wendy nenitoa[nareo]” raha hiresaka aminareo avy amin’ny foko toy ny hataoko sy nataoko amin’ireo zanaky ny iray tampo amiko. Koa ireto ary ireo fahamarinana efatra avy amin’i nenitoa Wendy mikasika ny fitiavana sy ny fanambadiana:2

Fahamarinana laharana voalohany: Ireo fahamarinana mikasika ny fitiavana sy ny fanambadiana dia tonga eo aminao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Navoakany fa singa iray tsy azo soloina ao anatin’ilay drafitry ny fahasambarany ny fanambadiana. 3 Ny Fanahy no mpitondra hafatra mikasika ireo fahamarinana ireo. Mamporisika anareo aho mba hikatsaka sy hahatakatra izany.

Ny lainga mikasika ny fitiavana sy ny fanambadiana kosa dia avy amin’i Satana sy ny mpanompony ary manao izay hampaharitra izany lainga izany izy ireo. Faly ny fahavalo isaky ny maharesy lahatra olona iray nianjadian’ny fitaka mba hanaiky izay mety ho zavatra mandoto na manambany ny fitiavana sy ny fanambadiana. Saingy ny marina dia mitoetra ho marina, ny lainga dia mitoetra ho lainga,  ary tsy misy haivarotra na tetika hampielezana hevitra na fanohanana mahomby afaka manova izany velively na manao ahoana na manao ahoana ny halehibeny.

Fahamarinana laharana faharoa: Ny fahadiovan’ny tena manokana no fanalahidin’ny fitiavana marina. Rehefa madio kokoa ny eritreritrareo sy ny fahatsapanareo ary ny teninareo sy ny zavatra ataonareo dia ho lehibe kokoa ny fahafahanareo manome sy mandray fitiavana marina.

Matokia ahy ianareo amin’ity zavatra ity: Isaky ny mamboraka ny ao am-ponao amin’ny Ray any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka ianao dia avy eo mihaino; isaky ny mandalina ny soratra masina mba hitadiavana ny valin’ny fanontaniana ao am-ponao ianao; isaky ny misoroka zavatra izay handratra ny fanahinao ianao (toy ny pôrnôgrafia); isaky ny mitsaoka any amin’ny tempoly ianao; ary isaky ny mahita fampahalalana momba ny razambenao anankiray izay ahafahana manatanteraka ôrdônansy ho azy ianao dia misafidy ny hampitombo ny fahadiovanao manokana ianao.

Hisaotra anao ilay ho vadinao amin’iny fotoana hiomananao amin’ilay firaisana ara-nofo madio ao anatin’ny fanambadiana iny. Noho izany raha tokan-tena ianao ary manontany tena hoe ahoana no fomba tsara hiomanako amin’ilay fitiavana madio dia izao no valiny: Ataovy izay azo atao mba hihazonana ny eritreritrao, ny fahatsapanao sy ny fiteninao ary ny zavatra ataonao ho madio. Asao ny Fanahy mba hitarika anao. Hanampy anao izy! Raha manambady ianao dia mitovy amin’izany ihany ny torohevitro!

Rehefa miasa mba ho madio kokoa ianao dia hanana ny Fanahy Masina bebe kokoa miaraka aminao. Hitombo ny fahafahanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana izay midika fa hahita mazava kokoa ny lalan-kaleha ianao eo amin’ny fiainanao. Hahatsapa fiadanana sy fifaliana bebe kokoa ianao sy hahatsapa ho tsy dia irery loatra ary hanana fanantenana bebe kokoa mikasika ny hoavinao. Hitombo koa ny fahazavan-tsainao rehefa mandalina sy manao asa ianao. Ary ankoatra ireo valisoa lehibe noho ny fiezahana mba hadio kokoa tsikelikely isan’andro ireo, dia hampitombo ny fahafahanao hiaina firaisana ara-nofo madio ao anatin’ny fanambadiana ianao.

Izany no mahatonga ny pôrnôgrafia ho tena manimba! Ny pôrnôgrafia, izay mifanohitra amin’ny zavatra rehetra ambaran’ireo mpandrisika azy dia tena hanakana anao tsy hiaina ilay karazana firaisana ara-nofo tena kanto.

Izao indray, ity fahamarinana manaraka ity, fahamarinana laharana fahatelo, dia mety hampisafotofoto ny sainareo satria ilay zavatra mifanohitra amin’ny tian’ny fahavalo sy ny ankamaroan’ny eto amin’izao tontolo izao hinoanareo mikasika ny fitiavana sy ny fanambadiana mihitsy izany.

Fahamarinana laharana fahatelo: Tian’ny Tompo ny mpivady ao anatin’ny fifanehoany fitiavana mba higoka ny fifaliana avy amin’ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana.

Tendrin’Andriamanitra ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana. Izy no nandidy sy nanoro hevitra ny hanaovana izany satria mampifanakaiky kokoa ny mpivady izany ary mampifanakaiky azy ireo amin’ny Tompo! Ny firaisana ara-nofo madio ao anatin’ny fanambadiana dia iarahan’ny fanahy iray manontolon’ny lehilahy sy ny vehivavy mpivady manatanteraka. 4 Firaisan’ny vatana sy ny fanahin’ilay lehilahy amin’ny vatana sy ny fanahin’ilay vehivavy izany.

Izany firaisana mampientana ny fanahy izany dia maneho fa tena miray hina ny mpivady eo amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainany. Miaraka miasa toy ny mpiara-miasa izy ireo. Miaraka mivavaka, milalao, mitolona mafy sy mivoatra ary mankafy ny fiainana izy ireo. Samy mahafoy tena ho an’ny anankiray izy ireo ary mifamporisika mba hahatanteraka ny zavatra rehetra izay natao ho tanterahin’izy ireo.

Ry anadahy sy rahavavy malalako, masina ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana. Raha ny marina dia afaka ny ho akaiky kokoa an’Andriamanitra ny mpivady rehefa milatsaka ao anatin’ny firaisana ara-nofo madio ao anatin’ny fanambadiana.

Noho izany ahoana no ahafahanao miomana amin’ny karazana firaisana ara-nofo toy izany? Mila miaina amim-pahamarinana ianao mba hahafahan’ny Fanahy ho namanao sy ho naman’ny vadinao.

Izany dia mitondra antsika any amin’ny Fahamarinana laharana fahaefatra: Mba hisian’ny firaisana ara-nofo madio ao anatin’ny fanambadiana dia tokony ho tafiditra ao anatin’izany ny Fanahy Masina. Tsy afaka mahazo tsotra izao ilay karazana traikefa azonao ao anatin’ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana ianao raha manao firaisana ara-nofo ivelan’nyfanambadiana satria tsy ho eo ny Fanahy.

Ny Loholona Parley P. Pratt dia nampianatra fa ny Fanahy Masina dia “manana fahafahana hampitombo sy hampivelatra ary hanadio ny firehetampo sy ny fitiavana rehetra.” 5 Alaivo sary an-tsaina fotsiny hoe: Afaka manadio ny fahatsapanao izy! Noho izany izay zavatra manasa ny Fanahy ho ao amin’ny fiainanao sy ho ao amin’ny fiainan’ny vadinao ary ny fanambadianao dia hampitombo ny fahafahanao hiaina izany hoe firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana izany. Tena tsotra sady lalina toy izany ilay izy!

Etsy ankilany izay zavatra manafintohina ny Fanahy dia hampihena ny fahafahanao mba ho iray ianao sy ny vadinao. Ireo zavatra toy ny fahatezerana, ny filana ara-nofo, ny tsy famelana, ny fahalotoam-pitondrantena ary ny fahotana tsy nibebahana dia hampihena ilay ezaka ataonao hiaina ilay firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana fa lasa firaisana ara-nofo tsotra fotsiny ihany.

Noho izany ity misy famerenana kely: Raha toa ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao ka eo ambany fitarihan’izao tontolo sy ny fahavalo ary ny firehetampo mamohehatra, ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana izay tendrin’Andriamanitra kosa dia eo ambany fitarihan’ny Fanahy sy ahitana firehetampo mitombo sy madio avy amin’ny Fanahy. Raha ny marina dia rehefa madio kokoa ianao dia ho kanto kokoa ilay firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadianao. 6

Azo ekena daholo ny zavatra rehetra ao anatin’ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao. Ho an’ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana dia misy ny fitandremana tena tsara mba hisorohana ny zavatra rehetra, manomboka any amin’ny fiteny mankany amin’ny mozika hatrany amin’ny sarimihetsika izay manafintohina ny Fanahy, na ny fanahinao na ny an’ny vadinao.

Raha mifono filana ara-nofo mafy ary mamono ny fitiavana ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia miteraka fitiavana bebe kokoa ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana.

Manambany ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny vatan’izy ireo ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao fa ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana kosa dia manome haja ny lehilahy sy ny vehivavy ary mankalaza ilay vatana ho toy ny iray amin’ireo valisoa lehibe avy amin’ny fiainana an-tany.

Ho an’ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia mahatsapa ho toy ny fitaovana sy araraotina ary vao mainka irery amin’ny farany ny olona. Ho an’ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana dia mahatsapa hoe iray sy tiana bebe kokoa ary voakolokolo sy takatra an-tsaina ny vady.

Ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia manimba sy mandrava ny fifandraisana amin’ny farany. Ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana dia manamafy orina ny fanambadiana. Manohana sy manasitrana ary manamasina ny fiainan’ny mpivady sy ny fanambadian’izy ireo izany.

Ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia nampitahaina amin’ny fikiririokan’ny sodina ary ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana kosa dia nampitahaina amin’ny halehiben’ny rodoben-javamaneno iray manontolo.7

Ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia lasa mibahana ao an-tsaina tanteraka satria tsy mahatanteraka velively ny fampanantenany izany. Ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana izay tendrin’Andriamanitra dia tena lehibe ary hitohy mandrakizay ho an’ireo mpivady mitandrina ny fanekempihavanana.

Raha bangoina teny tokana, ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana izay tohanan’ny Fanahy dia tahin’ny Tompo ary manamasina.8

Tsy mora anefa ny manorina fanambadiana mafy orina sy sambatra! Afaka manamarina izany aho. Saingy hitondrafifaliana ho anao izany!

Nanontany tena aho hoe inona no azoko atolotra ny vadiko tamin’ny fahafolo taona nivadianay mba hanehoana ny fifaliana nentin’ny fanambadiana ho ahy. Ity no nomeko azy:

Antsavily!

Ry anadahy sy rahavavy malala izay tianay, raha mampihatra amim-piniavana ireo fahamarinana ireo ianareo dia matoky aho fa afaka manorina fanambadiana sambatra ianareo izay hanohana sy hampahery anareo mandrakizay. Fanambadiana izay hanome fahafahana anareo ho tonga olona mivoatra bebe kokoa noho izay mety hahatongavanareo raha miankina amin’ny tenanareo irery ianareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanambadiana dia iray amin’ireo tombontsoa lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny zanany ary afaka ny ho loharanom-pifaliana tsy manan-tsahala ny fanambadiana ary ny fahadiovana no fanalahidin’izany fifaliana izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo Henry B. Eyring, “Renaissance of Marriage: To Become as One“ (lahateny natao nandritra ny the Complementary of Man and Woman: An International Interreligious Colloquium in Vatican City, Rome, nôv. 18, 2014), LDS.org.

  2. Jereo Wendy L. Watson, Purity and Passion: Spiritual Truths about Intimacy That Will Strengthen Your Marriage (2001).

  3. Jereo D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana,“ Ensign na Liahona, mey 2015, 50–53.

  4. Jereo Jeffrey R. Holland, “Of Souls, Symbols, and Sacraments,“ in Morality (1992), 152–66.

  5. Parley P. Pratt, Key to the Science of Theology (1978), 61.

  6. Mety misy sasantsasany aminareo te ho tsara amin’izao fotoana izao—fa tsy hoe te ho tena tsara. Ny sasany aminareo indray alaim-panahy manao izay zavatra rehetra azo atao mba hisorohana ny hoe sao lasa faran’izay madio, raha misy ny zavatra toy izany. Kanefa raha te hiaina ilay karazana firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana faran’izay tena mendrika ianao dia izay no tena tokony ho tianao. Te ho madio araka izay azo atao ianao mba hahatonga ilay firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana ho tena kanto araka izay azo atao.

  7. Fifandraisana manokana niaraka tamin’i Truman G. Madsen.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:34.

Hamoaka printy