Amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary mahaleo tena
Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony • 11 septambra 2022 • Tabernakelin’i Salt Lake
Loholona Dale G. Renlund: Misaotra. Tafavory eto isika ato amin’ilay Tabernakely manan-tantara eto Salt Lake, fa maneran-tany kosa ny olona mihaino sy mijery. Ao anatin’ny soratra masina ny Tompo dia mangataka antsika mba hahatsiaro. Mahatonga antsika hanana fomba fijery sy hery rehefa miatrika ireo olana amin’izao androntsika izao ny fahatsiarovana ny lovan’ny finoana sy ny fanolorantena ary ny fikirizana izay iombonantsika.
Tamin’ny faniriana ny “[hahatsiaro] ny nahafeno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona” 1 no nanamboarana ireo boky miisa efatra mitondra ny lohateny hoe Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao. Efa nivoaka izay ny boky telo amin’ilay andiany. Tafiditra ao anatin’izany tantara izany ireo tantaran’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky tany aloha. Izany dia manome antsika ohatra tena nisy momba ana olona tia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, nanao fanekempihavanana, ary nandia teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mba hahafantarana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.
Rahavavy Ruth L. Renlund: Mahafaly anay ny hifantoka amin’ireo zavatra niainana tena nisy izay azonareo vakina ankehitriny ao amin’ny Olomasina: Amim-pahasahiana, amim-boninahitra, ary mahaleo tena, izay boky fahatelo amin’io andiany io. Io boky io dia mitantara ny tantaran’ny Fiangonana teo anelanelan’ny fanokanana ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny taona 1893 sy ny fanokanana ny tempolin’i Berne any Suisse tamin’ny taona 1955. Nandritra izany fotoana izany dia niseho tao amin’ny Fiangonana ny fanambarana mitohy tamin’ny alalan’ireo mpaminanin’ny Tompo sy tamin’ireo mpikambana tsirairay. Ny boky faha-3 amin’ny Olomasina dia manampy antsika hahatakatra ny tantarantsika sy ireo olona izay niaina izany ary ny Mpamonjy antsika.
Loholona Renlund: Nandritra io vanim-potoana io dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny raibeko sy renibeko roa tonta. Nifindra monina avy any Finlande sy Suède nankany Salt Lake City ny ray aman-dreniko satria nanao fampanantenana izy ireo hoe hanambady any amin’ny tempoly. Tamin’ny taona 1950 dia tsy nisy tempoly tany Eorôpa. Samy nandray ny fanafiana masina azy ireo izy ireo tao amin’ny tempolin’i Salt Lake, nihaino ireo fampianarana tamin’ny teny Anglisy kanefa kely ihany ny teny azon’izy ireo. Nivady sy nofehezina izy ireo ary lasa isan’ireo izay voatahy mandrakizay. Ny fisafidianany ny hanao izay rehetra nilaina mba ho voafehy ao amin’ny tempoly dia nisy vokany mandrakizay teo amin’ny fiainako ihany koa.
Ny Olomasina, boky faha-3 dia lovantsika na taranak’ireo mpisava lalana taloha tahaka an’i Rahavavy Renlund isika, na taranaky ny mpisava lalana taty aoriana tahaka ahy, na koa ianareo mihitsy no mpisava lalana ao amin’ny finoana. Ampahany manan-danja ao amin’ny tantara mitohin’ity Fiangonana ity ianareo. Misaotra anareo izahay noho ny zavatra rehetra ataonareo mba hiorenana eo ambonin’ny fototry ny finoana izay napetrak’ireo razambenareo. “Mivavaka izahay mba hampivelatra ny fahatakaranareo ny lasa sy hanamafy orina ny finoanareo ary hanampy anareo hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana izay mitondra mankany amin’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay ity boky [ao amin’ny Olomasina] ity.”2
Rahavavy Renlund: Tena mahafaly ahy ny hizara tantara avy ao amin’ny boky faha-3 ao amin’ny Olomasina. Andeha ary hatombontsika!
Loholona Renlund: Andeha hatombontsika izany amin’ny ohatra iray maneho ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana izay eo an-dalam-pitohizana. Matetika ny Filoha Russell M. Nelson dia mampianatra fa ny Famerenana amin’ny laoniny dia “dingana fa tsy tranga iray, ary hitohy izany mandra-piverin’ny Tompo indray”.3 Fanehoana tena tsara mikasika izany ny ohatra iray avy amin’ny fiafaran’ny fiainan’ny Filoha Joseph F. Smith.
Tamin’ny taona 1918, dia tsy salama ny Filoha Smith ary mety efa nahafantatra izy fa tsy ho ela velona intsony. Toa nanodidina azy ny fahafatesana. Voalohany, narary i Hyrum lahimatoany ary nodimandry rehefa rovitra ny kambon-tsinainy. Namboraka ny alahelony tao amin’ny diariny ny Filoha Smith nanao hoe: “Rovidrovitra ny fanahiko. … Ry Andriamanitra ô, ampio aho!”4 Faharoa, nitombo ny alahelon’ny Filoha Smith rehefa nodimandry noho ny aretim-po i Ida, izay vady navelan’i Hyrum, fotoana fohy taty aoriana.
Fahatelo, namaky tatitra nampivarahontsana momba ny ady lehibe izay namely mafy izy. Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany dia miaramila sy olon-tsotra miisa 20 tapitrisa no namoy ny ainy. Fahaefatra, nisy gripa mahafaty nihanaka izay namono olona manerana izao tontolo izao. Ny isan’ny olona maty maneran-tany dia teo amin’ny 50 tapitrisa farafahakeliny. Ireo fahafatesan’olona ireo dia niteraka alahelo sy faharatram-po tsy hay ambara ho an’ny fianakaviana maro. Nitomany noho ny famoizana ain’olona ny Filoha Smith. Ankoatra izany dia narary am-pandriana efa dimy volana izy. Rariny ny hilazana fa tao an-tsain’ny mpaminany ny fahafatesana.
Ity amiko ity misy Baiboly iray izay an’ny Filoha Smith. Mety nampiasa ity na hafa mitovy amin’ity izy mba handraisana fanambarana manan-danja.
Rahavavy Renlund: Tamin’ny 3 ôktôbra 1918, dia nipetraka tao amin’ny efitranony tao amin’ny Beehive House izy, izay tsy lavitra eto, “nieritreritra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana izao tontolo izao. Nosokafany ny … 1 Petera ary namaky momba ny Mpamonjy izay nitory tamin’ireo fanahy tao amin’ny tontolon’ny fanahy izy. … Nidina teo amin’ny [Filoha Smith] ny Fanahy ary nanokatra [ny] mason’ny [fahatakarany].” Hitany tao amin’ny tontolon’ny fanahy ireo “vehivavy sy lehilahy marina izay nodimandry talohan’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy tety an-tany izay niandry amim-pifaliana ny fiaviany tany mba hanambara ny fanafahana azy ireo amin’ny famatoran’ny fahafatesana.
“Niseho ny Mpamonjy … , ary nifaly ireo fanahy marina … . Nandohalika teo anoloany izy ireo, nanaiky Azy ho Mpamonjy sy Mpanafaka azy ireo amin’ny fahafatesana sy ny rojon’ny helo. …
“… nahatakatra [ny Filoha Smith] fa ny Mpamonjy dia tsy nandeha Izy Tenany tany amin’ireo fanahy tsy mpankatò. Fa narindrany kosa ireo fanahy marina tao … mba hitondra ny filazantsara any amin’ireo fanahy tao amin’ny haizina. Amin’izay, izay olona rehetra maty tao anatin’ny fandikan-dalàna na tsy nahafantatra ny fahamarinana dia afaka nianatra momba ny finoana an’ Andriamanitra, ny fibebahana, ny batisa isoloana tena ho famelana ny fahotana, ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary ireo fitsipika fototry ny filazantsara hafa rehetra. …
Loholona Renlund: “Avy eo ny mpaminany dia nahita fa ireo izay nahatoky … tamin’ity fotoampitantanana ity dia hanohy ny asany ao amin’ny fiainana ho avy amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo fanahy izay tao anatin’ny haizina sy eo ambanin’ny famatoran’ny fahotana. [Nanamarika izy hoe,] -Ny maty izay mibebaka dia ho voavotra amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’ Andriamanitra, … ary rehefa voaefany ny sazin’ny fandikan-dalàny ary voasasa madio izy ireo dia handray valisoa araka ny asany, fa izy ireo dia mpandova ny famonjena.-
Rahavavy Renlund: “… Ny ampitso marainan’iny, [dia gaga ny olona sasany nahita fa nanatrika] ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana ôktôbra izy na dia teo aza ny tsy fahasalamany. Niaraka tamin’ny fahavononana hiteny amin’ny mpanatrika, nijoro nangozohozo teo amin’ny polipitra [tao amin’io trano io] izy, ary nihovitrovitra ilay vatany lehibe noho ny ezaka nataony. … Tsy nanana hery izy hiresahana momba ilay fahitana sy hahazakana ny fihetseham-po nanenika azy ka natsidiny fotsiny izany. -Tsy niaina irery aho nandritra izay dimy volana lasa izay- hoy izy tamin’ny mpanatrika. -Niaina tao anatin’ny fanahin’ny vavaka sy fitalahoana sy finoana ary fahatapahan-kevitra aho; ary nanana fifandraisana tsy tapaka tamin’ny fanahin’ny Tompo. Fihaonana mahafinaritra ho ahy ity maraina ity,- hoy izy. -Hitahy anareo anie Andriamanitra Tsitoha.-”5
Notononin’ny Filoha Smith tamin’i Joseph Fielding Smith zanany ilay fanambarana taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ity dia tahadika iray izay nosoniaviny sy nomeny ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Novakin’izy ireo ilay fahitana ary notohanan’izy ireo tanteraka,6 ary nankatoavina izany ho fizarana 138 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ankehitriny isika dia mahatakatra fa miraharaha ny amin’ireo izay any amin’ny lafy ilan’ny voalin’ny fiainana an-tany Andriamanitra. Miraharaha ny fanavotana azy ireo Izy. Ny “maty” dia tsy tena hoe maty. Ny famerenana amin’ny laoniny izay mbola mitohy dia nitondra izany fahatakarana izany ho antsika ary mitondra fankaherezana sy fanazavana momba ny tontolo ho avy.
Loholona Renlund: Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mitaky dingana mitovy amin’izany amin’ny lafiny maro. Ho ahy, dia mila mifantoka amin’ny olana iray aho. Mila mandalina sy mieritreritra momba izany aho. Mila mamoaka vahaolana isan-karazany aho. Ary toa amin’izay vao azo atokisana hoe tonga ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Matetika ny fanambarana dia tonga amiko amin’ny alalan’ny torolalana mibaiko izay fohy sy mazava toy ny hoe “Mandehana,” na “Ataovy,” na “Teneno!”
Rahavavy Renlund: Mitovy amin’izany koa ny ahy. Rehefa avy nisaintsaina sy nandalina ary nivavaka aho dia matetika manana eritreritra na hevitra izay tonga ao an-tsaiko izay fantatro hoe tsy avy amin’ny fieritreretako. Mankahery ahy foana izany hoe mahafantatra ny momba ahy Andriamanitra sy mibitsika amiko amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanao ny tsara.
Loholona Renlund: Matetika ny fanambarana dia noho ny zavatra iray manokana ilaina. Nisy ohatra miavaka niseho tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 1894. Nanambara tamin’ireo mpanolotsainy sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Filoha Wilford Woodruff fa nandray fanambarana iray mahakasika ireo ôrdônansin’ny tempoly izy. Hoy izy, “Nilaza tamiko ny Tompo fa mety ho an’ireo zanaka ny hofehezina amin’ny ray aman-dreniny, ary izy ireo hofehezina amin’ny ray aman-dreniny ka izany dia tohizina hatrany amin’ny farany lavitra izay ahafahantsika mahazo firaketana.”7 Io fanambarana io dia tonga 50 taona mahery taorian’ny namerenan’i Elia ny fahefana mamehy tao amin’ny tempolin’i Kirtland.
Rahavavy Renlund: Ny alahadin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny 1894 dia nanambara ny Filoha Woodruff hoe “-Tsy mbola tapitra ny fanambarana. … Tsy mbola tapitra ny asan’ Andriamanitra.- Noresahany ny momba ny nanohizan’i Brigham Young ny asa nataon’i Joseph Smith tamin’ny fanorenana tempoly sy ny fandrindrana ireo ôrdônansin’ny tempoly. -Saingy tsy ireo fanambarana rehetra mahakasika ity asa ity akory no voarainy,- hoy ny Filoha Woodruff nampahatsiahy ny mpanatrika. -Tsy voarain’ny Filoha Taylor, na i Wilford Woodruff daholo koa izany. Tsy hisy fiafarany ity asa ity raha tsy rehefa tonga lafatra.-”8
Hatramin’ireo taona tany Nauvoo, dia nanatontosa batisa ho an’ny maty ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana efa nodimandry ny mpikambana. Saingy ny maha-zava-dehibe ny hoe voafehy amin’ny razambe dia mbola tsy nambara. Nanazava ny Filoha Woodruff hoe, “Irintsika ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanoritra ny tetiaran’izy ireo farany lavitra indrindra izay vitany ary mba hofehezina amin’ny ray sy renin’izy ireo. … Fehezo amin’ny zanaka ny ray aman-dreny ary alefaso lavitra araka izay azo atao io fitohitohizana io.”9
“Nampahatsiahy ireo Olomasina mikasika ny fahitan’i Joseph Smith momba an’i Alvin rahalahiny tao amin’ny tempolin’i Kirtland” ny Filoha Woodruff. -Ireo rehetra izay efa maty tsy nanana fahalalana ity filazantsara ity, izay ho nandray izany raha navela hitoetra, dia ho mpandova ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.-
“-Dia ho toy izany koa ny amin’ireo razambenareo,- hoy ny Filoha Woodruff mikasika ireo izay ao amin’ny tontolon’ny fanahy. -Ho vitsy kely, raha misy, ireo izay tsy hanaiky ny filazantsara.-
“Mialoha ny namaranany ny lahateniny dia namporisika mafy ny Olomasina izy … hitady ireo havan’izy ireo efa nodimandry. -Ry rahalahy sy anavaby,- hoy izy, -andeha isika hanohy hisahana ireo firaketantsika, hameno azy ireo amim-pahamarinana eo anatrehan’ny Tompo, ary hampihatra ity fitsipika ity, dia hitoetra amintsika ireo fitahian’ Andriamanitra, ary ireo izay navotana dia hitahy antsika mandritra ireo andro ho avy-”10 Io fanambarana io dia nanome antony ho an’ny mpikambana hiverenana matetika any amin’ny tempoly mba hanatanteraka fanendrena ho amin’ny fisoronana sy ôrdônansy isoloana tena ho an’ireo razambe efa nodimandry. Nanomboka nitandrina tamim-pitandremana ny firaketana ireo ôrdônansiny ary ny asa vitan’izy ireo ireo fianakaviana mba hamitana izany ao anatina boky toy ity anankiray ity izay mampiseho ny asa vita ho an’ireo olona ao amin’ny fianakavian’i Jens Peter sy i Marie Dame.
Loholona Renlund: Ankehitriny, ny fotopampianaran’ny famehezana atao amin’ireo taranaka mifandimby dia toa zavatra mahazatra sy mandeha ho azy amintsika, saingy nisy ny fanambarana iray avy amin’ny Tompo izay nilaina mba handaminana ny famehezana fianakaviana araka ny tokony ho izy. Io fanambarana io dia nisy fiantraikany mivantana tamin’ny fianakaviako tany amin’ny nosy Larsmo izay any amin’ny morontsiraka lavitra andrefan’i Finlande. Ity tantara ity dia tsy ao amin’ny Olomasina, boky faha-3, saingy zava-tsarobidy ho an’ny fianakavianay. Tamin’ny 1912, i Lena Sofia sy i Matts Leander Renlund raibeko sy renibeko avy amin’ny raiko, dia nihaino misiônera avy any Suède nitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Natao batisa ny ampitson’iny i Lena Sofia sy i Leander. Nahita fifaliana tao amin’ny finoany vaovao sy ny maha-mpikambana azy ireo tao anaty sampana kely iray, izay voalohany tao Finlande, izy ireo. Indrisy anefa fa niova ilay fiainan’izy ireo nilamina noho ny loza nitranga.
Matin’ny tioberkilaozy tamin’ny 1917 i Leander, ka namela an’i Lena ho nananotena sady bevohoka ny zanak’izy ireo fahafolo. Io zaza io, izay ny raiko, dia teraka 2 volana taorian’ny nahafatesan’i Leander. Nisy olona maro hafa tao amin’ny fianakaviana izay matin’ny tioberkilaozy. Nandevina ny 7 tamin’ny zanany 10 i Lena tamin’ny farany, ankoatra an’i Leander. Tolona lehibe ho azy, izay vehivavy tantsaha mahantra, ny niahy ny sisa tavela tamin’ny fianakaviany.
Nandritra ny roapolo taona teo ho eo dia tsy mba natory tsara firy izy amin’ny alina. Nifofotra nanao asa an-tselika izy mba hanangonana sakafo hohanina. Nikarakara olona tao amin’ny fianakaviana izay teo ambavahoanan’ny fahafatesana izy amin’ny alina. Tena sarotra ny maka sary an-tsaina hoe ahoana no ahazakan’i Lena Sofia izany.
Nihaona tamin’i Lena Sofia indray mandeha aho tamin’ny desambra 1963. 11 taona aho ary 87 taona izy. Nivokoka izy noho ireo taona maro niasana mafy. Ny hoditry ny tarehiny sy ny tanany dia nosimbasimbain’ny toetrandro, toy ireny hoe hoditra efa tonta sady henjana no marokoroko ireny. Rehefa nihaona izahay dia nitsangana izy ka nanondro ny sarin’i Leander ary nilaza tamiko, tamin’ny teny Soedoà hoe, “Det här är min gubbe.” “Izy no vadiko.”
Nihevitra aho fa diso izy tamin’ny fampiasana ny filazam-potoana ankehitriny. Noho i Leander efa maty tamin’ny 46 taona lasa izay, dia noteneniko tamin-dreniko izany hadisoana niharihary izany. Hoy fotsiny ny reniko tamiko hoe, “Tsy azonao ilay izy.” Tsy azoko ilay izy. Nahafantatra i Lena Sofia fa ilay vadiny efa maty efa ela dia ho azy mandrakizay. Tamin’ny alalan’ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay, dia nitoetra teo amin’ny fiainany i Leander ary nandrafitra ilay fanantenana lehibe nananany ho an’ny hoavy .
Talohan’ny nitokanana ny tempolin’i Helsinki Finlande tamin’ny 2006 dia nokarohin’ny anabaviko izay ôrdônansy ilaina ho an’ireo razambe avy amin’ny rainay. Ny zavatra hitany dia fanamafisana miredareda ny finoan’i Lena Sofia ny fahefana mamehy. Efa nalefan’i Lena Sofia ny firaketana momba ny fianakaviana ho an’ireo zanany nodimandry, izay nihoatra ny valo taona tamin’izy ireo maty, mba hahafahana manatanteraka asa atao any amin’ny tempoly ho azy ireo tamin’ny 1938. Ireo no anisan’ny ôrdônansy voalohany indrindra avy any Finlande nalefa tany amina tempoly.
Nahazaka ny mafy teo amin’ny fiainany tamin’ny alalan’ny fihazonana ny fotopampianaran’ny famonjena tao an-tsainy i Lena. Noraisiny ho toy ny iray amin’ireo famindrampon’ Andriamanitra lehibe ny fahafantarany fa mandrakizay ny fianakaviana nialohan’ny nianjadian’ireo loza ireo taminy. Famantarana iray an’ilay fiovam-pony lalina tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny asa nataony tao amin’ny tantaram-pianakaviana, asa nambara tamin’ny alalan’i Joseph Smith, Wilford Woodruff, ary Joseph F. Smith. Izy dia toy ireo izay “maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny … ka ravoravo niarahaba azy.”11
Rahavavy Renlund: Ary noho ny hoe eo an-dalam-pitohizana ny famerenana amin’ny laoniny, dia manana zavatra betsaka andrandraina isika, sa tsy izany? Herintaona latsaka teo izay dia nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Ireo fanatsarana natao amin’ny fanatanterahana ireo fombafomba any amin’ny tempoly, sy ireo zavatra hafa aorian’izany dia manaporofo tsy tapaka fa ny Tompo dia tsy mitsaha-mitarika ny Fiangonany. Manome fahafahana ho an’ny tsirairay avy amintsika Izy hanamafy orina ireo fototra ara-panahintsika amin’ny fomba mahomby kokoa amin’ny alalan’ny fampifantohana ny fiainantsika eo Aminy sy amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoliny.”12 Nanazava ny Filoha Nelson fa ireo fanatsarana ireo dia natao “teo ambanin’ny fitarihan’ny Tompo sy ho valin’ny vavaka nataonay” satria tian’ny Tompo isika “hahataka[tra] mazava tsara tokoa ny zavatra atao[ntsika] rehefa manao fanekempihavanana. … Hahatakatra ireo tombontsoan[tsika], sy ireo fampanantenana omena [antsika], ary ireo andraikit[sika] … [ary] maniry ny mba hananan[tsika] fahatakarana sy fifohazana ara-panahy.”13
Indraindray ny fanambarana dia tonga avy hatrany. Izany no nitranga tao anatin’ny ohatra iray hafa maneho ny fitohizan’ny Famerenana amin’ny laoniny fony Filohan’ny Fiangonana i Lorenzo Snow . Tamin’ny 1898, dia niaina fahasahiranana ara-bola ny Fiangonana. Tao anatin’ny fanenjanany mafy ny fanaovana fanoherana ny fanambadiana maro, ny Kongresy Amerikanina dia nanome lalana ny fanagiazana ny fananan’ny Fiangonana. Noho ny fahatahorana sao hogiazan’ny fanjakana ny vola atolotr’izy ireo ho fanatitra dia Olomasina maro no nitsahatra tsy nandoa fahafolonkarena intsony, ka izany dia nampihena izaitsizy ny loharanom-bola fototry ny Fiangonana. Mba hanonerana ny very dia nindram-bola mba hahazoana vola ampy hanohizana ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo ny Fiangonana. Nindrana vola mba hanomezana ny vola nilaina tamin’ny famaranana ny fananganana ny tempolin’i Salt Lake mihitsy aza ny Fiangonana. Nitambesatra izaitsizy tao an-tsain’ny mpaminany izay efa 85 taona ny toe-draharaha ara-bolan’ny Fiangonana.14
“Indray marainan’ny volana mey, dia nipetraka teo amin’ny fandrianany ny Filoha Snow raha niditra tao amin’ny efitrano i LeRoi zanany. … Niarahaba azy ny mpaminany ary nilaza hoe -Hankany St. George aho.-
“Gaga i LeRoi. St. George dia … eo amin’ny valopolo sy efajato kilaometatra eo.” Mba hahatongavana any dia mila maka fiara an-dalamby mianatsimo mankany Milford izy ireo izay eo amin’ny roapolo sy telonjato kilaometatra eo ary avy eo mandeha kalesy eo amin’ny enimpolo amby zato kilaometatra eo indray. Izany dia dia sarotra ihany ho ana lehilahy iray efa antitra. Nataon’izy ireo ihany anefa ilay dia izay sady lavitra no sarotra. “Rehefa tonga izy ireo … , feno vovoka sy reraka, … dia nanontany azy ireo ny filohan’ny tsatòka [iray] hoe inona no antony nahatongavan’izy ireo tany. -Raha ny marina,- hoy ny Filoha Snow, -Tsy fantatro hoe inona no anton-dianay aty St. George, fa ny Fanahy no nilaza taminay mba hankaty.-
“Ny ampitson’iny, ny 17 mey, dia nihaona tamin’ny mpikambana ny mpaminany tao amin’ny Tabernakelin’i St. George, izay trano biriky mena tao avaratra andrefana tsy lavitry ny tempoly.” Rehefa nitsangana hiresaka amin’ireo Olomasina ny Filoha dia hoy izy hoe, “Tsy fantatray na dia kely aza ny antony nahatongavanay ety, kanefa inoako fa manana zavatra holazaina amintsika ny Tompo.”
Loholona Renlund: “Nandritra ny lahateny dia niato tampoka ny Filoha ary nangina tanteraka ny tao amin’ny efitrano. Nazava ny masony ary namirapiratra ny tarehiny. Rehefa nanokatra ny vavany izy dia natanjaka kokoa ny feony. Toa nameno ny efitrano ny fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra. Dia niresaka momba ny fahafolonkarena izy. … Naneho alahelo izy fa maro ireo … Olomasina izay malaindaina amin’ny fandoavana fahafolonkarena. … -Izany dia fiomanana manan-danja ho an’ny Ziona,- hoy izy.
“Ny ampitso tolakandro, dia nampianatra ny Filoha Snow hoe, -Tonga izao ny fotoana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay avy izay mikajikajy ny hiomana ho amin’ny hoavy sy hihazona ny tongony ho mafy orina eo amina fototra matanjaka, ny handeha ary hanatanteraka ny sitrapon’ny Tompo ka handoa ny fahafolonkarenany feno. Izany no tenin’ny Tompo ho anareo, ary izany no ho tenin’ny Tompo ho an’ny toeram-ponenana manerana ny tanin’i Ziona.-”
Nampianatra ny Filoha Snow taty aoriana hoe, “-Ao anatin’ny toe-javatra mampatahotra isika izao, ary noho izany dia voageja ny Fiangonana. Ny hany hahazoana fanavotana dia ny fitandreman’ireo Olomasina ity lalàna ity.- Nampanao fanamby [ny mpikambana] izy mba hankatò feno ilay lalàna ary nampanantena fa ny Tompo dia hitahy azy ireo amin’ny ezaka ataon’izy ireo. Nanambara ihany koa izy fa nanomboka tamin’izay dia ho zavatra takina amin’ny fomba hentitra mba hahafahana miditra ny tempoly ny fandoavana fahafolonkarena.”15
Rahavavy Renlund: Nanomboka tamin’izay dia maro no afaka nijoro ho vavolombelona fa ny Tompo dia tena mandrotsaka ny fitahiany tsara indrindra amin’ireo izay vonona ny hankatò io lalàna tsotra io. Filohan’ny sampan’i Vienne ao Autriche Rahalahy Alois Cziep. Notehiriziny tao anaty boaty tsotsotra nefa mafy tsara ny fahafolonkarenany sy ireo firaketana hafa tao amin’ny sampana. Nandritra ireo fanafihana ana habakabaka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia izany no zavatra voalohany narovan’ny Filoha Cziep sy ny fianakaviany nialoha ny fananan’izy ireo manokana.
Nisy ireo izay nijoro ho vavolombelona mikasika ny fanamby teo amin’ny fanekena ilay lalàna sy ny fahazoana fitahiana miavaka vokatr’izany.
Ny zavatra niainan’ny fianakaviana Yanagida tao Japon dia ohatra iray maneho izany. Tamin’ny 1948 dia nandefa misiônera indray tany Japon ny Fiadidiana Voalohany. Rehefa nanontany ny rainy momba ny fivavahana i Toshiko Yanagida, dia namporisika azy mba hamonjy fotoam-bavaky ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy tamin’ny 1915.
Nihaona tamin’ny misiônera Rahavavy Yanagida, niova fo, ary natao batisa ny aogositra 1949 izay natrehan’ny rainy. Taty aoriana dia nitady ireo misiônera ny vadiny ary ilay misiônera nampianatra an-drahavavy Yanagida no nanao batisa azy.16
Loholona Renlund: Nanana olana tamin’ny fandoavana fahafolonkarena Rahalahy sy Rahavavy Yanagida. “Tsy nanam-bola firy izy ireo, ary indraindray izy ireo dia nanontany tena raha toa ka nanana vola ampy handoavana ny sakafo antoandron’ny zanany lahy tany an-tsekoly. Nanantena ny hividy trano ihany koa izy ireo. Taorian’ny fivoriam-piangonana iray dia nanontany ny misiônera iray momba ny fahafolonkarena [Rahavavy Yanagida]. -Tena mahantra ny vahoaka Japôney amin’izao vita ady izao,- hoy izy. -Tena sarotra aminay ilay fahafolonkarena. Tsy maintsy mandoa ve izahay?-
“Namaly ilay elder fa nandidy ny rehetra handoa fahafolonkarena Andriamanitra, ary niresaka momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fankatoavana ilay fitsipika izy. Nisalasala be [Rahavavy Yanagida], ary tezitra kely mihitsy. -Fomba fisainana Amerikanina izany,- hoy izy anakampo.
“… Nampanantena [an-drahavavy Yanagida] ny misiônera vavy iray fa ny fandoavana fahafolonkarena dia afaka manampy ny fianakaviany hahatratra ny tanjon’izy ireo mba hahazo ny tranon’izy ireo manokana. Noho ny faniriana hankatò, dia nanapa-kevitra Rahalahy sy Rahavavy Yanagida] fa handoa ny fahafolonkarenany sy hatoky fa hisy ireo fitahiana ho avy. …
“Nanomboka nahita ireo fitahiana [ireo] izy ireo … . Nividy tany mora tao an-tanàn-dehibe izy ireo ary namolavola drafi-pananganana trano. Dia nandefa fangatahana findramam-bola tamin’ny alalana fandaharan’asa vaovaon’ny fanjakana izy ireo, ary raha vao nahazo fankatoavana hanorina izy ireo dia nanomboka ny asa fanorenana ny fototr’ilay trano.
“Nizotra tamim-pilaminana ny dingana madrapra-pahitan’ny mpanara-maso fanorenana trano fa tsy tongan’ny mpamono afo ilay tanin’izy ireo. -Ity tany ity dia tany tsy natao hanorenana trano,- hoy izy tamin’izy ireo. -Tsy afaka manohy intsony ny fanorenana ianareo.-
“Niresaka tamin’ireo misiônera [Rahalahy sy Rahavavy Yanagida], noho ny tsy fahafantarana izay tokony hatao. -Izahay enina dia hifady hanina sy hivavaka ho anareo,- hoy ny elder iray tamin’izy ireo. -Manaova toy izany koa.- Nandritra ireo roa andro manaraka dia nifady hanina sy nivavaka niaraka tamin’ny misiônera ry Yanagida. Tonga hanadihady momba ny tanin’izy ireo indray ny mpanara-maso iray hafa avy eo. … Tamin’ny voalohany dia tsy nanome fanantenana firy an-dry Yanagida izy fa hizotra tsara ny fanaraha-maso. Saingy rehefa nijery ilay tany izy dia nahatsikaritra vahaolana iray. Rehefa misy voina dia azon’ny mpamono afo hidirana ny faritr’ilay toeram-ponenana amin’ny alalan’ny fanesorana tsotra fotsiny ny fefy iray teo akaiky teo. Afaka nanangana ny tranony ihany ry Yanagida nony farany.
“Raha ny fieritreretako azy dia nisy zavatra tena tsara mety nataonareo roa taloha,- hoy ilay mpanara-maso. -Tao anatin’izay taona rehetra izay dia tsy mbola nanome fahafaham-po be dia be toy izao aho.- Dibon-kafaliana [Rahalahy sy Rahavavy Yanagida]. Nifady hanina sy nivavaka ary nandoa ny fahafolonkarenany izy ireo. Ary araka ny nampanantenan’ilay misiônera vavy [tena mahavariana io] mihitsy, dia hanana ny tranony manokana izy ireo.”17
Olomasina maneran-tany maro no niaina zavatra mitovitovy amin’izany rehefa nandoa ny fahafolonkarena izy ireo. Ny Tompo dia mitahy ny olony izay mahatoky sy mpankatò. Ary ny fandoavana fahafolonkarena amim-pahatokiana no nanome fahafahana hanorina tempoly manerana izao tontolo izao.
Rahavavy Renlund: Fantatro fa voatahy tamin’ny fomba mangingina sy manan-danja ny fiainanay noho ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena. Indraindray ireo fitahiana azo dia tsy araka izay neritreretintsika ary mety ho tsy ho tsikaritra akory. Misy anefa izy ireo. Niaina izany izahay.18
Anisan’ny tantara iray hafa ankafiziko indrindra ao amin’ny Olomasina ny fomba niantsoana ireo rahavavy voalohany ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Tany Angleterre talohalohan’ny nidirana ny taona 1900 tany dia niparitaka ny tsaho fa ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany dia olona minomino foana izay mora fitahana ka tsy mahaleo tena ara-pisainana. Dia nankany Londres mba hanao fitsidihana maharitra tany i Elizabeth McCune sy ny zanany vavy izay Olomasin’ny Andro Farany avy any Salt Lake City.
Rehefa nanatrika fivorian’ny Fiangonana tao Londres izy ireo, dia tratran’ny tsy nampoizina i Elizabeth, rehefa “nandritra ny fivoriana maraina, raha nomelohin’i Joseph McMurrin, izay mpanolotsaina iray tao amin’ny fiadidian’ny misiôna … ireo filazana feno fanakianana momba ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany [dia nanambara izy hoe,] -Manana vehivavy avy any Utah mihitsy isika ankehitriny manatrika etoana … . Angatahintsika Rahavavy McCune handray fitenenana anio hariva ka hilaza aminareo ny zavatra iainany any Utah.- Dia namporisihany ny tsirairay tao amin’ilay fivoriana mba hitondra ny namany hihaino azy hiteny.”
“Rehefa nanakaiky ny fotoan’ilay fivoriana dia feno hipoka ilay efitrano. Nanao vavaka mangina i Elizabeth dia nijoro teo amin’ny polipitra.” Niresaka tamin’ny mpanatrika momba ny finoany sy ny fianakaviany izy, nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara. Nilaza ihany koa izy hoe, “Ny fivavahantsika dia mampianatra antsika fa ravehivavy dia mpiara-miasa mitovy lenta amin-dralehilahy vadiny.- Rehefa vita ilay fivoriana dia nandray ny tanan’i Elizabeth ny olona tsy fantany maro. -Raha toa ka afaka mankaty ny vehivavy maro kokoa avy any aminareo any,- hoy ny olona iray, -dia hisy zavatra tsara maro hitranga.-”
“Rehefa nahita ny fiantraikan’ny zavatra nataon’i Elizabeth tamin’ny mpanatrika [ny Filoha McMurrin, dia nanoratra tamin’ny Filohan’ny Fiangonana izy hoe:] -Raha toa ka misy vehivavy mahay sy matsilo saina maromaro voantso hitory aty Angleterre, … dia tena ho tsara ny vokatr’izany.-” “Ny fanapaha-kevitra hiantso vehivavy misiônera hitory amin’ny fotoana feno dia vokatry ny fitoriana nataon’i Elizabeth McCune, amin’ny ampahany.”19
Ny 22 aprily 1898, dia tonga tao an-tseranan’i Liverpool, Angleterre ny sambo nitondra an’i Inez Knight sy i Jennie Brimhall. Izy ireo no natokana voalohany ho “vehivavy misiônera” ho an’ny Fiangonana.
Niaraka tamin’ny Filoha McMurrin sy ireo misiônera hafa nandeha tany amina tanàna kely atsinanan’i Liverpool izy ireo. Ny hariva, dia nisy olona maro nanatrika famoriana teny amin’ny arabe niaraka tamin’ny misiônera. “Nanambara ny Filoha McMurrin fa hisy fivoriana manokana ny ampitson’izany, ary nanasa ny rehetra ho avy izy hihaino ny fitoriana -avy amina vehivavy Môrmôna tena velona.-”20 Tao anatin’ny diarin’i Inez Knight ity. Hoy izy nanoratra hoe, “Tamin’io alina io aho dia niresaka tao anatin’ny tahotra sy ny fangovitana nefa taitra tamin’ny tenako ihany.”21 Nahatsapa ny fanampiana avy any an-danitra azony izy rehefa nanoratra taty aoriana hoe, “Niresaka teo anatrehan’ny olona marobe aho ny hariva, saingy notahian’ny vavaka nataon’ireo misiônera hafa aho.”22 Ireo “vehivavy Môrmôna tena velona ireo” dia nahavita tsara ny andraikiny, nandondòm-baravarana sy nijoro ho vavolombelona matetika tao anatin’ny famoriana olona teny amin’ny arabe. Fotoana fohy taty aoriana dia nisy misiônera vavy hafa nanampy azy ireo izay niasa nanerana an’i Angleterre.
Loholona Renlund: Soeur Knight sy Soeur Brimhall no nanomboka azy. Fa tato anatin’ity fotoampitantanana ity dia misiônera vavy ana hetsiny maro no efa nanao asa fitoriana.23 Ny zavatra iray manaitra ahy momba ireo misiônera vavy dia ny hoe afaka mahomby izy ireo amin’ny alalan’ny tsy fialana amin’ny maha-tena izy azy ireo. Tena vehivavy Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Toy an-dry Soeur Knight sy Soeur Brimhall, dia miresaka amin’olona mikasika ny hoe iza izy ireo izy ireo, ary ny antony inoan’izy ireo ny zavatra inoany.
Tena mahatalanjona ny fiantraikany hoentin’ireo misiônera vehivavy eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Vao tsy ela izay aho no nanontanian’ny elder tanora iray nandritra ny fivoriana iray nametrahana sy namaliana fanontaniana hoe nahoana ireo paroasy ao amin’ny misiônany no tia misiônera vehivavy kokoa. Tsotra ny valinteniko, “Satria ireo rahavavy dia manolotra ny fony sy ny fanahiny ho an’ilay asa. Ny mpikambana dia tia ny misiônera rehetra manao an’izany, ireo izay manolotra ny rehetra ao aminy.”
Ny famalian’ny misiônera vavy ny antso hitory ny filazantsara dia ampahany manan-danja ary mbola mitohy ho ampahany manan-danja foana eo amin’ny fampielezana ny filazantsara. Hoy ny Filoha Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily teo: “Tianay ireo rahavavy misiônera ary raisinay amin’ny fo manontolo izy ireo. Mahatalanjona ny anjara biriky entinareo amin’ity asa ity!”24
Rahavavy Renlund: Tena manaitra ahy koa ny zavatra tsara navoakan-drahavavy McCune izay tsy nantsoina sy natokana ho misiônera. Ity rahavavy malala ity anefa dia nanao izay hampitranga zavatra noho ny finoany.25
Izany dia mitondra antsika ho any amin’ny lafiny mahavariana iray hafa ao amin’ny Olomasina, boky faha-3. Ahitantsika ohatra nasehon’ireo Olomasina izay naneho ny maha-mpianatra azy ireo tao anatin’ireo toe-javatra tena sarotra izany. Ny mpifahavalo fahiny dia nandresy ny fankahalana ary lasa niray hina rehefa niantehitra tamin’i Jesoa Kristy.
Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, “dia ravarava i Pays-Bas taorian’ny dimy taona nibodoan’ny [fitondrana Nazi Alemà azy]. Vahoaka Hôlandey miisa roa hetsy mahery no maty nandritra ny ady, ary trano ana hetsiny maro no simba na potika. Olomasina maro … tany Pays-Bas no nanana lolompo tamin’ny Alemà” ary teo amin’izy samy izy koa satria nisy ireo izay nanohitra ary nisy ireo hafa izay niara-niasa tamin’ireo mpibodo. Niharihary ny fisaratsarahana.
Loholona Renlund: “I Cornelius Zappey filohan’ny misiôna, dia namporisika ireo sampan’ny Fiangonana mba hanampy ny tahirin-tsakafon’izy ireo amin’ny fanombohana tetikasa fambolena ovy amin’ny alalan’ny fampiasana masomboly ovy avy amin’ny fanjakana Hôlandey.” Niaraka tamin’izany famporisihana izany, “ireo sampana tao Pays-Bas … dia nanomboka namboly ovy tany amin’izay faritra kely hitany, teo an-tokotany, teo an-jaridaina fambolena voninkazo, teny amin’ny tany tsy misy tompony, ary tany manasaraka eo afovoan’ny lalana fifamoivoizana.
“Tamin’ny fotoana nanakaikezan’ny fotoam-pijinjana, dia nanao fihaonambe teo anivon’ny misiôna tany amin’ny tanànan’i Rotterdam [ny Filoha Zappey].” Fantany avy amin’ny resadresaka nataony tamin’ny filohan’ny Misiônan’i Allemagne de l’est fa “Olomasina maro tao Allemagne no nijaly noho ny tsy fahampian’ny sakafo. Te hanao zavatra mba hanampiana ny [Filoha Zappey], koa dia nangatahany ireo mpitarika eo an-toerana raha toa ka vonona ny hanome ampahany amin’ny vokatra ovin’izy ireo ho an’ireo Olomasina tao Allemagne izy ireo.
Nanaiky izy hoe “-Isan’ny fahavalo anananareo lolompo indrindra vokatr’ilay ady ny vahoaka Alemà.- -Ireo olona ireo anefa amin’izao fotoana izao dia mbola mijaly kokoa noho ianareo.-
“Tamin’ny voalohany dia nanohitra ilay drafitra ny Olomasina Hôlandey sasantsasany. Nahoana moa izy ireo no hizara ny oviny amin’ny Alemà? [Ny sasany dia namoy trano fonenana] noho ny baomba nalefan’ny Alemà na [nahita] olona akaikin’ny fo matin’ny hanoanana satria nalain’ny mpibodo Alemà ny sakafon’izy ireo.”
Nangataka an’i Pieter Vlam, izay gadra an’ady taloha sy mpitarika ny sampan’ny Fiangonana tao Amsterdam, ny Filoha Zappey, “mba hitsidika sampana manerana an’i Pays-Bas ary hamporisika azy ireo mba hanohana ilay drafitra,” ka hanisy fanavahana ny hoe fitondrana Nazi sy ny vahoaka Alemà. “Mpitarika tao amin’ny Fiangonana be traikefa i Pieter, ary ny nanagadrana azy tsy rariny tao amin’ny toby Alemà dia fantatry ny maro. Raha nisy ny olona notiavin’ireo Olomasina Hôlandey sy natokisan’izy ireo tao amin’ny misiôna dia i Pieter Vlam izany.”
Rehefa nihaona tamin’ireo sampana i Pieter, “dia niresaka momba ny zava-tsarotra niainany tany am-ponja izy. -Efa niainako izany,- hoy izy. -Fantatrareo fa efa niainako izany.- Niangavy azy ireo izy mba hamela ny vahoaka Alemà. -Fantatro hoe tena sarotra ny mitia azy ireo,- hoy izy. -Raha rahalahintsika sy anabavintsika na anadahintsika sy rahavavintsika izy ireo dia tokony horaisintsika ho toy ny rahalahintsika sy anabavintsika na anadahintsika sy rahavavintsika izy ireo.-
Rahavavy Renlund: “Nanohina ireo Olomasina ny teniny sy ny tenin’ireo filohan’ny sampana hafa, ary ny hatezerana tao anatin’ny maro dia nanjavona rehefa nijinja ovy ho an’ireo [rahalahy sy rahavavy] Alemà izy ireo.” Tsy izany ihany, fa ireo tsy fitovian-kevitra sy tsy fifampitokisana nisy teo anivon’ny mpikambana tao amin’ireo sampana dia nanomboka nisinda ihany koa. “Nahafantatra ireo mpikambana fa afaka ny hiara-hiasa mba handroso izy ireo.
“Nandritra izany fotoana izany [ny Filoha Zappey] dia nikarakara ny fomba hahazoana ny fanomezan-dalana hitaterana ny ovy mankany Allemagne. Rehefa niezaka nanakana ny drafitra handefasana ny sakafo ireo manampahefana sasany dia hoy ny [Filoha Zappey] tamin’izy ireo, -Ireo ovy ireo dia an’ny Tompo, ary raha izay no sitrapony, dia hataony izay hahatongavan’izy ireo any Allemagne.-
“Nony farany, tamin’ny nôvambra 1947, dia nihaona tany La Haye ireo Olomasina Hôlandey sy ireo misiônera mba hampiditra ovy fitopolo taonina mahery ao anaty kamiô folo. Fotoana fohy taty aoriana dia tonga tany Allemagne ny ovy mba hozaraina amin’ireo Olomasina. …
“Vetivety ihany dia tonga tany an-tsofin’ny Fiadidiana Voalohany ny mombamomba ilay tetikasa ovy. Nitolagaga ny Filoha David O. McKay ka nilaza hoe, -Ity no anisan’ny asa lehibe indrindra natao tao anatin’ny fitondrantena Kristianina tena izy henoko hatrizay.-”26
Loholona Renlund: Ny taona manaraka, dia nandefa vokatra ovy lehibe iray hafa ho an’ireo Alemà ny mpikambana Hôlandey. Ary nampian’izy ireo trondro hareng izany, izay nahatonga ilay fanomezana ho tena lehibe. Taona maro taty aoriana, tamin’ny 1953, dia niakatra ny Ranomasina Avaratra izay nandifotra faritra maro tao Pays-Bas, ka nahatonga ireo mpikambana Hôlandey ho sahirana. Tamin’io indray mitoraka io dia nandefa fanampiana tany Pays-Bas ny Olomasina Alemà mba hanampiana azy ireo teo anatrehan’ny fahasahiranany. Ny asa fiantrana nataon’ireo Olomasina Hôlandey dia nanakoako aman-taonany ary nanolotra fijoroana ho vavolombelona maharitra momba ny fitiavana sy fiantrana izay azo tanterahina, na dia eo amin’ny samy mpifahavalo aza, rehefa mitia an’ Andriamanitra sy ny namany tahaka ny tenany aloha ny olona tsotra.
Ny fahavononana hamela dia nitondra fanasitranana ho an’ny mpikambana Hôlandey. Nahita aho fa marina koa izany ho an’ny tenako. Raha mitazona lolompo aho dia malahelo ny Fanahy. Raha tezitra aho dia lasa tsy tsara fanahy firy ary tsy tahaka an’i Kristy loatra eo amin’ny fitondrantenako amin’ny hafa. Izany fahamarinana izany dia voalazan’ny olona iray amin’ny fomba kanto ao amin’ilay tantara noforonina nosoratan’i Alan Paton tamin’ny 1953, mitondra ny lohateny hoe Quand l’oiseau disparut izay nitranga tany Afrique du Sud nandritra ny Apartheid, “Misy ny lalàna tena mafy iray … hoe rehefa noratrana lalina isika, dia tsy ho sitrana mihitsy isika raha tsy mamela.”27
Rahavavy Renlund: Tena maro tokoa ireo tantara mankahery ny fanahy avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana nandritra io vanim-potoana io izay voarakitra ao amin’ny Olomasina boky faha-3, tantara avy amin’ny faritra rehetra eto amin’izao tontolo izao. Angamba te hahafantatra momba an’i William Daniels ianareo, izay nanompo tamim-pahatokiana aman-taonany tao Le Cap, Afrique du Sud nandritra ny fanavakavaham-bolon-koditra. Na dia tsy notendrena tao amina anjara fanompoan’ny fisoronana aza izy dia nanana fijoroana ho vavolombelona mahery vaika. 28
Loholona Renlund: Na i Rafael Monroy sy i Vicente Morales tany Mexique, izay maty maritiora noho ny finoan’izy ireo. Ary i Jesusita renin’i Rafael sy i Guadalupe vadiny, izay nitarika ny fianakaviany sy ny olona teo amin’ny fiarahamoniny tamin-kerimpo na dia teo aza ireo fandrahonana tsy tapaka.29
Rahavavy Renlund: Na i Alma Richards, ilay Olomasin’ny Andro Farany voalohany nibata medaly Olimpika, izay nahavita izany noho ny safidiny hiaina ny Tenin’ny Fahendrena ihany koa.30
Loholona Renlund: Na i Hirini Whaanga, izay niverina tany Nouvelle Zélande tanindrazany mba ho misiônera hitory sy hanangona anarana hanaovana asa any amin’ny tempoly, niaraka tamin’ny fanohanan’i Mere vadiny.31
Rahavavy Renlund: Na i Helga Meiszus, izay nihazona ny finoana fony izy zatovovavy Olomasin’ny Andro Farany tao Allemagne Nazi na dia teo aza ny fampijaliana nataon’ireo namana taloha sy ireo mpampianatra ary ireo mpitarika tao an-tsekoly.32
Loholona Renlund: Na i Evelyn Hodges, izay mpiasa teo amin’ny lafiny ara-tsôsialy nampiasain’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy fianakaviana hiarina indray taorian’ny La Grande Dépression (Krizy Ara-toekarena Lehibe).33
Rahavavy Renlund: Tsy manam-potoana hanasongadinana an’iza n’iza intsony isika, saingy fantatro fa ho tianareo rehetra ny hamaky manokana ity boky fahatelon’ny Olomasina ity.
Loholona Renlund: Ho ahy ny hira faneva tena mety tsara ho an’ity vanim-potoan’ny tantaran’ny Fiangonana ity dia ilay “Peuples du monde, écoutez donc!”34 izay hataon’ny amboaram-peo hira famaranana ny fivoriantsika. Ny “Peuples du monde, écoutez donc!” dia nosoratan’i Louis F. Mönch, teratany Alemà izay lasa mpikamban’ny Fiangonana raha nanao dia nanerana an’i Salt Lake City. Taty aoriana izy dia lasa misiôneran’ny Fiangonana tany Suisse sy Allemagne. Tany am-panaovana asa fitoriana dia namoaka hira maro tamin’ny fiteny Alemà izy, isan’izany ny “Peuples du monde, écoutez donc!” Lasa anisan’ny hira ao amin’ny fihirana ankafizin’ny Olomasin’ny Andro Farany miteny Alemà indrindra izy io. Navoaka voalohany tany Allemagne tato amin’ity boky fihirana ity izany tamin’ny 1890. Nadika tamin’ny fiteny hafa sy navoaka ho ao amin’ny boky fihirana ampiasaintsika amin’izao fotoana izao izany. Izany dia tsy nahitana ny andininy fahatelo izay hataon’ny amboaram-peo ihany koa rehefa avy eo.
Io andininy fahatelo io dia mamariparitra ny zavatra nataon’ireo Olomasina noresahintsika nandritra io vanim-potoana io. “[N]anaja ilay Andriamanitra tokana sy velona [izy ireo]. [Tonga] ary [n]atao batisa; nihazona ilay anja-by. [Nanome] Azy ny fo[ny], omban’ny finoana ilay Zanany—I Jesoa, Ilay Masina.”
Manasa anareo aho hamaky ny Olomasina mba hianarana sy hahatakarana ny tantaran’ny Fiangonana ary hianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ireo mpikambana ao aminy. Ny Olomasina dia nanaovana fikarohana tsara ary azo antoka tsara. Izy io dia vavolombelona ny amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay eo an-dalam-pitohizana. Tena manentana ny fanahy ny tantarantsika. Izany tantara izany dia lova iombonantsika, na taranak’ireo mpisava lalana ireo isika, na mpisava lalana taty aoriana, na mpisava lalana ao amin’ny finoana.
Nahoana izany no zava-dehibe? Nahoana isika no mandany fotoana betsaka mitantara ireo tantara ireo? Satria ireo tantara ireo dia manome antsika ohatra tena misy amin’ny hery izay tonga avy amin’ny fahafantarana ilay Mpamonjy antsika. Fantatro fa velona i Jesoa Kristy ary mitarika ity Fiangonana ity sy miahy ny vahoakan’ny fanekempihavanany, izay manana ny herin’ Andriamanitra amim-boninahitra lehibe. Mangataka tsodrano hirotsaka eo aminareo aho dia ny mba hahatsapanareo ny fitiavan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanareo ary mba hanakaikezanareo Azy sy ny Fiangonany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.