Fampaherezam-panahy amin’ny 2023
Hoavy feno fanantenana


55:31

Hoavy feno fanantenana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 8 janoary 2023

Loholona Jeffrey R. Holland: Ry tanora namanay malala na aiza na aiza! Tena tombontsoa ho anay sy ny Rahavavy Holland ny miaraka aminareo anio alina. Na dia mifandray amin’ny ankamaroanareo manerana an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny zava-mahatalanjona vokatry ny teknôlôjia maoderina aza izahay, dia faly izahay manana mpanatrika manokana eto amin’ity oniversite sy ny institiota fianarana ny filazantsara ity, izay toerana nanombohako sy i Pat ny fianarana ambaratonga ambony sy nifankahafantaranay, ary nanambadianay.

Miandry aho izao hoe misy mihotakotaka ve manerana ny efitrano raha nilaza ny teny hoe fanambadiana aho. Aza matahotra. Tsy hiresaka momba ny fanambadiana izahay anio alina. Efa manambady ny sasany aminareo ka tsy tianay ny sisa ambiny handositra hivazavaza hivoaka ny efitrano. Saingy lazaiko ny mikasika ireo fototra nanorina ny fahatanoranay sy ny fiantombohan’ny tantaram-pitiavanay miaraka amin’ny eritreritra ao an-tsaina hoe, raha toa ka namely anay tamin’ny alina tahaka izao izany, iza no mahalala? Mety hamely ny hafa izany.

Tena maro taminareo ry rahavavy no nilaza taminay fa misy lehilahy sasany izay tokony hiharan’izany famelezana izany, raha tsy amin’ny alalan’ny zana-tsipìkan’i Cupidon, dia angamba amin’ny alalan’ny raketa kely filalaovana tennis. Raha misy tovovavy iray any amin’izao alina izao ka mipetraka eo akaikina tovolahy iray izay mifanaraka amin’io famaritana io, dia omen’ny Loholona sy ny Rahavavy Holland lalana ianareo amin’izao fotoana izao mba handona kely azy amin’ny kiho eo amin’ny taolan-tehezany amin’ny fomba malefaka mba hampitana fitiavana, nefa manaitra ihany mba hampazava ny antony. Ho faly izahay raha toa ny fihetsika toy izany ka mandaitra aminareo toy ny nampandaitra izany teo aminay, afa-tsy ny hoe, tamin’ny anay dia ny kihoko ilay izy ary ny taolan-tehezan’ny Rahavavy Holland.

Amin’ny volana jona ho avy izao dia ho 60 taona lasa izay no nivadianay sy i Pat tao amin’ny Tempolin’i St. George, izay iray kilaometatra monja latsaka kely eo miala eto amin’ity tobim-pianaran’ny oniversite ity. Ireo enimpolo taona niarahanay dia nanome anay fotoana tsara hanaovana veloma ny fotoana izay sarotra tamin’ny maro sy mampalahelo ho an’ny sasany. Mivoaka tsikelikely amin’ilay valanaretina COVID-19 isika, saingy ity areti-mandringana saika mitovy amin’ny ao amin’ny Baiboly ity dia mbola olana tena misy any amin’ny faritra maro eran’izao tontolo izao, satria mbola misy mihoatra ny 1500 eo ho eo isan’andro no olona maty natao tatitra noho io aretina io, ary indrisy, tsy io irery no otrikaretina any ivelany any.1 Io loza io dia nisy fiantraikany lehibe tsy teo amin’ny fahasalamana ara-batana ihany fa teo amin’ny fiainana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika ary ara-toe-karena saika an’ny olona rehetra eto an-tany, tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa.

Karazana loza iray hafa no mbola miseho any Eorôpa atsinanana, izay ahitana olona an-tapitrisany maro, anisan’izany ireo mpikamban’ny Fiangonana, izay niaina faharavana, nafindra toerana, na nanolotra ny ainy mihitsy tao anatin’ny ady izay tsy nangatahiny sy tsy mendrika azy. Vao herinandro vitsy lasa izay, raha tany Eorôpa izahay sy Rahavavy Holland dia nihaona tamin’ny sasany tamin’ireo Okireniana mpitsoa-ponenana ireo. Niara-nihomehy sy nitomany ary niaraka nivavaka tamin’ireo izay nandao ny zava-drehetra ary nandositra tsy nisy afa-tsy ny akanjo teny an-kodiny izahay. Nitovy tamin’izany ny fihetseham-po sy ny alahelo tsapanay ho an’ireo mpikambana mahatoky ao Rosia izay iharan’ity ady ity tsy fidiny ihany koa. Ankoatra ireo loza ireo, any amin’ny toerana maro eran-tany, dia hitantsika ny fifampitifirana variraraka—anisan’izany ny loza iray nitrangra vao tamin’ny herinandro lasa teo tany Utah atsimo—ny votoaty feno fahavetavetana ao anatin’ny fialam-boly, ary ny hetsika ara-pôlitika izay toa nanadinoana ireo fitsipika fototra toy ny fahitsim-po aman-tsaina sy ny hatsaram-panahy ary ny fahamarinan-toetra.

Ary mazava ho azy fa misy olana ara-kolontsaina sy ara-tsôsialy maro hafa izay manahirana antsika. Saingy tsy tonga mba hampikorontan-tsaina anareo amin’ireo olana eto amin’izao tontolo izao izahay anio alina. Ny mifanohitra amin’izany mihitsy aza no ahatongavanay eto raha ny tena marina! Takatray ny zavatra tsy mampitombin-tsaina izay mitatao eo amin’ny taranaka misy anareo. Ary ialanay tsiny fa tsy nahavaha ireo olana atrehinareo ankehitriny ireo ny taranaka misy anay. Saingy miantso anareo sy ny tanora Olomasin’ny Andro Farany hafa izahay mba ho lohalaharana eo amin’ny fampiasana ny hery ara-pitondrantena izay afaka mamaha ireo olana ireo, izay afaka mampihemotra ny onjan’ny tahotra, sy ny fieritreretana ny zava-drehetra ho ratsy, ary ny tebiteby manodidina antsika. Tena zava-dehibe ho anareo ny mivavaka mba tsy hoe hanjakan’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo fotsiny,2 araka ny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson, fa ny mivavaka ihany koa mba hanjakan’ny soatoavin’ny fiainanareo amin’ireo hafa izay mbola tsy tena mahazo antoka. Raha isika tsirairay avy amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo antsika antsika rehetra no be fitiavana sy tia fihavanana ary tsara fanahy kokoa; raha niezaka nitandrina ny didin’ Andriamanitra hatrany araka izay azontsika natao isika rehetra, dia manana ny antony rehetra tokony hahatsapana fahatokian-tena eo anatrehan’ny toe-piainana eto amin’izao tontolo izao sy ny antsika manokana isika. Rehefa miroso mankany any amin’ny hoavy amin’izany fomba izany isika ary heniky ny fiadanam-po sy fampanantenana araka an’ Andriamanitra, dia afaka ny hitondra fiantraikany mahatalanjona tokoa eo amin’izao tontolo izao isika. Nilaza i Abraham Lincoln fa isaky misy hirika dia nanandrana nioty ahi-dratsy izy ka namboleny voninkazo teo amin’ny toeran’izany. Raha nanao izany isika rehetra, dia ho tena zaridaina tokoa tsy ho ela ny tany efitra ara-moraly sy ara-panahintsika.3

Ianareo izay any Alemana amin’izao alina izao, toerana izay ahitana fandraisana tsara amin’ny fomba kristiana ireo mpitsoa-ponenana Okireniana nihaona taminay, dia hahita ny fahatanterahan’ilay teny nolazain’i Johann Goethe hoe: “Raha samy mamafa ny eo anoloan’ny tokonam-baravarany avy ny olona tsirairay, dia hadio izao tontolo izao.”

Noho izany, eo anatrehan’ny fahafantarana ireo olana sy ny faniriana hanolotra fomba hiatrehana azy ireo, izaho sy ny Rahavavy Holland dia tonga anio alina araka ny nolazain’ny Apôstôly Petera hoe: “[vonona hatrany] hamaly izay manontany anareo … [ny amin’ny] anton’ny fanantenana ao anatin[tsika].”4 Hiresaka momba ny fanantenana isika, omban’ny fanambarana fa tsy tokony hanary izany na oviana na oviana na ireo hatsaran-toetra rahavaviny isika: dia ny finoana sy ny fiantrana izany. Tsapanay fa misy fomba maro hamaritana ireo fitsipika mifamatotra akaiky ireo, ary ho renareo izahay hanolotra vitsivitsy amin’ireo famaritanay androany alina. Haheno anay koa ianareo hanambara miaraka amin’i Môrônia fa zava-dehibe ny fanantenana raha toa isika ka te “[handray] ny lova izay efa nomanin’[Andriamanitra ho antsika].”5Tianay ianareo hitaky izany lova amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ny mpanjaka anareo izany. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy tsapantsika fa ny fanantenana dia tsy ilay hafatra sy zavatra mandeha ho azy izay entin’ny fahitana ny lafin-tsaran-javatra fotsiny; tombontsoa ho an’izay rehetra mino izany.6 Amin’ny maha-mpino tena feno fanantenana (sy finoana ary fiantrana) azy, ny Rahavavy Holland dia mahatsapa mafy tokoa ny maha-zava-dehibe an’ity daholobe maneran-tany ity anio hariva sy ny anjara asanareo amin’ireo andro ho avy. Fantany fa ianareo no ilay vondrona izay handimby hitondra ny fanilo ary tsapany fa zava-dehibe ny handrosoanareo sy hanekenareo ny anjaranareo. Rahavavy Holland.

Rahavavy Patricia T. Holland: Mahatsapa mafy ny momba izany aho. Ianareo no taranaka tanora matanjaka indrindra izay fantatr’izao tontolo izao hatrizay. Tiako ianareo noho izany. Tena feno fankasitrahana izaho sy ny Loholona Holland fa mitandrina ireo fanekempihavanana nataonareo ianareo ary miezaka manao ny marina. Ary satria maro be ianareo dia hahazo ilay hery izay noresahin’ny Loholona Holland. Mahita ny fahazavanareo aho ato amin’ity efitrano ity. Tena mamiratra izany. Mahatonga ahy hieritreritra ny fotoana nisehoan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita izany. Hoy Izy hoe: “Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratra eo amin’izao tontolo izao. Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony.”7 Tanora toa anareo koa izahay fahiny, saingy efa niha-antitra. Raha manao jery todika ny fiainako aho, ka raha afaka ny hiaina ampahany amin’izany indray, dia zavatra iray no ho novaiko, novaiko ho hafa mihitsy, dia ny hoe: Tsory ny fanaovan-javatra! Amiko dia toa tsara kokoa ny zava-drehetra rehefa tsorina—ny sakafo, ny akanjo, ny fanaka, ary ny fandaharam-potoana. Ny zavatra nanenenako indrindra tamin’ny fahatanorako dia ny tsy nahitako ny hakanto tsotran’ny filazantsara; nankasarotako izaitsizy mihitsy ny filazantsara. Tsapako ho navesatra sy sarotra loatra ary indraindray aza saro-pantarina loatra izany. Toa ohatra an’ireny hoe voatery nihanika tendrombohitra fahamarinana sy nandalo lafaoro misy afo mirehitra fandiovana ireny aho, na dia efa nihalehibe aza, ary hamaha izao fifandirana ara-potopampianarana rehetra fantatr’olombelona izao raha maniry ny ankasitrahan’ Andriamanitra.

Tsy mila tenenina akory fa ny eritreritra tamin’izany dia be loatra ho-ana ankizivavy avy ao atsimon’i Utah. Dia toy izao teny nolazain’olona izao ilay izy: “Ny antony tsy mahatonga ny olona ho Kristianina dia noho ianao misalotra ny fivavahanao toy ny aretin-doha, toy ny satroboninahitra tsilo.” Olon-tokana irery ihany no tsy maintsy nitondra satroboninahitra tsilo, ary nataony izany mba hahafahantsika miaina am-pifaliana sy malalaka ary am-piadanana—fa tsy am-pahakiviana. Ny filazantsara dia tsy mba natao ho toy ilay tendrombohitra tsy azon’io ankizivavy kely io hianihana. Faniriany ny hahatonga azy—sy ny olon-kafa rehetra eto an-tany—ho feno fanantenana. Faniriany ny hahafantarantsika fa tsotra ao anatin’ny hatsarany ary tsara ao anatin’ny fahatsorany ny filazantsara.

Saingy miangavy aho hoe aza diso fandray ianareo. Raha niresaka momba ny fanantenana aho dia tsy midika izany hoe homen’i Kristy antsika ny zava-drehetra ary Izy no hiady ny adintsika eo amin’ny toerantsika. Raha tiana ho ilay karazana fanantenana nampianarin’ny Mpamonjy ny fanantenana ananantsika dia tsy maintsy mihoatra ilay “quand on prie la bonne étoile”8 an’i Pinocchio izany. Ry tanora rahalahy sy anabaviko malala, fanomezam-pahasoavana izany, fanomezam-pahasoavany ho antsika sy ny fianakaviamben’olombelona manontolo. Ary tokony ho fahazavana iray mamiratra eo amin’ny tontolo feno haizina mikitroka no hamantarantsika izany. Hoy ny mpanoratra iray izay hoe: “Tsy misy olona fadiranovana afa-tsy ireo izay miaina nefa tsy manam-panantenana.”9

Ny zavatra tsotra sy mamy amin’ny famantarana io fanomezam-pahasoavan’ny fanantenana io dia ny hoe tsy voatery hikaroka izany ianao; tsy voatery hisambotra izany ianao; tsy amboarinao izany ary tsy azonao amboarina. Tahaka ny zavatra maro eo ambanin’ny fahasoavana, dia tsy ho azonao amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny herinao manokana na amin’ny olon-kafa izany. Tsy misy fomba tsotra na raki-pohy ilaina mba hahazoana ireo fitahiana ilaina. Izany dia tsy ho tonga amin’ny alalan’ny fanazaran-tena miaina amin’ny orona (na manan-danja toy inona aza) na amin’ny alalan’ny fifandimbiasana mamaky boky momba ny fahazoana fahasambarana.

Raha ny marina dia manan-danja ny anjara sahanintsika saingy bitika izany raha ny marina; Andriamanitra no mitana ny anjara asa lehibe indrindra. Ny anjarantsika dia ny manatona Azy, amim-panetrentena sy am-pahatsorana, avy eo dia tsy tokony hitaintaina sy hatahotra isika.10 Nahoana izany no tsotra be? Satria ao ambadiky ny zava-drehetra nampianarin’i Kristy—ao amin’ny soratra masina, sy tantara, ary fanoharana rehetra—dia misy ilay fampanantenana hoe “hain’ Andriamanitra ny zava-drehetra,”11 ny fampanantenana fa ny herin’ Andriamanitra dia afaka mampitsahatra ny ranomaso rehetra.12 Mila manadino ireo fanahiana manokana isika ka hikatsaka fitsaharana ao amin’ny Tompo.13 Noho izany dia mila manatona Azy omban’ny fahalemem-panahy sy fietren’ny fo14 isika ary mandray ireo fitahiana avy amin’ny fitiavany tsy manam-petra. Ny fatokisantsika dia tokony hitovy amin’ny an’ny zazakely, na ny zanakondry, izay isika mihitsy raha ny tena marina, ao amin’ny valanondriny lehibe.

Hikorontana foana ny fontsika mandrapitsaharany ao amin’ Andriamanitra.

Izany antso mba ho malemy fanahy sy mietry am-po izany, izay iray amin’ireo famaritana vitsivitsy nomen’ny Tompo momba ny tenany, hoe malemy fanahy sy mietry am-po Izy, dia antso ho antsika rehetra mpianany. Raha afaka miaina toy izany isika, hoy Izy, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahintsika ary hahita isika fa mora ny ziogany, ary maivana ny entany.15 Mamaky io antso mba halemy fanahy sy hietry am-po io ombieny ombieny aho rehefa mamaky ny soratra masina. (Mety hoe satria mila izany ombieny ombieny aho.)

Azoko antoka fa tsy mbola nisy zavatra niteraka vokatra ara-panahy lehibe ka hoe olona tsy nanam-panantenana sy tsy manetry tena no nanao azy. Io karazana toe-tsaina io no fanantenanay ho anareo anio alina—dia ny mba hianaranareo izany dieny mbola tanora ianareo. Irinay amin’ny fonay manontolo ny hahafantaranareo fa Rainareo Andriamanitra ary “nenti[ny] hatrany am-bohoka [ianareo],”16 fa manana drafitra ho anareo Izy, drafitra ho an’ny “fanantenana ny amin’ny farany.”17

Mamelà ahy hizara aminareo soratra masina roa tiako ao amin’ny Testamenta Taloha izay mampiasa fomba fiteny mitovy amin’izany. Hoy i Isaia hoe:

“Mihainoa ary, ry taranak’i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: …

“… Na dia mandra-pahantitrareo aza, … ary mandra-pahafotsy ny volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho no hitrotro; … Izaho no hitondra sy hanafaka [anareo].”18

Ary nanoratra toy izao i Jeremia:

“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy i Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.

“Ary hiantso Ahy ianareo … sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.”19

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho ry tanora rahalahiko sy anabaviko isany, fa fahamarinana avy amin’ny zavatra niainan’ny tena manokana ny hoe ny Raintsika any An-danitra dia hanao ny anjarany amin’ny fanatanterahana ireo fampanantenana ireo. Miankina amintsika fotsiny ny hoe hino, ny hino tsotra izao, ny ho tahaka ny ankizy kokoa ao anatin’ny halemem-panahintsika sy amin’ny fankasitrahantsika indrindra indrindra rehefa mandray ireo fanomezana omeny. Te hanana taona tena tsara be ve ianareo amin’ity taona ity? Te hanana hoavy feno fanantenana ve ianareo? Moa ve ianareo mino fa misy fitahiana nomanina ho anareo? Efa nahita tsara ny hatsaram-pon’ Andriamanitra ve ianao mba ho antenaina sy hotakarina? Sarotra eritreretina anefa fa izany dia atao amin’ny alalan’ny fandohalihana, fanondrehana ny loha, ary angamba amin’ny alalan’ny fiankohofana eo an-tongotr’ Andriamanitra mihitsy aza. Zavatra tsotra tena mamy! Mandohalika, manondrika ny loha, miankohoka eo amin’ny “seza fiandrianan’ny fahasoavana.”20

Nilaza ny Loholona Holland fa ianao dia hahita fa io fanomezam-pahasoavan’ny fanantenana io dia mifandrohy amina fanomezam-pahasoavana roa hafa avy amin’ Andriamanitra, dia ny finoana sy ny fiantrana izany. Miangavy anareo aho tsy hanao tahaka ahy fony fahakeliko ka handray ireo fanomezam-pahasoavana ireo ho lehibe sy makadiry loatra ka mahatonga antsika ho kivy mafy amin’ny fiezahana hahatakatra azy ireo. Ankamamio ny fahatsoran’izy ireo.

Omeko anareo ity filaharana iray tsotra manaraka ity. Ny finoana dia ny faharesen-dahatra fa misy Andriamanitra, ny fanantenana dia ny fahatokiana fa hanampy antsika Izy, ary ny fiantrana dia ny fitiavany sy ny fahafahany miasa amin’ny alalantsika mba hitahiana ny hafa.

Nianatra aho mahakasika ny fiantrana fa tsy misy amintsika manana ny tanjaka, fotoana, na loharanom-pahalalana, na hery hanao izay rehetra tian’ny fontsika hataontsika. Tsy vitantsika daholo izany; tsy tratry ny herintsika ny fanirian’ny fontsika. Mahatalanjona fa ny herin’ Andriamanitra izay miasa amin’ny alalantsika dia afaka ny hanitatra ny zavatra kely mba vitantsika sy afaka ny hampitombo ireo ezaka kely ataontsika ary hanao amin’ny hafa izay tsy mba ho vitantsika irery velively.

Nitahy ny fiainako ny fandraisana tamin’ny fomba tsotra ireo olana mahakasika ireo fotopampianarana telo lehibe ireo. Inay aho mantsy mba nahita azy ireo aloha be kokoa tamin’io fomba tsotra kokoa io. Inoako mafy fa nataon’ Andriamanitra izay hahatsotra ireo fahamarinana lehibe ao amin’ny filazantsara ireo ka na ny ankizy aza dia mahatakatra azy ireo. Azoko averina ve izany? Ny finoana dia ny faharesen-dahatra fa misy Andriamanitra. Ny fanantenana dia ny fahatokiana fa hanampy antsika Izy. Ary ny fiantrana dia ny fitiavany miasa amin’ny alalantsika.

Eto am-piresahako momba ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ihany isika, dia aleo ampiako fanomezam-pahasoavana iray hafa izay mifameno amin’ny fanantenantsika ho an’ity taona vaovao ity. Ny fanomezam-pahasoavan’ny Fahazavan’i Kristy, izay kanto sy faran’izay tsotra indrindra no mandrehitra ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana. Io fahazavana io, izay mifandray akaiky amin’ny fanantenana, dia fanomezam-pahasoavana iray omena ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra izay efa niaina na ho teraka eto an-tany. Raiki-tampisaka amin’ny fiizintsika izany. Ampahany amin’ny vatana amam-panahintsika izany.

Isan’ireo andinin-tsoratra masina tiako indrindra ity andalana iray ity: “Ary ny Fanahy dia manome fahazavana ho an’ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao; ary ny Fanahy dia manazava ny olona rehetra manerana izao tontolo izao.21

Izany fahazavana izany dia isan’ireo antony fototra hananantsika fanantenana eo amin’ny fiainantsika. Mankahery, sy mampientanentana ery, ary tena mahavelom-panantenana tsotra izao ny hoe misy zavatra ao anatintsika ao izay tsy vitan’ny hoe milaza amintsika eo no eo ny lalana marina tokony hizorana hamakivakiana ireo fahasarotam-piainana fa milaza amintsika ihany koa hoe hahita ny lalana marina isika raha “malemy fanahy sady tsy miavona am-po.”22 Araka ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson tamin’ny Fiangonana manontolo vao herinandro lasa izay hoe: “Mila ny fahazavan’i Jesoa Kristy izao tontolo izao. Ary [tena] mila ny fahazavanareo [mahafinaritra] izao tontolo izao.”23

Ry tanora namako mahafinaritra isany, anio alina ny vavaka lehibe indrindra ataoko—ny fanantenako—dia ny handraisanareo tanora rehetra maneran-tany io antso io ho ny asa fanompoanareo manokana, dia ny mba handraisanareo ilay fanantenana resahin’ny Mpamonjy ka hitondra izany toy ny fanilo ho an’ireo izay mahatsapa fa toerana tena maizina sy tena sarotra iainana izao tontolo izao. Misy fomba hafa ve azoko hankaherezana anareo mba hahitana fa ny fitondrana io fahazavana io no asa fanompoan’ny andro farany hosahaninareo? Mba aoka re ianareo hahatakatra fa io no zavatra manan-danja indrindra tsapako fa tokony holazaina anareo anio alina. Ny zavatra atahorako indrindra dia ny hoe tsy haiko tsara ny mampita izany aminareo ka tsy dia hino ahy loatra ianareo. Tsy maintsy mitondra io fahazavana io ianareo amin’ny fomba izay tsy hahafahan’ny haizina rehetra eo amin’izao tontolo izao hamono izany na oviana na oviana.

Io fomba tsotra nefa mahery vaika entinareo mamaha ireo olana lehibe sy saro-bahana io dia hanova ny fizotran’izao tontolo izao izay mihalavo sy mihamaizina. Aoka hanana finoana an’ Andriamanitra sy fanantenana fa hanampy anareo Izy ary raiso ny fiantrana izay mamela Azy hiasa amin’ny alalanareo mba hanatanterahana ireo zavatra izay ianareo ihany no mahavita azy.

Eo am-panekenareo izany fanamby izany sy eo am-panombohanareo ity taona vaovao ity, rehefa avy nandini-tena ianareo, dia miangavy anareo aho hoe andrandrao ny loha. Ny maso izay miondrika mijery ny anareo dia ny an’ny Rainareo any An-danitra be fitia izay afaka sy hanome mihitsy anareo ny zava-drehetra izay antenainareo amim-pahamarinana. Ireo fitahiana ireo dia tsy ho azonareo amin’ny alalan’ny fisamborana azy ireny. Mba atsaharo ny hazakazaka mahatorovana. Mitonia; mitsahara. Tsory ny fanaovan-javatra. Aoka ho malemy fanahy sy mietry am-po, dia mivavaha. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ho tonga ny fahagagana rehefa maka mora sy tony ary mandohalika isika. Izay rehetra ananan’ny Ray dia afaka ny ho azonareo indray andro any.24 Fomba enti-miatrika ny hoavinareo amim-panantenana tokoa izany. Tena tiako ianareo ary midera anareo aho ary mivavaka ho anareo foana aho. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Loholona Holland: Mankasitraka anao Rahavavy Holland, tsy noho ny fampianaranao ny filazantsara fotsiny ihany fa noho ny fiainanao izany sy noho ny maha feno ny fanantenana amin’i Kristy anao ao anatinao. Nandritra ireo andro sarotra indrindra natrehanay, ary rehefa enimpolo taona nivadiana ianareo dia mety hiatrika izany koa, dia niaina araka ny nampianariny ny Rahavavy Holland. Mpino foana izy hatrizay. Natoky ilay fahazavana mandrakizay tao anatin’ny fanahiny foana izy. Niaina tao anatin’ny fatokiana foana izy fa Andriamanitra dia mihaino ireo vavaka ataontsika sy manoro antsika ny lalana na dia toa maizina aza ny alina. Tao anatina tontolo iray izay toa indraindray sarotra ho ana mpivady vao herotrerony dia ny fahamarinana sy ny fampanantenana tao amin’ny filazantsara matetika no hany azonay nofikirina, saingy ampy ho anay izany satria indro izahay anio hariva, nandray fitahiana mihoatra lavitra noho ny azonay nofinofisina tao anatin’izay 60 taona nivadianay izay. Noho izany, araka ny voalaza sy nataon’ity vehivavy tsara tarehy ity dia mba mitozoa amin’ny fanantenana, mivavaha mandrakariva ary minoa.

Hoampiako amin’ny torohevitra nomen-dRahavavy Holland teo ny fankaherezana ao amin’ny soratra masina mba hiatrehanareo ny hoavy amim-pifaliana araka izay vitanareo. Nisy olona indray mandeha nanoratra fa ny famporisihana rehetra nomen’i Kristy antsika ao amin’ny soratra masina, ny fampanantenana rehetra izay averimberiny atolotra ho antsika, izay miverimberina tsy ekentsika, dia ny famporisihana manao hoe: “matokia.”25 Afaka mandray an’i Kristy amin’ny teniny ve isika? Afaka manandrana izany fotsiny ve isika? Enga anie isika handray izany fanasana feno hafaliana sy fanantenana izany anio hariva eo am-pandraisantsika fahafahana hanomboka taona vaovao sy hanao izay hahatonga ny fiainantsika ho araka izay iriantsika azy.

Tahaka ny amin’ny fanasana rehetra nataony ho antsika dia niainan’i Kristy aloha izy ireny vao nampianariny. Na dia teo aza ny enta-mavesatra izay nozakainy dia be fanantenana sy nijery ny lafitsaran-javatra Izy ary nanampy ny hafa mba ho toy izany koa, anisan’izany koa ireo mpaminanin’ Andriamanitra. Avy tao anatin’ny halalin’ny Fonjan’i Liberty sy ny fahakiviana lalina niainany tao no nanome torohevitra farany tamin’ireo Olomasina tao ivelany izay nivavaka mba hamotsarana azy ny Mpaminany Joseph Smith mba “hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.”26 Ary tsy misy olona mijery lafitsaran-javatra kokoa sy be fanantenana mihoatra ny Filoha Rusell Marion Nelson, ilay mpaminanintsika velona izay namerina ilay torohevitra nomen’i Joseph raha nilaza tamintsika vao haingana hoe: “Tsy azo sakanana ny fitahiana ara-panahy ho an’ireo olo-marina. … Tian’i Tompo hiandrandra ny hoavy amin’ny -fanantenana feno fifaliana- isika [Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 513].”27 Mifaly ireo mpaminany satria mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy izy ireo, ary izany no tena loharanon’izany toe-tsaina miandrandra zavatra tsara izany. Mifaly ireo mpaminany satria fantatr’izy ireo ilay drafitra, fantany hoe iza no mandresy amin’ny farany.

Araka ny nolazain-dRahavavy Holland tsara hoe ny fahafahana mahita izao tontolo izao amin’ny lafitsarany dia mbola fanomezana iray hafa avy amin’ Andriamanitra. Misy ny “lehilahy”—ary ho ampiako ihany koa hoe ny vehivavy sy ny ankizy—“mba hahazo fifaliana”28 hoy ny filazan’ny soratra masina amintsika. Izay no antony mahatonga ilay izy hoe “drafitry ny fahasambarana.” 29 Vokatr’izany drafitra izany sy ny Sorompanavotan’i Kristy izay ivon’izany dia afaka ny ho feno fanantenana isika na dia maizina toy ny inona aza ny androntsika indraindray.

Ny halehiben’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ity lafiny ity dia mendrika ny hanehoantsika fanajana lalina eo am-piatrehantsika taona vaovao, taona izay hisy fanamby ho an’ny sasany amintsika. Saintsaino izany. Ahoana no nahafahan’i Jesoa miresaka momba ny fifaliana tao anatin’ireo fahoriana rehetra niainany nankany amin’ny fanomboana azy? Na dia tamin’ilay fotoana nangirifiry izay nanjaka nandritra ilay Fanasana farany aza dia mbola nampahatsiahy ireo mpianany ihany i Kristy ny amin’ny antony sy ny adidin’izy ireo mba “[ha]hatoky.”30 Nanontany tena aho hoe ahoana no nahafahany niresaka momba ny lafitsaran-javatra sy nanantenany ireo rahalahiny mba handray izany rehetra izany amim-pifaliana na dia teo aza ny fanaintainana izay niandry Azy. Azo antoka fa izany fanehoany ny finoany sy ny fanantenany ary ny fiantrany izany dia noho ny fahafantarany ny hiafaran’ny tantara. Fantany fa mandresy foana ny fahamarinana rehefa amin’ny farany. Fantany fa ny hazavana dia mandresy foana ny haizina mandrakizay mandrakizay. Fantany fa ny Rainy any An-danitra dia tsy manome didy mihitsy raha tsy efa nanomana lalana mba hahatanterahan’izany.31 Mahafaly ny rehetra ny fandresena ary i Kristy no mpandresy teo amin’ny ady nataony tamin’ny fahafatesana sy ny helo. Teôlôjia mavesatra izany amin’izao hariva izao, saingy izany no nahafaly azy ireo. I Kristy mpandresy no loharanon’ny fanantenantsika amin’ity taom-baovao ity sy ny isan-taona—mandrakizay.

Manoloana ireo fandrebirebena eo amin’ny fiainana sy ireo fakam-panahy, dia mety ho sarotra ny mitoetra ho feno fanantenana sy fifaliana rahampitso na amin’ny volana ambony na amin’ny herintaona. Na izany aza dia izany indrindra no tian-dRahavavy Holland hiaviana rehefa nangataka fanatsoran-javatra sy fifantohana mafy amin’ireo fitsipika fototra eo amin’ny fiainan’ny Olomasin’ny Andro Farany iray izy. Indraindray isika dia mifantoka amin’izy ireny amin’ny nahim-po, ary indraindray kosa dia ny fiainana no manery antsika hanao izany, kanefa amin’ireo tranga roa ireo, raha toa ka naorintsika teo amin’ny fototry ny filazantsara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia afaka misintona misimisy kokoa avy amin’ireo zavatra sarotra iainantsika isika tahaka ny azon’ilay namako iray izay hajaiko fatratra izay amin’izao fotoana izao. Samy miatrika fanamby ara-pahasalamana isan-karazany izy sy ny vadiny ary ny zanany vavy amin’izao fotoana izao. Mino aho fa mihaino izy ireo amin’izao hariva izao, ary ampiako hoe fanamby tena goavana. Nanana ny antony rehetra izy ireo hiraviraviana tanana sy hanontaniana tena ny amin’ny soa nentin’ny fanantenany na ny finoany na ny fiantrany ho azy ireo. Saingy noho ny maha mpanara-dia feno fahavononana azy ireo na tamin’ny fotoam-pifaliana na fahoriana dia mandresy izy ireo.

Tao anatin’ny email iray azoko vao haingana (izay zaraiko aminareo rehefa nahazoako lalana avy aminy) dia nanoratra ilay namako hoe:

“Tao anatin’ny volana vitsy lasa izay dia lasa tena kely ny tontoloko: [Ny velaran’ireo] fandriana ao amin’ny hôpitaly sy ireo efitra feno marary. Tena sarotra ny [fahasitranan’ny vadiko taorian’ny famindrana voa natao taminy] ary nandany ireo volana farany niditra sy nivoaka ny hôpitaly izy. Vokatr’izany dia notapahako ny fifandraisako amin’ny zavatra maro amin’ny tontolo [manodidina ahy].” Diniho ny teny hoe fahamorana.

Tohizany hoe: “Tsy tiako mihitsy ilay fihevitra hoe ny Tompo dia manome fitsapana ho antsika saingy mino aho fa azony ampiasaina izy ireny ho amin’ny tanjony. Zavatra iray izay tena akaiky ny foko tao anatin’izay herinandro vitsy farany izay ny … maha zava-dehibe sy ny maha tena misy ny fon’ny filazantsara [raha ampitahaina amin’ny zavatra maro hafa izay tsy ilaina]. Ny fahatsapana fitiavana ho an’ny hafa, ny fahatsapana ho tian’ny hafa sy tompoin’izy ireo, ny fanatrehan’ny feon’ Andriamanitra mangiana rehefa mipetraka eo anilan’ny fandrian’ny zanaka iray marary ianao ka trotraka na ao amin’ny efitry ny vadinao izay marary mafy ao amin’ny hôpitaly ka handrenesanao ny teny avy amin’ Andriamanitra hoe: -Ry zanako, fiadanana anie amin’ny fanahinao.-

“Namaky ny Bokin’i Môrmôna sy ireo Filazantsara aho ary nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Ankoatra ny kombariky ny Fiangonana sy ny haifinoana [mihoatra ny saro-takarina] izay manampy antsika handady mankany amin’ilay fahazavana … dia misy ny tena fisian’ny finoana, … ny fijoroana ho vavolombelona, [ny fanantenana ary ny fitiavana].”

Faranany amin’ny hoe: “Tsy afaka nanatrika fivoriana Fanasan’ny Tompo aho efa ho herinandro maro izay saingy nahita olona maro tena tsara aho izay nitoetra ho marina amin’ireo … fanekempihavanana nataon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanompoana ny fianakaviako. … Tena voatahy amin’ny zavatra maro aho ary tiako ny Tompo, [tiako] ny filazantsarany, [tiako] ny Famerenana amin’ny laoniny ary ny Fiangonana.”32

Izany tenivavolombelona tsara lahatra momba ny fanantenana sy faharetana izay naseho tao anaty fotoana tena sarotra izany dia mampihetsi-po ahy. Ary mila mahafantatra isika fa amin’ny fotoana iray, ny fanantenantsika sy ny faharesen-dahatrantsika dia tsy isalasalana fa hozahan-toetra sy ho voadio ao anatin’ny fijalian’ny tena manokana toy izany ihany koa. Ry tanora namako mahafinaritra, ny finoana tsy voazaha toetra dia tsy dia tena finoana loatra. Milaza isika fa miorina eo ambonin’ny vatolampin’i Kristy. Tsaratsara amintsika ny manao izany, satria manana ny tafiotrany sy ny rivo-dozany ny fiainana, ny fototra fasika dia tsy hahatana tsotra izao rehefa mifofofofo ny rivotra sy mirotsaka ny orana, ary tonga ny safo-drano.33

Ity misy fanamarihana iray farany ety am-pamaranana ity fampitana maneran-tany ity ao anatin’ny taona vaovao mahafinaritra, tafiditra amin’izany ny taom-pianarana vaovao ho an’ny institiota. Misy sasantsasany aminareo miahiahy ny amin’ny zavatra lehibe kokoa noho ny hoe lalam-pianarana inona no tokony harahina na koa hoe asa tahaka ny inona no tokony hatao. Ny sasany kosa mety mitolona amin’ny vesatry ny fahatsapana ho meloka—ary tsy misy manimba sy mampihena ny fanantenantsika ny hoavy sy mitarika amin’ny fisarahana amin’ Andriamanitra mihoatra an’izay entin’ny fandikan-dalàna. Tsy nisafidy am-piheverena hanao lahateny mikasika ny fahotana sy ny fandikan-dalàna izaho sy Rahavavy Holland saingy mety tsy ho fandraisana andraikitra avy aminay raha toa ka tsy resahinay izay nolazain’ny Tompo fa adidinay ny mampianatra azy.

Misy foana ny ilan’izao tontolo izao ilay fitsipika feno fanantenan’ny fibebahana sy ny fampiharana izany. Rehefa avy nandika lalàna isika dia fantatsika tsara ny antony mampitsilopilopy ny afon’ny fanantenantsika sy ny antony mahatonga izany toy ny maty mihitsy aza indraindray. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany dia tsy maintsy miova isika raha tsy izany dia ho voaozona ny fanantenantsika hoavy mamiratra. Maty tanteraka izany hazavana izany. Izany no antony ilantsika rehetra mibebaka. Isika rehetra. Isan’andro hoy ny Filoha Nelson.34

Noho izany dia mangataka anareo aho izao hariva izao hamaha eo no ho eo ny vesatry ny fandikan-dalàna anananareo, manomboka amin’izao ora izao, ny fahotana izay fahavalo lehibe indrindran’ny fanantenana sy ny fahasambarana izay fantatro manerana izao tontolo izao. Manatòna ny Tompo mba hibaboka ary manatòna ny eveka raha toa ka mitaky izany ny fahotana nataonareo. Saingy ovao izay tsy mety na lehibe izany na kely. Ny fibebahana no lalana hahazoana fanombohana vaovao, io no lalana hahazoantsika hoavy misandratra. Efa ampy ny fahasarotan’ny fiainana na tsy mibaby kitapo feno fahadisoana ao an-damosina aza isika, mandritra ny andro, isan’andro, mandritra ny alina, isan’alina. Esory izany. Ovao ho lasa fiadanana ny tebiteby. Ovao ho lasa fahasambarana ny alahelo. Nanome ny ainy i Kristy mba hahafahanao ho afaka manao izany maimaim-poana.

Avy eo dia afaka manao araka ny nangatahan’i Nefia antsika rehetra ianao. Tao anatin’ilay hafatra fanaovam-beloma nataony talohan’ny nahafatesany, dia nilaza ny zavatra tianay sy nezahinay sy Rahavavy Holland nolazaina anio hariva ity zanakalahy izay nahita ady sy fifandirana be ity manao hoe:

“Mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.”35

“Fanantenana mamirapiratra sy lavorary,” avy amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra, izany no irinay ho anareo amin’ity taona vaovao ity. Miaraka amin’izany fanantenana mamirapiratra izany ny bitsika tsy azo lavina fa tia anareo Andriamanitra, fa i Kristy no ilay Mpisolovavanareo ary marina ny filazantsara. Hampahatsiahy anareo anie ny famirapiratan’izany fa misy fahafahana vaovao, sy fiainana vaovao ary taona vaovao foana isan’andro isan’ora ao amin’ny filazantsara. Tena fahagagana izany! Tena fanomezana re izany! Noho ilay fanomezan’i Kristy dia ho antsika ireo zavatra tsara indrindra eo amin’ny fiainantsika raha manohy mino sy manohy miezaka ary manohy manantena hatrany isika.

Tsaroanareo ve ireo toe-piainana maneran-tany noresahiko anareo tany am-piandohana? Atreho izy ireo ary atreho ireo fanambinao manokana amin’ny fahafantarana fa rehefa manana finoana dia mandeha ho azy ny zava-drehetra amin’ny farany. Aza raisina amin’ny mety ho endrika hisehoany ankehitriny izao tontolo izao. Ataovy mamiratra ao amin’izany ny fanantenanareo ary ataovy tonga tahaka ny tena tokony hahatongavany izany. Aoka ianareo ho ilay fahazavana izay nangatahan-dRahavavy Holland mba hahatongavanareo, hazavana izay tsy azo vonoina mandrakizay, ny hazavan’ilay Mpamonjy izao tontolo izao.

Avelako eo amin’ny tsirairay aminareo anio hariva ny tsodrano amin’ny maha apôstôly ho an’ity taona ity ny mikasika ireo zavatra izay fantatro amin’ny fahazoana antoka tanteraka sy zavatra hilainareo mandrakariva. Ataoko izany noho ny fitiavako anareo, sy ny fitiavan’ny Tompo anareo, ary ny fitiavan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo anareo. Fitiavana ny tsirairay. Ary ny fanatrehanareo eto amin’izao hariva izao. Mitsodrano anareo aho mba hahafahan’ilay hery tsotra nefa tena miavaka izay tsy afa-misaraka amin’ny fitsipiky ny famonjena, toy ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana hiharihary sy handaitra lalandava eo amin’ny fiainanareo. Mitsodrano anareo aho mba hahalala, tahaka ny ahalalako azy tsara, fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia sarobidy manokana, mitondra fanantenana maharitra ary marina mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ny fahefan’ny apôstôly aho fa izany no izy, ary toy izany no hany valiny tsy mety levona amin’ireo fanamby maro eo amin’ny fiainana, ny anareo sy ny ahy, sy ilay hany fomba hisandratana ao amin’ny halehiben’ny mandrakizay.

Mitsodrano anareo izay mety hiresaka momba ny “olan’ny finoana” amin’izao andro izao aho. Misedra olana foana ny tena finoana, finoana manova fiainana, finoana tahaka ny an’i Abrahama. Izany no ahafantaranao hoe finoana izany. Mampanantena anareo aho fa ny finoana bebe kokoa dia hidika ho olana kely kokoa, mandra-pahatonga an’ Andriamanitra hilaza amin’ny farany hoe, “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.”36

Mitsodrano anareo tsirairay avy aho mba hahafantatra fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia izany mihitsy, ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ary amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fahafahana atolony irery ihany no ahafahan’ny olona “mahatratra [tanteraka] ny ohatry ny halehibenʼny fahafenoanʼi Kristy.”37 Mitsodrano anareo tsirairay aho, isam-batan’olona amin’ny anarany avy, hanana ny fanomezam-pahasoavana rehetra ilainareo amin’ity fikatsahana ity, ary mitsodrano anareo aho, miangavy anareo, mba hanana faharetana satria ny Rainareo any An-danitra, ao anatin’ny fahendreny, dia tsy hoe mijery ny fomba tsara indrindra hanomezany anareo foana izay zavatra angatahinareo fa manome anareo kosa tsy tapaka ny zavatra ilainareo. Ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra, ny maha mpisolovava antsika mandrakizay ny Mpamonjy, ary ny fampiononana tsy tapaka avy amin’ny Fanahy Masina, ny herin’ny fisoronana masina, ary ny fomban’ny mpaminany izay asehon’ny Filoha Russell M. Nelson amin’izao fotoana izao, ny fahamasinan’ny Bokin’i Môrmôna, ary ilay “fanantenana mamirapiratra sy lavorary” omen’ity filazantsara ity no ijoroako ho vavolombelona manetriketrika sy masina ary manokana eo amin’ny fiainako. Ataoko izany amin’ny anarany, ilay loharanon’ny fanantenako rehetra, dia ny Tompo Jesoa Kristy, amena.