Fampaherezam-panahy tamin’ny 2020
11christofferson


Hanampy antsika hanorina ny fanjakany ny Tompo

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

12 janoary 2020

Misaotra anareo amboarampeo noho izany hira mahafinaritra izany. Hira tena tianay izany. Misaotra fa tena kanto ny fomba nihiranareo azy. Ry ranadahy sy rahavavy malalako isany, faly tokoa aho afaka miresaka aminareo eto amin’ity hariva ity. Tato ho ato aho dia nisaintsaina lalina ny amin’ireo zavatra izay nampatanjaka ny finoako nandritra ny androm-piainako. Ny zavatra iray izay lasa fantatro dia ny hoe tena manampy antsika tokoa ny Raintsika any An-danitra, indrindra rehefa miezaka ny hanao izay vitantsika rehetra isika hitandrina ny didiny sy hanorina ny fanjakany eto an-tany.

Naneho io karazana finoana io ny mpaminany Nefia nandritra ny androm-piainany. Na dia niaritra fahoriana sy fifanoherana maro aza izy dia nitoera ho mafy orina mandrakariva ary nisaotra an’ Andriamanitra mandrakariva tamin’ireo fitahiana nomeny. Izao no nolazainy taorian’ireo valo taona nivenjivenjena tany an-tany efitra aolo:

“ … Raha toa ka mitandrina ny didin’ Andriamanitra ny zanak’olombelona, dia mamelona sy mampahery azy Izy ary manomana lalana hahazoany manatanteraka ny zavatra izay efa nandidiany azy; koa nanomana lalana ho anay Izy, raha mbola nitoetra tany an-tany foana izahay.”1

Fantatro fa marina io fitsipika io. Te hizara tantara iray avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana aho. Teo anelanelan’ny 1835 ka hatramin’ny 1839 dia niangona tao amin’ny faritanin’i Missouri izay nantenain’izy ireo hananganana an’i Ziona ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Kanefa tamin’ny 1839 dia nisy andian’olon-dratsy nanery azy ireo hiala tao. Rehefa nopotehina ny tranon’izy ireo, ary nangalarina ny biby fiompy sy ny entana tao an-tranon’izy ireo dia nandeha nianavaratra atsinanana nankany Illinois izy ireo ka nanorim-ponenana teny amin’ny tany honahona teny amin’ny moron’ny Renirano Mississipi. Noritin’izy ireo ireo rano teo amin’ilay honahona ka nanorenan’izy ireo tanàna tsara tarehy iray nantsoiny hoe Nauvoo. Kanefa nitohy hatrany ireo fiheveran-dratsy momba ny Fiangonana, ary dimy taona taty aorina dia maty maritiora ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny. Tsy mbola vita tanteraka akory ny tempolin’izy ireo dia voatery niala tao indray izy ireo ny Febroary 1946, nandositra niampita ny Reniranon’i Mississipi tao anatin’ny ririnina. Isan’ny niaraka tamin’izy ireo ny lehilahy iray nantsoina hoe Benjamin F. Johnson, dadan’ny dadan’ny raibeko, niaraka tamin’ny ankohonany izay nahitana ankizy madinika. Nofariparitany tao amin’ny fitantarany ny tantaram-piainany izany fotoana izany:

“Amin’izao izahay dia manomboka ny dianay ao anatin’ny ririmbe tsy manana na dia farantsa iray aza, hanao dia izay tsy fantatra hoe hatraiza na hafiriana … miaraka amin’ny vatsy izay zara raha ampy hanohana anay mandritra ny herinandro vitsy fara-faha-betsany, ary tsy fahasalamana izay tena ratsy tokoa tamin’iny taona lasa iny na mihoatra izay. Matetika aho no tratran’ny aretim-bavony manindrona mafy sy mahery vaika izay mampipotrapotraka ny atsembohana avy amin’ny mason-koditra rehetra indraindray. … Izany nitambatra tamin’ireo olana ara-pandevonan-kanina hafa dia nahatonga ahy tsy hahavita asa mamizaka be toy izany. Toa tena navesatra tamiko na dia ny andraikitra amin’ny fikarakarana ireo biby fiompy mpanao raharaha fotsiny aza, ary ny fisahanana ireo raharaha hafa teo amin’ny toby. …

“Andro vitsy teo an-toby dia nanomboka nitaraina tamin’ireo fahoriana sy ny sakafo tsizarizary ny sasany kanefa ny Filoha Brigham Young dia niteny azy ireo tamin’ny fomba henjana sy mahitsy ka nilaza tamin’izy ireo fa ireo izay tsy afaka ny hanomboka hivelona amin’ny tsaramaso sy katsaka nampangotrahina tamin’izay fotoana izay dia tokony hatoky an’Andriamanitra sy ho velom-pankasitrahana amin’izay ananan’izy ireo na hiverina any Nauvoo satria ho toerana tsizarizary ho azy ireo ny tobin’ny Olomasina. Noraisiko ho toy ny tenin’ny Tompo izany saingy inona no tokony hataoko? Tsy afaka nihinana mofo katsaka na tsaramaso nandritra ny fotoana maharitra aho noho izy ireny niteraka ireo aretim-bavony tsy zaka ireo. Amin’ny fomba ahoana ary izany no hanohizako ny dia satria katsaka sy tsaramaso no sakafo nohaninay amin’ny ankapobeny? Tsapako fa na izany aho ho velona na ho faty.ao anatin’izany”

Tapahako eto aloha ilay tantara mba ilazana fa taona vitsy talohan’izay no matin’ny aretim-bavony mitovy amin’izany ny anabavin’i Benjamin F. Johnson izay 22 taona, ka noho izany dia azo antoka fa tsy nanao laza masaka momba ny tahony izy. Notohizany hoe:

“Noresahiko tamin’ny fianakaviako ilay toe-draharaha. Nolazaiko azy ireo fa nijanona tao aho mba hatoky ny Tompo ary raha tsy niaraka taminay Izy, dia azo antoka fa tsy tao aorianay Izy, ka dia tsy tokony hiverin-dalana aho. Vonona ny hihinana ireo sakafo ireo aho ary ho feno fankasitrahana ny amin’izany. Ary raha tsy niraharaha anay ny Tompo tamin’izay dia tsy ho ela dia ho faty izahay ary tsaratsara kokoa izany satria tsy ho afaka ny hikarakara ny tenanay na hiaro ny tenanay izahay mandritra ity dia ity.”

Iray volana taty aoriana dia notantarainy tao amin’ny diariny izao manaraka izao:

“Ny tsaramaso sy ny katsaka izay tsy afaka nohaniko teo aloha dia nanjary nafilotra ho ahy ary nanomboka tamin’izay fotoana izay dia tsy nitamberina tamiko intsony nandritra ilay dia ireo voka-dratsy teo aloha. Nolazaiko an’ny Tompo ny zavatra nolazain’ny mpanompony fa amin’ny alalan’ny fanampiany dia afaka ny hanatanteraka ny zavatra rehetra notakina aho ary raha toa ka sitrany ny hahavelomako mba ho mpanompony dia tsy maintsy hataony izany mba hahatonga ny vavoniko hahazaka ny sakafo, izay fantatro fa nataony tokoa.”

Ny finoan’ireo razambeko sy ny ohatr’ireo mpaminany dia nampatanjaka ahy teo amin’ny fiainako ary nanampy ahy hahatoky ny Tompo na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza. Tadidiko raha fony vao nivady kelikely izahay dia tsy mba nanam-bola firy. Nanan-janaka roa kely izahay nandritra ireo telo taona naha-tany amin’ny sekoly ambaratonga ambony ny Loholona Christofferson. Nanapa-kevitra izahay fa rehefa manan-janaka izahay dia tsy hiasa ivelan’ny trano aho ka dia niezaka aho ny hanao asa izay azoko natao tao an-trano mba hahazoako vola kely hanampy amin’ny fivelomanay. Nanao asa an-tselika vitsivitsy koa ny vadiko ary koa asa mandritra ny fialan-tsasatra, izay nameno ny ampahany lehibe tamin’ny fidiram-bolanay. Kanefa tsy mbola ampy ho anay izany. Nisy teny nifanaovanay fa raha tsy sakafo, na hofan-trano, na solika ho an’ny fiaranay izay efa antitra izany dia tsy mila mividy izany izahay.

Indray Alahady, volana vitsy monja talohan’ny nahazoan’ny Loholona Christofferson ny diplaomany dia nampiseho ny teti-bola ilaina hanavaozana ny trano fiangonana izay efa tranainy ny evekanay. Nitaky ny handoavan’ny isam-pianakaviana lela vola voafaritra izany mba handoavana ny saran’ny fanavaozana ny trano fiangonana. Tsy manangona lela vola voafaritra mba hanorenana trano intsony isika amin’izao, fa tamin’izany andro izany ireo paroasy sy tsatòka dia nanampy tamin’ny fandoavana ny saran’ny fananganana na ny asa fanavaozana ireo trano fiangonana, ankoatra ny fahafolonkarena izay naloanay ihany koa.

Tahaka ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy dia nitafasiry tamin’ny eveka izahay nifandinika ny amin’izay azonay omena araka ny fidiram-bolanay. Tsy betsaka ny lela vola natolotray kanefa kely dia kely sisa ny vola teo am-pelatananay. Ny sasany tamin’ireo mpianatra vao nahazo diplaoma izay niaina toe-javatra tahaka ny anay ary handao ny paroasy tsy ho ela dia nihevitra fa tsy rariny ny tsy maintsy handoavan’izy ireo vola ho an’ny trano fiangonana satria tsy ho eo akory izy ireo rehefa vita ny fanavaozana. Na dia teo aza izany dia nanapa-kevitra izahay ny handoa ilay fanatitra ho an’ny kitapom-bola ho an’ny fanamboarana fiangonana na dia tsy fantatray aza hoe amin’ny fomba ahoana no hahafahanay manefa ny fandanianay rehetra mandrapahatongan’ny faran’ny taom-pianarana. Mety hieritreritra ianareo hoe afaka namoaka carte de crédit fotsiny izahay ary nandoa ireo fandanianay isam-bolana ary mamerim-bola tsikelikely, saingy fotoana hafa teo amin’ny tantara no nisy anay. Tamin’izany andro izany dia tsy afaka nahazo carte de crédit ianao raha tsy voaporofo fa nanana asa amin’ny fotoana feno, ary tokony hahatratra ny mari-karama takina amin’izany ny fidiram-bolanao. Koa dia tsy nahafeno ny fepetra hananana carte de crédit izahay. Mety ho sarotra ny fahitana izany kanefa ny fampiharana fepetra iray hentitra kokoa amin’ny hoe iza no tokony hahazo carte de crédit ankehitriny dia mety hanavotra ny olona maro amin’ireo fahasarotana avy amin’ny trosa izay iainan’izy ireo amin’izao.

Izany eo ihany, fa herinandro vitsy taorian’izay dia nitondra fiara nidina ny lalana mangina iray izahay indray alina ary nijanona teo amin’ny fambara fijanonana iray. Tampoka teo dia nandre feo mafy-na hisatra izahay taorianay, ary voadona ny vodin’ilay fiaranay efa tonta. Nivoaka ny fiara ny Loholona Christofferson mba hijery, fa izaho kosa nijanona tao anaty fiara. Afaka elaela dia niverina tao anaty fiara izy, ary nanontaniako azy ny zava-nitranga. Hoy fotsiny izy hoe simba ny aro-donam-piarakodia (pare-chocs). Mpivarotra mpivezivezy iray mipetraka any amin’ny tanàna hafa ilay lehilahy nandona anay. Fantany fa ratsy ny hisatry ny fiarany saingy tsy fantany hoe ratsy be toy izany. Nilainy tamin’ny asa ilay fiarany ary nanantena izy fa afaka ny hifandraharaha mangingina aminay mba tsy hisian’ny fampiakarana ny vola aloha amin’ny fiantohana ny fiarany sy tsy hahazoany tapakila fanefan-tsazy izay tsy maintsy ho aloany. Sady tsy nisy naratra rahateo. Izy koa dia tsy dia nanam-bola firy raha ny fiheverako azy. Nilaza izy fa raha manome azy an-taratasy ny tombantomban’ny saran’ny fanamboarana ny fiara izahay ary mitondra izany any amin’ny trano fandraisam-bahiny hivantanany any amin’ny sisin’ny tanàna dia izy tenany no hanefa izany aminay.

Koa raha tsy zaza vao teraka omaly aho koa! Noheveriko fa mora nofetsena ilay vady malalako izay natokisako tanteraka tamin’io toe-draharaha io. Tena nihevitra ve izy fa io lehilahy io dia hitazona ny toky nomeny e? Inona no milaza fa tsy hitsoaka ilay tanàna io lehilahy io dia handoa ny volanay? Inona tokoa fa nataon’ny Loholona Christofferson ny tombantombana ho an’ny fanamboarana ary dia nandeha tany amin’ilay trano fandraisam-bahiny izy nitady ilay lehilahy. Nosoratan’ilay lehilahy tamin’ny seky ilay lela vola ary inona hoy ianareo no nitranga? Tena nahazoana vola tokoa ilay seky!

Indro ary tohin’ilay tantara. Efa saika hitovy tamin’ilay lela vola nilaina hanamboarana fiangonana izay naloanay ilay seky. Afaka niandry tsara mihitsy izahay mandra-pahazoany karama raikitra mba hanefana ilay fanamboarana, ary mandra-pahatongan’izay dia afaka nanefa ireo zavatra fototra nilainay izahay, izay tsy noheverinay mihitsy hoe ho vitanay. Izany no vavolombelona ho anay fa araka ny nolazain’i Nefia, ny Tompo tokoa dia “Manomana lalana hahazoa[tsika] manatanteraka ny zavatra izay efa nandidiany.”2 Nianatra aho fa matetika ny finoana no midika hoe manao dingana ao anaty haizina, saingy araka ny efa fantatsika, dia fantatro fa hanazava ny lalana eo anoloantsika ny Tompo. Velom-pankasitrahana aho ny amin’ilay Ray any An-danitra be fitia izay mitsinjo antsika sy miraharaha ny amintsika. Fantatro fa Fiangonany ity ary velona ny Mpamonjy antsika. Misaotra ny Tompo aho ny amin’ireo fitahiana izay entin’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy