Fampaherezam-panahy tamin’ny 2020
12christofferson


2:3

Safidy sy fanolorantena

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

12 janoary 2020

Misaotra ny Raiko any An-danitra aho noho ny tombontsoa lehibe ananako miaraka aminareo rehetra eto anio hariva. Ary te hisaotra ny vadiko aho ary manohana ireo zavatra nolazainy. Ary tolorako fisaorana miavaka ity amboarampeo mahavariana ity. Porofo fanampiny amin’ny lanjan’ny institiota izy ireo. Tiako ny institiota. Manantena aho fa ianareo rehetra izay manana fahafahana hanao izany dia tsy nisoratra anarana fotsiny, fa manatrika sy mandray anjara mavitrika amin’ny Institiota ihany koa. Anisan’ireo zavatra tsara indrindra ataontsika ato amin’ny Fiangonana izany. Ilay hira nohirain’ny amboarampeo taloha kely teo, dia mety ho fantatry ny sasany aminareo, fa hira nosoratan’ny Filoha Russell M. Nelson. Izy no nanao ny tonony, ary mipaka hatrao am-poko ny fahatsapana sy ny hafatra entiny, ary matoky aho fa toy izany koa ny anareo. Ary mampita aminareo ny fitiavany sy ny fiarahabany aho. Te hilaza teny fankasitrahana ho an’ny Filoha Astrid Tuminez sy ny fitantanan-draharaha sy ny mpiasa ao amin’ny oniversite an’i Utah Valley ihany koa aho noho ny fampiantranoan’izy ireo amim-pitiavana an’ity fotoana ity.

Taona maro lasa izay dia voairaka hiaraka tany New York City izaho sy ny Loholona L. Tom Perry. Tamin’izahay tany dia nitsidika sinagôga iray manan-tantara tao Brooklyn. Io sinagôga io dia trano tena nanan-kaja teo amin’ny manodidina izay anisan’ireo faritra mihaja indrindra ao amin’io boriborintany io taloha, ary mety ho hatramin’izao. Niarahaba anay tamin-kafanam-po ilay vehivavy izay raby tao amin’io fiangonana Jiosy navaozina io ary nitari-dalana anay nizaha ilay trano manan-tantara. Tamin’izy io mbola tsara dia trano tena kanto, saingy ankehitriny izy io dia tena mila fanarenana goavana. Nolazain’ilay raby taminay fa nihavitsy ny isan’ny mpivavaka ka tsy ampy intsony ny vola hampandehanana ilay sinagôga sy ireo fandaharan’asa nokarakarainy, anisan’izany ny sekoly andavanandro.

Raha nanohy ny resadresaka izahay dia nomarihany fa amin’ny ankapobeny dia nifikitra tamin’ny zavatra nentim-paharazana jiosy ireo tanora, saingy noho ny antony maro samihafa dia tsy te hirotsaka izy ireo ho lasa mpikambana manolo-tena ao amin’ilay sinagôga. Na dia teo aza izany dia nampiasain’izy ireo toy ny mahazatra ihany ilay trano fiangonana hanaovana fiaraha-mientana ara-tsosialy. Toy ny toeram-pihaonana izy io ho an’izy ireo, ary matetika izy ireo no manolotra isaky ny fotoana iray voafaritra fanomezana hanampiana amin’ny fiantohana ny saran’ny fampiasain’izy ireo ilay toerana, saingy vitsy no nanam-paniriana ho tonga mpikambana ao amin’ilay vondron’ny mpiangona izay nivavaka tao.

Nifampiresahanay sy ny Loholona Perry tamin’ilay raby ny antony mety nahatonga izany. Nomarihany fa araka ny resaka nifanaovany tamin’ny maro tamin’ireo tanora ireo, izay tsy manambady ny ankamaroany, dia tsy nataon’izy ireo laharam-pahamehana loatra ny fivavahana teo amin’ny fiainany. Ny hafa kosa indray dia tsy te hanao fanoloran-tena tsotra izao ho amin’io sinagôga io na sinagôga hafa. Nanontany tena ny Loholona Perry sao izany dia ahitana taratra an’ilay fiteny malaza (na ratsy laza) hoe “TSATAH”—tahotra sao tsy afaka hanandrana—hoe raha manolo-tena amin’io izy ireo dia mety tsy ho afaka hanandrana zavatra iray hafa.

Ary izany no tena tiako horesahina aminareo anio hariva: ny safidy sy ny fanolorantena.

Andeha homarihantsika ety amboalohany hoe ny “tahotra sao tsy afaka hanandrana,” amin’ny lafiny iray, dia fahatsapana mitombina ihany. Raha mbola azo atao koa, isika rehetra dia samy te hiaina ireo zavatra tsara indrindra ary ahatratra ny safidy tsara indrindra amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana. Saingy ny fanemorana saika ho mandrakizay ny fanaovana safidy na fanolorantena iray noho izy io hoe mety midika fa tsy ho afaka hananadrana zavatra iray hafa, izay mety ho tsara kokoa, dia tsy mitombina. Ny safidy tsirairay dia manakatona ny fahafahana manao zavatra hafa: raha misafidy ny handeha hiasa na ho any am-pianarana ianao ny maraina, dia tsy afaka mijery horonan-tsary amin’ny Netflix amin’iny fotoana iny (sa afaka ihany?); raha mandranto fianarana ho tonga injeniera amin’ny asa vaventy ianao dia tsy ho afaka ny ho lasa matihanina amin’ny tantara, na ny zava-kanto, na ny biologie, na zavatra hafa (raha tsy hoe angaha tsy hitsahatra ny hianatra mihitsy); raha mankany amin’ny Rihan-dranon’i Victoria any Afrika ianao izao, dia tsy afaka mandeha mankany amin’ny toeran-kafa amin’io fotoana io, ary mety tsy hahita toerana hafa izay mety tianao ho hita; raha misafidy ny hanao misiôna ianao dia mahafoy hetsika ara-sosialy maro mandritra io fotoana io; be dia be ny ohatra hafa azo omena. Kanefa raha tsy manao safidy sy manolotena ho amin’ny zavatra iray, dia toy ny mirenireny ny fiainanao, ary amin’ny farany raha ny marina dia tsy ho afaka niaina ny ankamaroan’ireo zavatra tena tsara indrindra.

Araka ny lazain’ny vadiko ombieny ombieny hoe “Tsy afaka manana ny zava-drehetra ianao—aiza ary no ho asianao izany?” Tsy afaka manana ny zava-drehetra izay tsara ho ananana isika, ary tsy afaka manao ny zava-drehetra izay tsara na mahaliana mba hatao. Na dia feranao aza ny safidinao ho amin’ireo zavatra izay “tsara na mendri-piderana”1 ihany, dia mbola tsy afaka hanana na hiaina ny zava-drehetra ianao. Tsy ampy tsotra izao ny fotoana, na ny entimanana, na ny toerana eo amin’ny fiananao eto an-tany. Ka araka izany dia tsy maintsy manolo-tena ho amin’ny safidy sasantsasany isika, mahafantatra fa raha manao izany isika dia tsy maintsy mahafoy zavatra hafa, na dia tsara tahaka ny inona aza izy ireny. Tokony ho tsaroantsika koa fa ny fanemorana be loatra ny safidy iray dia efa safidy ihany koa.

Ny fanambadiana dia ohatra tsara amin’izany. Rehefa misafidy olona iray isika, dia mahafoy ireo olona hafa rehetra. Hoy ny Tompo, “Ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa.”2 Noho ny maha tsy azo hiverenana fanindroany an’ilay safidy, dia tsy mety ny sasany hanao fanolorantena amin’ny olona iray izay tena ankamamiany, olona izay tiany ary ahafahany miara mivoatra amim-pahasambarana sy mandrakizay, satria sahiran-tsaina hoe mety hisy sila-panahy lafatra kokoa any ho any izay tsy tiany ho afoy. Tsaroako misy tovolahy iray tahaka izany fantatro taona maro lasa, izay nandà olona iray mahafinaritra azo hovadiana noho izy nihevitra fa hoe feno mitampitampina loatra ny nifin’ity tovovavy. Ny navaliko dia hoe mitady fahatanterahana izay tsy misy ianao, ary etsy ankilany, moa ve adinonao hoe ny tenanao io dia mbola lavitra izany hoe tonga lafatra izany?

Fihaonana olon-dehibe tanora ity. Ary ho an’ny ankamaroanareo, dia ilay hoe olondehibe no antitranterina. Manana na mikatsaka andraikitra an’olon-dehibe ianareo, zava-bita an’olon-dehibe, ary anjara-birikin’olon-dehibe, raha ampifanoherana amin’ny fanemorana ny maha olon-dehibe ary fikatsahana fety lalandava tsy mety tapitra. Folo taona lasa izay, i Charles Murray izay mpanoratra sy avara-pianarana dia niresaka momba ny hevitry ny hoe “fiainana feno.” Hoy izy: “Ny zavatra resahiko dia mikasika ireo karazan-javatra izay hanaovanao jeri-todika rehefa mahazoazo taona iny ianao ka mamela anao hanapa-kevitra fa afaka mirehareha ianao noho izay nahatongavanao sy izay vitanao.”3

Tsaroan’i Murray izy niresaka tamin’ny mpanatrika tany Zurich mikasika ireo fahafaham-po lalina izay azo avy amin’ny fiainana feno. Hoy izy, “Taorian’ilay lahateny, dia nisy olona vitsivitsy tamin’ireo 20 mahery izay nanatrika no nanatona ary nilaza tsotra izao fa ilay teny hoe ‘fiainana feno’ dia tsy nidika na inona na inona tamin’izy ireo. Miaina fotoana tena mahafinaritra izy ireo miaraka amin’izay olona mifanao firaisana ara-nofo aminy amin’izao fotoana izao ary manana BMW vaovao sy trano fialan-tsasatra any Majorque, ka tsy mahita banga eo amin’ny fiainana hoe ilaina ho fenoana. Tena nahavariana,” hoy i Murray, “ny maheno izany ambara mivantana, saingy tsy nahagaga. … Tahatahaka izao ilay toe-tsaina: ny olombelona dia fitambarana akora izay mihetsika ary afaka fotoana kely dia miato. Ny tanjon’ny fiaiana dia ny handany ilay fotoana eo anelanelany amin’ny fomba mahafinaritra indrindra araka izay azo atao.”4

Rehefa namarana i Murray dia nanao izao fanambarana mafonja izao: “Efa takatry ny zanakolombelona efa ela fa ny fiainana feno dia mitaky fanolorantena amin’ireo manodidina anao.”5 Ny tena olon-dehibe dia mahatakatra izany. Fantatr’izy ireo fa ny fahafinaretan’ny tena dia tsy azo atao zavatra ifantohan’ny fiainana velively ary tsy afaka ny ho ampy raha atao tanjon’ny fiainana. Voafaoka ao amin’io fahamarinana io ireo didy roa lehibe: dia ny mitia an’Andriamanitra amin’ny fonao sy ny sainao ary ny fanahinao rehetra, ary ny mitia ny namanao tahaka ny tenanao.6 Araka ny nolazain’i Jesoa, “Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”7 Ny fanekempihavanan’ny filazantsara,8 miaraka amin’ny fampanantenany fiainana mandrakizay, dia miankina amin’ireo didy roa lehibe ireo araka ny laharam-pahamehana nomena: voalohany sy faharoa. Ny fanajana ireo didy roa lehibe ireo no mamaritra ny fiainana feno sy ny diakan’izany hoe olon-dehibe izany.

Raha ny marina dia tsy misy lalana ho arahina mandeha ho azy, tsy mila fanolorantena, farafaharatsiny raha ny mikasika ireo zavatra misy fiantraikany mandrakizay. Nanambara izany i Almà raha nampianatra fa i Kristy, ilay Mpiandry Tsara, dia miantso antsika hanaraka Azy eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra sy ny fahasambarana:

“Indro, lazaiko aminareo fa miantso anareo ilay mpiandry tsara; eny, ary amin’ny anarany ihany no iantsoany anareo, dia ny anaran’i Kristy; ary raha tsy te hihaino ny feon’ilay mpiandry tsara ianareo, na ny anarana izay iantsoana anareo, dia indro, tsy ondrin’ilay mpiandry tsara ianareo.

“Ary ankehitriny raha tsy ondrin’ilay mpiandry tsara ianareo, avy amin’ny valan’iza ary ianareo? Indro, lazaiko aminareo fa ny devoly no mpiandry anareo, ary ianareo dia avy amin’ny valany; Ary ankehitriny, iza no afaka mandà izany?”9

Ampianarin’i Almà ilay fahamarinana hoe safidy roa ihany no misy, ary i Kristy no hany safidy tsara. Raha tsy misafidy an’i Kristy ianao dia manaraka ho azy andriamanin-tsy izy, lalan-diso izay mitondra amin’ny fahadisoam-panantenana any amin’ny farany, eny mandrakizay mihitsy, raha tsy hiteny afa-tsy izay. Koa raha tsy manaraka ny Mpamonjy ianao, dia mandà Azy.10

Raha mahafantatra izany isika dia tsy tokony hahatsapa fahalainana hanolo-tena ho amin’ny Tompo ary hikatsaka ny ho tonga iray Aminy. Araka ny vavaka nataony tamin’ilay Fanasana Farany ho an’ireo apôstôliny sy ireo rehetra izay hino ny tenin’izy ireo, hoe “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy.”11 Ka tsy izany ve no tiantsika hahatongavana? Koa nahoana ary no misalasala hanolo-tena feno tsy ampihambahambana? Nahoana no mihazohazo haka ny ziogany eo amintsika, rehefa mahafantatra fa “mora ny zioga[ny] ary maivana ny enta[ny]”?12

Tahotra ny tsy hahomby

Raha mamaly ilay fanontaniako teo ihany, dia hitako fa na dia eo aza ny lôjika ary na eo aza ny fitalahoan’ny Fanahy izay miezaka miaraka amintsika, dia misy antony vitsivitsy izay mety mbola hahatsapanao fahalainana. Ny iray dia ahiahy mikasika ny fahafahantsika mitandrina fanolorantena misy fiantraikany lavitra toa izany. Moa ve isika tena afaka hahatody, ary sao dia ny tsy manao fanolorantena no tsara kokoa raha mety tsy hahavita?

Ahiahy tena mitombina izany, fa ho setrin’izany dia ho marihako fa amin’ny lafiny tena manan-danja, dia efa nampiseho ianao fa afaka mitandrina izany. Fony ianao tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia nisafidy ianao ny hanaiky ny drafitry ny famonjena sy ny fisandratana, nomanin’ny Ray ary novolavolain’ny Zanaka, ka nisafidy an’i Kristy. Ny fahaterahanao ara-batana dia vavolombelona fa efa nanolo-tena ianao. Nitana ny “toetran[ao] voalohany”13 ianao ary ankehitriny ny fanontaniana dia hoe hahatandrina izany fanoloran-tena izany ve ianao amin’izao “toetran[ao] faharoa” izao ka “hanana voninahitra anampy voninahitra eo ambony lohan[ao] mandrakizay mandrakizay”?14 Tsy tokony hatahotra isika hanamafy ny fanolorantenantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, indrindra rehefa mieritreritra ny haratsin’ilay safidy hafa.

Ary tsy mila miaina ao anatin’ny tahotra ny tsy hahomby isika. Tsy irery isika. Tsy hoe tsy hisy hanampy antsika. Na iza na iza manolotena marina amin’i Kristy, amin’ny maha mpianatra feno, dia tsy maintsy mahomby. Raha toa isika ka mitambatra amin’ Ilay nidina ambanin’ny zava-drehetra, naharesy ny zava-drehetra, ary ankehitriny manana ny hery rehetra, dia tsy maintsy mahomby.15 Ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy dia tsy mpitazana tsy miraika fotsiny, izay te hahita hoe ho tafavoaka ve isika sa tsia. Azonao heverina ve izy ireo mitazana avy eny an-danitra miteny hoe “Jereo ange i Koto e. Nandamoaka izy tamin’ny fotoana farany niatrehany toe-javatra tahaka ity, ary sahiko ny miloka fa mbola hanao ohatr’izay indray izy,” na koa hoe “Jereo anie e! Sarotra ity nataon’ireo naman-dRasoa taminy ity. Ho mahaliana ny mahita hoe ho tafavoaka ve izy amin’ity indray mitoraka ity.” Mazava ho azy fa mahatsikaiky izany. Miaraka amintsika foana Izy ireo, manolotra tsy tapaka fanampiana sy fitarihana ary hery hoenti-miasa, ary te hanome mihoatra aza raha manaiky izany isika.

Nolazaiko tany aloha fa rehefa manaja ireo fanekempihavanana izay mampifandray antsika amin’i Kristy sy ny Heriny isika dia tsy maintsy mahomby. Marina izany amin’ny farany, saingy ekeko fa indrindray dia miaina tsy fahombiazana isika rehetra—dia ireo adisoantsika sy fahotantsika ihany, ary ny fiantraikan’ny fahadisoan’ny hafa sy ny fahotan’izy ireo amintsika indraindray. Fa noho ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana sy ny famelan-keloka dia mety mandalo fotsiny daholo ireny fahadisoana sy tsy fahombiazana ireny. Tsy misy afaka manaisotra amintsika ny fiainana mandrakaizay izy ireny raha tsy hoe milavo lefona isika. Fa nahoana? Satria rehefa manao izay azontsika atao isika hiarenana, dia afaka mahazo ny fahasoavan’i Kristy hamaha sy hanarina na inona na inona tsy vitantsika samirery. Tsarovy, ilay herin’ny sorompanavotana na fahasoavan’i Kristy dia tsy hoe manala fotsiny ny fahamelohana ateraky ny fahotana sy ny fahadisoana, fa manamasina sy mahatonga antsika ho olona masina, afaka miaina eo anatrehan’ Andriamanitra ihany koa.16

Izao nefa, tsy milaza akory aho hoe mora izany rehetra izany. Fantatsika rehetra tsara fa ny fiainana dia feno ady sy zavatra tena sarotra, eny fahoriana mihitsy aza. Ary izany hoe manao mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky izany dia mora tenenina fa sarotra atao. Tena tsy mora ho an’i Jesoa mihitsy ny ho tonga mpianatry ny Rainy sy ny hisotro amin’ilay “kapoaka mangidy.”17 Saingy vitany izany, ary hainy ny fomba hanampiana antsika handeha amim-pahombiazana eo amin’ny lalan’ny maha mpianatra. Ankoatra izay dia manana hery sy finiavana hanampy ny Mpamonjy. Hiaraka amintsika foana Izy ary hanome fanampiana betsaka araka izay ilaintsika ary mandritra ny fotoana rehetra ilàna izany. Hoy Izy: “Eny, ary isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko.”18 Ny fatahorana tsy hahomby dia tsy antony ampy tsy hanaovana fanolorantena feno sy tanteraka amin’i Kristy. Tohizo fotsiny ny fibebahana sy ny fanaovana izay rehetra vitanao mba ho tsara—izany dia ho ampy.

Fahafoizan-tena

Mahita antony iray hafa aho mahatonga ny olona iray mety tsy hazoto hamaly ny antson’ilay Mpiandry Tsara ka hitambatra amin’ny andian’ondriny: tahotra an’ilay fahafoizan-tena izay mety ho ilaina amin’izany. Tsaroantsika rehetra ilay zatovolahy izay nanontany an’i Jesoa tamin-kitsim-po hoe “Fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” ahazoako ny fiainana mandrakizay.19 Milaza amintsika i Marka hoe “Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy” [mihevitra aho fa manan-danja izany], “ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha hianao ; mandehana; amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.”20 Tsaroanareo ny valiny: “Dia nanjombona tery ny tarehiny tamin’izany teny izany, ka niala tamin’alahelo izy, satria nanana harena be.”21

Manantena aho fa rehefa nandinika io zazalahy mpanan-karena io dia niova ny fony ary taty aoriana nanaiky ny fanasana nataon’ny Mpamonjy. Na ahoana na ahoana dia samy miaiky isika fa ny fanolorantena ho an’i Kristy dia mitaky fahafoizana. Ny zavatra iray ilaina hafoy dia ny “tahotra sao tsy afaka hanandrana” satria inoantsika fa raha ny marina dia tsy maintsy tsy hahomby isika amin’ny lafiny maro. Maro tokoa ireo safidy azo atao eo amin’ny fiainana no tsy afa-miaraka amin’ny maha mpianatra, ary zava-tsoa maro aza no mety tsy azontsika atao noho ny fitakian’ny maha-mpianatra eo amin’ny fotoantsika sy ny hoentimanana natokana ho an’ny zavatra izay tsara kokoa sy tsara indrindra.

Ilay tanora matotra izay nanadina ny Mpamonjy hoe “Inona no tsy mahatanteraka ahy?” dia efa maty. Na inona na inona harena izay nananany dia mety ho tsy misy intsony, ary na manao ahoana na manao ahoana dia tsy ananany intsony izy ireny, sady tsy ampiasainy intsony. Fa na dia mety ho fahafoizana lehibe toy ny ahoana aza izany taminy tamin’izany, dia moa ve izy nanana safidy azo natao tsara kokoa noho ny fanekena ny fanasana nataon’ny Mpamonjy? Moa ve misy na inona na inona mety ho azony novidiana tamin’ny hareny ka azo ampitahaina amin’izay atolotry ny Tompo azy amin’ny farany? Fantatsika fa na inona na inona angatahan’ny Mpamonjy amintsika, anisan’izany ny aintsika mihitsy, dia tsy misy dikany raha ampitahaina amin’ny fisandratana. Tsy azontsika veroka akory hoe: “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’izay tia Azy.”22

Tsy tokony hatahotra ireo fahafoizantena ataon’ny mpianatra isika fa tokony handray tsara ny fahafahana hitombo hery ara-panahy, sy hiaina fifaliana lalina kokoa, ary hahitantsika tsirairay ny tena dikan’ny fiainantsika. Ny fahafoizana, indrindra ny fahafoizana ho an’ny fotokevitr’i Kristy dia maneho fahamatorana—hoe tena hitandrina ireo didy roa lehibe sika dia ny hitiavantsika an’Andriamanitra sy ny namantsika. Ny fahafoizana dia midika fa tena hanao zavatra tsara tokoa isika eo amin’izao tontolo izao

Ny mitia ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Lahy Malalany amin’ny fo sy hery sy saina ary tanjaka dia manamafy amin’ny fanahintsika hoe inona sy iza isika. Izany dia manome antsika karazana antoka izay ahafahantsika mitsahatra tsy hifantoka amin’ny tenantsika fotsiny fa mitodika amin’ny hafa, tena mijery ny hafa—ny zavatra ilainy sy ny zavatra tena atrehany, sady manana fanirina hahatakatra sy hanampy azy ireo. Ao amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy, ilay mpisorona sy ilay levita dia nahita ilay mpandeha naratra teo antsisin-dalana, saingy tsy tena nahatsapa izay nanjo azy izy ireo. Ilay Samaritana ihany no tena nahatsapa ny nanjo ilay vahiny naratra, ary noho izany izy dia “onena [azy], dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny.”23 Maro tokoa no mahatsapa fanirery maharitra. Azo antoka fa afaka manova zavatra ny fahafoizan-tenantsika.

Fanolorantena

Ny fanolorantena lehibe indrindra izay miantoka ny fifaliana ety sy any ankoatra dia ny fanolorantena amin’ Andriamanitra Raintsika Mandrakizay sy ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompo. Hitantsika ao amin’ny Ômnia izao fiangaviana mazava izao:

“Mba tiako ny hanatonanareo an’i Kristy, dia ny Iray Masin’ny Isiraely ary handraisanareo anjara amin’ny famonjeny sy ny herin’ny fanavotany. Eny, manatòna Azy ary atolory ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahinareo manontolo, ary tohizo ny fifadianareo hanina sy ny fivavahanareo, ary mahareta hatramin’ny farany; ary raha velona koa ny Tompo, dia hovonjena ianareo.”24

Misy tantara izay momba ny raimpianakaviana iray izay nampatory ny zananilahy kely, ary rehefa nivoaka ny efitrano fandriana izy dia nahare feon-javatra nianjera. Rehefa niverina izy dia nahita ny zanany lahy teo amin’ny tany ary nanontany hoe ahoana no nampianjera azy avy tao am-pandriana. Hoy ilay zazalahy: “Tsy tafiakatra tsara aho.” Maka antoka eo amin’ny fanolorantena ataonao amin’ Andriamanitra hoe tafiakatra tsara ianao.

Anisan’ny tenan’i Kristy ianareo.25 Manana anjara toerana ao ianao. Aoka ianao hanolo-tena tanteraka, manome sy mandray amin-kalalahana. Jereo tsara ireo manodidina anao ary aoka ianao ho tazana, mba ho fiainana feno ny fiainanao, fiainana hanompoana, hitahiana, ary hahatsapana fahafaham-po. Fiainana tahian’ny Mpamonjy sy hamasininy, Izy izay naharesy ny zava-drehetra, ary amin’ny alalan’ny fahasoavany no handresenao koa ny zavatra rehetra.

Ny fampisehoana mikasika ny Andron’ny Mpamaky lay tamin’ny fahavaratra lasa teo nataon’ny Amboarampeon’ny Tabernakely sy ny Orkesitra tao Temple Square dia nahitana an’ilay mpihira Nôrveziana manan-talenta hoe Sissel. Ireo mpanatrika, izaho tao anatin’izany, dia nihetsi-po lalina noho ny fihirany an’ilay hira iray hoe “Slow down” (moramora ihany) izay mampahatsiahy an’ilay soratra masina ao amin’ny Salamo hoe “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra.”26

Tiako alefa ny horonan-tsarin’i Sissel nihira tamin’io fotoana io, ary eo am-pihainoanao dia mangataka anao aho handinika ilay hafatra, mba hahafahantsika hanana fahatokiana tanteraka an’ Andriamanitra sy ny fitiavany mahagaga ary ny fahavononany hitahy sy hanohana antsika na inona na inona hitranga. Ary diniho ny fahamasinan’ny fanoloranao ny fiainanao sy ny tenanao ho Aminy na inona na inona hitranga.

Rehefa tojo ahy ny adin-tsaina,

ka mila fanampiana aho re.

Raha tsy milamina ity saiko,

dia feo tony no injao re:

Moramora, moramora, mitonia.

Ny Fanahin’ny Tompo re no andrandrao

Moramora, henoy ny feony,

fa Izy no Andriamanitrao.

Rehefa tojo ireo fitsapana,

ka feno ahiahy re aho,

raha manafotra ahy ireo onja,

feo tony no tonga ao am-poko ao:

Moramora, moramora, mitonia re anaka!

Ny Fanahin’ny Tompo re no andrandrao

Moramora, henoy ny feony,

fa Izy no Andriamanitrao

fa Izy no Andriamanitrao27

Mandehana mora. Manapaha hevitra ary ataovy izay hisafidiananao an’ Andriamanitra ao am-ponao. Mitadiava fotoana mangina ahafahanao mandohalika amin’ny toerana mitokana ary milaza amin’ny Rainao any An-danitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, fa Azy ianao, fa manolon-tena ianao, vatana sy fanahy, ho Azy sy ny Zananilahy ary koa amin’ny lalan’ny filazantsara. Avy eo dia araho izay hitarihany anao, anio sy amin’ny andro sisa hiainanao. Aza misalasala na miahotra intsony fa mirosoa miaraka amin’ny tanjonao sy ny iraka anirahana anao eo amin’ny fiainana. Fohy tokoa ny fiainana an-tany. Ataovy manan-danja izao fotoana izao mba hahatonga ny mandrakizainao ho lasa fifaliana, fa tsy nenina. Moa ve tsy tsapanao ny Fanahy milaza aminao fa izany no tsara? Ary mandrosoa amim-pahatokiana.

Mampanantena anao aho fa ny valisoa avy amin’ny Tompo noho ny fanoloranao ny rehetra dia ho izay rehetra tokony omeny, amin’ny “fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra.”28 Ny nisian’ny fitsanganana tamin’ny maty dia porofo fa manana ny hery rehetra Izy, fa afaka manolotra izay nampanantenainy Izy, ary tena manafaka Izy. Izy no fiainana, ary tonga izy mba hahafahantsika hanana fiainana ary “[hanana] be dia be”.29 Milaza aminareo aho amin’ny maha olona iray mahafantatra fa Jesoa Kristy no Mpanavotra efa nitsangana tamin’ny maty. Io tranga io no mampiova ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny mandrakizay. Atolotro anareo ny tsodranony sy ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.