Fampaherezam-panahy tamin’ny 2019
Manohy ny fivoarana mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay


Manohy ny fivoarana mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony• 05 mey 2019 • Tabernakelin’i Salt Lake City

[Elder Carl B. Cook]

Feno fankasitrahana izaho sy Rahavavy Cook fa tafaraka aminareo androany hariva. Ity fampitana ity dia mampivondrona antsika rehetra manerana an’izao tontolo izay ahitana firenena miisa 99 sy fiteny miisa 39. Maro aminareo no mijery ity fampitana ity mivantana. Ny sasany dia hijery ny famerenana ny fampitana noho ny fahasamihafan’ireo ora. Na aiza na aiza misy anareo ary na amin’ny fomba ahoana no hijerenareo ity fampaherezam-panahy ity, dia miarahaba anareo izahay!

Miarahaba manokana anareo izay vao avy nahavita ny fianarana tany amin’ny lisea izahay ary vao voalohany no manatrika izao fivoriana maneran-tany izao. Manantena izahay fa hanatrika ny institiota sy ireo kilasy hafa fianarana filazantsara ianareo ao anatin’ny fianaranareo mba hanararaotra ny fianarana ara-panahy izay atolotra anareo. Ny fanatrehana ireo kilasy sy fandraisana anjara amin’ireo fiaraha-mientana dia loharanom-piarovana tena manan-danja izay hanampy anareo hamakivaky amim-pahombiazana izao vanim-potoan’ny fiainanareo izao.

[Sister Lynette H. Cook]

Fitahiana ho anay ny tafaraka amin’ny tsirairay avy aminareo. Manentana ny fanahinay sy mampitombo ny finoanay amin’ny ho avy ianareo. Tena ankafizinay ny fomba fandraisanareo andraikitra eo anatrehan’ireo zavatra nantitranterin’ireo mpaminany sy apôstôly. Manentana ny fanahy ny fandraisanareo anjara feno finoana ao anatin’ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana, ny asa fitoriana ary ny asa atao any amin’ny tempoly ka tafiditra ao anatin’izany ny firotsahana ho mpanatanteraka ôrdônansy. Feno fankasitrahana anareo izahay ary tianay ianareo.

[Elder Cook]

Anio hariva izahay dia hanomboka amin’ny alalan’ny fitantarana zavatra iray niainanay sy Rahavavy Cook niaraka tamin’ireo tanora tokan-tena vitsivitsy tany Nairobi, Kenya. Nifanakalo hevitra malalaka mikasika ny fanambadiana izahay nandritra ny fampaherezam-panahy iray. Nanontanianay an’ireo tanora tokan-tena ny zavatra tian’izy ireo hananan’ilay ho vadin’izy ireo mandrakizay.

Taorian’ny fanehoan-kevitra vitsivitsy, dia nazava fa tsapan’ny tovolahy sasany hoe ny sasany amin’ireo tovovavy dia manantena azy ireo mba hanana mari-pahaizana avy any amin’ny oniversite, fiara, ary toerana ipetrahana tena tsara mialoha ny hieritreretan’izy ireo ny hanambady azy ireo. Tovovavy maro kosa tetsy an-kilany no nilaza fa vonona ny hiandry an’ireo zavatra ireo izy ireo raha toa ka miasa amim-pahavitrihana mba hahazo ireo zavatra ireo izy ireo. Afaka miara-miasa izy ireo mba hahazoana izany.

‘Ndeha hojerentsika izany anio hariva. Ry rahalahy tokan-tena isany izay efa tonga eo amin’ny taona ahafahana manambady, mamela ahy ianareo hametraka an’ity fanontaniana ity. Firy aminareo no mahatsapa fa ianareo dia lehilahy tia miasa mafy izay manana toetra tsara, manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka ary milamina tsara ara-panahy, nefa toa mahatsapa ho tsy dia vonona loatra ara-nofo mba hitondra fifaliana ho an’ny vehivavy iray ao anatin’ny fanambadiana? Atsangano ny tananareo. Ataovy ambony!

Izao indray ianareo rahavavy izay tokan-tena. Firy aminareo no vonona hampiandry ireo fitahiana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana iray mba hahafahanareo miaraka mianatra sy mivoatra amin’ilay lehilahy tia miasa mafy izay tianareo, lehilahy izay manana toetra tsara, manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka ary milamina tsara ara-panahy? Atsangano ny tananareo. Ataovy ambony!

Raha toa nisy taminareo nijery nanerana ny efitrano ary nahita olona iray mahaliana izay nanangan-tanana, dia …

Tany Nairobi, dia nizara teny avy ao amin’ny Boky Torolalana 2 aho izay manavaza hoe: “Ny toetoetry ny fanahy lahy sy ny fanahy vavy dia natao hifameno. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiara-hivoatra mankany amin’ny fisandratana.”1

Sary
mpivady miara-mandeha an-tongotra

Nitsangana ny tovolahy iray ary nilaza tamim-pientanentanana hoe: “Tena tsara izany! Mihevitra aho fa tsy tokony hangataka olona iray hanambady ahy aho fa hangataka azy kosa raha te-hiara-hivoatra amiko izy!”

Raha ny marina dia mifono fahendrena lehibe ny hevitr’io tovolahy io. Hoy ny ohabolana Afrikana iray hoe: “Raha te-handeha mafy ianareo dia mandehana irery. Raha te-handeha lavitra ianareo dia mandehana miaraka.” Eny, ampiako mihitsy hoe, “Mandehana miaraka dia afaka ny hivoatra miaraka sy hifameno ianareo miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.”

Raha jerena ara-matematika, ny iray ampiana iray mira roa. Saingy raha mitambatra ny olona roa, dia mira mihoatra ny roa ny iray ampiana iray! Ary raha tafiditra ao anatin’ilay fampimirana ny Tompo dia tsy misy fetra sy mandrakizay ny fitambarany farany!

Mety fantatrareo amin’izany fa hiresaka momba ny fanambadiana izahay, fa amin’ny fomba hafa anio hariva. Hiresaka momba ny fivoarana mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay izahay. Ary tafiditra ao anatin’izany ny olona rehetra, ka anisan’izany izaho sy Rahavavy Cook. Afaka mivoatra miainga avy eo amin’izay misy antsika amin’izao fotoana izao isika rehetra, na manambady izany na tokan-tena ary na firy taona na firy taona.

Ny fanambadiana mandrakizay no ôrdônansy faratampon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ahitana lehilahy iray sy vehivavy iray manambady any amin’ny tempoly izany ary fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampantenana ny fanambadian’izy ireo. Amin’ny alalan’ny fandraisana io ôrdônansin’ny fisoronana io sy ny fitandremana ny fanekempihavanantsika ihany no ahafahantsika mahazo ilay fitahiana mba hanohy hiaraka amin’ny maha-mpivady sy mpiara-dia mandrakizay aorian’ny fahafatesana.2

Manana faniriana lehibe ny hanana fifandraisana maharitra mandrakizay ao anatintsika tsirairay isika. Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Ny zavatra tena mendrika irin’ny fon’ny olombelona dia ny fahafahan’ny fanambadiana mba haharitra ankoatry ny fahafatesana.”3

Sary
mifampitantana eo ivelan’ny tempoly

Afaka manatanteraka fanambadiana mandrakizay isika tsirairay. Na dia eo aza ireo toe-javatra sarotra atrehan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra eto an-tany dia azo tanterahina ny fanambadiana mandrakizay ao anatin’ny drafiny mandrakizay. “Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra [kasain’ny] Ray [omena] ny zanany.”4 Raha mahatoky isika dia ho azontsika ireo zavatra rehetra ananan’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra ka anisan’izany ny fanambadiana mandrakizay izay tena fiarahana marina. Tsy misy na iza na iza izay mandre na mamaky ity lahateny ka tsy hahazo izany fitahiana nampanantenaina izany.

Satria “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitra mandrakizain’[Andriamanitra],”5 dia manohitra izany ny fahavalo sy ireo mpanara-dia azy ary tena henjana ilay ady. Tsy hiaina na oviana na oviana ny fanambadiana mandrakizay i Satana ary ny soratra masina dia milaza hoe: “katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy.”6 “Ilay menarana ela, … izay nikomy tamin’ Andriamanitra, … miady amin’ny olomasin’ Andriamanitra.”7

Manao ahoana ny endriky ny ady ataon’i Satana amin’ny fanambadiana? Diniho ireto manaraka ireto: Rehefa mikatsaka fitiavana isika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra nanao fanekempihavanana antsika, dia mandrisika ny filana ara-nofo ilay fahavalo. Rehefa mikatsaka hatsaram-pitondrantena isika dia akorainy ny fahadiovana. Raha mikatsaka fahamasinana isika, dia alainy fanahy mankany amin’ny haizina. Rehefa manota isika dia fahakiviana no atolony fa tsy fibebahana.

Sary
mikatsaka fitiavana isika
Sary
manindraindra ny fitsiriritana ny fahavalo
Sary
mikatsaka hasina isika
Sary
mandrabiraby ny fahadiovana ny fahavalo
Sary
mikatsaka fahamasinana isika
Sary
mandrisika antsika hankany amin’ny haizina ny fahavalo
Sary
manota isika
Sary
mandroso fahakiviana ny fahavalo

Namorona tsunami tsy hita mivantana izy izay misy fiantraikany ratsy ary manenika ny tany: ny pôrnôgrafia, ny fanitsakitsaham-bady, ny fandrabirabiana avy amin’ireo olona ao amin’ilay “trano iray mijoalajoala sy malalaka,”8 ny fanavahan-tena, ny tsy fahampian’ny fanolorantena ary ny fanambadiana rava, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo aho. Na dia vitantsika aza ny misoroka ireo fitarihan’izao tontolo izao sasantsasany, ny fahazoan’aina avy amin’izany dia mety hampilatsaka antsika ao anatin’ny fananana fahafaham-po amin’ny tena ary hanakantsakana ny fivoarantsika mankamin’ny fanambadiana mandrakizay.

Saingy raha tsy miakatra mankeny amin’ny faritra avo isika dia kapohin’ireo onja mifanesin’ny vaovao ratsy mikasika ny fanambadiana. Ireo onja mitambolimbolin’ny fijerena ireo lafy ratsin-javatra ireo dia avy amin’ny teknôlôjia, ny fialambon’izao tontolo izao, ny tambazotran-tserasera, ary indraindray vokatry ny toe-javatra mampalahelo miseho eo amin’ny fiainan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny ireo namana.

Taona maro lasa izay nisy tovolahy mahatoky iray izay namboraka taminay fa kivy izy mikasika ny fahafahana hiaina fanambadiana sambatra. Tsy ny ray aman-dreniny ihany no nisara-panambadiana fa ny nenitoany sy ny dadatoany rehetra avy amin’ny fianakavian’ny rainy sy ny reniny. Nilaza izy fa mbola tsy nahita akaiky velively an’izany fanambadiana sambatra izany. Na izany aza, niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo dia nandresy ny tahony izy ary nanambady tany amin’ny tempoly. Miaina fifaliana izy sy ny vadiny ao anatin’ny fanambadian’izy ireo ary manan-janaka dimy tsara tarehy izy ireo.

Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra nanao fanekempihavanana antsika dia afaka mampitraka ny lohantsika isika ary miandrandra ny hoavintsika amim-pinoana sy amim-pahatokian-tena. I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia nandresy an’izao tontolo izao, sy nijaly ho an’ny fahotantsika, ary nanolotra fomba hiroboroboantsika sy hivoarantsika.

Araka ny efa hitantsika rehetra dia misokatra ny lanitra ary mikoriana amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly ny fanambarana mba hanamafisana ilay faritra manasaraka antsika amin’ny fahavalo. Ny Tompo dia manangona ny tafiny, izay isika zanany nanao fanekempihavanana, mba ho ao anatin’ny tontolo azo antoka izay ahafahantsika manorina fanambadiana sy fianakaviana mandrakizay, na dia miharatsy aza izao tontolo izao.

Noho izany dia inona no zavatra azonao atao manokana mba hiadiana amin’ireo fitaoman’ny fahavalo? Ahoana no ahafahanao manohitra ny onjan’ny fieritreretana zavatra ratsy mikasika ny fanambadiana? Ahoana no ahafahanao manakana ny herin’ny fahavalo eo amin’ny fiainanao ary manohy ny fivoarana mankamin’ny fanambadiana sy ny fananana fianakaviana sambatra sy maharitra mandrakizay? Tsotra ny valiny. Afaka miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao, miantehitra amin’ny herin’ny Sorompanavotany, miomana ho amin’ny fiverenany ary manampy ny hafa mba hanao izany koa.

Ianareo manambady dia afaka manoro ny lalana amin’ny alalan’ny fanorenana tokantrano mifototra amin’ny filazantsara sy ny firesahana ny lafy tsaran’ny fanambadiana amin’ireo rahalahy sy rahavavy tokan-tena izay mivoatra manaraka ny lalan’ny fanekempihavanana.

Vaovao tsara

Anio hariva izaho sy Rahavavy Cook dia te-hizara vaovao tsara mikasika ny fanambadiana. Ary betsaka izy ireo!

Mamela anay hanomboka amin’ny alalan’ny fizarana ny fahatsapana marina anananay sy ny fijoroana ho vavolombelona lalina anananay fa azoaorin’ny olona tsy lavorary toa ahy sy ianao tsara ny fanambadiana sambatra sy feno fahombiazana, raha toa izany ka aorintsika eo ambonin’ny filazantsara mifototra amin’ny finoana ny Ray any An-danitra, an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany; mifototra amin’ny vavaka, fibebahana famelan-keloka, fitiavana, fahitsim-po aman-tsaina, fahatokiana, firaisan-kina ary amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly.9

Nanazava ny Filoha Nelson hoe: “Ny fanambadiana tsirairay dia manomboka amin’ny olona roa manana fahalemena. Ahitana olona roa tsy lavorary izany. Tsy ho tonga eo amin’izy ireo ny fahasambarana raha tsy amin’ny alalan’ny ezaka mafy ataon’izy ireo.”10 Ny fikatsahana fanambadiana mandrakizay dia tsy zavatra tsotsotra na mandeha ho azy. Izany dia atao mandritra ny fiainana ary mitaky fanetrentena, fahavitrihana ary ezaka matotra avy amin’ny mpivady.

Ny vaovao tena tsara dia manome fahafahana ny hanohizana ny fivoarana i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Mitsotra amintsika ny sandriny. Rehefa mampihatra finoana Azy isika, sy mivavaka, ary maneho ezaka matotra, dia mitranga eo amin’ny fiainantsika ireo fahagagana. Mitondra amin’ny fandraisana andraikitra ny fikasana tsara, mitondra ho amin’ny famelan-keloka ny fibebahana, miova ho tanjaka ny fahalemena ary soloin’ny hatsaran-toetra ny haratsian-toetra. Lasa tanteraka ireo fanantenantsika sy nofinofintsika mba hanana fanambadiana sambatra rehefa nahazo tsikelikely tanjaka sy faharisihana ho antsika manokana sy amin’ny maha-mpivady tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika.

Izao isika dia hihaino ny Rahavavy Cook. Feno fankasitrahana aho noho ity mpiara-dia amiko izay atokisako ity. Fantatro fa tia ny Tompo izy ary manolo-tena ho Azy ary koa ho ahy. I Lynette no namako akaiky indrindra. Izy ilay vadiko mandrakizay izay tiako tokoa.

[Sister Cook]

Tena feno fankasitrahana aho noho ilay vadiko mandrakizay. Tsara fanahy sy tena manam-paharetana izy. Mahatsapa fifaliana ihany koa izahay ao anatin’ny fiarahanay. Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana miaina ny fiainana miaraka aminy ary noho ny fahafahana mivoatra miaraka aminy.

Anio hariva dia manantena izahay ny hanampy anareo hampitombo ny finoanareo fa isika rehetra, na manao ahoana ny toe-javatra iainantsika sy tsy fahalavorariantsika, dia afaka ny hivoatra mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay. te-hiresaka aminareo mikasika ireto mpivady tsotra ireto izay manao izany aho. Efa nofehezina tany amin’ny tempoly ireto mpivady ireto. Efa nanao fanekempihavanana teo amin’izy samy izy sy tamin’ Andriamanitra izy ireo fa hitandrina ny didiny ary hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara eo anivon’ny tokantranony. Manolo-tena izy ireo fa hampitombo ny fitiavana eo amin’izy ireo sy ny fitiavan’izy ireo an’ Andriamanitra ary ny firaisana eo amin’izy ireo sy ny firaisan’izy ireo amin’ Andriamantira.

Eo am-pizarana ireto tantara ireto, dia jereo manokana ny ezaka ataon’izy ireo mba hananana toetra tahaka ny an’i Kristy, izay singa fototra hanorenana fanambadiana mandrakizay.

I Dawie sy i Elisa

Tany Afrika Atsimo no nihaonanay tamin’i Dawie sy i Elisa11 taona vitsy lasa izay. Hita taratra teo amin’izy ireo ny fifaliana izay tonga ao anatin’ny fifandraisana iray rehefa miray hina ny mpivady.

Sary
I Dawie sy i Elisa Motshweneng
Sary
I Dawie sy i Elisa Motshweneng

Nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy tany amin’ny sampana iray mikasika ny fanamafisana orina ny fianakaviana dia nanontany ilay vondrona mikasika ny zavatra nataon’izy ireo mba hanamafisana orina ny fanambadian’izy ireo ny Loholona Cook. Nizara zavatra iray niainany niaraka tamin’ny vadiny i Dawie. Nisakafo maraina izy ireo indray alahady maraina. Avy eo, noho ny trano fivoriana izay lavitra ny toeram-ponenan’izy ireo, dia nandeha an-tongtotra adiny roa nankany am-piangonana izy ireo, nanatrika ireo fivoriana naharitra adiny telo ary nandeha tongotra adiny roa fanampiny rehefa nody. Vizana sy noana izy ireo, saingy tsy nanana sakafo hohanina izy ireo. Nandry fotsy izy ireo tamin’ny farany.

Teo antenantenan’ny alina dia samy taitra izy ireo ary naneno ny kibon’izy ireo. Menatra i Dawie noho ny tsy fahafahany nanome sakafo an’i Elisa. Niahiahy ny amin’izay zavatra tsapan’i Elisa momba azy izy. Kanefa raha tokony ho nalahelo sy tezitra i Elisa dia nanadala azy mikasika ny feo mampihomehy avy ao amin’ny kibony. Samy nihomehy izy ireo ary resin-tory tamin’ny farany.

Naneho fankasitrahana azy i Dawie noho ny hatsaram-panahiny sy ny fanohanany ary ny fahatokiany nandritra ilay fivoriana fampaherezam-panahy. Hoy izy hoe: “Azony natao tsara ny nandao ahy. Adidiko ny mamelona azy. Saingy mitovy izahay.”

Rehefa nangatahina i Elisa mba hizara ny tao an-tsainy mikasika ilay zavatra niainana dia nilaza izy hoe: “Izy no namako akaiky indrindra. Tena maro ny zavatra ataony ho ahy. Rehefa manana olana amin’ny olona any am-piasana aho dia omeny torohevitra aho ary ampiany mba ho tony kokoa.”

Hita niharihary fa niara-niasa i Dawie sy i Elisa tao anatin’ireo olan’ny fiainana. Raha ny fitenin’i Dawie azy dia hoe “mitovy” izy ireo. Tsy olan’i “Dawie” irery na olan’i “Elisa” irery ny tsy fisian’ny sakafo fa olan’ “izy ireo.” Tsy noraisin’izy ireo ho toy ny olana tena goavana eo amin’ny fanambadiana ilay tsy fisian’ny sakafo fa noraisin’izy ireo ho olana nandalo izay hovahan’izy ireo miaraka na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ny vazivazy no nampiasain’izy ireo mba hanalefahana ilay toe-javatra niseho. Naneho finoana izy ireo tamin’ny alalan’ny fandehanana natory ka nivonona mialoha fa afaka manatsara ny toe-javatra iainan’izy ireo ny ampitson’izany.

Tsy nifanolo-tena fotsiny i Dawie sy i Elisa fa nanolo-tena ho an’ Andriamanitra koa izy ireo. Manana finoana izy ireo fa raha mitandrina ny didiny dia hanampy azy ireo hamaha ireo olana Izy. Ary miaraka mankafy ilay dia atao mandritra ny fiainana amin’ny maha-mpivady azy izy ireo. Tsy avelan’izy ireo hampisaraka azy ireo ara-batana na ara-pihetseham-po na ara-panahy ireo toe-javatra sarotra.12

Vao haingana i Dawie sy i Elisa no niresaka taminay fa mitahy azy ireo ny Tompo. Tsy hoe manana sakafo ampy ho azy ireo fotsiny izy ireo fa mbola ampy hozarain’izy ireo amin’ny hafa izay sahirana koa izany.13 Miara-mivoatra izy ireo.

Ny Filoha Nelson dia mampianatra ny fomba ahafahantsika mivoatra amin’ny maha-mpivady antsika.14

I Nate sy i Lexi (Finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany)

Horesahiko anareo indray ny momba an’i Nate sy i Lexi.15 Izy ireo dia ohatra manentana ny fanahy mikasika ny hery izay tonga ao amin’ny fanambadiana iray rehefa samy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ny mpivady.

Sary
Nate sy Lexi Baldwin

Nivady i Nate sy i Lexi ary naniry ny hanan-janaka. Taorian’ny volana maro niandrasana dia nitoe-jaza ihany i Lexi. Nizara tamim-pifaliana ilay vaovao izy ireo. Indrisy anefa fa afa-jaza i Lexi fotoana fohy taorian’izany. Nalahelo mafy izy ireo.

Volana maro taty aoriana dia nitoe-jaza indray i Lexi. Nizotra tsara ny fitondrana vohoka tamin’ity indray mitoraka ity. Nanatrika fety niaraka tamin’i Lexi aho fotoana fohy nialoha ny nahaterahan’ilay zaza. Ny olona rehetra, anisan’izany i Lexi, dia tena faly fa kely sisa dia ho avy ilay zazakely.

Fotoana fohy taorian’izay dia tamin’alahelo no nandrenesanay fa maty ilay zaza. Niteraka an’ilay zanak’izy ireo vavy kely izay maty tao am-bohoka tany amin’ny faritra fiterahana feno reny sy zazakely i Lexi. Vaovao nahakivy tokoa izany. Nandeha namangy an’i Nate sy i Lexi tany an-tranony izaho sy ny Loholona Cook. Niomana ny hahita azy ireo tao anatin’ny alahelo lalina izahay.

Sary
Nate, Lexi, ary Hope Baldwin

Raha vao niditra ny tranon’izy ireo izahay dia nahatsapa fanahy tony. Nandray anay tamim-pifaliana i Nate sy i Lexi. Niara-nipetraka teo amin’ilay sezabe izy ireo ary nifandray tanana teo am-pitantaran’izy ireo ny antsipiriany vitsivitsy mikasika ny fahalasan’ny zanak’izy ireo vavy. Nolazain’izy ireo taminay ny famindram-po lehibe nomen’ny Tompo azy ireo mba hanamaivanana ny enta-mavesatr’izy ireo. Naneho fankasitrahana izy ireo noho ilay zazakelin’izy ireo tsara tarehy izay nomen’izy ireo anarana hoe Hope. Feno fankasitrahana i Lexi noho ny fahafahany nitondra an’i Hope sy niteraka azy.

Nanentana ny fanahinay ny finoan’i Nate sy i Lexi. Nahazo fampaherezana avy tamin’ilay mpivady vao herotrerony izahay. Nilaza tamin’izy ireo aho fa tsapako ho toy ny fahagagana ny fiatrehan’izy ireo tamim-pahatanjahan-tsaina izany olana izany. Samy namaly izy ireo tamin’ny alalan’ny fizaran’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny hery manentana ny fanahy sy mampatanjaka avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Navesatra ny entana nolanjain’izy ireo saingy nampiany izy ireo hilanja izany. Nentin’ny Tompo tamim-pitiavana izy ireo ary nifampitondra tamim-pitiavana i Nate sy i Lexi. Niray izy ireo sady niray tao amin’ Andriamanitra.

Miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia afaka mampiray antsika ireo olana. Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Rehefa tsy miaraka amin’ Andriamanitra dia toa mitondra any amin’ny fahaverezan’ny fanantenana, fahakiviana ary fahatezerana mihitsy aza ireo zavatra maloka niainana ireo. Rehefa miaraka amin’ Andriamanitra, dia fampaherezana no lasa eo amin’ny toeran’ny fanaintainana, fiadanana no lasa eo amin’ny toeran’ny korontana, ary fanantenana no lasa eo amin’ny toeran’ny alahelo.”16

Manantena izahay fa ny tantaran’ireo mpivady ireo dia manampy amin’ny fampatanjahanareo ny finoanareo momba ny fanambadiana. Sarotra ny fiainana kanefa afaka mivoatra mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay isika rehetra rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara.

[Elder Cook]

Ankoatra ireo mpivady nasehonay teo ireo dia maro hafa manerana an’izao tontolo izao no miaina fanambadiana sambatra sy mivoatra. Mifanehitra amin’ireny mpivady ireny izahay na aiza na aiza alehanay. Ahitana olona ao anatin’ny sokajin-taona rehetra sy samy manana ny tontolo niaviany izy ireo. Manasa anareo izahay mba hitady mpivady sasantsasany izay fantatrareo manokana. Jereo izy ireo, miresaha amin’izy ireo ary mametraha fanontaniana amin’izy ireo. Tsy ho lavorary izy ireo saingy afaka mianatra avy amin’izy ireo ianareo. Afaka manampy anareo mba hampatanjaka ny finoanareo ny toetra mandrakizain’ny fanambadiana izy ireo sy mandrisika anareo hanana toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitahy anareo sy ilay ho vadinareo!

Ireo sakana

Noho isika miaina ao anatin’ny tontolo lavo dia tsy maintsy miatrika sakana isika ka tafiditra ao anatin’izany ireo sakana eo amin’ireo fifandraisantsika. Hilaza sakana vitsivitsy izay mety hitanareo aho eo am-piezahanareo hivoatra, hiroso mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay.

Zavatra andrandraina mifanaraka amin’ny zava-misy

Ny sakana fahita mahazatra amin’ny fanambadiana dia ny fiandrandrana zavatra tsy mifanaraka amin’ny zava-misy momba ilay olona hovadinareo. Tsy tokony ho ambony loatra na ambany loatra ireo zavatra andrandraintsika. Hitarika antsika ny Ray any An-danitra rehefa mifandray Aminy malalaka sy amim-pahitsim-po aman-tsaina amin’ny alalan’ny vavaka isika.

Ny fahafaham-po amin’ny tena

Sakana ho an’ny fanambadiana mandrakizay matetika ny fahafaham-po amin’ny tena. Mora ny tafalatsaka ao anatin’ny fiadanana ara-nofo ka miaina fiainana izay tsy mihevitra afa-tsy ny tena ary zara raha mandray andraikitra. Mety ho lasa mahazo aina amin’ny fiainantsika isika ary mahatsapa fa tsy tokony ho maika ny hivoatra. Mifanohitra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izany fahatsapana izany. Ny tena tanjon’ity fiainana an-tany ity dia ny ho lasa tahaka Azy. Tsy afaka ny ho tonga amin’izany isika rehefa tsy vonona ny hivelatra sy hiova ary hivoatra. Raha toa ianao ao anatin’ilay toetra toa afa-po amin’ny tena dia mivavaha ary mampiasà finoana mba hiala amin’izany ka hivoatra, hiroso mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay. Afaka manampy anao ny Ray any An-danitra hahafantatra ny zavatra azonao atao eo anatrehan’ny toe-javatra iainanao mba hivoarana ary hitahy anao Izy.

Teknôlôjia sy haino aman-jery

Farany, ny iray amin’ireo aretina sy sakana lehibe mibahana antsika amin’izao androntsika izao dia ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy sy ny fampiasana diso tafahoatra ny teknôlôjia sy ny haino aman-jery. Manimba ny tena manokana izany ary manohintohina ny fifandraisana na eo amin’ny fampiarahana izany na eo amin’ny fanambadiana. Raha toa ka betsaka kokoa ny fotoana laninao en ligne amin’ny fanaovana Pinterest, amin’ny fametrahana sary na hafatra, amin’ny fijerena horonan-tsary, amin’ny fakana sary, amin’ny fanaovana j’aime, amin’ny fanaovana jeux, amin’ny fitadiavana fandresena amina fifaninanana, amin’ny fanaovana Tweeter, amin’ny fanaovana Snapchat, amin’ny fitadiavana olona iarahana, noho ny fotoana atokanao mba hiarahana mivantana amin’ny olona toy ny miresaka, mihomehy, mizara, manampy, mandehandeha, manontany, mianatra, mikarakara ary manome, dia angamba mihazona anao tsy hivoatra mankany amin’ilay tena fifaliana azo avy amin’ny fanambadiana mandrakizay ny teknôlôjia sy ny haino aman-jery. Ny fifandraisana amin’ny alalan’ny internet dia tsy zavatra tsara azo anoloana ny fifandraisana amin’ny olona, ilay fifandraisana mivantana amin’ny olona amin’iny andro sy ora iny mihitsy.

Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny famonoana ny finday sy ny fampirimana azy ireo ny Filoha Nelson. Hoy izy hoe: “Tena zava-dehibe ny fanokanana fotoana tsara mba hiarahana! Mila fotoana iarahana ny mpivady mba hikolokoloana ny fifandraisan’izy ireo. Mila mianatra mihaino izy ireo ary mihaino mba hianarana zavatra avy amin’izy samy izy. Ilaina rafetina mialoha izany fotoana izany. Raha faran’izay manan-danja ny fanambadiana sambatra dia mendrika ny hanokanana ny fotoana tsara indrindra izany.”17 Ny fahazarantsika mikirakira ny teknôlôjia mandritra ireo taona maha-tokan-tena antsika dia hoentitsika ao anatin’ny fanambadiantsika.

Vitanareo izany

Ry rahalahy sy anabavy, afaka mandresy izay mety ho sakana atrehanareo ianareo miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. Na aiza na aiza misy anareo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra any amin’ny fanambadiana mandrakizay, dia afaka manampy anareo hivoatra ny Tompo mba handehananareo eo amin’ilay lalana, miaraka amin’ilay olona tianareo. Na tokan-tena tsy manana zavatra andrandraina loatra ianao na ao anatin’ny fanambadiana misy olana ianao, na nisaram-panambadiana nefa manan-janaka ianao, na mitolona mba hiala amin’ny fiankinan-doha iray ianao, na ianjadian’ny tsy fahasalamana ianao, na kivy noho ny antony hafa, dia afaka manarina sy mamerina amin’ny laoniny ary mampatanjaka anao ilay balsama mpanasitrana avy amin’ny Tompo. Rehefa mitodika any Aminy amim-pinoana ianao, mibebaka amin’ny fahotanao ary miantehitra amin’ny heriny mba hanampy anao hivoatra, dia hiseho ireo fahagagana.

Mampitombo ny finoantsika ireo ohatra hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tiako ilay fotoana nandidina an’i Nefia mba hanamboatra sambo. Tsy mbola nanamboatra sambo velively izy, ary tany an-tany foana izy. Azontsika oharina amin’ny toe-javatra niainany ilay andraikitsika hanorina fanambadiana mandrakizay eto amin’ity tontolo ity izay indraindray toy ny tany foana.

Sary
I Nefia nanamboatra sambo

Izao no nolazain’i Nefia mikasika ny zavatra niainany: “Ary raha toa ka mitandrina ny didin’ Andriamanitra ny zanak’olombelona, dia mamelona sy mampahery azy Izy ary manomana lalana hahazoany manatanteraka ny zavatra izay efa nandidiany azy.”18

Nampihatra finoana i Nefia, nandray andraikitra tamim-pahavitrihana ary nomen’ny Tompo fahafahana hanamboatra ilay sambo, izay nitondra azy sy ny vadiny ary ny fianakaviany namakivaky ny ranomasimbe nankany amin’ilay tany nampanantenaina.19

Raha afaka nanamboatra sambo niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo i Nefia, dia azo antoka fa afaka manorina fanambadiana mandrakizay koa isika miaraka amin’ny fanampiany. Raha ny marina dia mety ho sarotra kokoa noho ny manamboatra sambo ny fanorenana fanambadiana, kanefa azo atao tsara izany! Sa tsy izany ry Rahavavy Cook?

Iza no halainareo ho vady?

Koa, ho anareo izay tokan-tena, iza no halainareo ho vady? Mazava ho azy fa tsy ny torohevitra mikasika an’izay olona azo vadina akory no tsy ampy. Fony aho mbola zatovolahy, ny torohevitry ny raiko dia hoe: “Ry zanako, manambadia noho ny vola, fa ny fitiavana ho avy eo ihany.” Ny torohevitry ny reniko dia hoe: “Manambadia noho ny fitiavana, fa ny vola ho avy eo ihany.” Taty aoriana dia nampianatra ahy20 ny filohan’ny misiônako hoe: “Manambadia mba haharitra mandrakizay.”

Sary
manambady noho ny vola
Sary
manambady noho ny fitiavana
Sary
manambady mba haharitra mandrakizay

Ny fanambadiana mandrakizay dia fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra ary tena ilaina ny fikatsahantsika ny toroheviny mikasika an’izay olona hovadina. Ny fisafidianantsika izay ho vadintsika dia tsy mifototra amin’ny vola sy ny fananana, na amin’ny fitiavana fotsiny. Mikatsaka fanambadiana mandrakizay isika.

Nankasitrahako ny fampianaran’ilay filohan’ny misiônako. Feno fankasitrahana koa aho noho ny torohevitra nomeny ahy rehefa niomana ny hody aho. Nilaza izy fa tokony hanohy hivoatra mankamin’ny fanatratrarana ireo tanjona mandrakizay aho. Notoroiny hevitra aho mba hiomana amin’ny fanambadiana ary tsy hanemotra izany raha vao miseho ny fahafahana hanatanteraka izany.

Anaran’olona atolotra

Na dia faran’izay tsara aza ireo fikasana dia tsy mora foana ny fitadiavana ilay ho vady mandrakizay. Matetika izany no mitaky ezaka mafy. Nandritra ilay taona voalohany niverenako nody dia nahita tovovavy aho tany an-tsekoly, tany amin’ny institiota sy tany am-piasana ary tany am-piangonana. Niaraka tamin’ny sasany indray mandeha aho ary ny sasany indroa fa tsy nisy tamin’ireo izay niarahako ka nihoatra ny finamanana. Nila fanampiana aho ka dia niresaka tamin’i Mark Allred, mpiara-mitory tamiko tany amin’ny misiôna, izay natokisako. Nangataka azy aho mba hanolotra ahy anaran’olona, olona azoko angatahina mba hiaraka amiko.

Sary
Elder Cook sy Elder Allred

Fantatr’i Mak aho ary nisaintsaina ny amin’ireo zatovovavy fantany izy. Rehefa avy nieritreritra kely izy dia nanome ahy anarana iray dia i Lynette Hansen izany. Nahatsapa izy fa afaka miaraka tsara izahay ary samy hankafy ny fiarahana, ka dia niresaka taminy aho. Marina ny an’i Mark! Izy ilay olona tena izy na hoe lasa ilay olona ho fofom-bady izy. Tena nahazo fanentanam-panahy i Mark.

Sary
Loholona sy Rahavavy Cook

Ho anareo izay tokan-tena, dia fantatro fa maro ny fomba ahafahanareo mitady izay ho vadinareo mandrakizay, saingy misy fomba sasany izay tena tsara kokoa noho ny hafa. Any amin’ireo toerana izay mety tena hahitanao ilay ho vadinao mandrakizay no hitadiavo izay ho vadinao. Antitranteriko foana hoe vady mandrakizay.

Mieritrereta ny hangataka anaran’olona iray avy amin’ny loharano fantatra sy azo antoka iray. Moa ve ianao manana namana mpiara-mitory taminao tany amin’ny misiôna, na mpiara-mianatra azo itokisana iray, namana tsara iray tany amin’ny paroasy nisy anao taloha? Olona iray izay mahafantatra anao? Nahoana raha mba mangataka anaran’olona iray avy aminy ianao?

Raha mahazo anaran’olona iray ianao dia mampiasà finoana, mifampiresaha amin’ilay olona ary andramo izany. Mazava ho azy fa hisy anaran’olona natolotra sasantsasany izay tsy hisy vokany, saingy hisy kosa ireo anaran’olona natolotra azo avy amin’ny fitaomam-panahy izay manova fiainana. Mino aho fa rehefa mampiasa finoana sy manana fanantenana ary mampandray anjara ny Ray any An-danitra isika dia hisy zavatra tsara hiseho.

Miaraka mivoatra

Fony nanomboka niaraka izaho sy i Lynette dia tena nankafy ny fotoana niarahanay izahay. Nihaona matetika izahay ary nihamafy orina isan’andro ny fifanamananay. Nisy lafiny vitsivitsy tsy nampitovy anay saingy nampifanarahanay daholo ireo lafiny manan-danja rehetra. Lasa nifankatia izahay ary tamin’ny farany dia tonga teo amin’ny fotoana iray izay nahatsapanay fa tokony handray fanapahan-kevitra izahay. Hivady ve izahay ary hiaraka hivoatra? Sa samy hanohy ny lalany?

Nandinika ireo zavatra tena miandry mikasika ny fanambadiana izahay. Aiza izahay no hipetraka? Ahoana no fomba hivelomanay rehefa handao ny ray aman-dreninay? Moa ve tena tonga marina ilay fotoana? Niaraka nivavaka mikasika ireo ahiahinay izahay. Samy nahatsapa izahay fa tena ho faly ny Ray any An-danitra raha mivady izahay. Tsapanay fa hanampy anay Izy mba handresy ireo sakana izay natrehanay.

Sary
Loholona sy Rahavavy Cook

Ny ankamaroan’ireo zavatra ireo dia nitranga nandritra ny enim-bolana iray tao anatin’ny taom-pianaran’ny sekoly. Mpianatra mazoto i Lynette ary nandeha matetika tany amin’ny tranomboky izy mba hianatra. Nandeha tany amin’ny tranomboky koa aho mba hijery azy. Niakatra ny naotiko fa nidina kosa ny an’i Lynette. Marina izany! Kanefa samy nanaiky izahay fa izany no enim-bolana faran’izay tsara indrindra niainanay. Nahoana? Ankoatra ny fifaliana izay tsapanay rehefa niaraka izahay dia niaraka nivoatra nankamin’ny tanjona iray niraisana izahay. Nahatsapa izahay fa nifanara-tsaina tsara sy nifanara-tsaina tsara tamin’ Andriamanitra, ary tena tsara izany. Nitombo ny finoanay. Lasa nahatsapa izahay fa afaka mandresy na inona na inona miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. Feno hafaliana izahay.

Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Ogden Utah izahay. 40 taona lasa latsaka kely no nisehoan’izany. Hitanay manokana fa ny fanambadiana dia tena afaka mitondra fahafahana lehibe kokoa hahazoana fahasambarana mihoatra noho ny fifandraisana hafa rehetra eo amin’ny olombelona.21 Satria drafitry ny Tompo izany.

Sary
Mariazin’ny Loholona sy ny Rahavavy Cook

Niresaka zavatra maro izahay androany hariva. Manantena izahay fa hirotsaka ao anatinareo ny fotopampianarana nozarainay ary hanampy anareo hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay. Manantena izahay fa ireo ohatra mampiseho fanambadiana sambatra nozarainay dia hampitombo ny finoanareo ary ny Fanahy dia efa nibitsika taminareo ny zavatra azonareo atao mba hivoarana. Angamba ho an’ny sasany aminareo dia nobitsihan’ny Fanahy taminareo ilay olona azonareo iarahana mivoatra!

Ho anareo izay manao izay tokony hatao mba hanatanterahana ilay fanambadiana mandrakizay nefa toa tsy misy zavatra mitranga, na tokan-tena ianareo amin’izao fotoana izao na ao anatin’ny fanambadiana izay miadam-pivoarana, dia mivavaka izahay mba hijery ny lafy tsaran-javatra foana ianareo sy hanao izay vitanareo ary hitondra anjara biriky ao amin’ny asan’ny Tompo ary hiaina amim-pifaliana. Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Fantatsika fa ny Tompo dia hitsara antsika tsirairay araka ny fanirian’ny fontsika, sy ny asantsika ary ny fitahian’ny fisandratana dia homena an’ireo rehetra izay mendrika.”22 Aoka ianareo ho mahatoky ary mandrosoa hatrany. Ho azonareo amin’ny fotoan’ny Tompo ireo fitahiana rehetra. Fantatro fa marina izy izany!

Ry rahalahy sy anabavy, ny tombontsoa lehibe ananantsika dia ny fanohizana ny fivoarana, mba hanorina sy hanamafy orina fanambadiana selestialy sy fianakaviana mandrakizay miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Amin’ny alalany dia afaka mahazo hery hanatanterahana ireo zavatra rehetra anasan’ny Ray any An-danitra antsika mba hataontsika isika. Ary enga anie homba anareo ny fitahiany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy